Alahady sampakazo – 13/04/2014 – Tenin’Andriamanitra

Vakiteny voalohany: Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz 50, 4- 7) 

 » Tsy nafeniko tamin’ireo nandatsa Ahy ny tavako, ary fantatro fa tsy ho menatra Aho. « 

Nomen’ny Tompo Andriamanitra ny lelan’ny mpianatra aho, mba hahaizako mankahery ny reraka, amin’ny teniko. Mamoha ahy isa-maraina Izy; mamoha ny sofiko Izy, mba hihainoako, hoatra ny fihainon’ny mpianatra. Nosokafan’ny Tompo Andriamanitra ny sofiko, ary tsy mba nanohitra aho, na nihemotra akory, Natolotro tamin’ny mpikapoka ahy ny lamosiko; ary tamin’ireo nanongotra ny volombavako ny takolako; ary ny tavako tsy nafeniko tamin’ny latsa sy ny rora. Fa ny Tompo Andriamanitra namonjy ahy, ka ny latsa tsy nahaketraka ahy; ka ny tavako nataoko manahaka ny afo vato, ary fantatro fa tsy ho menatra aho.

Vakiteny faha-2: Taratasin’i Md Paoly Apôstôly ho an’ny Kristianina tany Filipy (Fil 2, 6- 11)

« Nilatsa-Tenany ho ambany Izy, ka nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra »

Ry Kristianina havana, na dia tao amin’ny fomban’Andriamanitra aza i Kristy, dia tsy nihevitra ny fitoviany saranga amin’Andriamanitra ho zavatra nobaboiny, fa nialany izany tamin’Izy naka ny fomban’ny mpanompo, ka tonga mitovy amin’ny olombelona, sy hita ho olombelona tamin’ny fisehoany rehetra, ary nilatsa-Tenany ho ambany, hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy, sy nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra, mba handohalika amin’ny Anaran’i Jesoa avokoa ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny ety an-tany, na ny any ambany, ary mba hanaiky avokoa ny lela rehetra fa i Jesoa Kristy dia Tompo efa niditra amin’ny voninahitr’Andriamanitra Ray.

Fijalian’i Jesoa Kristy Tompontsika nosoratan’i Md Matio (Mt 26, 14- 27, 66) 

« Nony afaka hateloana dia tonga i Jesoa. »

Ary tamin’izay ny anankiray tamin’ny roa ambin’ny folo lahy atao hoe  Jodasy Iskariôta nankany amin’ny lohandohan’ny mpisorona, ka nanao taminy hoe:

-Homenareo hoatrinona aho, dia hatolotro anareo izy?

Dia nanisa farantsa kely telopolo ho azy izy ireo. Hatramin’izay dia nikendry izay hamadihana azy izy.

Ary tamin’ny andro voalohany fihinanana ny azîma, dia nanatona an’i Jesoa ny mpianany ka nanao hoe:

-Aiza no tianao hamboaranay hihinananao ny Paka?

Dia hoy i Jesoa taminy:

+ Mankanesa any an-tanàna ao amin-dranona ka lazao aminy hoe:  Hoy ny Mpampianatra: Efa akaiky ny fotoan’androko, ka hanao ny Paka ato aminareo Aho sy ny mpianatro.

Nanao araka izay nasain’i Jesoa nataony ny mpianatra ka namboatra ny Paka. Nony hariva ny andro, dia nipetraka hihinana izy mbamin’ny mpianany roa ambin’ny folo lahy. Teo am-pihinanana dia hoy Izy:

+ Lazaiko marina aminareo fa ny anankiray aminareo hamadika ahy.

Nalahelo mafy izy ireo ka samy nanontany hoe:

– Moa izaho va izany, Tompoko?

Dia namaly Izy ka nanao hoe:

+ Izay niara-nanatsoboka ny tanany tamiko tao an-dovia, izy no hamadika Ahy . Ny Zanak’olona dia mandeha araka ny nanoratana Azy; kanefa loza ho an’izay olona hamadika ny Zanak’olona! tsara ho azy ny tsy teraka.

