Masina Maria nampiakarina velona any an-danitra

NAHAZO NY LANITRA TSY NANDALO FAHALOVANA I MASINA MARIA: VALIM-PITIA SY FANKASITRAHANA AZY NOHO NY FINOANY IO.
Tsara ho fantatra aloha fa:
– Ny tanjony Evanjely dia ny finoana an’i Jesoa (tonga nofo, nampijaliana ary nijaly sy maty, nitsangankovelona ary niakatra any an-danitra: io no atao hoe kerygma), izay no tanjon’ny Evanjely fa tsy ny fiainan’i Masina Maria satria na dia ny zavatra nataon’i Jeso aza dia tsy volaza ao amin’ny Evanjely avokoa (cf. Jn 20, 30 sy Jn 21, 25).
– Ary ireo filazana ny olo-masina fahiny ao amin’ny Testamenta Taloha dia natao ho modely ka nolazaina ny tantarany sy izay nanaitra tamin’ny fiainany mba ho fankatahaka ho an’ny mpino (cf. Si 44, 16 fankatahaka ho fibebahan’ny taranaka).
Tsy vao i Masina Maria akory no voalaza fa nampiakarina velona any an-danitra. Araky ny efa nolazaina teo ambony dia tsy ny tantarany no tanjon’ny Evanjely fa ny finoana an’i Jesoa noho izany dia tsy nolazaina ao ny fiakarany any an-danitra. Fa i Elie (cf. 2 Mp 2, 11) sy Enôka (cf. Sir 49, 14) dia nolazaina ao amin’ny Testamenta Taloha satria mba ho môdely fankatahaka (Sir 44, 16) satria mbola fanomanana ny fiavian’ny Tompo izany.
Raisintsika ary ny mikasika an’i Enôka:
– Voalaza fa “ny finoana (grika: pistis) no namindrana an’i Enôka tsy hiaran’ny fahafatesana” (cf. He 11, 5).

– Ary voalaza fa “nankasitrahan’Andriamanitra izy” (cf. He 11, 5b) talohan’ny namindrana azy. Ilay hoe “nankasitrahan’Andriamanitra” dia atao amin’ny teny grika hoe euaresténô ary miverina in-17 ao anaty Soratra Masina fa santionany ihany no aroso eto ahalalantsika ny tena heviny:
=> Ny heviny voalohany dia ny hoe “miaraka amin’Andriamanitra [marcher avec Dieu (Enôch Jen 5, 22.24; Noé Jen 6, 9; Abraham Jen 17, 1), marcher devant le Seingeur (Sal 56, 14; 116,9), na koa hoe attacher au service de quelqu’un (Joseph Jen 39, 4)]”.
=> Midika ihany koa hoe tiana, nahita fitia (plaire) cf. Ex 21, 8.
=> Ny heviny manaraka dia hoe sitraka (plaire à Dieu = sitrak’Andriamanitra) cf. Enôka Sir 44, 16; He 11, 5.6.
=> Ary farany dia hoe ankasitrahana He 11, 16 “ankasitrahan’Andriamanitra ny fanatitra toy izany”.
Raha ireo voambolana rehetra ireo no jerena dia azo lazaina fa entina hilazana olona na zavatra sitraka, nahita fitia no tondroina amin’ny hoe euaresténô.
Koa i Enoka izany dia nankasitrahan’Andriamanitra satria nino (cf. He 11, 5; Jen 5, 24; Si 44, 16). Vokany : nentin’Andriamanitra velona ho any an-danitra izy.
I Masina Maria kosa indray no jerentsika:
– Voalaza mazava tsara ihany koa fa nanampinoana i Masina Maria (cf. Lk 1, 45 “Ary sambatra ilay nino [grika: hé pisteusasa verbe participe aoriste active nominative feminin singulier izany hoe i Masina Maria no tondroina amin’io] fa ho tanteraka izay nampilazain’ny Tompo taminy”).
– Ao amin’ny Lk 1, 30 voalaza fa “nankasitrahan’Andriamanitra [grika: eures gar chàrin parà tô theô i.e nahita sitraka tamin’Andriamanitra] i Masina Maria”. Io toetra io no isan’ny voalaza fa tao amin’ny Enôka izay nampiakarina velona any an-danitra (jereo eo ambony).
– Niara-dalana tamin’i Jesoa izy hatramin’ny nitoe-jaza azy tao ambohoka (cf. Lk 1, 38.39.43 i.e rehefa nitoejaza an’i Jesoa izy dia niainga ho any amin’i Elizabeta ary fantatr’i Elizabeta fa renin’ny Tompo koa dia hatreo no arabakiteny mihitsy ny fiarahan’i Masina Maria tamin’ny Tompo) ary tsy nisaraka taminy fa teny foana tamin’ny fotoana rehetra hatreo amin’ny hazo fijaliana aza (cf. Jn 19, 25).

– Ankoatr’izay dia mazava ny filazan’ny Taratasy ho an’ny Hebrio ao amin’ny He 11, 6 “Raha tsy misy finoana, dia tsy misy ahazoana sitraka amin’Andriamanitra”. I Masina Maria dia nino (cf. Lk 1, 45) noho izany dia sitrak’Andriamanitra ihany koa izany izy ary efa voalaza ihany koa izay (cf. Lk 1, 30).
Noho izany:
Raha samy mitovy ny zavatra niainan’i Enôka sy i Masina Maria (i Masina Maria aza sady renin’i Jesoa Zanak’Andriamanitra ka nitondra azy folo volana). Ary Andriamanitra dia fantantsika fa Andriamanitra marina (Dieu juste cf. Iz 45, 21b). Koa raha samy nino ary samy voalaza fa nankasitrahan’Andriamanitra i Masina Maria sy Enôka dia mitovy ihany koa ny valim-pitia azo. Saingy tsy voalaza ao amin’ny Soratra Masina i Masina Maria satria ny Tanjony’ny Evanjely dia i Jesoa fa tsy ny fiainan’i Masina Maria. Ny an’i Enoka kosa dia nolazaina satria modely sy fankatahaka hoan’ny taranaka no nilazana azy tao noho izany dia tsy maintsy nolazaina ny valy azony mba ahafahana maka tahaka ny finoana nananany (cf. Si 44, 16). Noho izany dia tsy tokony hisalasala isika: tena niakatra vatana sy fanahy any an-danitra ilay Renin’Andriamanitra.

Resaka Facebook