Vaovao

Collège Sainte Anne Anjomakely

Tonga teto amin’ny Sekoly Mb Anne Anjomakely ny Orange Solidarité Madagascar, ny 17 Janoary 2017, nizara « Tablettes » miisa 25 ho an’ireo mpianatry ny sekoly, mba hanampy azy ireo amin’ny fianarana sy hampianarana azy ireo ny teknolojia vaovao.

Fitaovana maro hafa koa no azo niaraka tamin’izany: Serveur Raspberry,Vidéo Projecteur, écran blanc, casque, power bank…, ary koa fampiofanana ireo mpampianatra sy ireo mpianatra ao amin’ny kilasy faha-4 sy faha-3.
Izany fanomezana natolotry ny Orange izany moa dia nisy fiaraha-miasa tamin’ny ministeran’ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra.

Ny Collège Ste Anne Anjomakely no sekoly faha-61 nahazo izao famatsiana ataon’izy ireo izao, ary izy no sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana voalohany nahazo izany.
Ny hirariana dia hitombo kokoa hatrany ny fahaizan’ny mpianatra noho ireo fitaovana avo lenta vaovao ireo.

VAOVAOM-PIANGONANA 21 FEBROARY 2016

F.F.V.A. : 27 Febroary 2016

Andro natokan’ny Eglizy Katôlika eran-tany ho fiarovana ny tontolo iainana. Hisy hetsika fanadiovana sy fikarakarana atao eo anivon’ny fiangonana, ho an’ny tanora sy ny olon-dehibe rehetra, manomboka amin’ny 09 ora maraina. Samy mitondra angady sy zezika.

Recollection TAFIKA – VONA:

Alahady 28 Febroary 2016 : fanomanam-panahy mandritra ny Karemy ary koa hiatrehana ny fahatongavan’ny PAKA. Atao eny ambohipiadanana Anjomakely amin’ny 09 ora ka hatramin’ny 12 ora atoandro.

Recollection VALIA DIOSEZY :

Alahady 05 Marsa any Anatihazo Isotry. Samy mitondra 400Ar isan’olona hatao hofan-toerana.