Dia mba niteny i Jodasy ilay namadika Azy nanao hoe:

– Raby, moa izaho va izany?

ka novaliany hoe:

+ Voalazanao.

Mbola teo am-pihinanana, dia nandray mofo i Jesoa, notsofiny rano sy novakiany, ary nomeny ny mpianany ka hoy Izy:

+ Raiso ary hano; ity no vatako .

Raha efa izany, dia nandray ny kalisy Izy, ary rehefa nanao fisaorana dia nomeny azy ireo nataony hoe:

+ Isotroinareo rehetra ity; fa ity no rako, dia ny ran’ny fanekena vaovao izay alatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka. Lazaiko aminareo, fa tsy hisotro amin’itony vokatry ny foto-boaloboka itony intsony aho, ambara-piavin’ny andro hiarahako misotro aminareo ny vaovao indray, any amin’ny Fanjakan’ny Raiko .

Ary rehefa nanao hira fisaorana izy ireo, dia lasa nankany amin’ny tendrombohitry ny Ôliva. Dia hoy i Jesoa taminy:

+Ho tafintohina noho ny amiko ianareo rehetra anio alina, fa efa voasoratra hoe: Hokapohiko ny mpiandry, dia hihahaka ny ondry andrasana; fa rahefa tafatsangana Aho, dia hialoha anareo any Galilea.

Fa i Piera namaly hoe:

-Na dia ho tafintohina noho ny aminao aza izy rehetra, izaho tsy ho tafintohina na oviana na oviana.

Ary hoy i Jesoa taminy:

+Lazaiko marina aminao fa anio alina alohan’ny maneno akoho, dia handà Ahy intelo ianao.

Fa hoy i Piera taminy:

-Na dia hiara-maty aminao aza aho, dia tsy handà anao .

Dia nilaza toy izany koa ny mpianatra rehetra.

Tamin’izay i Jesoa sy ny mpianany dia tonga tao amin’ny saha anankiray atao hoe Getsemaný, ary hoy Izy tamin’ny mpianany:

+ Mipetraha eto ianareo, raha mbola mankany hivavaka aho.

Ary nitondra an’i Piera sy izy roalahy zanak’i Zebede hiaraka aminy Izy, dia nanomboka nozoin’alahelo sy fahoriana mafy. Ka hoy Izy tamin’ireo:

+Ory ny fanahiko ka mila hahafaty Ahy; mijanòna eto ka miaraha miari-tory amiko.

Ary nony nandroso kely Izy, dia nihohoka tamin’ny tany ka nivavaka nanao hoe:

+Raiko, raha azo atao, aoka hesorina amiko ity kapoaka ity, kanefa aoka tsy ny sitra-poko no ho tanteraka, fa ny Anao.

Dia nankeo amin’ny mpianany Izy, ka hitany fa natory ireo, dia hoy Izy tamin’i Piera:

+Hay ianareo tsy nahazaka ny miari-tory amiko ora iray akory? Miambena sy mivavaha, mba tsy ho latsaka amin’ny fakam-panahy ianareo. Marisika ihany ny fanahy, fa ny nofo no osa.

Dia nandeha fanindroany Izy ka nivavaka hoe:

+Raiko, raha tsy azo esorina ity kapoaka ity fa tsy maintsy hosotroiko, dia aoka ho tanteraka anie ny sitra-ponao.

Ary niverina Izy ka nahita azy natory, fa efa navesatra ny masony; dia nilaozany ireo ka nandeha indray izy nivavaka fanintelony, ary ny teniny teo no naveriny. Izay vao nankeo amin’ny mpianany izy ka nanao taminy hoe:

+Matoria amin’izao ianareo, ary mialà sasatra, indro fa efa antomotra ny fotoana, ary efa hatolotra eo an-tànan’ny mpanota ny Zanak’olona. Mitsangàna ianareo, andeha isika; fa efa akaiky ilay hamadika ahy.

