Tantaran’ny fiangonana

  • NY FIARAHAMONINA TRANAINY SY  NY  FIANGONANA SAVARAVINA :

Ny làlana tamin’izany mbola teny ambodin’I Lohalambo akaikin’ Ambatobehasina iny ary ny tanàna nalaza dia mbola  Amboanjobe, Ampahamasina, Ambohidrazana, Ambolamena, Ambohidrano sy Antsahamaina, Amporano, Ambohinaivo ary  Bongatsara ! Nitsitokotoko sy samy nanidy hadivory Na tamboho NY olona tamin’izany ary ny toe-tsaina amam-panahy koa dia saika nanahaka izay .Samy lehibe tamin’ny azy ary tsy tohinina fa samy sarotiny na teo aza ny fihavanana naha-malagasy!

            SOA IHANY FA TONGA NY EVANJELIN’I KRISTY   NENTIN’IREO MISIONERA.

                 Hoy Raleva Philippe,mpanoratra tera-tany iray  tao amin’ny boky :NY RAZAN’ANDRIANAMBONITRIMO TAO LOHALAMABO – pejy:10 : ” Roa ny Fiangonana tao Amboanjobe dia Protestanta sy Katolika .Ny Protestanta dia tokony ho tany amin’ny taona 1875 no niorenany, fa  ny Katolika kosa tsy  fantatro mazava . Teo Ankotra NY Protestanta fa ny Katolika tao an-tanànan’Amboanjobe!”

Dia hoy kosa Rakambana Jerôme,zana-dRainivaha sady raibenay , terak’Amboanjobe fa  sady Katesista tany Vohimavony- Ambositra no mpila ravinaritra !  “ Mbola kely izahay tany Imerina (Amboanjobe io ) dia efa nisy mompera vazaha nandehandeha teny Amboanjobe ary nampivavaka sy nampianatra katesizy sy hira . FINAZ  NO ANARANY ! Tsy nisy fiangonana akory teny fa fisariham-panahy fotsiny ! – Nohamafisin’ireo olon-dehibe teo Andratandroka  toa an-dry RAFARILAHY sy  Ra-Therèse teo Amboanjobe  izany saingy nampiany hoe : Teo ANKAMORY no mitangorona rehefa mandalo ilay Mompera vazaha dia mivavaka sy mianatra katesizy   fa teny ANTSAHAMAINA teny no efa nisy trano kely natao fivavahana indraindray.. .. Izay tena nafana fo dia nankany Tanjombato fa tany no nisy trano fiangonana lehibe sady nahasondriana ny atiny !

Nisy vaviantitra izany hoe natao batemy teny Antsahamaina teny tamin’ny                     02 Oktobra 1869 ary Mompera Finaz no nanao azy ! Rejistra taiza re  no mety niraketany  azy  e ? –  Angamba   Reny  na Reniben-dry Antoine RARABO mirahalahy  na avy amin-dry Séraphine RASENDRA tao Andohony izany satria ireo no tera-boromanga nalaza renay sy mbola hitanay teny .

Mompera Joseph LIMOZIN no tena nanorina ny Fiangonana tao Antsahamaina . .. Ny 06 Septambra 1877 izy no voatendry hitondra ny Faritany Katolika taty Atsimondrano. – – -Tanjombato no renivohitry ny Distrika tamin’izany ary fiangonana faha-16 tao anatiny Antsahamaina na dia mbola tsy azo ho natao hoe fiangonana loatra aza ny bikany .

  • FITOKANANA NY TRANOM-PIANGONANA VOALOHANY :

Ny taona 1880 no hita fa nahaleo tena ny Kristianina tao Antsahamaina ary dia natomboka teo ny fanisan’andro voalohany  ho nijoroan’ny FIANGONANA KATOLIKA Efa aman-jato ny vita Batemy ka nanome tany ny Ray aman-dReny tamin’izany hanorenana TRANO FIANGONANA  amin’izay .

