Alahady sampakazo – 13/04/2014 – Toriteny

Tenin’Andriamanitra

Ny lalan’ny hazofijaliana no lalam-pamonjena nizoran’i Jesoa Kristy hamonjena antsika.

Nandrita ny fotoanan’ny Vakiteny hatramin’ny ranombavaka, ireo ankizy rehetra dia napetraka ao amin’ny « Salle d’œuvre », ary manaraka an-tsary  ny tantara sy nijalian’i Jesoa Kristy, manomboka teo amin’ny sakafo farany, mitohy amin’ny nisamborana an’i Jesoa, ny nanamelohana Azy teo anatrehan’i Pilato, ny nametrahana ny fehiloha tsilo, ny nitondràny ny hazofijaliana miakatra mankany amin’ny tanin’ny Karandoha.

Izany hoe mifanaraka amin’ireo Vakiteny, ny Evanjely, ny sarimihetsika arahan’ny ankizy an-tsary ao amin’ny Salle d’œuvre.

Vita izany (manomboka amin’ny ranombavaka), dia manaraka mivantana (aminn’y fahitalavitra lehibe) ny Sorona Masina ato am-piangonana ireo ankizy ireo.

Natao izany satria tsy antonona ny kristianina rehetra intsony ny fiangonantsika.

Raha jerena hatrany amin’ny niatombohana, dia ny sampankazo izany.

Marihina etoana fa nanomboka tany Manelo ny diabe (procession).

Fa nahoana?Ary inona no anton’ny Diabe?

  • Eo ny maha-fanehoam-pinoana am-pahibemaso
  • Ary indrindra koa dia mba hamerina ireo fihetsika nataon’ireo jody fahiny, raha niakatra ho  ao Jerosalema I Jesoa

Inona no nataon’ny vahoka?

  • Ny sasany naka sampan-kazo, nametraka izany tamin’ny làlana izay holalovan’I Jesoa, izay mitaingina ampondra.
  • Ny sasany nametraka ny fitafiany teo amin’ny ampondra izay nipetrahan’I Jesoa.
  • Ary rehefa tonga tao Jerosalema I Jesoa dia nihoby ny vahoaka: “Hozàna, Hozàna, ilay avy amin’ny anaran’ny Tompo”  -èNihoby an’I Jesoa ny vahoaka.
  • Nony avy eo, dia hitantsika fa ireo vahoaka nihoby an’I Jesoa ireo, ireo indray no niansoantso hoe: “Helohy, helohy, fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy”.

Rehefa misy zavatra mahafinaritra : “Hozàna, Hozàna, ilay avy amin’ny anaran’ny Tompo”

Rehefa misy zavatra manahirana : “Helohy, helohy, fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy”.

Namerina ny fihetsik’ireo vahoaka ireo isika nitondra ireny sampankazo ireny. Voatsodrano sy voamasina izy ireny.

Azontsika atao tsara ny manolotra azy ireny amin’ny herintaona rehefa manao fiantsoana ny Inspektera, fa hodorana hatao lavenona haosotra mandritra ny Alaraobian’ny Lavenona izy ireny  –  mba tsy ho ny lavenona any am-patana no alaina asolo azy.

Raha tena fatantsika ny mahavoatsodrano ireny sampankazo ireny, mahazavamasina azy, dia tokony ho haintsika ny tokony hampirimana azy tsara. Apetraho amin’ny toerana hanajàna ny maha-masina azy ny sampankazo izay efa voatso-drano.

Raha jerena ny Evanjely, dia niantomboka t@ namadihan’I Jodasy an’I Jesoa: nakany amin’ny lohandohan’ny mpisorona izy. “Ohatrinona no omenareo ahy fa atolotro anareo Izy?”

30 farantsa no nomen’izy ireo an’I Jodasy Iskariota.

Fa maninona no 30 farantsa no nomena ho vidin’I Jesoa?

  • Raha jerena any amin’ni Eksaody, I Zozefa rehefa namidin’ny rahalahiny noho ny fialonana, dia namidy tamin’ny madianina handeha ho any Egypta, namidy 30 farantsa.
  • I jesoa koa dia namidin’I Jodasy 30 farantsa. Fa rehefa nanenina izy dia naverina io vola io. Nefa tsy azo atao n’inon’inona intsony izany satria vidin-drà.
  • Ny 30 farantsa dia vidin’ny andevo arak any voalazan’ny Soratra Masina.
  • I Jesoa koa izany dia nosokajiana ho isann’ny andevo.

=> Raha jerentsika I Jodasy

30 farantsa no namadihany an’I Jesoa.

