II. Ny Fiangonana sy ny Vaovao Mahafaly momba ny Fianakaviana

        Tokony hotoriana amin’ireo rehetra miaina an’io làlam-piainana manokana fototra izoran’ny mpivady miombona ary misokatra amin’ny fanomezana ny ankizy eo anivon’ny ankohonam-pianakaviana io ny vaovao mahafalin’ny fitiavan’Andriamanitra. Tokony hatolotra ao anatin’ny fiainana fifampizarana sy mitera-bokatsoa ny foto-pampianaram-pinoana momba ny fanambadiana mba hambabo ny fo ka hanova azy ho araka ny sitrak’Andriamanitra izay niseho ankarihary tao amin’i Jesoa-Kristy.

        Raha ny amin’ireo tsiahy ara-loharanon-kevitra ara-tsoratra masina indray dia ireo andàlany maneho ny vontoatiny momba ny fanambadiana sy ny fianakaviana no hany ampahatsiahivina etoana. Torak’izany koa ny momba ireo tahirin-kevitra avy amin’ny Fahefa-mampianatry ny Fiangonana eran-tany miampy an’ireo lahatsoratra sasantsasany avy amin’ny Filan-kevitra Pontifikaly ho an’ny Fianakaviana ary koa avela ireo Eveka mpandray anjara amin’ny Sinaody mba hitondra izay tahirin-kevitra avy amin’ireo sampan-draharahan’ny Eveka avy any aminy avy.

                Amin’ny fotoana rehetra ary ao amin’ny kolontsaina samihafa rehetra dia ho azo raisina mandrakariva na ireo fampianarana mahitsy sy mazava avy amin’ireo mpiandry ondry na ireo fijoroana vavolombelona mivaingana atolotry ny mpino, na lahy izany na vavy, izay niaina teo anivon-java-mitranga samihafa ny Vaovao Mahafaly momba ny fianakaviana dia ho toy ny fanomezana lalina tsy taka-polopolorina ho an’ny fiainany sy ho an’ireo zanany. Ny fandraisana andraikitra hirotsaka ato amin’ity Sinaody manaraka ity dia velomina sy tohanan’ny faniriana te-hampita amin’ny olon-drehetra amin-kerim-po tokoa an’io hafatra io ka manantena indrindra « ilay raki-tsoa mitahiry ny Fanambarana Masina ankinina amin’ny Fiangonana dia hanenika hatrany ny fon-dRaolombelona » (DV 26).

Ny fandaharan’Andriamanitra Mpahary sy Mpamonjy.

        Ny hankanton’ny hafatra entin’ny Baiboly momba ny fianakaviana dia mifototra eo amin’ny nahariana ny olombelona, lehilahy sy vehivavy nataon’Andriamanitra mitovy endrika Aminy, manahaka Azy izy roa (jr. Jen. 1,24-31; 2, 4b-25). Hampiraisin’ny fatorana ara-tsakramenta tsy azo vahana, dia mivelona amin’ny hakanton’ny fitiavana, amin’ny hasoan’ny maha-ray sy ny maha-reny, ny hasina fara-tampony afaka mandray anjara amin’ny asa mpaharin’Andriamanitra ny mpivady.

        Ao anatin’ny fanolorana ny vokatry ny firaisany ny mpivady, dia mizaka ny andraikitra hikolokolo sy hanabe olona hafa izy ireo ho an’ny ho avin’ny taranak’ololombelona. Amin’ny alalan’ny fiterahana, ny lehilahy sy ny vehivavy dia manatanteraka amim-pinoana ny fiantsoan’Andriamanitra azy ho mpiara-miasa Aminy mba hitahiry ny zava-boaary sy hampitombo ny taranak’olombelona.

