Alahady sampa-kazo – 29/03/2015 – Toriteny

Fetin’ny sampa-kazo

sampa-kazo
Sampa-kazo

        Faly miarahaba antsika rehetra amin’izao marainan’ny alahady ankalazantsika ny fetin’ny sampankazo izao. Fety satria mahatsiaro ny nandraisana an’I Kristy tao Jerosalema ireo vahoaka ka ho fihobiana azy dia ao ny namelatra ny lambany eny amin’izay toerana handalovany. Ao ny nanofahofa sampan-drofia. Raha raisina sary an-tsaina dia toy ny fandalovan’ny olona manam-boninahitra, ny dikan’ny hoe Kristy moa dia anarana iombonana, ka ny dikany dia toy ny hoe “Président”, na “chef”, na “patron”. Ka rehefa mandalo izy ireny dia mitsangana ny olon-drehetra, raha makany anaty vahoaka izy dia maro no mifandrombaka mba handray ny tanany. Na mandalo izy ireny dia hajaina, ka mihorakoraka feno fiderana tokoa ny olona. Toy izany no nanaovan’ny olona an’I Jesoa Kristy tamin’izy niakatra tao Jerosalema. Ambony kokoa i Jesoa Kristy ary hovakiana aorian’ny Paka fa ilay olona nofantsihana tamin’ny hazofijaliana iny, novonoina iny no natsangan’Andriamanitra, ary iny no Tompo Andriamanitra, ka vavolombelon’izany izahay hoy ireo apôstôly.

        Ato anatin’ny Fiangonana anefa dia i Kristy no lohan’izany Fiangonana izany, na dia maro ary ireo ambaratonga tompon’andraikitra amin’izany Fiangonana izany dia i Kristy no lohany. Na dia eo aza ny Papa, ny Eveka, ny Pretra, isika izay manana andraikitra ato amin’ny Fiangonana dia i Kristy no tena lohan’izany Fiangonana izany. Ka ato anantin’ny Fiangonana dia izay Tompo no manompo, izay Mpanjaka na “Président”, ireny no manompo, ary dia ho hitantsika fa izany tokoa no nataon’i Jesoa Kristy. Nanasa ny tongotry ny mpianany, ho hitantsika ny dikan’izay amin’ny Alakamisy Masina amin’ny lamesa miaraka amin’ny Eveka, amin’ny lamesa eto amin’ny Fiangonana misy anareo dia ho hitantsika ny dikan’izany. Satria ny hevitr’Andriamanitra dia tsy mitovy amin’ny fiheveran’izao tontolo izao, ny fiheveran’Andriamanitra dia ambony noho ny fiheveran’ny olona. Ka dia izay ambony sy lehibe tahaka azy Andriamanitra no midina mandohalika manasa ny tongotry ny mpianany. Ary izany dia tsy maintsy arahintsika Kristianina, tsy maintsy hianarantsika izany hoe mifanompo izany satria ny Andriamanitsika dia tsy toy ny Andriamanitr’izao tontolo izao, satria ny vola koa dia Andriamanitra, ny “sexe” dia Andriamanitra, ny fahefana dia Andriamanitra, fa ny Andriamanitsika dia io ilay manaiky ny fanekena hidina ambany dia ambany io ary manasa ny tongotsika. Izay fanasana tongotra izay dia fanandratana antsika mba hitovy toerana amin’izy Andriamanitra.

    Zavatra lehibe ny handinihantsika izany toetran’Andriamanitra izany, i Jesoa anefa rehafa tonga tao Jerosalema dia tsy izay loatra ny zavatra niseho rehefa avy eo fa fisamborana no nahazo azy, ka dia nosamborina toy ny mpangalatra. Nisy niaina amin’izany fisamborana izany tamintsika dia zavatra tsy mora tokoa izany, zavatra sarotra satria matoa ny fitsarana mamoaka lalàna hisamborana anao dia toy ny meloka ianao. Ka izay no nahazo an’i Jesoa Kristy, izay fitsarana izay, ary zavatra sarotra tokoa izany mandalo fitsarana izany. Rehefa mandalo an’izany dia zavatra sarotra tokoa ny miandry an’izany fotoam-pitsarana izany, ary dia izany no niainan’i Jesoa Kristy. I Jesoa Kristy dia tsy nandalo an’izany atao hoa fonja izany, marina fa navezivezy izy, fa rehefa nivoaka ny didim-pitsarana dia helohina ho faty avy hatrany izy.

