Alahady Paka – 20/04/2014 – Toriteny

Tenin’Andriamanitra

Taminy andron’ny Sabata , vao mazava  ratsy ny andro voalohan’ny herinandro dia nandeha tany amin’ny fasana i Maria Madelenina sy Maria anankiray. Ary nisy horohoron-tany mafy sy Anjelin’ ny Tompo  nanakodia ny vato nanarona ny fasana ary nipetraka teo amboniny.

Izay no tantaran’ny nitsanganan’i Jesoa ho velona.

Io fitsanganan’I Jesoa ho velona io no fototry ny finoantsika, satria raha tsy nitsangan-ko velona I Jesoa tsy ho nisy ireo fety litorjika rehetra ankalazain’ny Fiangonana, toy ny Noely, Pantekoty sns. Izany fototry ny finoantsika izany no hijoroantsika ho vavolombelona eo amin’ny fiainana an-davanandro. Rehefa mitso-drano amin’ny famaranana ny Sorona Masina ny Pretra dia miteny hoe:  “hitantana ny dian-tsika I jesoaKristy”, ny valy asetrintsika izany dia ny hoe:  “Isaorana anie Andriamanitra”, rehefa izany dia lasa indray isika miatrika ny fiainantsika andavananadro. Koa rehefa mahazo izany tso-drano izany dia adidintsika ny mandeha mitory, mizara ny hafaliana ny amin’I Jesoa tafatsangan-ko velona. Fa tena tsapantsika tokoa ve moa ny halehiben’izany hafaliana amin’ny fitsanganan’I Jesoa ho velona izany, toy ny hafalian’ireto vehivavy roa sy ireo Mpianatra nahita an’I Jesoa velona indray.

Azontsika alaina sary an-tsaina, olona iray andrin’ny fianakaviana ao an-tokatrano, tratry ny aretina dia maty, mitomany ny mpianakavy,malahelo ny mpiara-monina,malahelo ny Havana aman-tsakaiza rehetra dia mahavatra miari-tory mandramaraina miandry faty, nefa tampotampoka  teo  indro fa mihiratra, velona, mitsangana indray dia manakory ny hafaliantsika? Fa mihoatra lavitra no izay ny hafalian’ireo mpianatra satria nitsagan-ko velona ny Tompo izay narahina

Ny tsy maintsy ataontsika dia ny mitory an’I Kristy nitsagan-ko velona, mizara izay hafaliana izay, mizara izany fanantenana izany amin’ny olona, mijoro ho vavolombelona ny Kristy tafatsanga-ko velona amin’ny tenantsika, izay ny fitoriana ny vaovao  mahafaly ataontsika. Ny fiainantsika andavan’andro io, ny asantsika, ny tenintsika, ny fihetsika, ireny rehetra  ireny  no akon’ny Kristy tafatsanga-ko velona.

Nisy asa nasaina ho dinihantsika tamin’ny herinandro mikasika ilay toerana hoe “Galilea”, inona no tian’I Jesoa hampitaina amin’ireo Mpianany raha nanafatra azy ireo Izy nanao hoe “ rehefa tafatsanga-ko velona aho dia hialoha lalana anareo any Galilea”. Nahoana no hoe any Galelia ny rendez-vous? Ny antony dia noho I Galelia toerana  niantsoan’I Jesoa ny mpianany roa ambin’ny folo lahy!

Rehefa  nantsoin’I Jesoa ireo mpianany ireo dia tsy nisaraka tamin’ny na maraina, na atoandro na alina, nandre  ny fampianarana rehetra, nahita ny fahagagana nataony.

Rehefa tonga anefa ny fotoana sarotra teo amin’ny fiainan’I Jesoa, indrindra tamin’ny nisamborana Azy tao amin’ny Tanimbolinb’I Oliva, dia vaky nandositra ny Mpianatra, nandao Azy. Nisy tamin’ireo Mpianany aza no nahavita namadika Azy, ary ry I Piera izay efa nilokaloka fa tsy handao an’I Jesoa aza, na dia efa nilazan’I Jesoa fa hamadika Azy, dia nandà Azy intelo.