I Jodasy dia efa nilazan’I Jesoa mialoha raha niteny Izy hoe: “Hamadika Ahy ny iray aminareo” – efa nomen’I Jesoa azy ny famantarana hoe iza ilay hamadika satria samy nametra-panontaniana ny mpianatra. “Izay miara-manasofoka ny tanany miaraka amiko, izay nohmadika ahy”.

Rehefa avy eo izy niverina ary nanoroka an’I Jesoa, ary dia nosamborina fotsiny I Jesoa.

=>  Raha jerentsika ny nataon’ireo mpianatra ireo

I Piera ihany koa. Hoy I Jesoa hoe: “ho tafintohina noho ny amiko ianareo rehetra amin’ity alina ity”.

I Piera namely hoe: “Na ho tafintohina aminao aza izy rehetra, izaho tsy mba ho tafintohina aminao”. Notenenin’I Jesoa izy hoe : “Ry Piera, alohan’ny maneno akoho dia handà ahy in-telo ianao”  => efa nomen’I Jesoa azy mialoha koa ny famantarana.

Hitantsika fa nony nosamborina I Jesoa, rifatra nitsoaka nandositra ny mpianatra rehetra. Mpianatra izay nanaraka Azy nandritra ny telo taona andro aman’alina.

=>  Rehefa tonga teo amin’ny ady sarotra I Jesoa dia nandao Azy ny mpianany rehetra.

Midika izany fa ny mpianatra rehetra ihany koa dia namadika an’I Jesoa.

Fa I Piera izay nomen’I Jesoa ny fanalahidin’ny Fanjakan’ny lanitra, izy irery ihany n onanrakaraka nanodidina teny izay misy an’I Jesoa. Fa nisy nahita ihany anefa izy, ary nanondro azy ho naman’I Jesoa. Nandà mafy izy : “Tsy fantatro izay lazainao”. èTsy sahy nitonona ho mpiantr’I Jesoa I Piera.

Rehefa avy eo dia naneno ny akoho, ary tsaroany fa efa nolazain’I Jesoa taminy fa hamadika Azy izy.

Nalahelo I Piera ary nitomany mafy.

Ireo dia fihetsika nataon’ny mpianatra: nanraka an’I Jesoa hatraiza hatraiza, nahita ny fahagagàna rehetra nataony, naheno ny fampianarany rehetra  –  fa rehefa tong any andro sarotra, dia namadika sy nandao an’I Jesoa.

Fa I Jesoa efa nilaza mialoha, nilaza ny ahafatesany. Efa nilaza tamin’ireo mpianany ireo tamin’ny sakafo farany: “ Indro Aho hialoha anareo any Galilea rehefa tafatsngan-ko velona”.

Eto, tsy mbola azon’ny mpianatra ity tenin’I Jesoa ity.

Te hino izany ny mpianatra, fa rehefa tong any Paka, dia hoahazavaina amintsika.

Inona no ny tian’I Jesoa lazaina amin’ny hoe hialoha làlana any Galilea Izy rehefa mitsnagan-ko velona?

Misy dikany lehibe io.

Hitantsika ny fihetsiky ny mpianatra.

Ny vahoaka izay nanaovan’I Jesoa fahagagana maro, nositraniny; vahoaka nanaraka an’I Jesoa, nihoby Azy (Hôzàna ilay avy amin’ny anaran’ny Tompo) – ary ataontsika isaky ny Fankamasinana io.

Fa nony injay niantsoantso I Pilato governor, izay tsy jody akory, nitady hanafaka an’I Jesoa – ireo vahoaka nanapvany soa kosa dia nanameloka Azy :“Helohy, helohy, fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy”.Namporisihin’ny lohandohan’ny mpisorona ireo vahoaka ireo. Ary io toe-javatra io dia mbola mipetraka h@izao andro iainantsika izao.

Mora miova hevitra ny olona, indrindra ny mikasika ny finoana. Koa aoka tsy hino be fahatàny isika.

Ny mpianatra, na I Piera, na ireo vahoaka t@izany andro izany – mandiniha tena isika tsirairay avy:

Fotoana tahaka ny inona no efa namadihantsika ny Tompo teo amin’ny fiainantsika?

Impiry isika no milokaloka amin’Andriamanitra?

Ireny fanomezan-toky nataontsika t@Andriamanitra ireny, aoka ho tazonina ireny. Rehefa tena tanterahin’Andriamanitra ny vavaka ataontsika, dia aoka tsy hanan-tahotra isika.

Sao dia manome toky ankamoràna ary isika?Amin’ireo toky omentsika an’Andriamanitra?

Impiry isika teo amin’ny fiainantsika noefa nivadika tamin’Andriamanitra?

Isika tsy mivavaka alahady io anie ka manao toy ny nataon’ny mpianatra izay mandao an’I Jesoa – nefa dia nanaiky natao Batemy isika.

