Vakiteny voalohany: Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz 43, 16-21)
Indro Aho hanao zava-mahagaga vaovao, ary hanome rano hosotroin’ny vahoakako.
Izao no lazain’ny Tompo, izay nanao lalana eny amin’ny ranomasina, sakeli-dalana eny amin’ny rano mahery, izay namoaka kalesy aman-tsoavaly, sy tafika amam-piady mahery, hiantafika, — indray lavo tsy hiarina intsony izy rehetra; voakenda sy maty toy ny lahin-jiro izy. — Aza mahatsiaro ny zavatra lasa intsony, ary aza mihevitra ny zavatra taloha intsony! Fa indro Aho hanao zava-mahagaga vaovao; efa hiposaka izy izao, tsy hahalala izany va ianareo? Hanisy lalana any an’efitra Aho, sy ony eny an-tsaha karankaina. Hanome voninahitra Ahy ny biby eny an-tsaha, mbamin’ny amboadia sy ny ôstritsa, satria nanisy rano tany an’efitra Aho, sy ony eny amin’ny tany karankaina, hampisotroana ny vahoakako, ny olom-boafidiko, ny vahoaka noforoniko mba ho Ahy, ka hitory ny fiderana Ahy.
Vakiteny faha-2: Taratasin’i Md Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy (Fil 3, 8-14)
Mba hahazoako an’i Kristy, dia ataoko fakofako foana ny zavatra rehetra, mba ho hita ao aminy aho.
Ry kristianina havana, ataoko fatiantoka tokoa ny zavatra rehetra raha oharina amin’ny fahambonian’ny fahalalana an’i Kristy Jesoa Tompoko; fa ny fitiavako Azy no namoizako ny zavatra rehetra, ary mba hahazoako an’i Kristy, dia ataoko fakofako foana ny zavatra rehetra, mba ho hita ao aminy aho, tsy amin’ny fahamarinan’ny tenako, na ilay avy amin’ny lalàna, fa amin’ilay avy amin’ny finoana an’i Kristy dia ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra noho ny finoana; mba hahalala Azy aho, dia Izy sy ny herin’ny fitsanganany ho velona, ary ny fiombonana amin’ny fijaliany, ka ho tonga toa Azy amin’ny fahafatesany, sy hahatratra ny fitsanganan-ko velona, raha azoko atao. Tsy dia hoe efa nahatratra sahady aho tsy akory, na hoe efa lavorary; fa miezaka aho mba hahatratra izay nahatratraran’i Kristy Jesoa ahy. Eny, ry kristianina havana, tsy manao ahy ho efa nahatratra aho, fa zavatra iray ihany no ataoko, dia ny manadino izay eo aoriako, sy miezaka ho amin’izay eo alohako, mihazakazaka hanatratra ny marika aho, mba hahazoako ny loka izay iantsoan’Andriamanitra ahy eny ambony eny, ao amin’i Kristy Jesoa
Evanjely Masina nosoratan’i Md Joany (Jo 8, 1-11)
Izay tsy manam-pahotana aminareo no aoka hitoraka azy voalohany.