Fantatr’I Jesoa tsara izay fahalemen’ny mpianatra izay, ka rehefa nitsaganka-ko velona Izy, ka niseho tamin’ireto vehivavy masina roa dia naniraka azy ireo haingana hilaza izany vaovao mahafaly izany amin’ireo Mpianany ireo: “Aza matahotra, fa mandehana asaovy mankany Galilea ny rahalahiko, fa any no hahitany Ahy”

Ny antony nanirahany ireo mpianany ho any Galilea izany dia hanehoany fa mamindra fo amin’izy ireo Izy. Tiany ny hanavao indray ny fiantsoana azy ireo, namerina indray ny fitokisany tamin’ireo Mpianany Izy. Koa na dia nandao sy nanda Azy aza izy ireo, dia namindra fo, ary nanankinany andraikitra vaovao, dia ny hijoro ho vavolombelon’I Jesoa Kristy tafatsangan-ko velona

Ny Paka ho antsika ihany koa dia fanehoana izay famindram-pon’Andriamanitra amintsika izay, tsy miafina amin’I Jesoa ny halementsika sy ny fivadihantsika matetika aminy. Nandritra ny 40 andro tamin’ny karemy isika niezaka nidy mafy tamin’ny fahotana sy ny kilema, noho izany dia rariny raha miaraka amin’ny Kristy tafatsangan-ko velona sady faly.

Farany misy tantara kely iray: raim-pianakaviana masika loatra sy manao teny maharary ka mampiferinainy ny vady aman-janany isan’andro, ary fanampin’izany koa dia loza raha hisotro toaka. Ny alahady taorian’ny alarobian’ny lavenona, rehefa nandre ny fampianaran’ny Pretra momba ny ady amin’ny fahotana sy fampirisihana hiova toetra dia nanapa-kevitra ity raim-pianakaviana fa hiova marina tokoa, ka nampiantso ny mpianakavy ny hariva ary nilaza izany faniriany izany. Ny ampitso dia nihady lavaka izy, ary nanototra izany avy eo, nasiany dongon-tany ahitana fa fasana io ary nasiany hazofijaliana teo amboniny sy nasiany soratra hoe: “il est mort” na  “maty izy”. Gaga ny tao an-trano ka nametraka fanontaniana taminy ny anton’io zavatra hafahafa nataony io. Ka novaliany fa ireo toetra ratsy rehetra nampijaly ny vady aman-janany no naleviny tao amin’I fasana io. Taorian’izany tokoa dia nilamina tsara any fiain’ity fianakaviana. Ilay fijaliana sy tebiteby rehefa hiditra ny trano, dia nanjary lasa hafaliana lehibe, dia nahatsiaro fahasambarana ny tao an-trano rehetra ary dia samy nisaotra an’Andriamanitra. Rehefa tapitra ary ny herin’andro faharoa dia nanomboka niha hafahafa rangahy, niha niova tsikelikely ny tarehiny, dia toy izany koa ny fiteniny, ary farany dia niverina indray ilay toetra ratsy teo aloha izay nampihorohoro ny tao an-trano, ary vao mainka aza loza noho ny teo aloha. Rehefa izany dia nandeha teny amin’ilay fasana ny laimatoa, nalainy ny lakroa teo ambony fasana natsongoliny ary nasiany soratra hoe “il est ressuscité”, na hoe “nitsangan-ko velona indray izy”. Tezitra rangahy raha nahita ity natan-janany ka nanontany ny antony, namely ilay zanany hoe: “ireo toetra ratsy nalevinao no indro niverina indray, ka izay no nahatonga anay nanoratra an’io”. Toy izany koa isika e, tsy miafina amin’I Jesoa ny halementsika, fantatr’I Jesoa ny kilemantsika tsirairay avy, fa antsoin’I Jesoa isan’andro isika, manavao ny fitiavany antsika sy ny fitokisany antsika Izy. Isaky alahady mandeha any am-piangonana isika, dia toy ny  mankany  Galilea, mitondra ny kilemantsika sy  ny fahalementsika eo amin’I Jesoa tafatsangan-ko velona. Koa tsy ho an’ny olo-marina ihany ny Fiangonana fa ho antsika mahatsiaro tena ho mpanota indrindra.

Ny Père Curé RANDRIANJATOVO Jacques Léonce.

Resaka Facebook