Alahady sampan-kazo – 29/03/2015 – Tenin’Andriamanitra

Fahatsiarovana ny nidiran’ny Tompo tao Jerosalema

Evanjelin’i Jesoa Kristy nosoratan’i Md Marka (Mk 11, 1-10)

Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo.

Nony mby akaiky an’i Jerosalema sy tonga tao Betania anilan’ny tendrombohitra Ôliva i Jesoa, dia naniraka roalahy tamin’ny mpianany, ary nilaza taminy hoe: “Mankanesa amin’itsy vohitra tandrifinareo itsy; raha vao tonga any ianareo, dia hahita zanak’ampondra anankiray mifatotra, izay tsy mbola nitaingenan’olona; vahao izy ka ento mankaty amiko. Ary raha misy manao aminareo hoe: Ahoana no anaovanareo izao? valio hoe: Misy ilàn’ny Tompo azy; dia halefany hoentina atý miaraka amin’izay izy”. Dia nandeha izy ireo ka nahita zanak’ampondra mifatotra teo alatrano anilan’ny varavarana, teo an-tsampanan-dalana, dia novahany. Ary ny sasany tamin’ny olona teo nanao taminy hoe: “Ahoana no amahanareo io zanak’ampondra io? “ Fa novaliany araka ny nandidian’ny Tompo azy izy ireo, ka namela azy hoentiny. Dia nentiny tany amin’i Jesoa ny zanak’ampondra, ka nataony teo amboniny ny fitafiany, ary nitaingina teo izy. Maro no namelatra ny fitafiany teny amin’ny lalan-kalehany, ary ny sasany nanapaka rantsan-kazo dia namafy izany teny amin’ny lalana koa. Ary na izay nandeha teo alohany, na izay nanaraka teo aoriany dia samy niantso hoe: Hôzana!  Hosoavina anie Ilay avy,  amin’ny Anaran’ny Tompo; hosoavina anie ny fanjakan’i Davida raintsika, izay efa tonga izao; hôzana any amin’ny avo indrindra.”

Sorona masina fanidinina ny fijalian’ny Tompo

Vakiteny voalohany: Bokin’i Izaia Mpaminany (50, 4-7)

Tsy nafeniko tamin’ireo nandatsa Ahy ny tavako, ary fantatro fa tsy ho menatra Aho.

Nomen’ny Tompo Andriamanitra ny lelan’ny mpianatra aho mba hahaizako mankahery ny reraka, amin’ny teniko. Mamoha isa-maraina Izy; mamoha ny sofiko Izy, mba hihainoako, hoatra ny fihainoan’ny mpianatra. Nosokafan’ny Tompo Andriamanitra ny sofiko, ary tsy mba nanohitra aho, na nihemotra akory. Natolotra tamin’ny mpikapoka ahy ny lamasiko; ary tamin’’ireo nanongotra ny volombavako, ny takolako; ary ny tavako tsy nafeniko tamin’ny latsa sy ny rora. Fa ny Tompo Andriamanitra namonjy ahy, ka ny latsa tsy nahaketraka ahy; ka ny tavako nataoko manahaka ny afo vato ary fantatro fa tsy ho menatra aho.

Vakiteny faha-2: Taratasin’i Md Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy (Fil 2, 6-11)

Nilatsa-tenany ho ambany Izy, ka nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra.

Ry kristianina havana, na dia tao amin’ny fomban’Andriamanitra aza i Kristy, dia tsy nihevitra ny fitoviany saranga amin’Andriamanitra ho zavatra nobaboiny, fa nialany izany tamin’Izy naka ny fomban’ny mpanompo, ka tonga mitovy amin’ny olombelona, sy hita ho olombelona tamin’ny fisehoany rehetra, ary nilatsa-tenany ho ambany, hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy, sy nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra, mba handohalika amin’ny Anaran’i Jesoa avokoa ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny ety an-tany, na ny any ambany ary mba hanaiky avokoa ny lela rehetra fa i Jesoa Kristy dia Tompo efa niditra any amin’ny voninahitr’Andriamanitra Ray.