 Raha mbola niteny izany Izy, dia indro tamy i Jodasy isan’ny roa ambin’ny folo lahy, arahin’ny vahoaka be nitondra sabatra sy langilangy, nirahin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona. Efa nomen’ilay mpamadika famantarana toy izao izy ireo: Izay horohako no izy, ka sambory. Ary niaraka tamin’izay dia nanatona an’i Jesoa izy ka nanao hoe:

Arahaba, Raby;

dia nanoroka Azy izy. Ary hoy i Jesoa:

+Ry sakaiza, haninona aty ianao?

Tamin’izay dia nanatona ny sasany ka nisambotra an’i Jesoa sy nihazona Azy. Ary indro ny anankiray amin’izay teo amin’i Jesoa nandray ny sabany, dia namely ny mpanompon’ny lehiben’ny mpisorona ka nahafaka ny sofiny anila.

Fa hoy i Jesoa taminy:

+Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao, fa izay rehetra hamely amin’ny sabatra dia ho fatin’ny sabatra. Moa ataonao fa tsy mahazo mangataka amin’ny Raiko Aho, ka haniraka Anjely tsy homby lejiona roa ambin’ny folo Izy ho eto amiko? Fa hatao ahoana àry no hahatanteraka ny Soratra Masina izay milaza fa tsy maintsy ho tonga izao?

Ary tamin’izay dia hoy i Jesoa tamin’ireo vahoaka ireo:

+Mova tsy ny hisambotra jiolahy ianareo mitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy; nipetraka isan’andro teo aminareo Aho, nampianatra teo an-Tempoly, nefa tsy nosamborinareo; fa tonga izany rehetra izany mba ho tanteraka izay efa voasoratry ny Mpaminany.

Ary tamin’izay dia nandao azy ny mpianatra rehetra ka nandositra.
Ary izay nisambotra an’i Jesoa dia nitondra azy tany amin’i Kaifa lehiben’ny mpisorona, izay nivorian’ny mpanora-dalàna sy ny loholona. Nanaraka Azy teny lavidavitra teny i Piera, hatrany an-tokotanin’ny lehiben’ny mpisorona. Niditra tao izy dia niara-nipetraka teo amin’ny mpiandry raharaha mba hahita izay farany. Tamin’ izay ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona rehetra dia nitady izay hiampangana lainga an’i Jesoa hamonoana Azy, fa tsy nahita izy na dia betsaka aza ny vavolombelona mandainga tonga teo. Nony farany, dia nisy roa tonga, ka nanao hoe:

-Ilay io nilaza hoe: Mahay mandrava ny Tempolin’ Andriamanitra Aho, ary mahay manangana azy amin’ny hateloana indray.

Dia nitsangana ilay lehiben’ny mpisorona, ka nanao taminy hoe:

-Nahoana no tsy valianao izany fiampangan’ireo anao izany?

Fa tsy niteny i Jesoa.

Ary hoy ilay lehiben’ny mpisorona taminy:

-Mandidy anao amin’ny Anaran’Andriamanitra velona aho, hilaza aminay raha ianao no Kristy Zanak’ Andriamanitra.

Dia hoy i Jesoa taminy:

+Voalazanao. Ary lazaiko aminareo koa fa indray andro any ianareo hahita ny Zanak’olona mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra be fahefana sy avy eo amin’ny rahon’ny lanitra.

Tamin’izay dia notriarin’ilay lehiben’ny mpisorona ny fitafiany ka hoy izy:

-Niteny ratsy an’ Andriamanitra izy, ka ahoana indray no ilantsika vavolombelona? Indro efa renareo ny fitenenany ratsy an’Andriamanitra: ahoana no hevitrareo?

Ary ireo namaly ka nanao hoe:

-Mendrika ho faty izy.

Dia nororany ny tavany ka nasiany totohondry Izy; ary ny sasany sady namely tehamaina azy no nanao hoe:

-Vinanio, ry Kristy, iza no namely Anao?