    Amin’ny fiainantsika dia samy mandalo fitsapana isika, izaho moa dia miteny hoe raha mbola samy Kristianina ka misy ny olana dia aleo halamintsika fa tsy entina any amin’izany tribonaly izany, satria dia sarotra ny manana raharaha any. Ireny karazana fitsapana ireny dia mety miseho amin’ny fiainantsika amin’ny endrika maro, dia ny fahafantarantsika ity Evanjely na ampahan-dahatsoratra lehibe indrindra ny mitantara ny fijalian’i Jesoa Kristy dia manampy antsika hiaina sy haharitra bebe kokoa amin’ny fitsarana izay mahazo antsika. Izany no maha lehibe ny tenin’ny Soratra Masina, ny fahafantarana azy dia ahafahana mandray lesona, ahafahana mampitovy ny fiainantsika amin’ny fiainan’i Jesoa Kristy. Ka ilaina ny mahafantatra ny tenin’ny Soratra Masina. Fa i Jesoa dia tsy mba nampidirina am-ponja fa nolalaovina, izay moa no ambaran’ny Evanjelin’i Md Marka. Rehefa nolalaovina dia tsy vitan’ny hoe nokapohina fa nororàna, rehefa nororàna i Jesoa Kristy dia noheverina toy ny maloto indrindra.

    Indraindray eo amin’ny fiainantsika dia misy ny manao toy izany, misy ny mihevitra ny hafa ho tsinontsinona. Raha mba mandinika kely fotsiny isika hoe isika anie ka mitovy daholo dia tsy hanao ny hafa ho tsinontsinona. Tsy azo atao ary tsy fomba Kristianina ny mandrora sy manambany ny namana. Tsy nampianarin’i Kristy antsika izany. Iazy no fomba nanaovana an’i Jesoa Kristy, ilay olona nohobiana, ilay olona nandrandraina rehefa niakatra tao Jerosalema io dia natao tsinontsinona, nolalaovina tamin’ny kapoka, tamin’ny opa, tamin’ny karazana fampijaliana mampihoro-koditra. Raha tsy mampihetsi-po antsika Kristianina kely akory na tsy mahataitra antsika kely akory ny fijaliana natao tamin’i Jesoa dia mila mieritreritre kely isika, mila amboarina kely ny finoantsika, misy zavatra tsy mety ao raha toa ka tsy mba misy dikany amintsika ny fijalian’i Kristy.

    Izay no dikan’ny lalan’ny hazofijaliana, handinihan-tena bebe kokoa, hahatsapana izany fijaliana niaeretan’i Jesoa Kristy izany. Misy mpanoratra iray moa nanoratra toy izao “ On mesure la grandeur d’une personne par sa capacité de communion” izany hoe ny hitsarana ny olona iray dia ny fahaizany miombona bebe kokoa amin’izay zavatra niainan’ny hafa. Ka ny hazofijaliana dia natao indrindra mba handinihantsika izany fijalian’i Kristy izany, mba hezahintsika ny mahatsapa kely eo amin’ny fiainantsika ny fijaliana natao azy, fa io fijaliana io dia fijaliana tsy manam-paharoa. Ary tamin’ireo olona izay nampijaliana teto amin’izao tontolo izao dia tsy mbola fampijaliana nampihoro-koditra toy ny natao tamin’i Jesoa Kristy, na ny Martiry aza. Izany Md Laurent izany rehefa novonoina natao Martiry dia nanamboarana farafara vy makarakara, nofatorana teo izy dia nasiana afo avy ato ambany ka natono sahala ny hena izy, mandrapahafatiny dia nivadibadika teo amin’ny farafara vy teo i Md Laurent. Teto Madagasikara dia teny Ampamarinana no namonoana an’ireo Martiry, nalatsaka avy eny dia potika zany mandra-pahatonga aty ambany aty. Mafy ireny fijaliana ireny fa ny fijalian’i Kristy dia mbola mafy lavitra noho izany.

