Toriteny Alahady 25-09-2016

Ny soa atao levenam-bola.

        Ny hirariana dia ny tsy hisian’ny mahantra mihitsy na dia iray aza fa kosa ilay toetra entina hitantanana ny harena eo anatrehan’ireo tsy nambinina, izay no tian’ity Vakiteny Masina ity hazavaina amintsika tsirairay avy.

        Araka ny foto-kevitra androany dia hoe : « Ny soa atao levenam-bola » izany hoe mandevina vola ka rehefa sendra ny fahasahiranana dia iny no hitsinjovana ny vodiandro merika hoy isika Malagasy. Raha zohintsika ity tantara ity dia tantara toa mahaontsa, mahavaky fo sy maha te-hitomany. Zavatra roa no mahaontsa ao: ny voalohany dia I Lazara kely, ilay mahantra nivalandotra teo am-bavahadin’ilay mpanan-karena. Izany mivalandotra izany dia ny aina sisa no tsy miala, noana mafy, efa malemy sy tsy hita intsony izay atao eo am-bavahadin’ilay mpanan-karena. Nahita azy ilay mpanan-karena fa tsy nanome hanina azy, tsy nanome vola mba hividianany hanina, tsy nanome fanafody mba hanasitranana ny feriny fa ny alika avy no tonga teo nilelaka ny feriny. Marihina tsara fa ity mpanan-karena ity tsy nanao hoe: “Mandehana ialahy mandeha any ry Lazara fa manala baraka ahy eto!” na hoe nofelahiny ny tehamaina I Lazara. Tsy nanao izany izy saingy kosa tsy nijery ny fahantrana sy ilay fijaliana nahazo an’I Lazara. Inona no vokany? Ny vokany dia atoron’ny Vaovao Mahafaly fa samy maty na ilay mahantra na ilay mpanan-karena. Samy maty, izany hoe tsy hisy hijanona eto isika na anankiray aza fa aorian’izay dia misy karazana fiainana anankiroa homen’Andriamanitra antsika: na any amin’ilay afo tsy maty mandrakizay na any an-kavanan’I Jesoa, any amin’ilay misy an’I Lazara eo an-tratran’I Abrahama. Hitantsika tsara fa niova indray ny fiainana: ilay nahantra fadiranovana lasa niadana sy finaritra ary nolazaina mihitsy hoe: “Ianao moa dia finaritra sy nambinina tety an-tany fa I Lazara kosa dia fatra-pahoriana tety an-tany ka anjarany kosa izao ny mahazo ny fiainana tsaratsara.” Ilay anankiray kosa dia mijaly ary nitaraina. I Lazara henontsika tsara fa nijaly saingy tsy nitaraina izy, zakany ny zavatra nihatra taminy. Ilay mpanan-karena kosa matoa izy nitaraina dia tsy zakany ny zavatra nihatra taminy.
Mitodika amintsika tsirairay avy izany Tenin’Andriamanitra izany. Mety ho tonga ao an-tsaintsika mianakavy hoe: “Aiza moa izay harenako eo?”, “Inona no mba hozaraiko amin’ny mahantra eo?” Voalohany aloha io fahasalamanao io dia efa harena, io tongotra aman-tananao io dia efa harena satria misy anie olona tsy manana izany e… Asa ianareo raha mba mandeha any amin’ireny hopitaly ireny na any amin’ireny toerana fitaizana zaza manana fahasembanana ireny fa misy olona tsy manan-tanana sns… Ireny ilay asain’Andriamanitra jerentsika. Na ny vavaka sy ny tsiky ataontsika amin’io mpanampintsika ao an-trano io dia efa lalana andehanantsika ho any an-danitra. Io namana miara-mipetraka aminao ao anaty “bus” io, eny an-dalana, any amin’ny fiaraha-monina misy anao any, io no lalana andehananao ho any amin’ny lapan’ny lanitra, any amin’ny fiainana mandrakizay. Hamafisin’I Jesoa izany ao amin’I Md Matio toko faha-25 hoe “ho avy ny fitsaràna an’izao tontolo izao dia Izy hanavaka ny ondry sy ny osy. Ny ondry ho ataony any an-kavanany ary ny osy kosa hataony any an-kaviany dia hilaza Izy hoe: “Avia ianareo ry nosoavin’ny Raiko fa noana Aho nomenareo hanina, nangetaheta Aho nomenareo hosotroina, tany an-trano maizina Aho novangianareo, tsy nitafy Aho notafinareo” dia hamaly ireo hoe: “Taiza Ianao no hitanay narary na noana na tsy nitafy ka nanao izany izahay?” Ny navalin’I Jesoa: “Izay nataonareo tamin’ireny madinika ireny dia Tamiko no nanaovanareo azy.” Dia hilaza amin’ireo eo an-kaviany koa Izy hanao hoe: “Ianareo kosa noana Aho tsy nomenareo hanina, tsy nitafy Aho tsy notafinareo, tany an-tranomaizina Aho tsy novanginareo”. Ireo kosa dia ho any amin’ny afo tsy maty mandrakizay”. Ka inona no tiana hotenenina amin’izany? Ny tiana holazaina dia izao: ny hananana sy ny fitiava-namana amin’ny alalan’ny fahafoizana no hahazoantsika ny lanitra.

