Firaisam-pinoana sy ny Herinadro masina

       Lakroan’I Madagasikara – Laharana 3913 – taona faha 88

        Saika ahitana tilikambo-piagonana roa isan-tanàna lehibebe, amina faritra maro, eto Madagasikara. Ny iray an’ny Fiagonana katolika romanina, ary ny iray ana Fiangonana protesitanta: loteranina, FJKM, na ana Fiangonana hafa: anglikanina, oritodoksa. Samy mitonona ho kristianina anefa ny mpino amin’ireo Fiangonana ireo. Sady miara-monina rahateo. Miara-mivavaka mihitsy aza indraindray, indrindra fa mandritra ny herinandro natokana hivavahana ho an’ny firaisam-pinoana, iaraha-mankalaza isan-taona eran-tany, eo anelanelan’ny 18-25 janoary.

Mitovy fa tsy sahala

        Ny Paka/Paska sy ny Noely/Krisimasy dia apetrak’ireo Fiangonana kristianina ireo ho toy ny andro roa ijoroan’ny fanompoam-pivavahana na ny litorjia ataony. Mipetraka ho faratampon’ny tetiandro arahiny foana anefa ny fotoan’ny Paka, noho izy ankalazana manokana ny fototry ny finoan’ny kristianina, dia ny fandresen’I Jesoa Kristy ny fahafatesana. Ho an’ny katolika manokana, amin’ny maha lehibe loatra izay Paka izay, dia misy ny vanim-potoana fiomanana sy fanohizana. Ho fiomanana, dia eo ny Karemy: 40 andro, izay faranana amin’ny Herinandro masina. Ny alahadin’ny Sampan-kazo no anombohana ity herinandro fiomanana farany ity. Hobiana amin’izany I Kristy Mpanjaka. Tsaroana ny nidirany tao Jerosalema amin’ny fomba toa mifanohitra: sady manetriketrika no feno fantren-tena. Fotoana anombohana ny fandinihana ny fijaliany ihany koa izay, ka amakiana iray manontolo ny tantara voasoratra momba izay ao amin’ny Evanjely nosoratan’I Matio na I Marka na I Lioka, arakaraky ny taona litorjika. Ho fanohizana ny Paka kosa, dia eo ny vanim-potoana fanehoam-pisaorana sy fifaliana: mialoha ny Pantekoty, maharitra 7 herinandro. Na izany aza, tsara ho fantatra fa na ny katolika na ny protesitanta dia samy manokana hateloan’andro hiomanana lalina amin’ny fankalazana ny Paka avokoa. Mety mitovy fa tsy sahala ny ataon’ny andaniny sy ny ankilany amin’izany.

Hateloan’andro alohan’ny Paka

        Ny alakamisy masina, samy mamerina ny nataon’I Jesoa ny roa tonta. Fanasan’ny Tompo no ankalazain’ny protesitanta, mba hahatsiarovana ny fandraisana ny famindram-pon’Andriamanitra. Eokaristia na Sorom-pisaorana indroa miantoana kosa mazàna no ataon’ny katolika. Ny voalohany: ankalazany ny nanorenan’I Jesoa ny Sakramentan’ny Filaharana, iarahan’ny pretra amin’ny eveka sy anavaozany ny toky maha pretra azy, sady anamasinana ny menaka sy diloilo masina. Ny faharoa: ankalazany ny namoronana ny Eokaristia, omban’ny fanasan-tongotra sy ny fitsaohana ny Sakramenta Masina.

        Ny zoma masina tsy misy Lamesa ho an’ny katolika. Andro amhezan-tena amin’ny hanina sy ny fanaranam-po io. Misy ny manao ny lalan’ny hazofijaliana, mazàna ny tolakandro. Fijanonana 14 no mifandimby atrehina amin’izany (jereo ny kisary). Vavaka fiaraha-misaona kosa no tontosaina, rehefa takariva. Eo aloha ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra. Anisan’izany ny fijalian’I Jesoa, araka ny voasoratr’I Md Joany, tohizina amin’ny ranombavaka manetriketrika ho an’ny sokajin’olona isan-tokony. Fa eo koa ny fanajana manokana ny hazofijaliana sy ny fandraisana ny komonio masina. Mankalaza ny Fanasan’ny Tompo kosa ny protesitanta, mandritra izay. Ny fahafatesan’I Jesoa no tsaroana amin’izany.