        Ny Olon-tsambatra Joany Paoly II dia nivaofy an’io lafiny io ao amin’ny Familiaris Consortio: niteny hoe «Nahary ny olombelona mitovy endrika Aminy sy manahaka Azy Andriamanitra (jer. Jen. 1,26s): ka niantso azy mba hisy noho ny fitiavana, Ary nantsoiny rahateo izy ho ao amin’ny fitiavana. Andriamanitra dia fitiavana (1Jo 4,8) ary ny olombelona mihitsy dia miaina ny misterin’ny fiombonam-pitiavana manokana ao anatiny ao. Rahefa nahary ny maha-olombelona ny lehilahy sy ny vehivavy Andriamanitra dia nanoritra tao anatiny ny fiantsoana azy ary ny fahafahany ho tonga tompon’andraikitra amin’ny fitiavana sy amin’ny fiombonana mifanaraka amin’izany. (jr. Gaudium et spes, 12). Ny fitiavana, araka izany, no fiantsoana fototra sy voajanahary ho an’ny olombelona rehetra » (FC, lah. 11). Io fandaharan’Andriamanitra, izay naongan’ny fahotana tamin’ny fototra io (jr. Jen 3, 1-24) dia niseho niharihary teo amin’ny tantaran’ny toetra adalan’ilay vahoaka voafidy hatrany amin’ny fahafenoan’ny fotoana, rahefa tonga nofo ny Zanak’Andriamanitra dia tsy nanamafy fotsiny ny laha-pamonjena natolotr’Andriamanitra Izy fa, noho ny asa fanavotana dia nanome ny fahasoavana ho antsika mba ahafahantsika manaiky ny sitrak’Andriamanitra toa Azy koa.

        Ilay Zanak’Andriamanitra, ilay Teny tonga Nofo, (jr.Jo 1,14) tao an-kibon’i Maria Virjiny Reniny, dia niaina sy nihalehibe tao amin’ilay fianakaviana tao Nazareta ary nandray anjara tao amin’ilay fampakaram-bady tao Kanà ka nampanankarena mihitsy ny korana tamin’ilay “famantarana voalohany” (jr.Jo 2,1-11). Nekeny an-kafaliana ny fandraisana amim-pahatsorana ao anatin’ny fiainan’ny mpianakavy ny valintenin’ireo mpianany voalohany (jr. Mc 1,29-31 ; 2,13-17) ary nalàny alahelo ny fianakavian’ireo sakaizany nidonam-pahoriana tao Betania (jr. Lk 10,38-42 ; Jo 3, 11,1-44).

        Naverin’i Jesoa-Kristy amin’ny tokony ho izy ny hakanton’ny fanambadiana tamin’ny nanolorany ny maha-tokana azy, izay nilaozan’ny olona noho ny hamafin’ny fony  Nohavaoziny hatrany amin’ny lovam-panahin’ny vahoakan’Israely io (jr.Mt 5,31-32; 19.3-12; Mc 10,1-12; Lk 16,18). Rahefa natamberin’i Jesoa hatrany amin’ny fiandohany mihitsy dia nampianarin’i Jesoa ny maha-tokana ny fanambadiana sy ny tokony haharetana tsy mivadika eo amin’ny mpivady ka tsy hanaikena ny fisaoram-bady sy ny fijangajangana.

        Izany indrindra fa ao anatin’ny hakanton’io fitiavan’ny olombelona – izay efa nasandratra tamin’ireny tononkira notsilovin’ny fanahy tao amin’ny Tononkira dia Tononkira  ireny sy ny fifamatoran’ny mpivady izay sahy notakiana sy narovan’ny Mpaminany toa an-dry Osea (jr. Os.1,2-3,3) sy ry Malakia (jr. Ml 2, 13-16) – io no nanamafisan’i Jesoa ny fahamasinana hatrany am-piandohana ananan’ny fifankatiavan’ny mpivady eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy.

Ny fampianaran’ny Fiangonana momba ny Fianakaviana

        Teo anivon’ny ankohonam-piangonana kristianina tany am-boalohany dia efa niseho ho « fiangonana ao an-tokantrano » ny fianakaviana. (jr. Katesizin’ny Fiangonana katôlika 1655) Ao amin’ireo nantsoina hoe « ireo fepetra eo amin’ny fiainam-pianakaviana » hita ao amin’ireo Taratasy Apôstôlika ao amin’ny Testamenta Vaovao, ny fianakaviam-be tamin’ny fotoan’andro dia hita ho toeran’ny firaisan-kina eo amin’ny vehivavy sy ny vadiny, eo amin’ny ray aman-dreny sy ny ankizy, eo amin’ny manana sy ny mahantra (jr.Ef 5,21-6,9;

        Kôl 3,18-4,1; 1Tim 2,8-15; Tt 2,1-10; 1P 2,13-3,7; jr. Ihany koa ny Taratasy ho an’i Filemôna ). Manokana dia manokana, ny taratasy ho an’ny Efezianina dia miaiky ny fisian’ny zava-miafina lehibe eo amin’ny fifankatiavan’ny mpivady izay mahatonga azy ho famantarana ny fifankatiavan’i Kristy sy ny Fiangonana (jr. Ef  5, 31-32) eo anivon’izao tontolo izao.

