Alahady Trinite masina – 15/06/2014 – Toriteny

FIANAKAVIANA MIAINA AM-PITIAVANA LAVORARY AN’ANDRIAMANITRA.

Araka ny fandaharana litorjikan’ny fiangonana, raha fintinina kely, aorinana’ny Paka dia 40 andro no manaraka ny fiakaran’ny Tompo any an-danitra. 10 andro aorinan’izay no mankalaza ny Pentekôty, ary  ny alahady manaraka ny Pentekôty isika no mankalaza ny  fetin’ny Trinite Masina. Ary herinandro manaraka ny Trinite Masina ny fetin’ny Sakramenta Masina. Tsara ny ahafantarantsika izay ao anatin’ny fiainan’ny fiangonana. Isan-taona izany, na dia tsy mijery ny kalandrie isika dia efa mahafantatra fa hoe ny Pentekôty dia 40 andro aorian’ny Paka, 10 andro aorinan’ny Pentekôty ny Trinite Masina – Andriamanitra Ray Zanaka sy Fanahy Masina. Ary ny alahady manaraka ny Trinite Masina isan-taona  dia ny Fetin’ny Saktamenta Masna.

Dia androany isika dia ny fetin’ny Trinite Masina no ankalazaina.

Raha azavaina kely ny foto-kevitra aroson’ny fiangonana, dia mampianatra antsika an’Andriamanirta. Andriamanitra Ray, Zanaka ary Fanahy Masina. Fa sarotra ho an’ny  olona ny mahazo an’io anefa. Na ho antsika aza, ary ady hevitra sarotra hazavaina ny Trinite Masina amin’ny olona; fa mainka moa fa amin’ny ankizy. Inona izany Andriamanitra tokana fa olona telo izany? Ahoana no zavatra tokana nefa telo samy manana ny maha-izy avy nefa mitovy laharana fahamasinana???

Dia ny tantara ao amin’ny tradition-n’ny fiangonana moa dia raha mahita isika ny tantaran’I Md Augustin, ilay teolôjianina tena nandinika. Niaina tao anatin’ny fahotana ngezabe izy tamin’ny fahatanorany, fa noho ny vavaka nataon’I Mb Monique reniny dia nibebaka izy, ary lasa olomasin-dehibe. Ary isan’ny teôlôjianina tena lalina fandinika mihitsy.

Fa nony tonga teo amin’ny fandinihina ity misterin’ny Trinite Masina ity dia tena fanina izy. Ahoana hoy izy izany Andriamanitra tokana olona telo izany?

Tsy hitany izay fomba hamahana sy hanazavana azy.Ary tamin’ny fotoan’andro dia tena naharary ny lohany satria niketriketrika mafy tao izy, fa tsy tafavoaka. Fa teôlôjianina anisan’ny tena malaza I Md Augustin: nanoratra leson-teolojika 13 boky tena lehibe amin’arivo pejy ny iray. Nanoratra momba an’Andriamanitra izy.Fa rehefa narary ny lohany dia lasa mihitsy nandeha nankeny amoron-dranomasina, naka rivotra.

Gaga izy nahita zazakely iray, mandavaka eo amin’ny fasi-dranomasina, ary mitaona ranomasina ho ao @ilay lavaka, mameno izany @ akoran-driaka. Tsy naharitra Md Augustin ka nanontany an’ilay zazalahy kely nony farany.

“Fa inona ity ataonao ity?” dia izao no valinteny: “alaiko daholo io ranomasina rehetra io ary ataoko ao anatin’ity lavaka kely ity”. Dia nihomehezan’I Md Augustin izy “Fa ianao ve adala? Ahoana no ampidiranao an’io ranomasinm-be io ao anatin’ity lavaka kely ity?”

Dia hoy ilay zazalahy: “Moramora kokoa ny mampiditra an’io ranomasina io anatin’ity lavaka ity noho ny mampiditra ny misterin’ny Trinite Masina ao anatin’ny lohakelinao io”.

