Alahady Pantekôty – 08/06/2014 – Toriteny

« MPANKAHERY SY MPANAZAVA ARY MPAMPIHAVANA NY FANAHY MASINA”

Dia mbola manantitra ny arahaba amintsika Kristianina rehetra tafavory.

Amin’izao fankalazana ny Pentekoty, dia misaotra anareo tompon’andraikitra ao amin’ny VALIA rehetra satria ny zavatra nataontsika rehetra teo, @izao tapany voalohany izao, dia manampy tanteraka @ fanazavana ny  Soratra Masina. Satria na tsy asiana fampianarana intsony aza, raha toa isika ka nandinika tsara ireo fihetsika hatrany amin’ny fiantombohana, h@hira fiantsoana ny Fanahy Masina farany teo, dia na tsy hisy toriteny aza fa dinihantsika fotsiny ny fihetsika , dia heveriko fa efa fampianarana goavana be.

Na izany aza anefa dia mba misy fanamarihana kely ihany izay tiako zaraina aminareo, hamenoana ny fankalazana androany.

Henontsika teo fa rehefa tafatsangan-ko velona Kristy dia avy hatrany dia nandefa ny Fanahy Masina. Rehefa maty Kristy, dia natahotra ny mpianatra rehetra. Rehefa natahotra izy, dia inona no nanehoany an’izay fahatahorana izay? = nihidy aman-trano ny mpianatra satria natahotra ny jody.Fa tampotampoka teo dia indro Jesoa fa niseho teo afovoany.Tsy  vitan’ny hoe I Jesoa tafatsangan-ko velona, fa tena tsy voafatotra na inona na inona. Tsy nisy nahasakana azy na ny fasana, na ny varavarana nihidy, fa tafiditra foana I Jesoa. Ary mainka moa fa ny fon’ny olombelona, ny fontsika – tsy misy mahasakana an’I Jesoa.

Isika olombelona no afaka manaka an’I Jesoa tsy hiditra ao am-pontsika, fa I jesoa kosa dia tsy voafatotra n’inon’inona.

Tampotampoka teo I Jesoa dia tonga teo afovoan’ny mpianatra; ny teniny voalohany tamin’izany di any hoe : “Homba anareo anie ny Fiadanana” – ny fiadanana dia mandalo amin’ny hafaliana. Rehefa nandray an’I Jesoa ny mpianatra dia nahazo ny fiadanana, ary feno hafaliana izy ireo.

Ary arakany famaranana ny Evanjely teo, dia amin’ny farany I Jesoa no manome ny Fanahy Masina. Io ilay niraintsika tamin’ny hira fifonana teo: “Zovy no manana izay fahefana , hanala ny ota, hamaha izay mifatotra, afa-tsy ny fiangonana manontolo nomem-pahefana hamehy sy hamaha”.

Tao amin’ny Evanjely teo no nahitantsika an’izay. Io dia tsy hirahiraina fahatany, indraindray isika dia variana amin’ny feony, fa mbola maro no mihevitra sy manontany hoe “Ahoana no andehananay mikonfesy any amin’ny Pretra izay olombelona ihany?” Nefa izy mihira hoe “Zovy no manana izay fahefana , hanala ny ota, hamaha izay mifatotra, afa-tsy ny fiangonana manontolo nomem-pahefana hamehy sy hamaha”. Ilaina ilay hira hotanterahina eo amin’ny fiainana.

Fa io kosa anefa ny Fanahy izay nomen’I Jesoa rehefa handeha izy: Nitsoka izy: “Raiso ny fanahy Masina”. Ny fiaraha-monina ankehitriny dia malaina ny handray; raha zavatra hafa dia maikamaika ny mandray fa raha zavatra momba ny Fahasoavana dia malaina ny handray ny olona rehetra.

Rehefa izay ny notenenin’I Jesoa “Raiso ny Fanahy Masina, ny fahotana izay ho avelanareo dia ho voavela, ary izay ho tananareo dia ho voatana”.

Fa ao amin’ny Asan’ny Apotsôly no tena mitantara ny nidinan’ny Fanahy Masina tamin’ny apostôly. Dia mbola mitohy ihany ny zava-mitranga. Voalaza tao amin’ny Asan’ny Apostôly sy tamin’ny Evanjely teo fa nihidy tao amina trano iray ny mpianatra. Izay ilay eritreritry ny fiainantsika: MIHIDY. Misy zavatra tsy tiantsika hidirana, hidiran’ny olona, hidiran’ny hafa.Tsy afaka mifamezivezy fa ao an-trano ao, tahaka ireny ho e misy olona manao trano ka tsy asiana varavaran-kely fa dia varavarana iray fotsiny no hidirana ao.Dia heverina angamba fa olona adala no manao toy izay.

