Alahady Paka – 05/04/2015 – Toriteny

     Efa hatry ny alina isika no niaina izany fety fankalazana ny Paka izany, mbola hitantsika eto moa ny fasana nanehoana izay fitsanganan’i Jesoa ho velona izay. Mety misy zavatra maro ao an-tsaintsika raha miteny hoe Paka, amin’ny ankapobeny dia i Jesoa mitsangan-ko velona no eritreretintsika. Fa ny tena Paka dia efa nisy taloha tany amin’ny Arivo taona nialoha an’i Jesoa tamin’ny fivoahana ny fanandevozana tao Ejipta. Rehefa nandevozina taona maromaro tany Ejipta ny zanak’Israely dia nafahan’Andriamanitra tamin’ny andro alina, izay no antony ankalazan’ny Fiangonana ny alin’ny Paka. Ho valim-pitia ataon’ny olombelona tamin’ny niarovan’Andriamanitra ny zanak’Israely tamin’ny andro alina, ka ny atao hoa Paka dia fialàna, fialàna tamin’ny fiainana teo aloha, tamin’ny fanandevozana, ary Andriamanitra nanome didy tamin’ny vahoakan’Israely nanao hoe “hotsarovanareo ary hankalazainareo mandrakizay izao zavatra natao anareo izao”, dia tsy inona io fa ilay fanavotana.

    Dia mifanindry amin’io i Jesoa niakatra ho any Jerosalema satria isan’ny fety ankalazain’ny Jody ny Paka, tahak’izay koa ny Pantekôty, satria hoy ny Jody niresaka hoe: ahoana ny hevitrareo, dia tsy ho avy hamonjy ny Paka ve izy? Ary amin’io fotoana io no hisamborantsika azy. Ka tamin’ny fotoana fanakalazana ny Paka mihintsy i Jesoa no niakatra tao Jerosalema, ary tao izy no nanomboka nosamborin’ny olona fa tsy azon’ny olona, dia ny farany moa dia izy mihintsy no nitolo-batana tamin’ny nanorohan’i Jodasy azy. Ka tao anatin’ny fanakalazana ny vanim-potoanan’ny Pakan’ny Jody no nitsanganan’i Jesoa ho velona ihany koa, ka adinontsika io fa ny Paka dia efa nisy taona maro talohan’i Jesoa. Ary ankalazaina isan-taona dia nifanindry tamin’io ny Pakan’i Jesoa dia ny nitsanganany ho velona. Ho an’ny Jody ny Paka dia fialàna tamin’ny fanandevozana hidirana amin’ny fahafahana, izay ihany koa no antony hankalazana ny batemy amin’ny sasak’alin’ny Paka, izay no antony hanamasinana ny ranon’ny Paka amin’io sasak’alina io. Ny batemy dia manila antsika amin’ny fanandevozan’ny fahotana, manala antsika amin’ny toetra teo aloha hitafy fiainam-baovao; izay ilay hoa fialàna na Paka. Dia nandritra ny vanim-potoanan’ny karemy isika, efa-polo andro sy efa-polo alina niaraka tamin’i Jesoa tany an’efitra, niezaka isika niady niala tamin’ny fahotana, nanao ny sakramentan’ny fampihavanana, niala tamin’ny fahazaran-dratsy. Inoana fa samy nanao fikasana tsara isika nandritra ny vanim-potoanan’ny karemy hiomanana, ary ny vanim-potoanan’ny Paka no misy fiomanana lehibe indrindra satria ny Paka no fety voalohany sy lehibe indrindra ato amin’ny Fiangonana.