Fijalian’i Jesoa Kristy Tompontsika nosoratan’i Md Marka (Mk 14, 1 – 15, 47)

✞ = Jesoa
M = Mpitantara
V = Vahoaka

M        Rahefa indroa andro sisa ny Paka sy ny Azima, dia nitady hisambotra am-pitaka an’i Jesoa ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna mba hamonoany Azy; nefa, hoy izy, tsy tokony ho amin’ny andro fety fandrao mitabataba ny vahoaka. Ary nony tany Betania tao an-tranon’i Simôna boka i Jesoa, dia nisy vehivavy anankiray niditra raha mbola nipetraka nihinana Izy. Nitondra tavoara alabastra feno diIoilo manitra sarobidy natao tamin’ ny salohin’ ny narda ravehivavy, ary novakiany ny tavoara, dia naidiny tamin’ny lohan’i Jesoa ny menaka. Maro tamin’izay teo no tezitra ka nifampilaza hoe:

V        Nahoana re no laniana foana toy izao ity zava-manitra? Denie telon-jato mahery iny raha namidy ka homena ny mahantra

M        Dia nimonomonona tamin-dravehivavy izy ireo. Fa hoy i Jesoa taminy:

        Avelao izy; nahoana ianareo no manao ny mampalahelo azy? Asa soa no nataony tamiko, fa ny mahantra dia misy eto aminareo mandrakariva, ka azonareo asian-tsoa araka izay tianareo, fa Izaho kosa tsy eto aminareo mandrakariva; nanao izay azony natao izy; nohosorany rahateo ny tenako ho fandevenany Ahy. Lazaiko marina aminareo fa na aiza na aiza hitoriana ity Evanjely ity amin’izao tontolo izao, dia holazaina koa izao nataon-dravehivavy izao ho fankalazana azy.

M         Ary i Jodasy Iskariôta, ilay isan’izy roa ambin’ny folo lahy, dia nankany amin’ ny lohandohan’ ny mpisorona mba hanolotra Azy. Faly ireo nony nandre izany, ka nanaiky hanome vola azy. Ary i Jodasy dia nitady izay fotoana mety hamadihany Azy. Ary tamin’ny andro voalohan’ny Azima izay fanomanana ny Paka, dia nilaza tamin’i Jesoa ny mpianany nanao hoe:

V           Aiza no tianao halehanay hanamboaranay ny hihinananao ny Paka?

M        Dia naniraka roa lahy tamin’ ny mpianany Izy ka nilazany hoe:

✞        Mankanesa any an-tanàna, ary hifanena amin’ny lehilahy iray mitondra siny feno rano ianareo, ka manaraha azy. Dia lazao amin’ny tompon’ny trano izay hidirany hoe: « Izao no asain ‘ny Mpampianatra lazaina aminao: Aiza ny efitrano hiarahako mihinana ny Paka amin ‘ny mpianatro? » Dia hotoroany efitrano malalaka voavoatra tsara ianareo ka ao no anamboary ho antsika.

M        Dia nandeha ny mpianany ka tonga tany an-tanàna, ary nahita araka izay nolazainy taminy sy nanamboatra ny Paka. Nony hariva ny andro, dia tonga Izy sy ny roa ambin’ ny folo lahy. Ary raha nipetraka nihinana izy ireo, dia hoy i Jesoa:

✞        Lazaiko marina aminareo fa hamadika Ahy ny anankiray aminareo izay miara-mihinana amiko.

M        Dia nalahelo izy ireo ka samy nanontany Azy tsirairay hoe:

V        Izaho va izany?

M        Ary hoy Izy taminy.

✞        Ny anankiray aminareo roa ambin’ ny folo lahy izay miara-mandray amiko amin’ny tanany ao an-dovia. Ny Zanak’ olona dia mandeha araka ny nanoratana Azy; nefa loza ho an’ izay hamadika Azy! Tsara ho an’izany lehilahy izany ny tsy teraka.