Izany hoe, ho sarotra rah any hanazava ny mikasika izany hoe Trinite Masina izany, fa ny fantatsika mazava, dia ny FIFANKATIAVANA.

Ny fitiavana, io no manazava ny miterin’ny Trinite Masina. Io no mampiray ny Trinite Masina.

Dia izay no lazain’ny foto-kevitra hoe “Fianakaviana miaina am-pitiavana lavorary Andriamanitra”.Modely amin’izay fitiavana izay Andriamanitra.

Raha raisina ny Evanjely teo, dia ny resak’I Nikôdema. Nikodema dia farisianina, mpampianatra ny Lalàna sady olona nanam-pahaizana raha amin’ny fampianarana jody: nahay tsara ny Soratra Masina, nahay ny lalàna ary nampianatra izany izy.  Fa rehefa hariva ny andro dia iny izy nandeha nitady an’I Jesoa. Alina ny andro dia mitady fahazavana izy. Noheveriny fa tao amin’io testamenta taloha io no ahitany ny fahazavana, fa tsy nahita izany izy. Ary izay no hataonga an’I Md Joany mametraka tsara mihitsy, tsy voalaza teo moa ilay izy, fa andro alina I Nikodema no mandeha mitady an’I Jesoa. Ka ny andro sy ny alina dia misy dikany manokana ho an’I Md Joany.

Ny alina dia midika fahafatesana, tsy fahalalana an’Andriamanitra. Ka I Nikôdema nandeha andro alina nitady an’I Jesoa ilay Fahazavana dia te ho afaka ao anatin’ny haizina. Ary tamin’ny io Jesoa niteny: ‘Raha tsy ateraka indray ny olona tsy afaka ny hiditra ny fanjakan’Andriamanitra”. Dia tamin’ny io Nikôdema: “ataoko ahoana izaho efa antitra ity ny hidirta indray any an-kibon-dreniko? Ary ho ateraka indray?”

Dia hoy Jesoa: “Tsimantsy ateraka amin’ny rano sy ny fanahy ianareo”. Mbola tsy azon’ni Nikôdema ihany. Farany I Jesoa niteny, ary tonga eto amin’ny Evanjely androany izany: “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, nomeny ny Zanany tokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana ny fiainana mandrakizay”.

Nambaran’I Jesoa mazava tamin’ny Nikôdema ny fitiavana lehibe nasehon’Andriamanitra an’izao tontolo izao. Ka I Md Joany rehefa miteny hoe “izao tontolo izao” dia ny taranak’olombelona rehetra tsy ankanavaka izany.

Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, nomeny ny Zanany tokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana ny fiainana mandrakizay. Mazava ny tenin’I Jesoa: fitiavana Andriamanitra. Ary io ny fara-fitiavana nasehon’Andriamanitra antsika, dia ny nanomezany ny Zanany, ny Zanany nahafoy ny ainy teo amin’ny hazofijaliana hatramin’ny farany. Izay ny tena fitiavana izay. Ary io no nasehon’Andriamanitra, hatrany amin’ny fahariana ny olombelona ary madrapaha-tapitr’izao tontolo izao, dia abaribarin’Andriamanitra amin’ny olombelona ny fitiavany.

Dia hoy isika teo hoe ny fitiavana, io no manamarika sy ahafantarana ny Trinite Masina.

Ny oloan miaina sy manana ny fitiavana no afaka mahalala, mahafantatra ny misterin’ny Trinite Masina.  Ny olona manam-pitiavana –satria hoy isika teo hoe ny fitiavana no mampifandray ny Trinite Masina ;

Maninona isika no tsy dia tafiditra loatra ao anatin’ny misterin’ny Trinite Masina? => Satria maro ny fankahalana ao am-pontsika olombelona: mifanenjika isika, mifanao an-dolom-po isika, tsy mamela heloka isika, hany ka sarotra ho antsika ny hiditra ao amin’izany hoe fitiavan’ny Trinite Masina izany. Mifampialona isika, mifampiatsara iveletsihy isika, izany zavatra izany no misakana antsika tsy hotafiditra ao amin’ny misterin’ny Trinte Masina.