Eto izany izao dia mihidy ny trano, mihidy ao ny  mpianatra. Dia tahaka ihany koa fa misy ny fihetsiky ny Kristianina manambara izay mihidy izay. Fa ho hitantsika rehefa avy eo hoe ahoana izany hoe mihidy izany. Fa talohan’izay Jesoa nilaza ny fahatongavan’ny Fanahy Masina izay no nihidy ny varavaran’ireto mpianatra ireto, fa nony tonga I Jesoa dia novohàna ny varavarana. Ary io no nataon’ny Papa Jany Paoly faha-2, voalohany indrindra, rehefa tonga teo @ fiketrahana izy, diany nampiray ny fiangonana no zavatra nataony: nosokafany ny varavarankely. Mila misokatra, mila vohàna; ary io no tohizan’ny Papa François ankehitriny: manohy izay efa nataon’ny teo aloa, dia ny mandeha mivelatra sy misokatra mankany amin’ny hafa. Hitantsika tsara raha mijery fahitalavitra, fa mahavaky volana  an’izao tontolo izao ny zavatra nataony. Ny papa mihitsy no mandeha sy misokatra, any amin’ny fivavahana hafa.izay ilay ilaina. Fa ilay mihidy, mihidy ao anaty, ny olona tsy mbola nilatsahan’ny Fanahy Masina matoa mbola mihidy.

Tamin’ny vakiteny voalohany teo dia nihidy aman-trnoizy miaakavy (ny mpianatra), dia noho ilay tahotra – tahotra ny jody – tahotra ny hoe I jesoa izay tena narahany dia maty; ary ho avy ny jody hanenjika azy ireo avy eo.

Jesoa anefa dia efa nampanantena fa “handefa ho anareo ny Fanahy Mpankahery”.  Ttonga àry ny Pentekôty, izay 50 andro taorianan’ny nitsanganan’I Jesoa t@ maty. Raha tamin’ny nitsanganan’I jesoa ho velona hatramin’ny androany, dia manisa 50 andro isika.Ary ny pentekôty tsy hoe tamin’ny jesoa nitsangan-ko velona vao nisy, fa efa nisy hatrany amin’ny testamenta taloha.

50 andro taorinan’ny nitsangan’I Jesoa ho velona dia nidina nyFanahy Masina. Ny mpianatra anefa talohan’izay dia natahotra ary nihidy aman-trano. Hitantsika eto aloah’ny Otely eto, misy sarina lelafo maromaro – dia eto aorinan koa isika mahita sarina lelafo maromaro. Ireo sary ireo dia tandindon’ilay Fanahy Masina midina.

Rehefa nandray ny Fanahy Masina ny Apostôly, diany zavatra voalohany nataon’izy ireo dia ny niteny tamin’ny fiteny samy hafa.Eo indrindra no mila ahitsy ny fiheverana. Misy ny olona no manao hoe nidinan”ny Fanahy Masina dia miteny amin’ny teny tsy fantatra, fantaro nefa fa tsy mampiteniteny foana ny Fanahy Masina. Misy ny olona miteniteny foana, dia iny ny olona sasany fa milaza fa nidinan”ny fanahy masina tokoa ity rangahy ity.

Fa ny Fanahy Masina dia tsy mampiteniteny foana. Ny Fanahy Masina kosa dia mapiteny amin’ny fiteny samy hafa.

Tadidio ary ny fanazavana fa izay olona rehetra tonga tao Jerosalema tamin’io fotoana io dia nahazo ny vaovao mahafaly tamin’ny fiteniny daholo. Satria tao Jerosalema dia fiakarana rehefa tong any fetin’ny Pentekôty. Ka andro fiakarana – fahatongavan’ny olona ao amin’ny tanan-dehibeny Pentekôty = Fivahinianana Masina. Ny vahoaka jody izay efa samy niparitaka tany amin’ny firenena maro tany dia tsy maintsy ho tonga. Ary ireo olona avy amin’ny firenena samihafa ireo dia tsy mahay ny fiteny hebreo intsony, fa ny tenin’ireo firenena hipetrahany ireo no azony sy ampiasainy.