M        Ary raha mbola nihinana izy, dia nandray mofo i Jesoa ka nony efa notsofiny rano sy novakiany dia nomeny azy ireo, sy nataony hoe:

✞        Raiso, fa Vatako ity.

M        Raha efa izany, dia nandray ny kalisy Izy, ka nony efa nisaotra, dia nomeny azy izany sy nisotroan’izy rehetra. Ary nolazainy taminy hoe:

✞        Rako ity, dia ny Ran’ny fanekena vaovao izay alatsaka ho an’ ny besinimaro. Lazaiko marina aminareo fa tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-piavin’ ny andro hisotroako izay vaovao any amin’ ny Fanjakan’ Andriamanitra.

M        Nony efa nanao hira fiderana izy ireo, dia nankany amin’ny tendrombohitra Ôliva, ary hoy i Jesoa taminy:

✞        Ho tafintohina noho ny amiko ianareo rehetra anio alina; fa efa voasoratra hoe: Hokapohina ny mpiandry, dia hihahaka ny ondry; fa rahefa tafatsangana indray Aho, dia hialoha anareo any Galilea.

M        Dia hoy i Piera taminy:

V             Na dia ho tafintohina noho ny aminao aza izy rehetra, izaho tsy mba ho tafintohina na oviana na oviana.

M        Ary hoy i Jesoa taminy:

✞        Lazaiko marina arninao fa anio alina ihany, raha mbola tsy haneno fanindroany akory ny akoho, dia handà Ahy intelo ianao.

M        Fa vao mainka niteny mafimafy kokoa izy nanao hoe:

V            Na dia hiara-maty aminao aza aho, dia tsy handà Anao.

M        Ary nilaza toy izany koa izy rehetra. Ary tonga tany amin’ny saha atao hoe Getsemany izy ireo, dia hoy Izy tamin’ny mpianany:

✞        Mipetraha eto ianareo mandra- pivavako.

M        Ary nentiny hiaraka aminy i Piera sy i Jakôba ary i Joany, ary nihoron-koditra sy ory indrindra Izy. Ary hoy Izy taminy:

✞        Ory ny fanahiko ka hila hahafaty Ahy; mijanona eto ianareo, ary miareta tory.

M        Dia nandroso kely Izy, ka niankohoka tamin’ny tany, ary nivavaka mba ho afaka amin’izany ora izany, raha azo atao, nanao hoe:

✞        Abà, Raiko, azonao atao ny zavatra rehetra, ka aoka tsy hikasika Ahy ity kapoaka ity; kanefa aoka tsy ny sitrapoko no ho tanteraka, fa ny Anao.

M        Dia nankeo amin’ny mpianany Izy, ka nahita azy natory, ary nilaza tamin’i Piera hoe:

✞        Ry Simôna, matory va ianao? Tsy nahari-tory ora iray akory va ianao? Miambena ianareo, ary mivavaha mba tsy ho latsaka amin’ny fakam-panahy. Marisika ihany ny fanahy, fa ny nofo no osa.

M        Dia lasa indray Izy nivavaka, ka ilay teny teo ihany no nataony. Nony niverina indray Izy, dia nahita azy natory fa efa nilondolondo ny masony, ka tsy hitan’izy ireo izay havaly Azy. Ary niverina fanintelony Izy, ka nanao taminy hoe:

✞        Matoria amin’ izao ianareo, ary mialà sasatra. Aoka izay; tonga ny fotoana: indro hatolotra eo an-tanan’ny mpanota ny Zanak’olona. Mitsangàna ianareo, andeha isika: indro efa akaiky ilay hamadika Ahy.

M        Niaraka tamin’izay  raha mbola niteny Izy, dia tamy i Jodasy Iskariôta isan’izy roa ambin’ny folo lahy mbamin’ny vahoaka be nitondra sabatra sy langilangy, nirahin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona. Izy ireo dia efa nomen’ ilay mpamadika Azy famantarana toy izao:

V             Izay horohako no izy, ka sambory, ary ento tsy amim-pisalasalana.

M        Vantany vao tonga izy dia nanatona an’i Jesoa ka nanao hoe:

V        Arahaba, Raby.