    Efa noteneniko teto ihany ny momba an’i Mb Brigitte, rehefa lehibe ny zanany dia lasa nanao masera izy, lasa mpivavaka be izy ary izao no fangatahany tamin’ i Jesoa hoe mba tiako ho fantatra ny kapoka natao taminao ry Jesoa. Amin ‘ny tenin’ny Soratra Masina ao amin’ny bokin’ny Detoronoma dia milaza fa izay olona homelohina dia kapohina in’efa-polo. Nivavaka i Mb Brigitte, rehefa vita ny fivavahana dia nahazo valin-teny tamin’i Jesoa Kristy, ka ny kapoka natao tamin’i Jesoa dia 5.840, tao ny totohondry, tao ny felaka, ny daka. Tsy isika raha mbola ho velona rehefa mahazo kapoka in-jato. Ka dia izay indrindra no hitaomana antsika, hisarihana ny saintsika mandritra izao fankalazana ny Paka izao, amin’izao fiantombohan’ny herinandro Masina izao mba handini-tena kely sy mba handinika bebe kokoa ny misterin’i Jesoa Kristy, ary dia hentanina isika hivavaka tsara mandritra io herinandro Masina io. Mba hanao ezaka bebe kokoa amin’ny fahanginana sy amin’ny fitiavam-bavaka, mba ho tonga aty am-piangonana hihaino ny tenin’Andriamanitra indrindra indrindra milaza izany momba an’i Kristy izany. Fa tsy hoe mamonjy fivavahana amin’ny alahady dia amin’ny alahadin’ny Paka ihany. Indraindray mantsy isika matahotra ny fahanginana, ilay zavatra mampatahotra, raha vao vakiana amintsika fotsiny ilay zavatra nihatra tamin’i Jesoa dia mety tsy ho zakan’ny fon-tsika izany satria malemy ny  fon-tsika, fa mila miezaka izany isika miditra tsikelikely ao anatin’ny tenin’Andriamanitra, mandinika izany misterin’ny Paka izany.

    Ny misterin’ny Paka moa dia ny fijalian’ny i Jesoa Kristy sy ny fitsanganany ho velona, entanina ary mila mifanentana isika satria zava-dehibe ho antsika izany fetin’ny Paka izany. Zay moa no ambara’i Md Paoly rehefa kelikely hoe raha tsy nitsangan-ko velona ilay Kristy dia foana ny toriteninay ary foana ihany koa ny finoanareo. Izany hoe ny finoana izany dia mandalo amin’ny alalan’ny toriteny fa tsy hoe io ny tenin’Andriamanitra dia tonga dia manam-pinoana isika fa miainga avy anatin’ny toriteny. Ka isika izany manomboka androany dia mifantoka bebe kokoa amin’izay fijalian’i Jesoa izay, miezaha tonga aty am-piangonana, manokàna fotoana hanginana, i Jesoa Kristy rehefa teo ambony hazofijaliana dia misy teny fito noteneniny.

    Izay izany no hafatr’izao fankalazana izao, ilay horakoraka natao, ilay sampankazo nentintsika, ilay hafaliana dia hivadika any amin’ny zavatra izay mampahory ny saina tokoa dia ny zavatra niainan’i Jesoa Kristy. Endriky ny fiainantsika koa izany kanefa eo amin’ny olana sedraitsika dia toa an’i Kristy isika, izy izay nandresy ny ratsy sy ny fijaliana ary dia nitsangan-ko velona. Ka ny Kristianina dia toy izay koa ny fiainany na dia eo aza ny fitsapana indray andro any dia tsy maintsy mivaha daholo ireo rehetra ireo raha manam-pinoana. Mamono tena na lasa adala rehefa tsy manam-pinoana. Ka ilaina ny mampitombo ny finoantsika bebe kokoa dia ny fijaliana dia miafara amin’ny fandresena ny ratsy.

Resaka Facebook