 Tamin’izany i Piera nipetraka teo alatrano, ary nisy ankizivavy anankiray nanatona azy ka nanao taminy hoe:

-Ianao koa naman’i Jesoa Galileana;

fa nolaviny teo anatrehan’izy rehetra izany ka hoy izy:

-Tsy fantatro izay lazainao.

Dia nankeo am-bavahady izy, ndeha hitsoaka, fa hitan’ny ankizivavy anankiray hafa koa, ka nolazainy tamin’ny olona teo hoe:

-Ity koa naman’i Jesoa Nazareana;

fa nandà fanindroany indray izy sady nianiana nanao hoe:

-Tsy fantatro izany lehilahy izany.

Nony afaka kelikely dia nohatonin’ny olona teo i Piera, ka nilazany hoe:

-Marina tokoa raha tsy namany ianao, fa na ny fiteninao aza dia ampy hahalalana izany.

Ary tamin’izay dia sady niozona izy no nianiana fa tsy fantany izany lehilahy izany. Niaraka tamin’izay naneno ny akoho, ka tsaroan’i Piera ny tenin’i Jesoa nanao hoe: « Alohan’ny maneno akoho, handà ahy intelo ianao ».

Dia nivoaka izy ka nitomany fatratra.

Ary nony maraina ny andro dia niara-nihevitra izay hahafaty an’i Jesoa ny lohandohan’ny mpisorona rehetra sy ny loholona; ary rehefa nafatony Izy dia nentiny ka natolony an’i Pontsy Pilaty governora. Tamin’izay i Jodasy ilay namadika azy, raha nahita fa nohelohina Izy, dia nanenina ka namerina ny farantsa kely telopolo tamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona nanao hoe:

-Nanota aho fa nanolotra ny rà marina.

-Ahoanay izany?

hoy ireo, fa asanao.

Dia natsipiny tao anatin’ny Tempoly ny vola, ka lasa izy nanao tadimody nananton-tena. Ary nalain’ny lohandohan’ny mpisorona ny vola ka hoy izy:

-Tsy azo alatsaka ao amin’ny rakitra masina izany, satria vidin-drà;

ary nony niara-nihevitra izy, dia namidiny ny sahan’ny mpanao vilany ny vola hatao tany fandevenam-bahiny. Izany no anaovana io saha io mandraka androany hoe Haseldamà, na hoe sahan-drà; ary tanteraka tamin’izay ny tenin’i Jeremia mpaminany nanao hoe: Dia nalainy ny vola telopolo, vidin’ilay notombanan’ny zanak’i Israely, ka nomeny hamidy ny sahan’ny mpanefy vilany, araka ny nandidian’ny Tompo ahy.

 Dia tonga teo anatrehan’ny governora i Jesoa ka nanontanian’ny governora hoe:

-Ianao va no mpanjakan’ny Jody?

+Voalazanao,

hoy i Jesoa taminy; fa ny fiampangana nataon’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona azy no tsy novaliany kely akory, ka hoy i Pilaty taminy:

-Tsy renao va izany zavatra maro iampangana anao izany?

Fa tsy namaly izy na dia indraim-bava aza, ka gaga dia gaga ny governora .

Ary isaky ny fetin’ny Paka dia fanaon’ny governora ny mandefa mpifatotra anankiray tian’ny vahoaka. Ary tamin’izay dia nisy mpifatotra anankiray malaza atao hoe i Barabasy, ka rahefa nivory ny vahoaka, dia hoy i Pilaty taminy:

-Iza no tianareo halefako ho anareo, i Barabasy sa i Jesoa izay atao hoe Kristy?

satria fantany fa fialonana no nanoloran’izy ireo an’i Jesoa. Ary raha nipetraka teo amin’ny fitsarana izy, dia nampaniraka taminy ny vadiny hilaza hoe:

-Aza manao na inona na inona amin’io Lehilahy marina io ianao, fa nampahory ahy be ihany izay nanofisako azy halina izay.

Tamin’izay ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona nahatarika ny vahoaka hangataka an’i Barabasy sy hampamono an’i Jesoa.