Ny ray aman-dreny mitondra ny zanany atao batemy,, manome toky fa hitaiza sy hanabe ny zaza amim-pinoana  –  nefa izy ireo indray no tsy tonga mivavaka?

Impiry isika no mandika ny toky nomenatsika an’Andriamanitra? Ka tsy hanome tsiny be fahatany isika ireo mpianatra, na ny vahoaka, na I Piera raha nandao sy namadika an’I Jesoa.

Isika, eo amin’ny fiainantsika, matetika isika no mamadika an’I Jesoa. Ary ny antsika dia mbola mafy sy ratsy kokoa noho ny nataon’ireo mpianatra ireo. Ny mpianatra dia tsy mbola ampy ny finoany ny Andriamanitra velona, fa isika mahalala fa efa nitsangan-ko velona I Kristy. Efa nandray ny finoana isika.

Rhefa tongany fitsarana indray andro any, dia moramora kokoa ny fitsaran’Andriamanitra ireo vahoaka jody namadika an’I Jesoa, ny fitsarana ny mpianatra, noho nyfitsarana antsika rehefa eo anatrehan’Andriamanitra isika.

Izay no aoka ho dinihintsika: aoka tsy ho entin’ny alahelo sy ny sentosento fotsiny isika raha manaraka ny fijalian’I Jesoa Kristy. Ary izay no ho dinihintsika manomboka ny herinandro masina, ka hanenina mafy tokoa isika, samy handinika ny tenany ny tsirairay avy satria raha misy tombon-tsoa mety ho azontsika dia tsy mampaninona antsika indraindray na dia mandà ny finoantsika aza isika, mba ahazoana ilay tombon-tsoa.

Dia mandinika isika amin’izao herinandro masina handinihana ny fijalian’ny Tompo izao.

Azon’I Jesoa natao ny niala tamin’io fijaliana io fa nekeny kosa anefa izany.

Azontsika an-tsaina ve hoe nahoana I Jesoa no nandà nony nomena ilay vinaigitra miaro afero? Inona no anton’iny fihetsika iny?

Ilay vinaigitra miaro afero dia karazana fanalefahana fanaintainana sy fangirifiriana amin’ny vatana.

Tsy nety nisotro anefa I Jesoa fa aleony niaretana hatramin’ny farany ny fijaliana.

Hitantsika ary I Jesoa nanatanteraka ny lahatr’Andriamanitra, nanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra h@ farany.

Ny fiainana maha-kristianina antsika koa dia tsy zavatra mandeha mora. Araka ny tenin’I Jesoa “Raha misy te hanaraka Ahy dia aoka izy handà ny tenany ka hitondra ny hazofijaliana isan’andro”.

Izany hoe, eo @ maha-kristianina antsika, raha tsy mbola nahatsiaro isika fa misy fahoriana zakaintsika, dia tsy mbola mitondra ny hazofijaliana isika.

Raha tsy mbola nahatsiaro fanenjehana isika dia tsy mbola tena mitondra ny hazofijaliana isika.

Raha tsy mbola nahatsiaro voatora-bato isika, tsy mbola nitondra ny hazofijaliana isika.

Fa raha isika mahatsiaro mijaly  –  dia aoka ho fantatsika fa lalana makany amin’ny hasambarana izany. Arakaraka ny mahamafy sy maharatsy ny lalana izorantsika ny ahafahantsika migoka ny hasambarana.

Amin’ny Zoma Masina, haseho amintsika mandritra ny Lalan’ny Hazofijaliana an-tsary ny fijalian’I Jesoa Kristy.  Haseho manaraka an’izay ihany koa ny  fandinihana ny fijaliana zakaina any anatin’ny fianakaviana any. Havoakantsika eo hoe inona avy ireo fijaliana manaintaina zakain’ny raim-pianakaviana? Ny renim-pianakaviana? Ny zanaka  –  amin’izay fijoroana amin’ny maha-kistianina izay?

Mimisy fijaliana ao anatinatsika na tsy tiantsika. Ny fijaliana dia làlana mitondra makany amin’ny hasambarana.

Raha tsy misy ireny fijaliana sy sakantsakana ireny, ny aretina sy ny zava-manahirana isankarazany, ao ireo trangam-piaraha-monina maro, izay hamikirantsika, dia tsy ho tonga any amin’ny faratampony. Mila mizotra miakatra hatrany hatrany isika.

Ny fandraisantsika ireny amim-pitiavana no handraisantsika ny fijaliana, ny fijaliana izay mitondra mankany amin’ny fandresena.

Ny Père Curé RANDRIANJATOVO Jacques Léonce.

Resaka Facebook

Laisser un commentaire