« Ny tena Apôstôly : Matoky, Mifankatia, tsy matahotra »

Ry havana, amin’izao alahady fahadimy amin’ny fankalazana ny Paka izao dia miova kely ny fomba fijerin ‘ny mpandinika. Nanomboka tamin’ny alahadin’ny Paka hatramin’ny alahady fahefatra amin’ny fankalazana ny Paka dia ny fijoroana vavolombelona nataon’i Md Piera sy Md Joany no nambara tamintsika.

Amin’ity alahady ity kosa dia olona mpanenjika ny Fiangonana Katôlika sy mpamono ny Kristianina mihitsy indray no mijoro ho vavolombelona amintsika, dia i Md Paoly izany. I Paoly moa dia anisan’ireo Jody nankasitraka ny fanankanana ny fivavahana kristianina mba tsy hiely maneran-tany, ka rehefa tany an-dalana tany Damasy izy no nisehoan’i Jesoa. Teo no nilazan’i Jesoa fa tena velona tokoa Izy fa tsy hoe nisy nangalatra ny fatiny. Rehefa niverina avy any Damasy izy dia nankao Jerosalema ka ireo Jody nanao azy hoe mpamadika ary ireo Apôstôly koa tsy nino azy noho izy nanenjika ny kristianina. Niverina tany Tarsa i Md Paoly nandritra ny taona maromaro ka nalain’i Barnabe Apôstôly ary nentiny teo anatrehan’ny Apôstôly ka teo no nitantaran’i Md Paoly ny nanjo azy sy ny fandresen-dahatra tao anatiny fa i Jesoa no mpamonjy ka nitory an-kasahiana izany tamin’ny anaran’ny Tompo. Manoloana izany dia maro ankehitriny ny fomba fisehon’izany fanenjehana ny fivavahana izany, ka tokony hanao toa an’i Md Paoly isika feno ny Fanahy Masina ka hijoro an-kasahiana amin’ny finoana amin’ny alalan’ny fihetsika sy ny atao amin’ny fiainana iray manontolo ary mizara izany amin’ny hafa ; izay no tena tanjona. Isika no fanasina hoy i Jesoa, kely fa mahavonto ny fiainana manontolo ; ka raha tena mifikitra amin’Andriamanitra isika dia hifikitra aminy avokoa ireo manodidina antsika rehetra.

Faharoa, ao amin’ny taratsy voalohan’i Md Joany, mbola hitantsika ihany fa i Md Joany ihany ny mijoro ho vavolombelona. Raha fintinina ny voalazany eto dia hoe « Asa fa tsy kabary ». Hoy izy : « Anaka, aoka isika tsy hitia am-bava na amin’ny teny fotsiny, fa amin’ny asa sy amin’ny fo tokoa. » Tokony asehontsika amin’ny fiainana ny fitiavantsika sy ny fanekentsika an’Andriamanitra. Indraindray mantsy isika mangataka amin’Andriamanitra foana nefa rehefa ampanaovin’Andriamanitra ny sitrapony dia tsy manaiky : ny sitrapontsika no mibahana fa ny sitrapon’Andriamanitra manalavitra antsika.

Farany, ao amin’ny Evanjely nosoratan’i Md Joany, dia milaza amintsika i Jesoa fa raha tsy miombona aminy isika dia foana ny zavatra rehetra, tsy hahefa na inona na inona isika. Ny finoantsika tanteraka an’i Jesoa no mahavonjy antsika. Ka ny fivavahana izay imasoantsika ankehitriny no iombonantsika amin’Andriamanitra : io no ahenoantsika ny teniny, io no hanatanterahantsika ny didiny, hisantarantsika dieny ety an-tany izany lanitra izany.

Resaka Facebook

Leave a reply