Ny ALAHADY 12 MARSA 1882 no nitokanana izany trano fiangonana tena voalohany izany. Hoy Père LIMOZIN mitantara izany tao amin’ny gazety RESAKA , volana Avrily 1882 :  ”Tapak’andro avy eo Antananarivo , ANTSAHAMAINA raha atao dia an-tongotra. Nahafàm-po tokoa ny fankalazana sy fitokanana ny Fiangonana Masimbavy ANNE tamin’ny ALAHADY farany teo, rehefa nomanina ny misiona nandritra ny iray volana . . .FENO HIKA NY TRANO …Voatsodranon’Andriamanitra ny Misiona natao : ZATO MAHERY no vita Batemy tao anatin’ny Roa taona .Ny olon-dehibe vita Batemy dia nisy 30 no nanao Komonio voalohany  ary  60 kosa no nandray ny Konfirmasio …..Hafaliana ho an’ireo Kristianina vaovao ny nahita ny fidodododon’ireo Fiangonana akaiky naira-nankalaza ny fety . Taorian’ny Lamesa dia Kristianina 700 no nilahatra tamim-pilaminana nanao “PROSESIO” nilanja faneva sy “Banières” nananika ny tendrombohitra ka nigagan’ny mponina aok’izany….                 Ny hariva dia mbola ireo mpitsoka mozika nitarika ny PROSESIO ihany no nanala hamohamo anay tamin’ny koranam-pianakaviana nahitana tantara , dihin’ny miaramila  ary hiragasy mahaliana …….”

Ny Alakamisy 30 mey 1883 voatery niainga ho any Toamasina hiazo an’I LA REUNION sy MAURICE ireo Misionera fa noroahina  tamin’ny ady voalohany nifanaovan’ny fanjakana Frantsay sy Malalgasy…Teo dia saika maty tanteraka ny fiangonana Antsahamaina .

Tsy tafaverina intsony Mompera Joseph LIMOZIN fa nodimandry tany Saint Denis La Réunion ny taona  1885

Telo taona taty aorian’ny nialan’ny misionera : Ny 26 Marsa 1886 vao nahazo an’I Mompera Louis Gauchy mba hamelona indray ny misiona katolika . . . raikitra indray anefa ny adin’ny Frantsay sy Malagasy  . . . Fitsapana henjana izany satria ny misionera tany an-tesitany …ny fiangonana niha-natoritory !

Taty amin’ny taona 1907 indray vao nisy dimbiny Mompera Louis Gauchy ! Tonga i Mompera Stanislas TALAZAC .Mailo ity Mompera ity ka nametrahany Katesista Antsahamaina :  Ramose Robert RAJAONARIVELO avy any Ambatomanga izany.  Tonga dia niova  ny fiainam-piangonana satria nisy mpitarika lalandava na misy Pretra na tsy misy !.

Misy lovantsofina mitanisa izany Ramatoa RASOARIMANANA Cécile izany koa ho tena nanohana mafy ny fiangonana aman-taonany maro nefa tsy nety  hitanay ny andinindininy momba azy !  Karazan-dry Victoire RASOAMANARIVO izy izany hono raha ny asa nataony ary mety ho nanana andraikitra teo amin’ny fanajakana tamin’izany na izy n any vadiny !

Ny 1913 tonga indray Mompera DE LA GIRODAY . Nanentana ny Kristianina nitombo fatratra izy mba hanitatra ny Trano fiangonana izay kely sady efa konka loatra ! Biriky tany daholo manko taloha ary tafo herana na bozaka ka tsy mateza sady malemy !

  • NY TRANO FIANGONANA FAHAROA :

Sady efa maro no nafana fo satria nahay nanentana fatratra  Ramose Robert ka dia avo fitetika ny Kristianina :NATAO SADY LEHIBE NO AVO ILAY FIANGONANA   Ny 27 Avrily 1917 dia efa nisasaka ny asa  na nihena aza ny lehilahy noho ny ady lehibe voalohany tany am-pita sy noho ny fahasarotan’ny fivelomana noho izany . Niditra ny taona 1918 :Nikenonkenona fitokanana ny kristianina nefa indrisy …Nakapoky ny rivo-doza ilay nisasarana ! –

Hoy ny Gazety   FEON’NY MARINA ,laharana faha—7, pejy faha-108 tamin’ny 01 Avrily 1918 :  “ Nitohy ny ezaka ,tafatsangana ny trano fiangonana ,nefa indrisy raha teo amin’ny fiomanana amin’ny fitokanana iny indrindra …RAVAN’NY RIVO-DOZA NY ALIN’NY         10  FEBROARY  1918   IZANY .  –  Rava ilay tsy nandalàna vola amin-karena sy herim-po.Izay anefa no sitrapon’Andriamanitra ka nisikina hanao ezaka vaovao indray ny Kristianina !”

