Alahady sakramenta masina – 22/06/2014 – Toriteny

FETIN’NY SAKRAMENTA MASINA

Dia mankalaza ny fetin’ny Sakramenta Masina ny fiangonana maneran-tany androany.

Natolotra antsika ny Evanjely izay retsika teo, nalaina tao amin’ny Md Joany ao amin’ny took faha-enina. Fa raha iverenana ny teo aloha dia I Jesoa nampitombo ny mofo dimy sy hazandrano roa. Rehefa voky ny vahoaka izay maherin’ny dimy arivo lahy fotsiny, dia lasa nitady an’I Jesoa hatraiza hatraiza. Ary efa nahita an’I Jesoa izy ireo, dia nametra-panontaniana: “Oviana ianao no tonga tety?” Teto dia ny mofo no tadiaviny, dia nahitsin’I Jesoa avy hatrany: “miasà ianareo, mba hihinana ny mofo izay tsy levona mandrakizay”. Teo amin’izay dia nanomboka niova ny resaka. Nampangetaheta an’ireto olona ireto ary nitadiavany sy nanarahany an’I Jesoa nandritra ny lalana lavitra, dia noho ny fitadiavana mofo satria noana izy ireo. Mofo hohanin’ny vatana. Dia avy eo Jesoa niteny: “Izaho no mofo velona izay nidina avy any an-danitra”. Mofo anefa no hanin’ireto vahoaka ireto. Rehefa afaka ora vitsivitsy ka noana dia miverina mitady mofo indray isika aveo, hany ka manao tahaka ny saka (omeo, omeo foana), na voky na noana. Izay isika olombelona, mihinana sakafo isika amin’ny maraina fa noana avy eo, mihinana koa ny atoandro fa noana ihany avy eo, mihinana koa ny hariva fa noana hatrany, ny ampitso koa torak’izany. Ary rehefa levona ilay mofo dia lasa indray ny vahoaka manaraka an’I Jesoa; ary ny tena tadiaviny di any hoe “Andao hatsangana ho Mpanjaka Izy, far aha ity no mpanjakanatsika, dia hihidy daholo ny mpanao mofo rehetra, fa manaraka an’I Jesoa dia voky ho azy isika”. Fa nahitsin’I Jesoa izay fisainana izay: Raha hanoanana ara-batana notadiavin’ireto vahoaka ireto ho esorina, fa ny an’I Jesoa kosa di any vatany. Eo no nampidiran’I Jesoa ny Eokaristia, satria Md Joany tsy mba nitantara ny namoronana ny Eokaristia Masina.  Fa avy hatrany dia eto amin’ny Jesoa Kristy nampitombo ny mofo dimy sy hazandrano roa no nampidiran’I Jesoa fanazavana momba ny Eokaristia.

Hoy Jesoa: “izaho no mofo velona nidina avy an-danitra, raha misy mihinana ny mofo dia ho velona mandrakizay izy, ary ny mofo izay omeko dia mofo ho fiainan’izao tontolo izao”.

Isika ihany koa dia mametra-panontaniana izay manitikitika antsika, ary izany fanontaniana izany dia tadiavintsika ho valiana avy eo: “Inona ity mofo kely haniko ity? Maninona no atao hoe Eokaristia izy ity?”.

Noana ny olona ka nitady an’I Jesoa, nitady mofo, ary eo Jesoa no miteny hoe: “Izaho no mofo velona nidina avy an-danitra”, ary eto n omipetraka ny fanontaniana satria olombelona be izao no hita koa no milaza fa mofo velona nidina avy an-danitra, ary I Jesoa eto dia olombelona vatana nofo sy rà. Dia mbola tohizany: “Izay mihinana ny mofo dia ho velona mandrakizay”. Mba eritrereto sy alaivo sary an-tsaina hoe izaho pretra ito no miteny izany aminareo. Noana ianareo ka miteny aho izaho no mofo velona nidina any an-danitra; ahoana angaha hoy ianareo? Dia avy eo izaho mbola miteny hoe izay mihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay izy, angamba tsy ampy hohaninareo izaho raha izaho irery no eto. Tsy ampy hohaninareo rah any tenako samy irery. Nefa I Jesoa dia miteny hoe : “Ny nofoko no mofo ho fiainan’izao tontolo izao”. Tsy mahagaga raha mametra-panontaniana ny olona, “ataony  ahoana no fanome ny nofony hohanina?”; nefa I Jesoa niteny fa mofo velona. Dia nanomboka nisy ny ady hevitra. Jesoa tsy nihemotra, fa mbola niteny: “ Lazaiko marina aminareo fa raha tsy mihinana ny nofon’ny Zanak’Olona ianareo sy misotro ny ràny dia tsy hanana ny fiainana ao aminareo”. Ilay ady hevitra manomboka miha-mafana, I Jesoa tsy nihemotra fa mbola nampiditra ny resaka ho lalindalina kokoa.