Fa ny olona tsotra no mahafantatra azy, ny olona miaina ny fitiavana. Ka raha fitiavana no nasehon’Andriamanitra an’izao tontolo izao, inona no asetriny?Inona no mba takian’Andriamanitra amin’ny olombelona?

=> Ny takian’Andriamanitra amin’ny olombelona dia ny finoana, izay ihany.

Misy mpanoratra izay, I Bernanos, rehefa niteny izy : Satàna izany dia antsoina hoe Mr OUIN. Inona ny dikan’izany: sady OUI no NON, sady ENY no TSIA. Izay no hevitry ny hoe Satana.

Jesoa efa niteny hoe : “aoka ny teny ataonareo rehefa Eny dia Eny, ary rehefa Tsia dia tsia”. Fa raha isika aza manao fitsapan-kevi-bahoaka, ka rah any vato ataontsika dia sady Eny no tsia, dia avy hatrany dia vato maty.

Ka na isika, Eny = mino an’Andriamanitra, na isika tsy mino. Dia isika samy mahita, mandinika ny tenantsika tsirairay avy, satria ny angatahin’Andriamanitra amintsika dia izay finoana izay, ho  setrin’ny fitiavany. Ka na ianao miteny hoe mino aho, na ianao miteny hoe tsy mino aho. Fa tsy mety ilay hoe rehefa izao dia mino fa rehefa izao dia tsy mino. Na hoe sady mino no tsy mino, tsy misy izany, inona izany ny tena izy?

Ao amin’ny Elia mpaminany, rehefa niteny tamin’ireo vahoakan’Israely izy: “Halako ianareo ity mikolepaka an-daniny sy an-kilany ity, safidio anio izay safidinareo: na ianareo hanompo an’I Baala, na ianareo hanompo an’Andriamanitra, fa tsy ho vitantsika mihitsy ny sady hanompo an’I Baala no hanompo an’Andriamanitra”.

Tsy maintsy mandray safidy isika.

Dia izay finoana izay no angatahan’Andriamanitra amintsika: finoana matotra. Nasehon’Andriamanitra ny fitiavany an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Lahitokana. Dia tohizan’I Md Joany hoe “mba tsy ho very izay rehetra mino azy fa hanana ny fiainana mandrakizay”.

Io finoana an’I Jesoa Kristy io no ahazoantsika ny fiainana mandrakizay.

Andraoany àry isika mankalaza ny fetin’ny Trinite Masina, dia hamafisintsika izay finoana izay.

Rehefa avy eo ny pretra miaraka amin’ny raim-pianakaviana rehetra, ianareo no mitarika ny hiran’ny fiekem-pinoana hoe “Averina eto indray”, satria ianareo no loham-pianakaviana. Dia ny anjaran’ny rehetra sisa dia ny mamaly. Fa ianareo raim-pianakaviana rehetra miaraka amin’ny rehetra no miventy sy manontany satria raim-pianakaviana izany dia lohany izany. Voalohany amin’ny fitiavana ao an-tokantrano, voalohany amin’ny fanehoana ny finoana.

Ary androany dia misaotra an’Andriamanitra, fa rehefa natokan-toerana ianareo raim-pianakaviana rehetra dia tena maro ihany kay. Izaho nieritreritra hoe ny ampahaefatryny “rangée” iray no ho feno, fa dia gaga aho eto mahita: fenonareo ny “rangée” manontolo. Tsy mbola nahita raim-pianakaviana maro tahaka izao aho tonga nivavaka.  Fanehoam-pinoana izao ka rariny loatra raha ianareo no lohany ao an-tokantrano, ao amin’ny fianakaviana, ianareo no mpanentana ny ao an-tokantranonareo amin’ny vavaka atao, ianareo no manentana ny zanakareo, ireo izay malaindaina mivavaka, ny hianatra katesizy.