        Nandritra ny taon-jato maro, indrindra taty amin’ny taona antsoina hoe môderna, hatramin’izao androntsika izao, dia tsy nitsahatra namoaka fampianarana mivoatra lalandava sy marin-toerana momba ny fianakaviana sy ny fanambadiana izay anorenam-pototra azy ny Fiangonana. Anisan’ireo tena manaitra amin’ireny dia izay voatolotry ny Kônsily Vatikana faharoa ao amin’ny Foto-pampianaram-pinoan’ny Fiangonana momba ny fitantanana ny Fiangonana Gaudium et Spes izay mamahavaha an’ireo olana sasany faran’izay maika ka manokana toko iray manontolo momba ny tokony hampiroboroboana ny hasin’ny fanambadiana sy ny fianakaviana, tonga hatramin’ny famahavahana ny lanjany sy ny vontoatiny ho fampijoroana araka ny tokony ho izy ny fiaraha-monina: « Ny fianakaviana dia ambohipihaonan’ny taranaka maro izay mifanampy mba ahazoana fahendrena mivelatra hatrany ary mba handrindrana ny zon’ny olona tsirairay avy miaraka amin’izay takian’ny fiainana miara-monina, izay mahatonga azy ho fototra iorenan’ny fiaraha-monina» (GS 52). Ny antso mba hiainan’ny mpivady vontom-pinoana ny fiainam-panahy mametraka an’i Kristy ho ivony dia hanana ny heriny manokana: « Aoka ireo mpivady noharian’Andriamanitra mitovy Endrika amin’ilay Andriamanitra velona ary voajoro araka ilay fandaharana marina mendrika ny olona, mba hiray hina ao anatin’ny fifankatiavana tokana, iray saina, iray fahamasinana, ka ho araka ny hanarahana an’i Kristy, loharanom-piainana, ho tonga vavolombelon’io misterin’io fitiavan’Izy Tompo io eo anivon’ny hafaliana sy fanaovana sorona ny tena noho ny fiantsoana iantsoana azy ao anatin’ny faharetana tsy mivadika amin’ny fitiavana, ny Tompo izay nanambara azy tamin’izao tontolo izao tamin’ny fahafatesany sy ny fitsanganany ho velona » (GS 52).

        Ireo mpandimby an’i Piera ihany koa, taorian’ny Kônsily Vatikana II dia nampitombo harena tamin’ny alalan’ny Fahefa-mampianatra nananany ny foto-pampianaram-pinoana momba ny fanambadiana sy ny fianakaviana, manokana amin’izany i Paoly VI miaraka amin’ny Ansiklika Humanae Vitae izay manolotra fampianarana miavaka momba ireo fitsipika fototra mikasika ny fomba fanao. Manaraka avy eo, ny Papa Joany Paoly II ao amin’ny Taratasy Fanentanana apôstôlique Familiaris Consortio dia te hanindry mafy mihitsy, amin’ny alalan’ny fanolorana ny lahatr’Andriamanitra momba ny marina mikasika ny loharano nipoiran’ny fifankatiavan’ny mpiavady sy ny fitiavana mamelona ny fianakaviana: « ny hany toerana tokana » ahafahana mahatanteraka ny fifanoloran-tena ao anatin’ny fahamarinana dia ao amin’ny fanambadiana, izany hoe ilay fifanaikena ateraky ny fifankatiavan’ny mpivady na koa ilay safidy amin-kalalahana sy amim-pahalalana izay andraisan’ny lehilahy sy ny vehivavy ny fiombonam-piainana sy fitiavana lalina sitrak’Andriamanitra (jr. Gaudium et Spes, 48) ary tsy mampiseho miharihary ny tena dikany raha tsy ao amin’izay hazavana izay ihany. Ny fanorenana ny fanambadiana dia tsy ho avy amin’ny fitsabahana ataon’ny fiaraha-monina na fahefana na fanerena avy ety ivelany; fa fiainana takian’ny fifanaikem-pitiavana ataon’ny mpivady izay mihamafy ampahibemaso ho tokana ary miavaka mba ahafahana miaina marina tokoa ny faharetana tsy mivadika amin’ny lahatr’Andriamanitra Mpahary. Io faharetana tsy mivadika io dia tsy hampalemy ny fahafahan’ny olona mihtsy fa vao mainka koa hiaro azy amin’ny fitompoan-teny sy fiheverana manao rainazy fotsiny ary hahatonga ny olona ho mpandray anjara ao amin’ilay Fahendrena mahary.» (FC, 11).