Dia eo amin’ny tantaran’ny Eokaristia ity, dia be di any fanontaniana mety mipetraka. Io tenin’I Jesoa io no raisintsika, hoe “ lazaiko marina aminareo fa raha tsy mihinana ny nofon’ny Zanak’Olona ianareo sy misotro ny ràny dia tsy hanana ny fiainana ao aminareo”. Misy fanontaniana mety mipetraka amintsika ao. Ahoana àry no ahatonga ny mofo sy divay eto @ ôtely hotonga vatana sy ràn’I Kristy? Ary eo no mahatonga ny hoe mandrairay foana ny Eokaristia satria tsy fantatra, tsy azo ny dikany. Ahoana ny mahatonga ny Ostia sy Divay ho tonga vatana sy ràn’I Kristy? Ny sasany rehefa avy mandray kômonio dia mbola manontany hoe “fa maninona izahay no tsy misotro amin’ilay divay?”. Dia mbola divay ihany no tenenina. Nefa rehefa vta ny fankamasinana dia lasa ràn’I Jesoa Kristy iny divay iny. Ny fametraka fanontaniana izany dia efa diso.

Io dia tahaka ilay olona iray nametraka an’izay fanontaniana izay tamin’ny Mopera. Dia ho y Mopera: “inao mihinana mofo, ianao ihany koa dia misotro rano. Isan’andro ianao mihinam-bary, ary misotro rano ihany koa. Fa hitanao ve ny asan’izay ao aminao? Tsapanao ve fa iny ianao fa nitombo? Nahazo aina? Fa eritrereto fa raha tsy nihinana ilay hanina ianao sy tsy nisotro rano, dia inona no hiafaràna? Maty isika raha tsy mihinana sy tsy misotro. Ny dikan’izay dia mihinana ianao, misotro ianao, miditra ao anatintsika ao  izy ka mahaveloana antsika. Dia ahoana no ametrahantsika fanontaniana: ahoana no ahatonga ny mofo sy divay ho vatana sy ràn’I Jesoa? Izay ny fanontaniana iray, satria misy ady hevitra eo amintsika hoe ahoana marina ity Eokaristian’ny katôlika ity? Ahoana ity resaka kômonio ity, izay lazainy fa vatana sy ràn’I Kristy?

Fanontaniana mety hitranga ihany koa, ka napetraky ny olona tamin’ny Mopera: ahoana ny ahatongavan’ny vatan’I Jesoa olombelona ngeza be iny ho tafiditra amin’ny kômonio kely tahaka an’io? Satria indray indray rehefa tsy ampy ny kômonio dia zaraina kely be dia be. Dia mety miteny ny sasany hoe toa kely dia kely ny kômonio omen’I Mopera, ity ve tsy ny ankihibe tongony fotsiny no ho voaraiko amin’ity? Dia ahoana no ahatonga an’I Jesoa lehibe ho tafiditra ao anatin’ity kômonio kely ity. Dia hoy Mopera: andao ianao entiko mivoaka.

Dia nentiny teny ivelany ilay olona ka nasainy nijery. Dia hoy izy, inona no hitanao? Tendrombohitra avo be sy tanàna maro ary “pilône” avo be. Hitanao ireo, ary jereo anefa ny masona kely tahaka ny inona, nefa dia na dia io tendrombohitra lehibe io aza dia tafiditra ao anaty masonao. Dia tahaka izay ihany koa ny Eokaristia, zavatra boribory kely, nefa ao I Jesoa Kristy manontolo.

Dia nipetraka indray ny fanontaniana hafa. Isika izao eto manao lamesa, ka eto amintsika izany izao I Jesoa. Nefa eran’izao tontolo izao misy fiangonana katôlika marobe manao lamesa, ka ahoana ny ahatonga an’I Jesoa ho any amin’ireny lamesa ireny; any Imerimanjaka, any Ambohijanaka, any Ambatofotsy, any Antanimena, any Rôma sns…I Jesoa olona iray, dia ahoana no ahafahany miparitaka hatrany rehetra any?

