Alakamisy – 15/08/2014 – Toriteny

 Mankalaza an’i Masina Maria nampakarina velona any an-danitra ny Fiangonana androany.

Araka ny voalaza teo, fanontaniana apetraky ny olona ny hoe: “aiza ho aiza ao @ baiboly ary no misy an’izany fa ireto katôlika ireto miteniteny foana ary mamoron-javatra”.

Ary io no  tsy maintsy ho tandremantsika io, ary hambarako rehefa avy eo fa androany no ho fantatrareo hoe inona marina, ary nahoana ny fiangonana katôlika no sahy mijoro; miteny, ary mino fa hoe nampakarina any an-danitra I Masina Maria.

Ny antony manko di any hoe aiza ao @ baiboly no misy an’izay, satria ho an’ny finoana hafa dia tsy misy afa-tsy ny voasoratra ao anatin’ny baiboly ihany. Fa misy nefa ny atao hoe lovan-tsofina ao @ Eglizy ayr izay no nahatonga ny baiboly hafa ankoatra ny an’ny katôlika tsy ampy fito. Ilaina ihany angamba ny mampatsiahy an’izay.  Ny baiboly katôlika, ao @ Testamenta taloha dia misy boky 46, fa ny baiboly ankoatra ny katôlika soa dia 39 ihany. Eo manko isika indraindray mapifangaro rehefa miteny hoe “ baiboly iray ihany”. Fa tsy baiboly iray ihany io. Ho an’ireo izay tena mandinika sy mamaky ny soratra masina dia mahita ianareo, ary izahay any @ sekoly katôlika dia miteny fa tsy mahazo mampiasa baiboly hafa afa-tsy ny baiboly katôlika satria manimba zavatra io.

Ekena fa iray ihany ny Andriamanitra inoantsika, fa ny fomba ahalalana an’Andriamanitra ao anatin’ny soratra masina no samy manana ny fomba itondrany aza. Ka ny mahatonga ahy miteny an’izay di any atao hoe lovan-tsofina.

Ny lovan-tsofina dia hitantsika tsara fa nahatonga ny baiboly hafa tsy misy an’ireo boky fito dia izao: ny azy dia izay voasoratra t@ teny hebrio ihany no raisiny. Befa 300 taona talohan’I Jesoa Kristy dia efa nanoratra ny olona. Dia ny nosoratana t@ izany fotoana izany dia t@ teny grika. Dia ireny no notanana ho lovan-tsofina tao @ Eglizy katôlika. Fa ny finoana hafa, tahaka ny protestant, sy izay rehetra nisintaka t@ fiangonana dia t@ireo baiboly t@ fiteny hebrio no nanao fakan-tahaka. Fa ny katôlika dia nitazona ny lovan-tsofina hatrany am-boalohany.

Dia tahaka izay koa ity Masina Maria nampakarina any an-danitra ity. t@ Novambra 1850 no noraiketina ho isan’ny tenim-pinoana ity hoe Masina Maria nampakarina any an-danitra ity. Dia androany ianareo mba aheno satria ataoko fa na any @ fiangonana hafa aza dia tokony hisy hanazava tahaka izao lazaiko anareo izao. Satria ilaina ny mifototra miverina any @ soratra masina mba tsy ho mora avilivilin’ny olona ny fomba fisainantsika.

Ao @ soratra masina, raha ny testamenta taloha no jerena: tsy vao I Jesoa irery no  niakatra any an-danitra (ao @ testamenta vaovao). Ny fantatsika ao @ soratra masina, testamenta taloha, misy olona iray nampakarina velona any an-danitra. I Elia. Mazava iny, satria nofahon’ny kalesy afo I Elia dia niakatra nakany an-danitra. Rehefa niakatra Elia, dia navelany ny akanjobeny ivelany, latsaka iny ka nosamborin’I Elizé ary notafiany , ka noho izany dia ito farany no lasa anndimby nanohy ny asan’I Elia.

Fa tsy dia fantatsika loatra, ary azontsika jerena ao @ bokin’ny Sirak, Ekleziastika no ahafantarantsika azy. Siraka 44, 16. Efa misy olona ao  nampakarina velona any an-danitra ihany koa, fa tsy haintsika, nefa voalaza ao @ soratra masina.

Siraka 44, 16. “Sitraky ny Tompo Enôka ka nafindrany, hoatra ny @ fivalozana ho @ taranaka”.Dia misy fanamarihana ao @ baiboly ao manao hoe “any an-danitra, nampakarina any am-paradisa”.Dia averin’ny mpanoratra ny boky Hebrio io ao @ took faha-11, ny andininy faha 5.