  • NY FIANGONANA FAHATELO :

Dia hoy ihany io gazety voatsiahy eo ambony io manohy ny fitantarana ny tsy firaviraviana  tanana nasehon’ny Kristianina ka nampisongadina ny ezaka tsy roa aman-tany vitany tao anatin’ny tapa-bolana nisehoan’ny loza fotsiny :” Tamin’ny Alahady 24  Febroary  1918  ,dia  efa nahavory  135 farantsa sahady izy ireo afa-tsy ny fanaka hafa toy ny kiraro, peratra natolotry ny vehivavy. . . noho izao toe-draharaha tampoka izao …“

Mbola hafa koa ny misy Katesista mipetraka  niampy ny asan’ny Fanahy Masina nanaitaitra ny hambom-pon’ Kristianina ka tsy mahagaga raha toy izany ny vokatra  .

Tetsy an-daniny efa nijoro ny fikambanana masina :”TOE-KAJA NY FO MASIN’I JESOA” ka nihetsiketsika  fatratra ny tovolahy  na tamin’ny herim-batana na tamin’ny fitadiavam-bola .Isan’ny nahavita be koa ry zareo  – Hoy indray Mompera DE LA GIRODAY tao anaty diariny manokana ny datin’ny 26 Aogositra 1925 :” Be fahafoizan-tena sy vola aman-karena ireto tanora ireto ka azo antoka ny ho avin’ny Fiangonana

Nodimandry tampoka tao Beravina i Momperta DE LA GIRODAY raha nampivory ny mpampianatry ny Distrika toy ny fanao isam-bolana ireny !

Bory loha indray ny Fiangonana . . .soa ihany fa teo Ramose Robert RAJAONARIVELO ka nanao toy ny gisalahy lasa namana ,  ny sisa mihiaka ihany !

Asa fa nitriatra indray ilay trano fiangonana fanintelony nandaniana mondron-kery sy fotoana ary vola amin-karena ! Tsy zakany angamba ny hazo moa tsy nisy fepetra ny trano fa ny hafanam-po no sady baiko no planina teknika  tsy ara-penitra niasana !  Andriamanitra rahateo manana ny heviny !  Dia samy nihainohaino aloha vao nanapaka hevitra vaovao indray !

 

  • FIANGONANA FAHAEFATRA :

Dia nanomboka namaky ny lalana mankany Antsirabe handalo tety Anjomakely ny Vazaha fa tsy nampanarahany izay nataon’ny Malagasy fahiny sady tetika handoharany ny mbola mifikitra any anaty tamboho sy hadivory any ka tsy lasa nitsoaka nila ravinahitra any anindran-tany . Mahasarika ho azy manko ny lalana ary mitondra hevitra amam-pihariana vaovao foana ! Niha-be olona  tety Anjomakely ary nandeha dia nandeha ny varotra na entana io na sakafo . Fambolena sisa nidinana tany an-tsaha . Nisy maro aza teto nanambady vazaha araka ny tantara tavela  !

Dia nisolo i Mompera DE LA GIRODAY, maty !  –  Mompera PEYRILHE no nandimby azy . Nanomboka nanainga ny Kristianina izy tamin’ny 11 Oktobra 1826 hanolo ilay Trano fiangonana mitriatra   …Nandeha ny adihevitra  ka raikitra fa hafindra lasy mihitsy no mahatsara ny trano fiangonana ho  fahaefatra . Aleo manenjika vavalalana  satria na ny kristianina aza tsy avy eny Antsahamaina irery intsony ! Ny Fanahay Masina rahateo niasa !