Dia entin’I Mopera niditra taoan-trano indray ilay olona ka nasainy nijery fitaratra lehibe ka nanontaniany. Inona no hitanao? Manao ahoana ny fahitanao ny tarehinao? Dia namely ilay olona: hitako tsara mihitsy ny tarehiko amin’izao. Dia nalain’I Mopera ilay fitaratra lehibe dia natsipiny tamin’ny tany ka vakivaky sy potipotika. Dia hoy Mopera, hitanao io fa  potipotika ilay fitaraka, fa makà ianao vakina fitaratra iray amin’ireo. Inona no hitanao? Ny tarehiko hoy ilay olona. Hitany teo amin’ilay vakivakina fitaritra ihany koa ny tarehiny, tahaka ny tamin’ny ilay fitaratra lehibe.  Dia tahaka izay ihany koa Jesoa Kristy Eokaristia: eran’izao tontolo izao amin’ny Sorona Masina, dia eo Jesoa. Ny tarehiny no hitany tamin’ny fitaratra lehibe, ary ny tarehiny ihany koa no hitany tamin’ny fitaratra kely. Dia tahaka izay koa Jesoa: na aiza na aiza misy fankalazana ny eokaristia, dia eo hatrany Jesoa. Izay manko dia fanontaniana meaty hioetraka sy hanitikitika antsika, na amin’ireo izay handray ny Kômonio voalohany aza.

Dia niteny indray Jesoa: “izay mihinana ny nofoko sy misotro ny ràko no manana ny fiainana mandrakizay, izaho ao aminy, ary izy ho ato amiko”. Eo ihany koa, tsara ho dinihintsika io.

Indraindray, misy  kristianina katôlika vita kômonio voalohany, fa malaina mandray ny eokaristia. Malaina mandray. Mysy ilay fomba fiteny sy filaza amin’ny fiteny  vahiny hoe “Anorexie” – izay aretina ara-tsaina ilay izy: kamo ianao. Tonga ianao hamonjy lamesa, nefa kamo handray ny Eokaristia. Ary rehefa farany dia tsy miditra am-piangonana intsony. Tsy fantany akory hoe noana sy mangetaheta anie izy.

Hafa ny olona, ary fomba ataon’ny olona sasany moa izy ity ankehitriny, “manao taille”. Mifady hanina, tsy mihinana afa-tsy “crudité”, mba tsy hitombo ny lanja, mba hihamanify ny vatana, dia mamola-tena mifady hanina; misy aza ny efa saika maty noho izany. Ary ifamonjena satrai mba hikarakarana ny vatana dia mifady hanina, hany ka lasa mahia loatra toy ny taolana mifono hoditra avy eo. Izay dia sitra-po.

Fa misy kosa ny aretina, tratran’ilay aretina “anorexie” ka tsy te hihinan-kanina mihitsy. Tonga eo ny sakafo, jerena dia voky, dia tsy te hihinana intsony, nefa tsy nihinana akory. Noana ianao avy eo. Ary rehefa tsy mihinan-kanina elaela dia maty isika amin’ny farany. Dia mandinika an’io koa isika.

Ny fahalainana homana dia efa tandindon’ny aretina ho avy. Fa raha marary mazoto homana dia mampisalasala ihany hoe tena marary ve ity olona ity? Raha marary ka mahalany izay rehetra atolotra eo, dia miteny ianao fa “faux malade” ity. Mamorona aretina ity olona ity.

Fa ny olona raha vao malain-komana izy, dia tokony handinika izy fa misy zavatra tsy mandeha amin’ny laoniny ao, misy marary ao. Ary ny ray aman-dreny rehefa mahita fa malain-komana ny zanany, dia avy hatrany dia entiny any amin’ny dokotera. Aiza ny dokotera? Any amin’ny Pediatrie, dokoteran-jazakely. Sao dia marary vavony.

Fa raha isika malaina tsy mandray kômonio, ny dikan’izay dia misy marary ao. Misy aretina ao. Dinihintsika izay. Mba mandehàna ihany koa mandeha any amin’ny dokotera: manatona Pretra. Lazao aminy mazava ny aretinao: izaho malaina mivavaka, malaina mandray kômonio. Inona ny olako mopera, dia avelao ho jereny ny olantsika mahatonga antsika halaina handray kômonio. Tadidio fa rehefa tsy mihinana elaela dia maty ny olona. Dia tahaka izay koa ny fiainam-panahy: rehefa elaela tsy nihinana ny vatana aman-dràn’I Kristy dia tsy manana ny fiainana mandrakizay isika.