Heb 11, 5: “Ny finoana no namindrana an’I Enôka tsy iharan’ny fahafatesana ka tsy hita intsony izy fa nafindran’Andriamanitra; ary talohan’ny namindrana azy dia voalaza fa nakasitrahan’Andriamanitra izy”.

Averiko vakiana indray mandeha.

Na dia ireo fotsiny aza dia efa ahafahantsika mandinika zavatra maro.

Dia tiako, alohan’ny idirana lalindalina kokoa @izay, dia misy fanamarihana kely tiako apetraka mikasika ny fanontaniana mipetraka hoe: “Aiza ho aiza ao @ baiboly no misy miresaka an’I Masina Maria nampakarina am-boninahitra any an-danitra io?”

Dia izao: Ny tanjon’ny vaovao mahafaly, ny Evanjely, dia tsy I Masina Maria mihitsy. Tsy izy no tanjona fa I Jesoa Kristy. Fa rehefa jerentsika ao @ Md Joany ny toko faha-20, izany hoe manomboka ny andininy faha- 30 sy 31, Joany 20, 30-31: “Maro koa ny fahagagana hafa nataon’I Jesoa teo imason’ny mpianany no tsy voasoratra ao anatin’ity boky ity, fa voasoratra ireo mba hinoanareo fa Jesoa no Kristy zanak’Andriamanitra, ary mba ahazoanareo ny fiainana @ anarany @ finoana Azy”.

Izany hoe, ny tanjon’ny vaovao mahafaly dia tsy ho any @ Masina Maria fa ho @ Jesoa Kristy. Fa na izany aza, Masina Maria dia tsy maintsy ho voalaza ao. Dia mbola voalaza ihany koa, mamarana ny Evanjeliny ao @ Md Joany 21, 25: “Maro koa ny zavatra hafa nataon’I Jesoa, ka raha izany rehetra izany no hosoratana tsirairay dia ataoko fa na izao tontolo izao aza tsy ho omby ny boky hosoratana”.

Ka raha I Jesoa Kristy fotsiny aza izany, ny zavatra izay niseho tokony ho soratana tsy antonona, fa mainka moa fa ho soratana ihany koa ny mikasika an’I Masina Maria. Fa ny tanjona nanoratana ny vaovao mahafaly dia mba hananan’ny olona finoana an’I Jesoa Kristy.

Dia iverenantsika @izay ilay hoe nampakarana an’I Masina Maria any an-danitra. Voalaza tao @ bokin’I Heb 11, 5: “Ny finoana no namindrana an’I Enôka tsy iharan’ny fahafatesana ka tsy hita intsony izy fa nafindran’Andriamanitra; ary talohan’ny namindrana azy dia voalaza fa nakasitrahan’Andriamanitra izy”.

Raha mahatsiaro tsara ianareo, t@ fotoana nilazana (ANNONCIATION), rehefa tongany anjely Gabriely nilaza t@ Maria: “Aza matahotra ry Maria fa sitrak’Andriamanitra ianao”, ao @ Md Lioka toko voalohany no ahitantsika an’izay. Dia eto, voalaza ato @ hebrio hoe Enôka dia nankasitrahan’Andriamanitra. Ka raha Enôka, ataontsika hoe olona tsotra, nino an’Andriamanitra aza nakasitrahany, ka nampakariny any an-danitra, mainka ve fa I Masina Maria, reny niteraka an’I Jesoa; ary voalaza koa hoe “nino”. Ny finoana no namindrana an’I Enôka tsy iharan’ny fahafatesana; ary ny finoan’I Maria. Rehefa noharabain”ny anjely I Masina Maria dia nagataka fanazavana, ary rehefa avy  eo izy nino ka niteny hoe “Inty aho ankizivavin’ny Tompo, aoka ho tanteraka amiko arakany teninao”.izay fanekena izay ilay finoan’I Masina Maria. Ka ao @ Masina Maria na ny finoana na ny fankasitrahan’Andriamanitra. Koa rariny loatra raha sady reny niteraka an’I Jesoa, rariny loatra rah nampakarina vatana sy fanahy any an-danitra I Masina Maria.

Angamba androany ianareo vao tena naheno an’izay fampianarana mikasika ny hoe Masina Maria nampakarina any an-danitra izany.

Ny olona tena mamaky ny soratra masina sy mandalina dia faka manazava antsika an’io. Fa raha io no hazavaina amintsika eto, dia ho lany ny fotoana, satria heverina fa zava-dehibe loatra tokony ho haintsika io.