Dia niteny indray ny governora nanao hoe:

-Iza no tianareo halefako ho anareo amin’izy roa lahy?

-I Barabasy,

hoy izy ireo. Ary hoy i Pilaty taminy:

-Ahoana kosa àry no hataoko amin’i Jesoa, izay atao hoe Kristy?

-Aoka hofantsihana amin’ny hazo fijaliana izy,

hoy izy rehetra.

Fa inona àry no ratsy nataony e?

hoy ny governora. Dia vao mainka nihorakoraka izy nanao hoe :

 Fantsiho amin’ny hazo fijaliana izy.
Nony hitan’i Pilaty, fa tsy nahomby izy fa vao mainka nitombo aza ny tabataba, dia nampaka rano izy ka nanasa tànana teo anatrehan’ny vahoaka ary nanao hoe:

-Afa-tsiny amin’ny ran’io Lehilahy marina io aho; fa raharahanareo.

Dia namaly ny vahoaka rehetra nanao hoe:

-Aoka ho aminay sy amin’ny zanakay ny rany.

Tamin’izay dia nalefany i Barabasy, ary i Jesoa nony efa nasainy nokapohina dia natolony azy hofantsihana amin’ny hazo fijaliana. Tamin’izay dia nentin’ny miaramilan’ny governora ho any amin’ny toerana fitsarana i Jesoa, sady novoriany hanodidina azy ny miaramila namany. Dia nendahany ny fitafiany ka nampitafiany kapaoty jaky Izy; ary nandrandrana fehiloha tsilo izy ireo, dia nasatrony ny lohany, sady nampitanany volotara ny tanany an-kavanana; rehefa izany dia nandohalika an-kila teo anatrehany izy ary naneso Azy hoe:

-Arahaba, ry mpanjakan’ny Jody.

Dia nororany Izy, ary nalainy ny volotara ka nikapohany ny lohany. Nony efa nolalaoviny toy izany Izy, dia nesoriny ilay kapaoty ka nampitafiany Azy indray ny fitafiany, ary nentiny hofantsihana amin’ny hazo fijaliana Izy. Rehefa tafavoaka ny tanàna, dia nifanena tamin’ny lehilahy Sireneana anankiray atao hoe Simôna izy ireo, ka notereny io hilanja ny hazo fijalian’i Jesoa. Ary nony tonga teo amin’ny tany atao hoe Golgotà izany hoe tanin’ny karan-doha, dia nomeny divay miharo afero izy hosotroiny; fa nony nandramany dia tsy nety nisotro Izy.
Ary rahefa voafantsika tamin’ny hazo fijaliana Izy, dia nanaovany loka no fizara ny fitafiany, mba ho tanteraka ny teny nolazain’ny mpaminany hoe: Nozarainy ny fitafiako, ary nilokàny ny akanjoko; dia nipetraka niambina Azy izy ireo. Teo ambonin’ny lohany dia nasiany soratra milaza ny nanamelohana azy manao hoe:

ITY NO JESOA MPANJAKAN’NY JODY.

 Nisy jiolahy roa niara-nofantsihana taminy tamin’ny hazo fijaliana, ny anankiray teo an-kavanany, ary ny anankiray teo an-kaviany. Ary izay nandalo dia nihifikifi-doha nanevateva Azy nanao hoe:

-Ialahy, ilay mandrava ny Tempolin’Andriamanitra sy manangana azy anatin’ny hateloana ity, vonjeo ilay ity ny tenan’ialahy; raha Zanak’Andriamanitra ialahy, mialà amin’ny hazo fijaliana.

Ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona dia naneso azy koa nanao hoe:

-Ny sasany novonjeny, fa ny tenany kosa tsy hainy vonjena; raha mpanjakan’i Israely Izy, aoka hidina hiala amin’ny hazo fijaliana ankehitriny, dia hino Azy isika. Natoky an’Andriamanitra Izy, ka raha tia Azy Andriamanitra dia aoka hanafaka Azy ankehitriny, satria Zanak’Andriamanitra Aho, hoy ny filazany.

