« Tia antsika mpanota ny Ray »

Raha jerena ny bokin’ny Tantara, dia vahoaka voatsonga tao anatin’ny firenena maro ireto vahoaka ireto satria avy ao no hiavian’ny Mesia. Nokarakarain’Andriamanitra ireo vahoaka ireo : notiaviny manokana, nombany sy nomeny ny tany nampanantenaina… satria nofidiny tao anatin’ny maro.

Inona anefa no zava-nitranga ?

Ity Andriamanitra izay tompointsika ity dia Andriamanitra saro-piaro amin’ny vahoakany ka ny tena tsy zakany dia ny nampirafesan’ny vahoaka Azy (nanompo Andriamani-kafa ny vahoaka na dia efa nanao fanekem-pihavanana tamin’Andriamanitra aza).

Inona ny nataon’Andriamanitra manoloana izany ?

Navelan’Andriamanitra notafihan’i Nabokôdônôzôro ny tanàna, nodorany ny Tempoly, nazerany ny mandan’ny tanàna, nentiny ho babo tany Babilôna ny vahoaka rehetra… Navelan’Andriamanitra hihatra tamin’izy ireo izany zava-doza rehetra izany. Rehefa tonga tany amin’ny fahababoana vao nangasihasy sy tonga saina satria terena hanompo Andriamani-kafa.

Araka ny voalaza ao amin’ny boky Ohabolana dia « Izay tian’Andriamanitra no faiziny » ka nokapohin’Andriamanitra ny vahoaka mba hahahendry azy, mba hampiverina ny sainy amin’Andriamanitra satria henony fa nisy marary nihatra taminy. Mikapoka Andriamanitra fa mifehy ny ratra.

Rehefa nitaraina anefa ireto vahoaka ireto dia nirahin’Andriamanitra i Siriosy mpanjakan’i Persa mba hanafaka azy ireo. Faly sy ravo izy ireo ary nanao fiderana handeha ho any Jerosalema. Izay vao tsapany fa tia azy sy tsy mivadika Andriamanitra.

Mitovitovy amin’izay ihany koa ny ao amin’ny Evanjely nosoratan’i Md Joany : « Naniraka ny zanany mba hamonjy an’izao tontolo izao Andriamanitra ». Nanota ny olombelona ka nomen’Andriamanitra ny zanany tokana hamonjy antsika ; ny sarobidy indrindra teo aminy no natolony. Fara-fitiavana no nomen’Andriamanitra antsika.

Ny atao hoe tena Fitiavana moa dia hery manentana avy ao anaty mampitodika anao any amin’ny hafa, hanasoavanao ny hafa ary hanadinoanao ny tenanao. Ary rehefa tena miaina ny fitiavana dia tsy maintsy mahare marary. Toy ny sira : levona mba hanome tsiro sy hanasongadina ireo fangaro amin’ny sakafo.

Ka io fitiavana io no niainan’Andriamanitra : nomeny ny zanany lahitokana na dia efa fantany aza ny hanjo azy. Rehefa tonga tety an-tany anefa Izy dia mafy ny nanjo azy : nenjehina, nampitondraina ny hazofijaliana, nampijaliana, novonoina…

Ka araka ny lohahevitra anio hoe « Tia antsika mpanota ny Ray » dia tian’Andriamanitra avokoa isika rehetra. Ka rehefa manantona an’i Jesoa eo amin’ny hazofijaliana isika dia sitraniny sy omeny ny fiainana mandrakizay isika satria tena tian’Andriamanitra isika olombelona n’inon’inona kilema, ni’non’inona fahotana, n’inon’inona hadalantsika.

Ka anjarantsika no mijery hoe inona no havalintsika izay fitiavana izay ? inona no omentsika an’Andriamanitra ? Inona no omentsika hanasoavana ny hafa ?

Resaka Facebook

Leave a reply