Dia iverenantsika ny Evanjely. Androany isika mankalaza an’I Masina Maria nampakarina am-boninahitra any an-danitra, koa I Maria ary, rehefa avy nandre ny fanambaran’ny anjely, satria ny anjely no nilaza taminy hoe “Ary indro Elizabeta rahavavinao, ilay natao hoe momba, dia efa mandray enina izy izao”, izany hoe efa bevohoka enim-bolana. t@ izany andro izany, tsy mbola nisy ny finday ka ho afaka niteny  hoe bevohoka ranona ka efa enim-bola izy izao, fa ny anjely no karazana finday nampahafantatra an’I Maria ny zava-nitranga t@ Elizabeta. Ny elanelan-tany mampisaraka an’I Maria sy Elizabeta dia 150 km. Azontsika Alaina sary an-tsaina fa ohatra ny hoe miala eto Anjomakely makany Antsirabe izany 150 km izany. Tsy nisy arabe, tsy nisy fiara, fa lalan-kely tahaka ny andehanatsika ireny no lalana. Vao nandre ny fanamabaran’ny anjely nefa I Maria dia nandeha haingana niazakazaka ho any @ Elizabeta rahavaviny. Mandeha tongotra io. Raha vao avy nilazan’ny anjely izy ka namaly hoe “Inty aho ankizivavin’ny Tompo, aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao”, dia nitoe-jaza izy t@ io fotoana io, dia t@ Jesoa notonga voalohany tao @ Masina Maria, ary avy eo izy lasa nitondra an’I Jesoa ka namangy an’I Elizabeta rahavaviny.dia an-togngotra 150 km io. Ilazana amintsika hoe ny olona manana finoana dia tsy manisy olana ny resaka elanelan-tany. Io ilay hoe “ny fitiavana tsy mahalavi-tany” ; na koa ny fitenintsika hoe “ny havan-tiana tsy mahalavi-tany”. Dia izay ny an’I Masina Maria: 150 km nandehana an-tongotra.  Nandray an’I Jesoa izy ary nandeha ho any @ Elizabeta rahavaviny.

Dia izany no ilazantsika hoe ny olona mitondra an’I Jesoa dia olona manam-pinoana. Ny olona manam-pinoana dia vonona ny hanompo. Ilay fanetre-tenan’I Masina Maria hoe “Inty aho ankizivavin’ny Tompo” dia fanetre-tena goavana be izany. Notsinjoviny ny fanetre-tenan’ny ankizivavy. Ny finoana, ny fitondrana an’I Jesoa ao anatintsika dia mitarika antsika hanompo ny hafa. Raha tsy manam-pinoana isika, dia ho sarotra amintsika izany hoe hanana ny toe-tsain’ny mpanompo izany. Ary ny olona manana finoana dia olona manana an’I Jesoa ao anatiny. Ny mahafinaritra dia izao:  ny olona manana izay fanetre-tena izay dia afaka mifaneresera @ olon-drehetra. Ny olona manana fanetre-tena, manana an’I Jesoa, dia afaka manompo. Ny atao hoe ankizivavy ny ankizilahy dia olona mpanompo; ary I Masina Maria mihitsy eto no miteny @ Andriamanitra hoe “Inty aho ankizivavin’ny Tompo, na koa hoe inty aho mpanompovavin’ny Tompo”. Fanetre-tena lehibe izany. Ary ny nataon’I Maria, rehefa nandeha 150 km, dia nijanona tao @ Elizabeta. Voalazan’ny Evanjely fa ,nitoetra ho telo volana tao @ Elizabeta izy, izay vao nandeha nody. T@ fotoana nilazan’ny anjely t@ Maria dia hoe efa mandray enina izy izao, ka raha nipetraka telo tao @ Elizabeta izy, inona izany no nataony nandritra izay telo volana izay? Niandry vohoka – nampifana. Ka tsy moramora izany mampifana izany, Elizabeta sady efa antitra, ka azontsika alaina sary an-tsaina ny fihafian’I Maria tao @ Elizabeta izay miandry vohoka sy ratsiana; ka dia nionona nikarakara azy tao I Maria ( olona manana esprit de service).

Rehefa nandray an’I Jesoa tao aminy Maria dia nino, ary lasa nandeha nikarakara sy nanompo an’I Elizabeta. Ilaina izay fahaizana manompo izay.

 Be dia be ny asa miandry antsika ato @ fiangonana ato. Isan’ny fanompoantsika ny fiangonana ny fandraisantsika anjara @ litorjia, fanadiovana sns … arak any talenta omen’Andriamanitra antsika tsirairay avy hoentintsika manompo ny fiangonana.