        Raha atao amin’ny teny tokana ny Vakiteny Masina androany, indrindra indrindra ny Evanjely sy ny Vakiteny voalohany dia hoe: aza manao “ny omby mahia tsy lelafin’ny namany” fa raiso an-tanana ny fiainan’ny mahantra satria nanao izy fa tsy nambinina fa ianao kosa mba nambinina tamin’ny fiainana. Ny zavatra hitranga dia raha hiala amin’ity fiainana ity isika ka sanatria ho lasa any amin’ny afobe dia tsy hisy na inona na inona azontsika atao intsony fa miaina ny fijaliana sy ny fahoriana any fotsiny sisa. Na ny olona ety ambonin’ny tany aza tsy afaka hivavaka ho anao intsony, na ianao aza tsy ho afa-mivavaka ho an’ny tenanao intsony fa dia miandry ny fijaliana mandrakizay any ianao. Izany akory tsy hoe mampatahotra fa efa lazaina tsara ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay dia ny fihainoana an’I Moizy sy ny mpaminany, izany hoe ny Tenin’Andriamanitra. Ary ny Tenin’Andriamanitra raha fintinina dia ny fitiavana an’Andriamanitra izay nolazain’I Md Paoly tao amin’ny Vakiteny Masina faharoa teo sy ny fitiavana ny namana. Koa mankahery antsika rehetra amin’ny fanaovan-tsoa, amin’ny fijerena indrindra indrindra ny namana, tsy sanatria hanao ampihimamba ka ireo namana ireo no ataontsika tsinontsinona na ireo namantsika ireo no ataontsika tohatra ahazoantsika ny harena: izy miha-mahantra andro aman’alina fa isika kosa miha-manan-karena.

        Raha jerentsika ny fiainana eto amin’izao tontolo izao dia hitantsika tsara fa mizara roa ny harena. Ny antsasakin’ny harena eto amin’izao tontolo izao dia eo am-pelatanan’ny iray isan-jaton’ny olona (1%) eto amin’izao tontolo izao, ny antsasany kosa no an’ny sivy amby sivifolo isan-jato (99%). Ireo olona voalohany ireo izany na tsy hiasa intsony hatramin’ny zafikeliny aza dia efa manana ny hoaviny eto amin’izao tontolo izao koa mivavaka ho azy ireny isika mba tsy ho tratra ohatran’ity mpanan-karena ity fa hanana fo mangoraka sy hanao tahaka ilay lehilahy anankiray mpanan-karem-be nanana mpiasa be dia be izay notsinjoviny tsara. Indray andro izy rehefa nisidintsidina tamin’ny fiaramanidina  niaraka tamin’ny zanany lahy tokana dia hoy izy tamin’ity zanany hoe: “Anaka, rehefa maty aho dia aza fonosina ny tanako fa avelao hitsotra amin’izao fa ny vatako ihany no fonosinao”. Hoy ilay zanany hoe: “Tsy ho menatr’olona amin’izany ve aho ry dada? Jereo anie ity harem-be-nao e, ny fiaranao be dia be, ny ombinao feno, ny taninao tahaky ny inona dia lamba kely hamonosana ny tananao ve dia tsy ho foiko?” Namaly ilay rangahy tena nino an’Andriamanitra: “Tsy izany no tiako hatongavana ry anaka fa izao: ireo olona rehetra nikarama tato amintsika ireo, ireo olona nanaovantsika soa ireo, ireo olona rehetra hitantsika ireo, satria isika dia mamy hoditra amin’ny fiaraha-monina, dia ho avy avokoa amin’ny andro handevenana ahy ka ho hitany fa ilay rangahy tena mpanan-karena indrindra teto amintsika dia tsy mitondra afa-tsy tanam-polo. Na ny volamenna teny an-tanany aza noesorina, ny firavaka teny amin’ny tenany noesorina fa tanam-polo no entiny miala amin’ity fiainana ity ka dia ho tonga saina ireo olona ireo fa mila mitodika amin’Andriamanitra isika satria ity rangahy ity aza efa maty mitsitra mbola miandrandra an’Andriamanitra manao “Rainay any an-danitra” ny tanany”.

        Dia izay ny fitsinjovana mandrakariva ny fiainana mandrakizay, tsy misy hoe ranona tsy maintsy mankany amin’ny afobe na ranona tsy maintsy mankany an-danitra fa efa novonjen’Andriamanitra daholo isika rehetra tamin’ny alalan’ny Hazofijaliana fa anjaranao sisa ny misafidy hoe izaho ho any an-danitra na izaho ho any amin’ny afobe. Isika rehetra efa voavonjy fa anjaranao sisa na handray ianao na tsy handray an’ilay famonjena. Dia hisaorantsika Andriamanitra amin’izany Teny maminy izany ary mangataka koa isika mba hahafahantsika manitsy ny fiainantsika sy ny diantsika mba ho sambatra any amin’ilay fiainana mandrakizay efa nomanin’I Jesoa isika mianakavy.

Resaka Facebook

Laisser un commentaire

Fermer le menu