Mafy ny asanareo raim-pianakaviana. Iaraha-mahalala ny fiainana ankehitriny: izay atao dia toa tsy mety avokoa. Betsaka ny zavatra manahirana sy mahakivy, na any amin’ny toeram-piasanareo any, na any an-tokantrano.

Ity moa misy fampihomehezana kely iray:

Indray andro  nampivory ny mpivady rehetra ny pretra ary nanontany: “inona ny olanareo?”

Dia nilaza ny renim-pianakaviana: ny anay ny olanay dia ny fitaizana ny ankizy…

Dia ny raim-mpianakaviana maro koa dia nilaza mitovitovy amin’izay. Fa nisy raim-pianakaviana iray nitsangana: “ity Mopera ny prôblemako”, sady nobatainy ny vadiny.

Ianjadian-javatra maro isika, izay no zavatra misy.Tahak’izay koa, tantara iray hafa satria fetin’ny ray androany.Dia eo ianareo raim-pianakaviana manotrona azy.

Izy mivady miady lava isan’andro ao an-trano, ka ny mampiady azy dia noho izy ireo samy mahay vava; indrindra moa fa ilay raim-pianakaviana izay tena manao teny maharary. Izay no manakorontana ny tokantrano. Ilay rangahy tsy tamàna mihitsy, ka dia mandeha misintaka kely foana hatrany.Ary rehefa avy eo dia hoe ao fa tsy hamerina an’izay intsony. Nefa dia miverina hatrany ny tabataba. Farany ilay ramatoa nandeha nakany amin’ny Pretra niresaka ny olana. Fantatry Mopera tsara ny toetran’ity vehivavy ity. Dia izao no nataony: “raha tianao hilamina ny tokantranonareo, dia misy rano ity, hoentinao any an-trano, ka rehefa tonga any an-trano ianao, rehefa hiditra ny trano ny vadinao, dia misotroa ami’ity rano ity, ary ataovy ao am-bavanao ao ity. Aza atelina mihitsy fa tazony ao foana.Dia nanaiky ilay ramatoa, ary nentiny ilay rano.Rehefa tany an-trano, dia tonga ilay rangahy. Ramatoa te hiteny be fa tsy mahateny satria misy an’ilay rano am-bava, ilay fanafody tany amin’ny Mopera.Rehefa kelikely dia atelina amin’izay ilay izy.Dia nilamina ny fiainan-tokantrano, nilamina ny fiainan’izy roa nandritra ny herinandro. Nataony foana izay ary nandaitra.Ka nandeha niverina tany @ Mopera ilay vehivavy.Misaotra anao Mopera fa tena nandaitra ilay fanafody nomenao. Hay kay ny tena antony dia noho ilay vehivavy miteny foana, ary kizintina izy ao an-trano dia manjary miady izy mivady. Fa rehefa feno rano ny vavany ka tsy nahateny izy, dia nilamina ny tokantrano.

Tsy dia ilay rano loatra no inona fa ilay ramatoa tsy afaka niteny.Izay no nampilamina ny fianan-tokantrano.

Dia izany rehetra izany no zavatra zakain’ny raim-pianakaviana ihany koa. Tsy mitovy toetra ny lahy sy ny vavy ao an-tokantrano fa samy manana ny maha-izy avy; fa indraindray koa dia mifanohitra amin’izay ny toetra: indraindray ny lehilahy no maherihery , fa ny vehivavy nomipetrapetraka.

Dia iaraha-mahalala hoy aho teo ny zavatra, ny adidy mavesatra iantsorohanareo raim-pianakaviana, raha tsy manana ny finoana sy ny fitiavana ianareo dia tsy ho vitantsika ny adidintsika. Ary môdely amin’izay fitiavana izay ny Trinite Masina.

Koa hangataka ny fahasoavan’Andriamanitra isika, ho antsika mianakavy, mba tena hiaina marina ny finoana.

Resaka Facebook