Lazaiko nandritra ny fitsidihana, mahita olona isika tia sy mamboly voninkazo, miteny amin’izy ireny aho hoe ny talenta izay anananareo, raha mba entina @ fanaingoana ny fiangonantsika? Marina fa tsy misy karama io, fa izay ilay hoe ny olona manana an’Andriamanitra dia afaka manompo @ lafin-javatra rehetra.

T@ toerana niasako taloha, nifanena t@ olona iray, izay mpanjaitra ny asany. Dia niteny tamiko izy, Mopera tao mampalahelo ny seza kely ipetrahan’ny fitatazan-drakitsika, izaho mba mpanjaitra ihany fa avelao aho hanisy lamba azy ireo.  Dia ataovy hoy aho raha tianao. Herianandro ihany dia vitany izany, nefa seza 14 no nilaina norakofana lamba. Izany no atao hoe fanompoana ao @ fiangonana.

Ka isika rehetra, samy manana ny talentany, sy ny maha-izy azy avy, ka entintsika izany. Araka ny voalaza teo dia ny finoana no nankasitrahan’Andriamanitra an’I Masina Maria ka nampakarina tany an-danitra izy.

Dia ireto zanaky ny fiangonana ireto hanavao ny finoany am-pahibemaso @ity anio ity. Hiteny izy ireo : “havaoziko anio am-pahibemaso ny toky nomeko t@ Batemy, izaho mandà an’I satana, ny asany rehetra, ny fireharehany rehetra”…satria t@ mbola kely dia tsy izy ireo no nanome toky fa ny ray aman-dreny.

Dia hoy aho anio hoe raha misy ny faly indrindra di any demony, satria hoy izy hoe ho hitako eo izany hoe handà ahy izany. Ka io tsy tenitenenina fotsiny io. Mba hainareo ve hoe inona avy ny asan’I satana, ny fireharehàny?

Natsangana sy nadinina imasom-bahoaka ireo ankizy sy tanora hanao ny fanavaozana ny toky nomena t@ Batemy.

Ny zavatra nataon’ny demony dia izao: nentiny nakeny an-tampon’ny tendrombohitra Jesoa dia nilàazany: “izao rehetra izao dia efa nomena ahy, ny harena sy ny hatsarana rehetra eto ambonin’ny tany, fa raha miankohoka sy mivavaka amiko ianao dia omeko anao ireo”. Izany n ofireharehan’I Satana.

Ny asan’I Satana kosa dia ireo izay voalaza ao @ didin’Andriamanitra rehetra, ka tsy maintsy ialantsika sy itandremantsika.

Ny asan’ny satana di any mitady anareo tsy hivavaka @ andro alahady. Nefa ianareo miteny hoe handà an’I satana sy ny asany rehetra. Ka ianareo rehefa avy eo hanondro aty @ ôtely, baiboly masina – tahaka ny olona manao voady @Andriamanitra ianareo androany, manao mariazy ho vonona hitia sy hanaja anao mandritra ny ny andro rehetra iainako. Tadidio fa izany no hataonareo @ Andriamanitra androany, nefa ny demony dia ho eo koa.

Avy koa ianareo hiteny hoe “Hifikitra @ Jesoa Kristy Tompoko sy Andriamanitro”. Ahoana izany mifikitra izany? Hafa ny hoe manaraka. Raha misy te hanaraka ahy hoye Jesoa, aoka izy handà ny tenany.  Fa ny anareo tsy vitan’ny hoe manaraka, fa mifikitra mihitsy. Hainareo izany hoe mifikitra izany? Tahaka ny olona vao mifankatia ireny, ka raha vao mihaona dia mifamihina sns…izany no atao hoe mifikitra.

Tsy moramora io, fa dia miteny anareo aho, satria na izaho miteny aza dia sarotra ho ahy;  fa rehefa tojo ny zavatra sarotra dia miteny hoe “nahoana aho ry Jesoa no ataonao izao?” nefa dia mbola mifikitra ihany.

Miomana ianareo fa tsy ho mora ny zavatra miandry, izany mifikitra izany, toy ny dinta, rehefa tena mipetaka izay, rehefa esorina, dia aleony takana ny vatany toy izay ny vavany mifikitra iny, ka raha tsy afa-po izy tsy miala eo. Koa ianareo hifikitra @ Jesoa Kristy Tompo sy Andriamanitra. Fa raha vitanareo izany da olo-masina be ianareo eto ambonin’ny tany. Mandà an’I satana sady hifikitra @ Jesoa: ny tananao no tanako, ny lohanao no lohako, araka ilay hira izay.

