
Fankalazana manetriketrika ny Paka
« Nitsangan-ko velona tokoa i Jesoa »
Ry havana, mankalaza ny Paka isika izay nitsanganan’i Kristy ho velona ho famonjena antsika, nanala antsika tamin’ny fanandevozan’ny fahotana.
Raha ny ao amin’ny Soratra Masina no dinihana dia miandalana ny fahazoan’ny olombelona ny Misterin’Andriamanitra na ny fahazoana ny atao hoe « Fitsanganan-ko velona »
-
Talohan’ny taonjato faharoa talohan’i Jesoa Kristy, dia mbola tsy azon’ny olona hoe misy ny fiainana ankoatra ny fiainana ety an-tany : rehefa maty ny olona dia mankany amin’ny Seoly (toerana any ambanin’ny tany) avokoa na nanao ny tsara na nanao ny ratsy.
-
Nanomboka teo amin’ny taonjato faharoa talohan’i Jesoa Kristy indray dia efa nanomboka azon’ny olona fa misy fiainana ankoatra ity fiainana ity ka izay olona tsara fanahy dia mitsangan-ko velona fa izay ratsy fanahy dia tsy mitsangan-ko velona intsony fa mankany amin’ny Seoly.
-
Rehefa tonga kosa i Jesoa Kristy vao tena fantatra ny atao hoe fitsanganan-ko velona : ny olona rehetra no mitsangan-ko velona. Hoy i Md Paoly hoe « ity vatantsika ity, izay mety lo, no hitsangana dia hitafy tsy fahalovana, ary amin’izay fotoana izay dia tsy ho feran’ny elanelana sy ny fotoana » Noho izany ny fahafatesana dia mampiditra antsika any amin’ny fiainana faharoa.
Araka ny Evanjely, dia olona telo : i Maria Madelena sy i Piera ary mpianatr’i Jesoa iray no voalaza ao ka hojerentsika tsirairay avy ny fomba fahazoan’izy ireo ny atao hoe « Fitsanganan-ko velona » araka ny toetrany avy.
- I Maria Madelena