Amin’ny maha-jody, dia tsy maintsy mankany Jerosalema – dia gaga ny olona raha nandre ny vaovao mahafaly tamin’ny fiteniny avy, avy amin’ireto apostôly izay jody; tsy mba nianatra fiteny hafa, nefa dia nahay ny fitenin’ireo vahoaka tonga teo rehetra. Ary izay tonga tao dia nandre fa I Kesoa maty fa efa nitsangan-ko velona = izay ilay tena vaovao mahafaly. I Jesoa izay maty dia efa nitsangan-ko velona, ary vavolombelon’izany izahay, izay no nataon’ireo mpianatra ireo.

Rehefa nandray  ny Fanahy Masina ny Apostôly, dia novohàny ny varavarana ary lasa izy ireo nitory ny vaovao mahafaly. Ary izy ireo dia maty martiry daholo.Izy izay natahotra teo, dia lasa sahy nijoro ho vavolombelona ka maty martiry.

Dia rehefa jerena ny fihetsika nataontsika androany, dia mitovy tamin’ny natao tamin’ny heriny ihany. Fa tamin’ny heriny dia vazaha iray ihany no teo nitondra ny vaovao mahafaly, fa anio kosa dia niisa fito (7) izy ireo. Isaorana azy ireo manokana ny hoe rehefa angatahana izy dia vonona nanao an’izay fihetsika izay. Tsy mora ho azy ireo izany hoe ho eto amintsika hanao ireny fihetsika ireny. Fa mba ho fanambarana ny fomba nidiran’ny vaovao mahafaly teto amintsika izay dia nanaiky izy ireo.mampatsiaro antsika izany fa ny vaovao mahafay anie ka tsy tonga ho azy teto amintsika fa nisy an’ireo misionera vahiny, izay niditra teto amintsika tamin’ny fomba samihafa. Tsy nahay niteny Malagasy izy ireo, fa niezaka nantenana tany anaty fiaraha-monina tany niaraka niteny Malagasy.Ary raha jerentsika dia ireo vazaha ireo no nanao ny dikanteny (dictionnaire) voalohany. Dia niditra avy eon y fampianarana ary nitohy taty aoriana tamin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly. Izay no nataon’ireo misionera ireo.

Dia tamin’ny heriny hitantsika fa rehefa tong any lakana, rehefa voaray ny vaovao mahafaly dia niverina ny lakana namonjy niverina tany amin’ny toerana niaingàny. Fa androany dia novàna indray ilay endrika: tonga ny vaovao mahafaly, voaraintsika ny vaovao mahafaly, dia hitantsika fa nijanona eto anoloana ny lakana. Izany hoe, ny misionera dia olona vonona hatramin’ny farany hatramin’ny famoizana ny aina aza. Tsy niverina intsony ilay lakana, izany hoe: maro tamin’ny ireo misionera ireo no maty teto amintsika. Ary mbola maro amin’izy ireo no maniry ny hoe ho faty eto amin’ity tanindrazantsika ity. Ary efa nisy koa ny misionera teto amintsika no maty martiry, tahaka an’I Mopera Jacques Berthieu. Nijanona teto amintsika ireo misionera ireo: nampamokatra ny vaovao mahafaly.

Dia izay ilay fiangonana, izany ny nahaterahan’ny fiangonana dia ny andro pentekôty.

Rehefa nandray ny Fanahy Masina ny Apostoly dia novohàna ny varavarana izay nihidy, ary lasa izy ireo nandeha nitory izay vaovao mahafaly izay tany amin’ny firenena rehetra. Dia teraka ny Fiangonana, niparitaka ny vaovao mahafaly  –  ary tonga taty amintsika.

Dia hitantsika fa rehefa vita ny Evanjely teo, dia nihira indray ny ankizy: ato amiko ny Fanahy. Rehefa nandray ny vaovao mahafaly, Fanahy Masina, dia “ato amiko ny Fanahy izay manosotra ahy hitory vaovao mahafaly amin’ny malahaelo. Ny Fanahy Masina, io vaovao mahafaly izay raisintsika io; arak any hiran’ny tarika Ny Ainga “Tsy hamela anao hipetrapetraka ny Evanjely”, fa manosika anao hitory sy hizara izay rehetra efa azo. Izay nidikan’il ay hoe ato miako ny Fanahy nanosotra ahy hiteny soa mahafaly @ malahelo, hankahery izay torotoro fo.

Izay ihany koa no ataon’ny Fanahy Masina: maniraka antsika hitory ny Vaovao Mahafaly amin’ny malahelo.

Izahay raha mandeha manao io fitsidihana tokantrano io, dia mahita ny fiainantsika rehetra any anaty fiaraha-monina any. Misy ao ny olona izay tena miaina ao anaty fahoriana. Misy ary maro amintsika ny fianakaviana antonontonony.