Izany hoe izay ataon’I Jesoa rehetra dia atao, ny tarehin’I Jesoa no tarehy ka tsy ho mototra lava. Ny olona mifikitra @ Jesoa izany ry tanora dia olona tsy tezi-davan tsy malahelo lava, tsy malok’endrika lava, tsy miondrika, tsy mipelipelika atsy sy eroa. Fa ny fiainan’I Jesoa, tahaka ny ataon’ny FET: miaina an’I Jesoa isan’andro.

Dia izay no ho anareo izay vonona ny hanao ny fanavaozana, ary izay tsy vonona sy tsy sahy dia aoka tsy hiakatra eto ambonin’ny ôtely rehefa avy eo. Satria mety hiteraka fahotana lehibe hoanareo izay zavatra izay. Koa raha  mbola misalasala sy matahotra dia aza mbola manao aloha androany fa tsy olana mihitsy na efa manao akanjo aza ianareo. Fa izay ilay hoe manana finoana.

Hiantsika tsara fa manana modely isika eo @ resaka finoana. Tao I Victoire Rasoamanarivo. Mafy no nahazo azy tao anatin’ny fiainan-tokatrano: ny vadiny Radriaka, mamo lava, tsy mety raha tsy misotro isan’andro. Ny nataon-dRadiaka: manitsakitsa-bady, ary akoatr’izay, ny rafivavy mihitsy no entiny ao @ tokantrano. Zavatra tsy fanaon’ny kristianina na oviana na oviana mihitsy izany. Fahotana mahafaty izany. Fa izany no zava-nisy, ka nitenenan”ny rafozany t@ Victoire Rasoamanarivo hoe “Anaka, fantatray ny ijaliana entinao @ ataon’ny zanakay, ka tsofinay rano ianao hisaraka aminy fa raha izao no mitohy dia ho faty ato ianao”. Ny valiny nataon’I Victoire Rasoamanarivo: “Misaotra anareo ry dada sy neny. Fa raha hitso-drano ahy ianareo dia tsofy rano aharitra ato @ tokantranoko aho”. Izany no finoana izany, izany noatao hoe mifikitra @ Jesoa izany.

Ny niafaran-dRadriaka moa, mamo ka nianjera avy teny amin’ny rihana ambony nakaty @ tany ambany. Ary nialohan’ny nahafatesany Radriaka dia nifona t@ Victoire: “mba azo atao Batemy ve aho?”dia  I Victoire rasoamanarivo no nanao Batemy an-dRadriaka ka voavonjy izy nony farany.

Izany finoana izany koa no nananan’I Mopera Jacques Berthieu. Novelesina t@ vodibasy ny lohany, nokapaina t@ famaky ny lohany, notifirina t@ basy. Izao noteniny anefa: “Aleoko maty toy izay hanaiky anareo”. Vonona @izany ve ianareo? Aleo maty toy izay handà ny finoana, vonona @izany ve ianareo?

Raha tsy avelan”ny olona hivavaka ianareo fa asaina miandry trano, dia ahoana hoy ianareo. Teren’ny olona ianareo hianatra @ sekoly manana fampianarana manohina ny finoana katôlika na koa manova izany, vonona ny handà ka hijoro @ finoana ve ianareo? Satria zava-doza ary tena manimba, raha toaka ankizy vita fankaherezana no tsy sahy ary tsy mijoro manao famantarana ny hazo fijaliana intsony. Zava-doza izany.

Resaka finoana ihany koa, ialàna tsiny ny fivalamparana kely anio. Taloha izany zoma voalohany izany dia zava-dehibe ho an’ny olona izany. Ny olona sasany rah ate hamonjy lamesa  zoma voalohany dia mandeha an-tongotra roa andro ka matory eny an-dalana, avy eo miainga indray ny ampitso handeha hamonjy lamesa. Fa ny antsika kosa, lamesa roa no atao @ 6h30 sy @ 9h. dia manao ahoana ny fiainantsika ny finoantsika @izany? Fa raha manomboka @ 6h30 dia misy ny olona tonga @ 7h30.  Raha ny lamesa @ 9h,  mbola misy ihany ireo tonga aorian’ny 9h30.

Aiza ilay hoe finoana. Koa hanavao finoana am-pahibemaso ianareo ka zany no mahatonga ahy hiteny zavatra maromaro. Tsy tenenina fotsiny io, ary tsy manome toky an-kamorana isika, fa tena tazonintsika io ary ezahantsika hiainana. Dia ho modely ianareo, hitarika ny fianakaviana rehetra, hiaina ny finoana marina ka hanatona an’Andriamanitra.

Resaka Facebook