Dia ion y vakiteny voalohany teo: ny razanareo nihinana ny màna tany an’efitra. Ny màna dia mofo avy any an-danitra izy io. Ny màna tany amin’ny tany efitra, maina, tsy misy rano, tsy misy hanin-ko hanina, tsy misy zavatra antenaina. Nomen’Andriamanitra ny màna ireo vahoaka ireo. Rehefa maraina ny andro, eny ambony ranon’ando eny misy  zavatra matsiratsiraka tahaka ny fotsim-bary. Ireny no angonin’ny olona atao anaty sobika. Entina any antrano totoina, ditiana, amboarina dia andrahoina amin’ny vato na amin’ny vilany, izay vao ohanina. Izay no atao hoe màna, fa tsy hoe mofo lehibe ka hihinana fotsiny ianao.tsy izay ny màna tany an’efitra. Fa tahaka izay ny tena zava-nitranga tany amin’ny tany efitra; zavatra tahaka ny fotsim-bary, ary mbola misahirana mitoto sy mahandro ianao vao mihinana. Tsy fantatra hoe avy aiza, fa avy an-danitra io. Nihinana an’iny ny vahoak’Israely, fa maty ihany izy rehef avy eo. Fa Jesoa  miteny: “izay mihinana ny nofoko sy misotro ny ràko,no manana ny fiainana mandrakizay: izaho ao aminy, ary izy ato amiko”.

Fampanantenana, ary toky no omen’I Jesoa antsika.

amin’ity andro androany ity, fetin’ny Sakramenta Masina. Dia isika miteny hoe izahay anie mba te handray kômonio ihany e, nefa izahay manana sampona ara-tsakramenta. Dia mba ahoana izahay?

Dia ny teny amin’izay olona manana izay olana izay dia izao. Ity Eokaristia Masina ity dia vatana aman-dràn’I Kristy io. Mamelona antsika io. Ary Md Paoly dia miteny: “izay mihinana sy misotro tsy am-pahamendrehana dia mihinana sy misotro fanamelohana ho an’ny tenany”. Raha tsy am-pahamendrehana fa ma-pahazarana fotsiny no andraisantsika ny Eokaristia, dia tonga fanamelohana ho antsika. Tsy mitondra soa ho antsika izy amin’nyizay.

Ka ireo izay tsy mba afaka ny handray Sakramenta dia izao no lazaiko. Moa ve ianareo mihevitra  fa ireo Kristianina rehetra izay mandray kômonio ireo, fa olonba mendrika daholo ireo. Ary ireo izay tsy mba afaka mandray kômonio rehetra noho ny sampona ara-tsakramenta, dia mihevitra ve ianareo fa olo-meloka avokoa ianareo?

Tsy misy afaka mitsara isika. Andriamanitra irery no mitsara. Andriamanitra irery no mitsara. Tsy afaka mitsara ny olona isika. Fa indraindray aza, ireo olona manana sampona aara-tsakramenta ka tsy afaka mandray, na vita kômonio voalohany aza, misy amin’ireo anie dia tena miezaka, ary manakaiky an’Andriamanitra, ary Andriamanitra no mitsara rahatrizay.

Amin’ity andro androany ity àry, fetin’ny Sakramenta Masina androany; dia na ianareo izay manana sampona ara-tsakramenta aza, dia mahazo ianareo rehefa amin’ny kômonio, fa eto amin’ny laharana misy ny Pretra. Fa ianareo kosa tsy mandray kômonio, fa jerenareo tsar any ataoko, atambatrareo tahaka izao ny tananareo, dia miondrika ianareo ary hametrahan-tànana. Izay ny solon’ny handraisanareo ny kômonio. Ny sampona ara-tsakramenta dia tahaka izao: tsy vita mariazy ianao noho ny antony hoe efa vita soratra tamin’ny olon-kafa ny vadinao; na ianao efa vita mariazy tamin’ny olona hafa ka miaina ao anaty tokantrano iray vaovao. Ao ny hetaheta, ka izay no ataontsika amin’ity andro androany ity. Fametrahan-tànana, fa amin’izay kosa dia miondrika ianareo mba tsy ho voafitaka ny pretra.
Amin’ny fotoana izay dia fametrahan-tànana no atao aminareo ho solon’ny fandraisana an’I Kristy. Tombony manokana no antsika izay manana ny sampona androany satria fety lehibe ankalazantsika ny Sakramenta Masina.

Tenin’I Jesoa amaranako azy dia ilay hoe “ izay mitoetra ao anatiko, sy itoerako, izay mandray ahy”.

Hitantsika fa misy tantara, fetin’I Md Léonce androany, hohenointsika ny tantarany aorinan’izao toriteny izao. Satria fetin’ireo olomasina matoa nanaiky ho viravirain’ny biby masiak, ho tapahin-doha, nenjehina, nofantsihina, satria fantany fa Jesoa izay noraisiny dia mitoetra ao anatiny.

Raha ny tantaran’I Md Léonce manokana, hohenointsika refeha avy eo, dia nenjanina tamin’ny vy efatra, noriatina, mandrapahafatiny. Olona nanana herim-po ihany koa izy.

Mba misy olomasina iray hifampizarana amintsika ny tantarany, fa vokatry ny nandraisana an’I Kristy dia niaritra hatramin’ny fampijaliana sy fahafatesana ka naha-martiry azy.

Resaka Facebook