    Raha tsy nitsangan-ko velona I Kristy dia tsy nisy izany Noely izany, tsy nisy ny fety rehetra raha tsy nitsangan-ko velona i Kristy. Nitsangan-ko velona izy vao azon’ny mpianatra ilay teniny manao hoe” hovonoina izy ary hitsangana afaka hateloana” , efa nitsangana izy vao niverina ny sain’ny mpianatra hoe izao ilay efa noteneniny. Ka nandritra ny fotoanan’ny karemy isika no nanana efa-polo andro tsara hiomanana, ary nazavaina tamintsika fa araka ny Soratra Masina ny efa-polo andro na efa-polo taona dia ampy tsara hiomanana amin’ny vanim-potoana iray lehibe izay ankalazaina. Izay ny efa-polo andro fa ny efa-polo taona kosa dia ilazana fotoana feno amin’ny fiomanana ka samy nizaka isika nandritra izay fotoana izay niady tamin’ny kilemantsika ka rehefa tonga ny Paka dia afaka mandresy mihira Aleloia miaraka amin’i Jesoa tafatsangan-ko velona satria tafatsangan-ko velona mitafy hery vaovao sy fiainam-baovao isika. Dia nolazaina teto tamin’ny eri-taona ny tantara iray hoe nitsangan-ko velona: nandritra ny karemy ny raim-pianakaviana iray masiaka ao an-tokatrano namory ny fianakaviany ary niaiky nanao hoe; fantatro fa mijaly loatra ianareo amin’ny toetrako ka manomboka androany dia asehoko anareo fa tena hibebaka aho ary hialàko izay toetra tsy mety nahazatra ahy hatramin’izay fa hiova aho. Dia nandeha ny fotoana ka dila ny Paka dia hita niova tokoa ilay raim-pianakaviana ary lasa nahafinaritra ny fiainana tao an-tokantrano, afaka nifampiresaka tsara ny mpianakavy. Fa herinandro roa taorian’ny Paka dia tsy voatana intsony ny toetra, nataon’ilay rangahy ho fialàna amin’ny toetrany moa dia nanao fasana kely izy dia nasiany Lakroa misy soratra hoe”maty izy” midika fa maty ilay toetra ratsiny hatramin’izay. Fa rehefa taty aoriana dia niverina ilay toetra ratsiny, dia nalain’ny zanany ilay Lakroa ka nafototr’izy ireo dia nosoloiny ilay soratra ka nantaon’izy ireo hoe “nitsangan-ko velona izy”izany hoe nitsangan-ko velona , niverina ilay toetra ratsy izay efa niadiana nandritra ny fotoanan’ny karemy. Ny fotoanan’ny karemy dia tsy hoe mandritra ny karemy ihany isika no miady sy miala amin’ny fahazarana fa rehafa velona i Kristy dia isika koa mitafy hery sy toetra vaovao. Ka ny Evanjely telo re-tsika teo dia maneho an’izay Kristy tafatsangan-ko velona izay. Rehefa nitsabgan-ko velona i Kristy araka an’I Md Paoly dia ny zavatra any ambony ao amin’izay misy an’i Kristy no katsaho fa aza  ny zavatry ny tany. Ny zavatry ny tany dia mamitaka ny maso raha jerena, fa i Kristy no tokony hobanjinintsika. Izany no anentanan’ny Evanjely antsika androany, izay ilay inoantsika hoe nitsangan-ko velona marina i Kristy. Tsy ilay toetra ratsintsika no miverina, mitaky fiainam-baovao ho antsika tsirairay izany. Raha iverenantsika ny Evanjely teo dia vehivavy no tonga voalohany tany amin’ny fasana, i Marie-Madeleine. Nihazakazaka nakany amin’i Piera izy rehefa nahita ny fasana nisikatra, ny tao an-tsainy dia hoe nalain’ny olona ny Tompo na nisy nangalatra ny faty. Izay no takatry ny sainy, naheno an’izay I Piera sy Joany dia nihazakazaka ihany koa nakany amin’ny fasana. I Joany no tonga taloha tany satria izy mbola tanora fa i Piera efa zokiny dia tsy naharaka azy, fa Joany na tonga aloha teo amin’ny fasana aza dia tsy niditra fa nitsirika fotsiny niandry an’i Piera. Dia inona no dikan’ity hazakazaka lava ity? Eo amin’ny fiainana, ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly dia mila hazakazaka, mila manam-pitiavana, mila manam-pinoana fa tsy mitaredretra. Hitantsika teo fa vao maraina dia vehivavy no mihazakazaka nankany amin’i Jesoa, dia ezaka tokony ataontsika vao maraina mihazakazaka mamonjy Sorona Masina. Rehefa ao ny finoana, ao ny fitiavana dia mihazakazaka makaty am-piangonana, izany no anentanana antsika fa raha tara isika miditra aty am-piangonana dia ohatra izay koa ny fiainantsika, mety ho tara koa isika miditra any indray andro any. Toy ny nataon’ny mpianatra, mihazakazaka raha vao nahare hoe nitsangan-ko velona i Jesoa Kristy, hazakazaka hatraiza hatraiza. Misy amintsika mihazakazaka manenjika zavatra maro ka mahavita izany noho izay fitiavana sy finoana izay. Nitsangan-ko velona i Kristy ho antsika, manentana antsika indray izay, manome hery vaovao ho antsika entintsika miatrika indray ny taom-pikatrohana manaraka. Koa hanao tahaka an’i Md Joany isika, nahita izy ka nino, io no fototry ny finoantsika dia i Kristy tafatsangan-ko velona. Koa Paka ny andro, misy fientanana vaovao ao anatintsika ao, hatry ny omaly isika nankalaza ny fety ary androany tontolo mbola mitohy izay fankalazana izay. Dia enga anie ihamafy hatrany izay finoantsika izay hanorina an’i Kristy tafatsangan-ko velona.

Resaka Facebook