Niaraha-nanaiky fa eo ANJOMAKELY no hasiana azy ka sady  hatao lehibe no hisy zoro tanimanga mba tsy hitriatra ary vato no ho fototra fa tsy tovam-peta  intsony . Ny tafony koa dia ho taila fa tsy bozaka na herana ary ny varavarankely dia ho fitaratra mazava fotsiny  ! Asiana tilikambo avobe koa izy io ho talaky maso tsara  sady hotsanganana fandribaratra roa  Samy nanolotolotra tany ny lafiny manodidina ny hasiana ny trano  ka dia io hitantsika mbola mijoro  ankehitriny io izany Namonjena ny FANAMASINANA ny trano dia nampiana  andohalambo misarin-kitana  vita tamin’ny hazo misy “  vernis “ teny aloha  ary biriky sikotra  lohalikomby no natao tamin’ny andry rehetra misy ny sary làlan’ny hazofijaliana  – –                 Hazo sarobidy vita sikotra ny HOTELY MASINA   ! Toy izany koa ny LATABATRA MASINA  fandraisana komonio ary ny hotely madinika nisy an’i Fomasin’i Jesoa sy i Masina Maria ary ny trano fampikofesena ! Nahalany olona efajato mipetraka ilay trano ary nahatafiditra  eninjato raha mitsangana !  Azo atao hoe isan’ny lehibe sy tsara izany tamin’ny androny satria tsy mena-mitaha tamin’Ambohijanaka sy Imerimanjaka raha ny bika ! Efa nisy HARMONIA ROA tamin’izany : ny iray kelikely ary ny iray tena lehibe  novidian’ny TKM na ny Tovolahy Katolika Malagasy  teto Anjomakely . Ny lamban’ny Hotely sy ny sisa dia asatanan’ny vehivavy rehetra tety avokoa notarihan’ny vadin’ny katesista !

Tsy naharitra ela Mompera PEYRILHE fa roa taona fotsiny dia nafindra toerana. Nodimbiasana Mompera Malagasy izy . – Tsy iza izany fa i Mompera Jean Baptiste RAZAFINTSALAMA . – Io no nahatratra  ny fahavitan’ny Trano fiangonana teo anelanelan’ny 1926 sy 1929 izay fotoana nitondrany ! Nampiroborobo fatratra ny fitaizana ny tanora ara-tsosialy sy ara-toe-karena koa io Mompera io ka nanorina toby fiofanana mamboly sy miompy teo andrefana atsimon’ny tanimbarim-piangonana teo  ankoatra ny fitaizana ara-panahy .Maro hono ny Pretra sy vazaha nahay zavatra nidina tety matetika nifanampy taminy nanabe ny tanora teny !  Mbola hita eo ny sisa tavela tamin’izany trano izany sy ny foto-manga nambolen-dry zareo .

Tetsy an-danin’izany nisy vehivavy natao hoe :RAZANAMANDROSO Praxède ,novinadina GOVARNERA  fahiny nanolotra ireny tanety rehetra misy kininina ireny ho an’ny Fiangonana noho ny alahelony ny fiezahana tsy mety tola teo amin’ny Kristianina na inona nidona na inona nihatra hatreny Antsahamaina ka hatrety Anjomakely . Izany fanomezana izany no nitarika ny resaka tsy miankina nahamenatra teto Anjomakely taloha .Mbola velona teo daholo manko ny olon-dehibe  hatramin’ilay Govarnera vadin-dRazanamandroso ka nanizingizina ry zareo fa an’Anjomakely ireo tany ireo sy ny vokatra eo aminy ! Ny Diosezy kosa nanizingizina fa azy ny fananam-piangonana rehetra fa mpiandry omby volavita fotsiny Anjomakely . Dia nihenjan-droa ny tady  ka velona ny fanakatonana ny fiangonana ! Nosokafan’ny olona anefa izany ka nifanentana tao izy rehetra isan’Alahady mba hivavaka. Ny olana dia mora novahana ihany rehefa nifanatona tsara ka niresaka : “ Navela ho an’Anjomakerly ny vokatra fa ny Diosezy kosa tompony ara-panjakana ! “ – Ny tena fototry ny olana dia tarazo navelan’ilay fikasan’ny Kardinaly RAKOTOMALALA Jerôme hivarotra ampahan-tany tsy an-kiteniteny fa tsy ampy vola hoe ny Seminera tamin’izay. Voasakana ihany izany fa efa saika nanimba zavatra betsaka sady nila hanala baràka teo amin’ny fifandraisan’Andohalo sy Anjomakely   !