Dia nandatsa Azy toy izany iretsy jiolahy roa izay niaraka nofantsihana taminy tamin’ny hazo fijaliana.  Ary hatramin’ny ora fahenina ka hatramin’ny ora fahasivy dia rakotry ny aizina ny tany rehetra. Nony tokony ho tamin’ny ora fahasivy, dia niantso mafy i Jesoa hoe:

-Elia, Elia, lamma sabaktany!

izany hoe:

 Ry Andriamanitro! ry Andriamanitro, nahoana no dia nilaozanao aho?

Raha nandre izany ny sasany tamin’izay teo dia nanao hoe:

-Miantso an’i Elia ilay ity.

Dia nihazakazaka niaraka tamin’izay ny anankiray tamin’izy ireo ka nandray sponjy; nony novontosany vinaingitra dia notohiziny volotara ka natohony azy hotsentsefiny. Fa ny sasany nanao hoe:

-Aoka hoe hozahantsika raha ho avy hanafaka azy i Elia.

Ary niantso tamin’ny feo mahery indray i Jesoa, dia niala aina.

Ary indro fa nisasaka roa hatrany ambony ka hatrany ambany ny efitra lamba teo amin’ny Tempoly; nihorohoro ny tany, nitresaka ny vatolampy, nisokatra ny fasana, ary betsaka ny fatin’ny olona masina efa nodimandry no nitsangana; ka nony efa nitsangana ho velona i Jesoa dia nivoaka tamin’ny fasana izy ireo, ka niakatra tany an-tanàna masina ary niseho tamin’ny maro.

Ilay kapiteny sy ny fehiny niambina an’i Jesoa kosa nony nahita ny horohoron-tany mbamin’ny zavatra rehetra tonga teo, dia raiki-tahotra mafy ka nanao hoe:

-Tena Zanak’Andriamanitra tokoa io Lehilahy io.

Nisy vehivavy maromaro koa nitazana teny lavidavitra teny, dia ireo izay nanaraka an’i Jesoa sy nanompo azy hatrany Galilea: anisan’ireo i Maria Madelenina, sy i Maria renin’i Jakôba sy i Jôsefa, ary ny renin’ny zanak’i Zebede.

 Nony hariva ny andro, dia nisy lehilahy manan-karena anankiray avy any Arimatia atao hoe Jôsefa, izay mpianatr’i Jesoa koa, nanatona an’i Pilaty ka nangataka ny fatin’i Jesoa. Dia nasain’i Pilaty homena azy. Noraisin’i Jôsefa ny faty, dia nofonosiny lamba fotsy madio, ary naleviny tao amin’ny fasana vaovao nolavahana tamin’ny vatolampy, izay nampanaoviny ho an’ny tenany.

Nony nakodiany ny vato makadiry tamin’ny varavaram-pasana, dia lasa izy. Ary i Maria Madelenina, sy ilay Maria anankiray, dia teo ka nipetraka nanandrify ny fasana. Ny ampitson’iny izay andron’ny fiomanana, dia nivory tany amin’i Pilaty ny lohandohan’ny mpisorona sy ny Farisiana ka nanao hoe:

-Tompoko, tsaroanay fa fony mbola velona ilay mpamitaka iny dia nanao hoe: Rahefa afaka hateloana dia hitsangana Aho. Koa asaovy ambenana ny fasany ambara-pahafaky ny andro fahatelo, fandrao sokoin’ny mpianany ny fatiny, dia lazainy amin’ny vahoaka hoe: Nitsangana tamin’ny maty izy, ka ho ratsy ny fitaka farany noho ny voalohany. Dia hoy i  Pilaty taminy:

-Manam-piambina ianareo, koa mandehana, ambeno araka izay hainareo.

Nony nandeha izy ireo, dia sady nasiany tombo-kase ny vato no nametrahany mpiambina teo mba hahazoany antoka marina ny amin’ny fasana.

Toriteny

Resaka Facebook