M        Dia nanoroka Azy izy. Ary nosamborin’ireo Izy, dia nohazoniny. Fa ny anankiray amin’izay teo aminy nanatsoaka sabatra, dia namely ny mpanompon’ny lehiben’ny mpisorona, ka nahafaka ny sofiny an’ila. Ary niteny i Jesoa ka nanao tamin’izy ireo hoe:

✞        Mova tsy ny hisambotra jiolahy no fiavinareo nitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy! Teo aminareo isan’andro Aho, nampianatra teo amin’ ny Tempoly kanefa tsy nosamborinareo, fa izany no ahatanterahan’ ny Soratra Masina.

M        Dia nandao Azy ny mpianany rehetra fa lasa nandositra. Ary nisy tovolahy anankiray nanaraka Azy, lamba fotsiny no teny an-kodiny, nosamborin’ireo koa; dia nariany ny lambany, ka lasa nandositra niboridana izy. Ary i Jesoa nentin’izy ireo ho any amin’ny lehiben’ny mpisorona izay nivorian’ny lohandohan’ny mpisorona rehetra sy ny mpanora-dalana ary ny loholona. I Piera kosa nanaraka Azy teny lavidavitra teny hatrany an-tokotanin’ny lehiben’ny mpisorona, dia niara-nipetraka tamin’ny mpanompo teo anilan’ny afo, sy namindro. Tamin’izay ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpisaina rehetra dia nitady izay hiampangana an’i Jesoa hamonoany Azy, nefa tsy nahita; fa maro no niampanga lainga Azy, nefa tsy nifanaraka ny fiampangany. Nony inona dia nisy nitsangana niampanga Azy nanao hoe:

V           Renay Izy nanao hoe: Horavako ity Tempoly nataon-tanana ity, dia hanangana hafa tsy nataon-tanana indray Aho amin’ny hateloana.

M        Fa tsy nifanaraka ny fiampangany na dia tamin’izany aza. Dia nitsangana teo afovoan’izy rehetra ny lehiben’ny mpisorona nanao hoe:

V        Nahoana no tsy valianao izany fiampangana Anao izany ?

Fa tsy niteny izy, na namaly akory. Dia nanontany Azy indray ny lehiben’ny mpisorona nanao hoe:

V              Ianao va no Kristy Zanak’ Ilay Isaorana?

M        Ka novalian’ i Jesoa hoe:

✞        Izaho no Izy! Ary ho hitanareo ny Zanak’olona mipetraka eo ankavanan’ ilay Mahefa ny zavatra rehetra, sy avy eo ambonin’ny rahon’ny lanitra.

M        Dia norovitin’ny Lehiben’ny Mpisorona ny fitafiany, ka hoy izy hoe:

V        Inona indray no ilantsika vavolombelona? Efa renareo teo ny nitenenany ratsy an’ Andriamanitra, ka ahoana no hevitrareo?

M        Dia nataon’izy rehetra fa mendrika ho faty Izy, ka ny sasany nandrora Azy, dia nanarona ny Tavany, sy namely totohondry Azy ary nanao hoe:

V        Vinanio.

M        Ny mpanompo avy no namely tehamaina Azy. Ary raha mbola teo ambany amin’ny tokotany i Piera, dia nankeo aminy ny anankiray amin’ny ankizivavin’ny lehiben’ny mpisorona. Nony nahita an’i Piera namindro izy, dia nijery azy, ka nanao taminy hoe:

V            Ianao koa naman’i Jesoa Nazareanina.

M        Fa novaliany hoe:

V        Tsy fantatro, ary tsy azoko akory izay lazainao.

M        Dia nivoaka nankany alatrano izy ary naneno ny akoho. Fa nahita azy indray ilay ankizivavy, ka nilaza tarnin’izay teo hoe:

V            Naman’ireny koa io lehilahy io.

M        Fa nandà indray izy. Nony afaka kelikely, dia hoy indray ny olona teo tamin’ i Piera:

V        Naman’ireny tokoa ianao, fa Galileanina koa.