Nirahina hitory ny Vaovao Mahafaly amin’ny malahelo.Tamin’ny Karemy dia nanentana isikany mba hizarana amin’ireo mahantra namantsika.Dia rehefa jerena ilay onitry ny Karemy, hatramin’izao aloha dia mahaketraka ihany ny hoe mba oahtrinona ny onitry ny karemy vitantsika ho fanampiantsika ny hafa???

Fa ho ezahantsika io amin’ny taona ho avy ha ahafantarana hoe nandray Vaovao Mahafaly marina isika – ka tena mandray ve? Sa tsy mazoto mizara?

Mandritra ny karemy ihany koa no nilazana tamintsika hoe izay zavatra tsy ilaintsika any an-trano any, dia ento ary ateo aty. Ary izay mahantra hitanay eny an-dalana eny dia izy ireny no hizarana azy.

Tany amin’ny toerana iray tany ivelany tany, rehefa niditra tao amin’ny tranon’ny Presbitera, dia nisy zavatra iray tena nanaitra ahy: misy lavarangana iray ary misy harona lehibe anankiray feno zavatra ao anatiny: ao ny sakafo, ao ny kilalao, ao ny akanjo fitafy. Dia nanontany azy aho hoe “Fa inona ity?Ataon’ny Mopera inona kilalao sns?”– ny valiny anefa dia tsotra: “Ireo dia fanomezan’ny olona homena ireo olona sahirana”. Dia izay no zaraina sy lazaina aminareo.

N’inon’inona zavatra avy any aminareo, ka azo zaraina, dia ento.Fa lazaiko aminareo, amin’izahay manao fitsidihana tokantrano, dia misy ireo zaza tsy mbola nilalao saribakoly hatramin’izay niainany, tsy mbola nanosika tômôbilina kely h@izay niainany.

Aza mihevitra mihitsy isika hoe atao inona koa ireto, fa alefaso, alefaso foana. Fa hiezaka isika hanangana.Eto aho dia sahy ny hilaza aminareo, rehefa nahita ny toe-java-nisy kanefa tsy mbola ny antsasaky ny tokantrano aza no voazaha, dia efa mametraka sahady ny zavatra tokony ho atao eto amin’ity fiaraha-monintsika ity: hiezaka isika HANANGANA NY ATAO HOE GROUPE DE CHARITE. Hiara-miasa isika @ireo mpiandraikitra ny Asa Sosialy.

Ary ireo zavatra tonta sy ela efa tsy miasa amintsika intsony, na kilalao, na inona na inona dia atero ahafahantsika manome hafaliana ny namantsika. Ary hitako fa ho lasa lavitra io fikambanana hitsangana io.

Mba tsy ho ariariana eny amin’ny zôridira ny zavatra ka lasa any indray ny olona no mandeha sy mitady, tsy aleontsika ve aty am-piangonana no mizara?

Izay ny Fiangonana izay. Santionany fotsiny izay, fa betsaka ny asa izay  tokony ho ataontsika. Ary izany no mampisaotra an’Andriamanitra, fan a dia vizana aza izahay manao ireny fitsidihana ireny dia mahafaly sy mahafinaritra ilay izy satria ahitana ny zava-misy iainana any anaty fiaraha-monina any.

Misy any olona malemy, ary haiko fa fotoana tsara androany hilazàko anareo an’ity: misy olona malemy any, tsy mba afaka ny mivoaka ny trano. Ny “Groupe de Charité” izany, na dia atao hoe maka “initiative” indray andro monja mitondra azy amin’ny fiara mandeha mitsangatsangana eny Ambatofotsy maka rivotra.Dia minoa ahy ianareo fa manome hafaliana ny olona tahaka an’izany. Izany ny Fiangonana, azo atao izany.

Tamin’ny toerana iray izay nandehanako ihany koa, andro Alatsinain’ny Paka, gaga aho raha tonga teny amoron-dranomasina fa be antitra marobe no mameno ny moron-dranomasina.Tsy mbola nahita ohatra izany aho hatramin’izay niainako.Izany “Groupe de Charité” izany, azo atao ihany koa anie ny mitondra ny be antitra sahirana rehetra eto amin’ny fiangonana maka rivodrivotra kely eny amoron-dranomasina mba homena hafaliana eo amin’ny fiainany. Izay ny tena Fiangonana.

Dia anentanana antsika mianakavy hoe izay ny fanamby.

Mandala ny Pentekôty ary isika, nahaterahan’ny Fiangonana: hiezaka isika ny hizara hafaliana amin’ireo sahirana manodidina antsika.

Resaka Facebook