Mbola natolotr’izany vehivavy izany ny Eveka teny Andohalo koa hono ny VOLAMENA firavahany rehetra mba hoempoina amin’ny famoronana fitaovana masina!

Nifandimby teny ny volana sy ny taona fa tsy nohamasinin’i Moseigneur Victor SARTRE ny trano raha tsy tamin’ny 28 NOVAMBRA 1954 vanim-potoana  nitondran’I Mompera Albert Marie RAZANATSON sy ny Katesista RANAIVO Marc. – Ilay izy rahateo moa be pitsopitsony ankoatry ny vatan-drindrina ka tsy nahagaga izany sady izay koa angaha vao azo  antoka fa tsy hianjera intsony ! Notsofin’ny Eveka rano koa ny tranon’I Mompera sy ny mpampianatra ary ny efitra fampirimana ny “Pousse-pousse” sy ny vatam-paty !

Nijoro sy saika nisy avokoa ny karazam-pikambanana masina toy ny : Zank’I Masina Maria , ny (ZMM) , ny Lehilahy Katolika Malagasy (LKM) , Ny Fon-dehilahy (FD) , sy ny tovovavy Malagasy Kristianina ary ny Kroaze kely . Tena nivavaka ny olona raha tsorina ary maro ny sakramenta nozaraina ! Ra-Masiaka be ronono no nataon’ny olona anaram-bositr’i Mompera Albert !

Efa nipoirana Pretra sahady Anjomakely,ohatra : Père Marie,bénédictin ao Ambohitraivo ,- Père Léonard RAMAROSON  sy Relijiozy vavy maro toa an-dry Masera Marie Ernest RAMIELISOA zanak’I Euphrasie RAZANAMANANA  ZMM tena  mafana fo ary ry Frères CELESTIN sy CLAUDE EMILIEN  , Ecoles chretiennes .

Nisy tovolahy roalahy koa niditra niofana tany amin’ny Sekoly fianarana ho KATESISTA teny Ambohipo: St Pierre Canisius tamin’ny taona 1959, ary nahavita fianarana soa aman-tsara: RAKOTONIAINA Fidèle sy RANDRIAMAHADIMBY Jacques Charles.

RARABO Antoine no Filoham-piangonana tamin’izany ary tovolahy miaramila izay no mpitarika ny Zanaka am-pielezana, zanak’Amboanjobe-Ambohidrano izy izay.

Nisy olana goavana niseho tampoka indray taona! Betsaka ny afaka Komonio Voalohany sy Konfirmasio (Indray manao manko ireo taloha) Nieràna teny amin’ny EPP ny ankizy mba ho afaka manao laretirety fa ho avy ny Eveka hizara Sakramenta! Tsy nety Ramose RANDRIAMANANTENA Na dia efa mba nanaiky ihany aza tamin’ny hafa tany aloha. .  . Tsotra ny antony ary na ny tena aza sanganehana raha teo amin’ny toerany: Ankizy efa ho efapolo mahery ve no hanapaka telo andro nefa sekolim-panjakana io ? Natahotra ny ainy sy ny asany izy fa tsy maintsy hisy hitatitra any ambony any izany !

Dia TSY vita Komonio voalohany sy Konfirmasio niaraka tamin’ny zanaky NY Distrika ny ankizy teto Anjomakely tamin’izay . . . Voatery niverina manokana teo Ambohijanaka ny Eveka tamin’ny fialan-tsasatry ny mpianatra ka nizara Sakramenta ho an’ny zanak’Anjomakely manokana!