        Ny Katesizin’ny Fiangoanana Katôlika dia nanangona an’ireto fiheverana fototra ireto : « ny fifanaiken’ny mpivady izay hahatonga ny lehilahy iray sy vehivavy iray hanorina eo amin’izy roa fiombonam-piainana lalina mifototra amin’ny lalàna ho azy manokana nomen’ilay  Mpahary azy ihany. Noho ny toetra fototra ananan’ny fanambadiana dia voalahatra mba hikendry ny soa ho an’ny mpivady sy ny soa ho  taranaka ary ny soa ho an’ny fanabeazana ny ankizy izy. Ary nasandratr’i Kristy Tompo eo amin’ny hasin’ny Sakramenta izy  [jr. Kônsily Eokiomenika Vatikana II, Gaudium et spes, 48; Code de Droit Canonique, 1055, 1]» (Katesizin’ny Fiangonana Katôlika 1660).

        Ny Foto-pampianaran’ny Fiangonana dia voavelabelatra ao amin’ny Katezizy dia sady mihevitra an’ireo fitsipika fototra teolojika no mampahatsiahy an’ireo fitsipi-pitondran-tena avoakany ka mametraka azy ireo eo ambanin’ireto lohateny roa miavaka tsara ireto : Ny Sakramentan’ny fanambadiana (laharana faha-1601-1658) sy ny didy fahaenina laharana faha-2331-2391). Ny famakiana amim-pitandremana an’ireo fizarana ao amin’ny Katesizy  ireo dia hampahazo, araka ny fomba famakin’ny ankehitriny, ny hevitra fonosin’ny foto-pampianaram-pinoana ka hanohanana ny asan’ny Fiangonana miatrika ny fanambin’izao andro izao. Ny asa pastôraly atrehiny dia hahita loharanon-kery ao amin’ny fanilovan’ny fahamarinana momba ny fanambadiana araka ny lahatr’Andriamanitra izay nahary ny lehilahy sy ny vehivavy ary, rahefa feno ny fotoana, dia nanambara tao amin’i Jesoa ny hafenoan’ny fitiavana eo amin’ny mpivady ka nanandratra ho sakramenta ny fanambadiana kristianina izay miorina eo amin’ny fifanaikena an-tsitra-po ary nahazo ny vokatra ho azy manokana toy ny soa ho an’ny mivady sy ireo adidy aterany. Mbola ao anatin’ny gejan’ny fahotana ihany anefa izy ireo (jr. Jen 3,1-24) ny gejan’ny fahotana izay mbola mety hahalavo azy ao anatin’ny ratra lalina sy ny fahapotehan’ny fahamendrehan’ny sakramenta.

        Ny Taratasy ansiklika Lumen fidei nosoratan’ny Papa François vao haingana dia mametraka ny fianakaviana eo amin’ny fifandraisany amin’ny finoana izay maneho fa « tena lalina sy mafy ny fatorana eo amin’ny olombelona rahefa eo anivony Andriamanitra » (LF 50). «Ny tontolo voalohany hanazavan’ny finoana ny ny tanànan’ny olombelona, araka izany, dia ny fianakavina. Ao an’eritreritro indrindra amin’izany dia ilay firaisam-po amam-panahy marin-toerana ao amin’ny fanambadiana. Izany dia avy amin’ny fitiavany izay famantarana sy fisian’ny fitiavan’Andriamanitra, ny fankatoavana sy ny fandraisana an’io harena io, dia ny fahasamihafan’ny lahy sy ny vavy izay ahafahany miray nofo (jr. Jen 2, 24) sy miteraka aina vaovao, fisehoan’ny hatsaràn’Andriamanitra, ny fahendreny ary ny fandaharam-pitiavany. Afaka mifampanantena fitia mifamaly ao anatina fihetsika izay hampandray andraikitra tanteraka ny fiainany sy hampahatsiaro azy an’ireo endrika maro isehoan’ny finoana Mampanantena fitiavana izay azo tanterahina mandrakariva rahefa mahatsapa an’ilay fandaharana lehibe noho ny an’ny tenany izay manohana antsika sy mamela antsika hanome ny ho avy manontolo ho an’ilay olona tiantsika» (LF 52). «Ny finoana akory tsy fialokalofana ho an’ny olona tsy manan-kery, fa kosa fivelaran’ny fiainana. Manampy hahita an’ilay fiantsoana lehibe izy dia ny antso ho amin’ny fitiavana, ary miantoka fa azo itokiana io fitiavana io, mendrika ny hanoloran-tena satria ao amin’ny faharetan’Andriamannitra tsy mivadika, mahery noho ny fahalementsika, ny fototra ijoroany » (LF 53).

Resaka Facebook
Fermer le menu