M        Tamin’izay sady niozona Izy no nianiana hoe:

V        Tsy fantatro akory izany lehilahy antsoinareo izany.

M        Niaraka tamin’izay dia naneno fanindroany ny akoho. Ary tsaroan’i Piera ilay teny nolazain’i Jesoa taminy hoe: tsy mbola haneno fanindroany akory ny akoho, dia handà Ahy intelo ianao; ka dia nitomany Izy.

M        Raha vao maraina ny andro, ny lohandohan’ny mpisorona dia niara-nihevitra tamin’ny loholona sy ny mpanora-dalàna ary ny mpisaina rehetra, ka namatotra an’ i Jesoa, dia nitondra Azy sy nanolotra Azy tamin’i Pilaty. Ary i Pilaty nanontany Azy hoe:

V        Ianao va no mpanjakan’ny Jody?

M        Dia namaly Izy ka nanao taminy hoe:

✞        Voalazanao.

M        Ary maro ny zavatra niampangan’ny lohandohan’ny mpisorona Azy, ka nanontany Azy indray i Pilaty nanao hoe:

V        Tsy mamaly akory va Ianao? He izato hamaroan’ny zavatra iampangany Anao!

M        Fa tsy namaly intsony i Jesoa na dia kely aza, ka gaga i Pilaty. Ary isaky ny fetin’ny Paka dia fanaony ny mandefa mpifatotra iray, izay angatahin’ny vahoaka; ka nisy kosa lehilahy iray atao hoe Barabasy niara-nifatotra tamin ‘ny mpikomy namany, satria nahafaty olona tamin’ny fikomiana. Dia niakatra ny vahoaka ka nangataka azy mba hanao araka izay fanaony aminy; fa namaly i Pilaty nanao hoe:

V        Tianareo va raha ny mpanjakan’ny Jody no alefako ho anareo?

M        Satria fantany fa fialonana no nanoloran’ny lohandohan’ny mpisorona Azy taminy. Kanjo ny mpisorona namoky ny vahoaka fa aleo i Barabasy no halefany ho azy. Ka hoy indray i Pilaty taminy:

V        Inona àry no tianareo hataoko amin’ilay antsoinareo hoe mpanjakan’ny Jody?

M        Dia niantso indray izy ireo nanao hoe:

V        Fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy.

M        Fa hoy i Pilaty taminy:

V        Fa inona àry no ratsy nataony?

M        Dia vao mainka niantso mafimafy kokoa Izy ireo nanao hoe:

V        Fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy.

M        Ary noho i Pilaty te-hahazo sitraka amin’ ny vahoaka, dia nandefa an’i Barabasy ho azy izy, ary nampikapoka an’i Jesoa sy nanolotra Azy hofantsihana amin’ ny Hazofijaliana. Dia nentin’ ny miaramila i Jesoa ho ao amin’ny tokotany, izany hoe ao amin’ny fitsarana, sady novoriany ny miaramila namany. Nony efa nampitafiany kapaoty jaky izy, dia nosatrohiny fehiloha tsilo, izay norandraniny, ny lohany; ary dia niarahaba Azy izy nanao hoe:

V           Arahaba, ry mpanjakan’ny Jody.

M        Sady nikapoka volotara ny lohany sy nandrora Azy izy, ary nandohalika nitsaoka Azy. Nony efa nolalaoviny toy izany Izy, dia noesoriny ny kapaoty jaky teny aminy, ka natafiny Azy indray ny fitafiany, vao nentiny hofantsihana amin’ny Hazofijaliana Izy. Ary nisy lehilahy Sireneanina atao hoe i Simôna, rain’i Aleksandra sy i Rofosy, nandalo avy any an-tsaha, dia noteren’izy ireo hilanja ny Hazofijaliany, ary Izy dia nentiny tao amin’ ny tany atao hoe Golgôtà izay adika hoe tanin’ ny karan-doha. Dia nomeny divay miharo mira Izy hosotroiny, fa tsy nety nisotro. Nony voafantsika tamin’ny Hazofijaliana Izy, dia nozarainy ny akanjony, ka loka no nataony hahazoany izay ho anjarany avy. Ary tamin’ny ora fahatelo no namantsihana Azy tamin’ny Hazofijaliana. Ny filazana ny anton’ny namonoana Azy dia voasoratra hoe: MPANJAKAN’NY JODY. Ary nisy mpangalatra roa lahy niara-nofantsihany taminy tamin’ny hazofijaliana: ny anankiray teo ankavanany, ary ny anankiray teo ankaviany; ka tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: « Natao isan ‘ny ratsy fanahy Izy ». Ary izay nandalo dia sady nanevateva Azy no nanakifikifi-doha nanao hoe:

V        Hia! ry ilay mandrava ny Tempolin’ Andriamanitra sy manangana azy indray amin’ny hateloana ity! Vonjeo ilay ity ny tenan’ialahy, ka mialà amin’ny Hazofijaliana!

M        Ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanoradalàna, dia naneso Azy toy izany koa, fa izao no resany eo:

V     Ny sasany novonjeny, fa ny tenany kosa tsy hainy vonjena. Aoka i Kristy Mpanjakan’i Israely hidina hiala amin’ny Hazofijaliana amin’izao, mba ho hitantsika ka hinoantsika.

M        Dia ireo niara-nofantsihana taminy avy koa no naneso Azy. Nony tamin’ny enina, dia rakotra haizina ny tany rehetra hatramin’ny sivy; ary tamin’ny sivy, dia niantso mafy i Jesoa nanao hoe:

✞        Eloy, Eloy, lamà sabakiany?

M         Izany hoe:

✞        Ry Andriamanitra ô! ry Andriamanitra ô! Nahoana no dia nilaozanao Aho?

M        Nony nandre izany ny sasany tamin’ izay teo, dia nanao hoe:

V        Indro miantso an’ i Elia Izy.

M        Dia nihazakazaka ny anankiray tamin’izy ireo, novontosany vinaingitra ny spaonjy sy notohizany volotara, dia natolony Azy hotsentsefiny, ka hoy izy:

V        Aoka hoe hozahantsika raha ho avy hanafaka Azy i Elia!

M        Fa niantso mafy i Jesoa, dia niala aina. 

(Mandohalika eto, ary mangina kelikely)

M        Ary rovitra nisasaka roa hatrany ambony ka hatrany ambany ny efitra lamba tao amin’ny Tempoly. Ilay kapiteny nitsangana teo an-tandrifin’ i Jesoa, nony nahita fa niala aina tamim-piantsoana mafy toy izany Izy, dia nanao hoe:

V           Zanak’ Andriamanitra tokoa io lehilahy io.

M        Ary nisy vehivavy nijery teny lavidavitra teny koa; anisan’ ireny i Maria Madelenina sy i Maria renin’ i Jakôba sy i Jôsefa, ary koa i Salômé, izay nanaraka Azy sy nanompo Azy fony izy tany Galilea. Fanampin’ ireo koa nisy vehivavy maro izay niara-niakatra taminy tany Jerosalema. Ary nony hariva ny andro, satria andro Fiomanana, izany hoe andro mialoha ny sabata, dia tonga i Jôsefa avy any Arimatia, loholona malaza izay nanantena ny Fanjakan’ Andriamanitra koa. Sahy nanatona an’ i Pilaty izy, nangataka ny Vatan’ i Jesoa. Gaga i Pilaty noho Izy maty sahady, ka nampaka ilay kapiteny sy nanontany azy na efa maty ela Izy na tsia. Nony reny ny filazan’ ilay kapiteny, dia nomeny an’ i Jôsefa ny faty. Dia nividy lamba i Jôsefa, ka nony efa nampidina ny maty dia namono lamba Azy, sy nandevina Azy tamin’ny fasana nolavahana tamin’ny vato, ary nanakodia ny vato tamin’ny varavaram-pasana. Ary nojeren’i Maria Madelenina sy i Maria renin’ i Jôsefa tsara izay nametrahany Azy.

Resaka Facebook