        Ny sabotsy masina indray, samy manao alim-bavaka ho enti-mandray an-kafaliana ny fitsanganan’I Jesoa Kristy tamin’ny maty ny andaniny sy ny ankilany. Ho an’ny katolika manokana, mizara efatra ny fotoam-pivavahana, araka ny zavatra ankalazaina. 1. Ny Fahazavana. 2. Ny Tenin’Adriamanitra. 3. Ny Batemy. 4. Ny Eokaristia.

Sarotra fa efa misy azo atao

        Toa sarotra, araka izany, ny hampiarahana mirohotra amin’ny antsipiriany ny protesitanta sy katolika, ho fiomanana sy fanohizana ny Paka. Misy efa azo atomboka anefa. Any Frantsa, ohatra, mandritra ny Karemy, any amina paroasy maro: misy ny dinika arahina ady hevitra. Eo koa ny hetsika ampifandraisana ny vavaka sy fifadian-kanina ary fifampizarana: ahafahan’ny protesitanta mivelona miandalana ny Karemy. Vonjen’ny mpino sasany, ambon’izay, ny vavaka takariva fanaon’ny oritodoksa. Ny zoma masina, misy tarika mikarakara lalan’ny hazofijaliana iraisam-pinoana, mifototra amin’ny efa mahazatra ny katolika. Mahazo laka bebe kokoa amin’izany ny fandinihana masina am-pahanginana. Ny alahadin’ny Paka kosa, dia misy ny efa ninia nanatontosa fiaraha-mankalaza teo amina tokontanim-piangonana malalaka, manoloana ny varavarana fidirana. Ny alatsinainy ampitson’io, nisy ny nahavita niara-nilahatra namakivaky ny lalamben’ny tanàna. Ary ny Pantekoty: nisy ny nahavita niara-namaky ny lahatsoratry ny Asan’ny apostoly teny anivon-tsena. Ny kendrena amin’izany rehetra izany dia ny hiaraha-mivelona ny fiainana kristianina amina fotoana manan-danja. Fa eo indrindra koa ny finiavana haneho am-pahibemaso fa misy tokoa ny ezaka atao hampiraisana ny kristianina. Nasongadina izay mazava fa iombonana, toy ny fanambarana fa nitsangan-ko velona I Kristy: nandresy ny fahafatesana sy ny forongony. Ary notakarina nivelomana izay mendrika hotrandrahina, toy ny lalan’ny hazofijaliana.

        Tsorina fa tsy azo noeritreretina loatra izany hetsika rehetra izany fahiny. Tsiahivina fa voarara fahizay ny fandraisan’ny katolika anjara tamina fivoriana na valan-dresaka na vavaka iarahana tamina finoana hafa, afa-tsy ny hoe angaha nahazoana lalana avy any Roma izany. Ary tsy nomena moramora foana io lalana io. Tamin’izany, ny nimatimatesan’ny katolika dia ny fiverenan’ny notondroina fa nania: mpino tafasaraka, mpisintaka, mpanaraka hevi-diso. Novohain’ny Konsily vatikanina faha-2 anefa ny varavarana. Nanteriny fa I Kristy no ivo, toy ny masoandro ihodinan’ny pilaneta, fa tsy ny Fiangonan’ny kristianina tsirairay. Izay fiovam-penitra mahery vaika izay no ifotoran’ny fiainam-panahy ekomenika, ahafahana manatanteraka miandalana dingana mampiray, toy izay kely natsidika tetsy ambony.

P.Rakotonandrantoniarivo Guillaume, SJ

Lalan’ny hazofijaliana

        1. I Jesoa helohina ho faty

        2. I Jesoa ampitondraina ny hazofijaliana

        3. I Jesoa lavo noho ny havesatry ny hazofijaliana

        4. I Jesoa mifanena amin’ny Reniny

        5. I Simona sireneanina manampy an’I Jesoa mitondra ny hazofijaliana

        6. Vehivavy tia vavaka mamaoka ny tavan’I Jesoa

        7. I Jesoa lavo fanindroany

        8. I Jesoa manafaka alahelo ireo vehivavy masina nanaraka azy

        9. I Jesoa lavo fanintelony

        10. I Jesoa endahina akanjo

        11. I Jesoa fantsihana amin’ny hazofijaliana

        12. I Jesoa miala aina eo ambonin’ny hazofijaliana

        13. I Jesoa maty, ka esorina eo amin’ny hazofijaliana, dia apetraka eo an-tanan-dReniny

        14. I Jesoa alevina

Nalaina tao amin’ny gazety Lakroan’I Madagasikara – Laharana 3913 – taona faha 88

Resaka Facebook