Tonga teto amin’ny Sekoly Mb Anne Anjomakely ny Orange Solidarité Madagascar, ny 17 Janoary 2017, nizara « Tablettes » miisa 25 ho an’ireo mpianatry ny sekoly, mba hanampy azy ireo amin’ny fianarana sy hampianarana azy ireo ny teknolojia vaovao.

Fitaovana maro hafa koa no azo niaraka tamin’izany: Serveur Raspberry,Vidéo Projecteur, écran blanc, casque, power bank…, ary koa fampiofanana ireo mpampianatra sy ireo mpianatra ao amin’ny kilasy faha-4 sy faha-3.
Izany fanomezana natolotry ny Orange izany moa dia nisy fiaraha-miasa tamin’ny ministeran’ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra.

Ny Collège Ste Anne Anjomakely no sekoly faha-61 nahazo izao famatsiana ataon’izy ireo izao, ary izy no sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana voalohany nahazo izany.
Ny hirariana dia hitombo kokoa hatrany ny fahaizan’ny mpianatra noho ireo fitaovana avo lenta vaovao ireo.

Resaka Facebook

Leave a reply