Dia izay no afo nandrehitra ny hafanam-po hanorina Sekoly Katolika! Nifampiraharaha tamin’ny Amerikanina ny Mpitondra tamin’izany notarihan-dRamose Ranaivo Marc  ka dia raikittra fa iantohan-dry zareo  ny kojakoja rehetra na inona na inona hatramin’ny dabilio sy solaitrabe ary ny vato fototra sy ny hazo amn-tafo . Ny vatan-drindrina ihany no anjaran’ny Fiangonana. .(Saika tsy holazaiko izao manaraka izao nefa ambarako ihany satria mety nisy nahalala koa :” Tsy dia nahazoazo Frantsay loatra ny maro tamin’ireo mpitondra tamin’izany sady mpidinidinika tamin’I Tompokolahy Mompera RABARISON izay mpampiofana tanora tety sady nanoratra boky mankahala ny Kaomonista sy ny fanjanahana   ) . .  Vita soa aman-tsara ilay sekoly goavam-be MISY RIHANA fa BIRIKY TANY…..saingy avelantsika EO iny fa momba ny fiangonana ihany no ventin-dresaka!

Nifamorivory kosa ny Tanora taty aoriandriana …, ny teto an-toerana sy ny am-pielezana ka nanao alim-pandihizana tao amin’izany lakilasy lehibe voalohany izany    . Vao nafana FO teny amin’ny 13 Mai 1972 tamin’izany ka nigagana na tany am-piangonana aza fa mahavita azy ny tanora. Nahazo vola dia nampidirana JIRO NY fiangonana. Tsy mbola fahita koa izany tamin’izay.

Tsy hita akory dia ho feno zato taona NY fiangonana! Nifandinika NY teto an-toerana sy ny zanaka am-pielezana notarihin’Andriamatoa RAKOTOMALALA Modeste sy Andriamatoa RENE fanilon’ny Vaomieran’ny FAHAZATO TAONA!

Natao ny ezaka ka voasolo FANITSO ny tafom-piangonana manontolo.

Voalalotra sy vita loko koa NY trano fiangonana ary nosisifana vato NY molotry ny fototra fa saika efa nasehon’ny riaka!

Vita vy NY tongotry ny dabilio hazo bontolo be taloha noho ny fiaraha-miasa tamin-dry Frères des Ecoles Chretiennes tao amin’ny Sainte Famille notarihin’I Frère RASOLOARISON Célestin

Voairaka tany an-dafy i Frère CELESTIN ka dia nanararaotra ny diany  nitondrana  ORGUE sy FANAMAFISAM-PEO “ solton “ tamin’ny vidiny mirary satria tonga taty vao natambatambatra : Zava-nahagaga sy vitsy mpanana izany fahiny  ! (Marihina fa zanaky ny fiangonana io Frère io Avy eo Ambatobehasina ny Rainy: RABEZAKARISON Armand)

Tonga NY 1980! – Nakalazaina NY FAHAZATOTAONA VOALOHANY notarihan’ny Kardinaly Victor RAZAFIMAHATRATRA .Nireondreona ny ORGUE sady nahagaga ny olona fa misy rihana ROA ny fitendrena azy fanampiny koa mbola misy beso tendrena amin’ny tongotra.Lalina ny fiangalian-dRANAIVOARISOA John azy. Nanakoako ilay Fanamafisam-peo vaovao! Narehitra daholo NY jiro! Fety maraina, Fety hariva .Hafa mihitsy ny fihetseham-po tratry ny Zato taona! Namono omby NY Fiangonana hitandràna ny jobily ary samy ravoravo!  Nakàna sombin-tany teny amin’ny faritra mety ho nisy ny Fiangonana taloha  teny Antsahamaina  ny takariva mialoha ny fahazato taona ary nafangaro amin’ny tany ety Anjomakely eo amin’ny “lagiraoty” eo . . .   SATRIA  TENY  NY 1880  FA  TETY  KOSA  NY   1980 ….!   Endriky ny fitohizana sy maha-tokana ny fiangonana hita maso izany!

Nitombo fatratra NY Kristianina ary isan’Alahady na andro fety dia misy mijoro sy tavela foana any an-tokotany. Nefa dia Tonga NY olona Na hijoro fotsiny any ivelany aza.  Misy tokoa ny finoana ary mbola hisy sady hitera-bokatra goavana! Mino izany sahady aho!

Resaka Facebook