Alahady fahatelo Karemy – 23/03/2014 – Tenin’Andriamanitra

Vakiteny voalohany: Boky Eksaody (Eks 17, 3- 7) 

 » Omeo rano izahay hosotroinay « 

Tamin’izany andro izany dia main’ny hetaheta ka nimonomonona tamin’i Môizy nanao hoe: « Ahoana no nampiakaranao anay hiala tany Ejipta, hahafatin’ny hetaheta anay sy ny zanakay mbamin’ny bibinay? » Dia nitaraina tamin’ny Tompo i Môizy nanao hoe: « Inona no hataoko ho an’ity vahoaka ity, fa kely foana sisa tsy hitorahany vato ahy? » Ary hoy ny Tompo tamin’i Môizy: « Mialohà ny vahoaka ka ento hiaraka aminao ny loholon’i Israely, ataovy an-tànanao koa ny tehinao nikapohanao ny ony, dia mandehana. Fa indro Aho hitsangana eo anoloanao ao amin’ilay vatolampy izay any Hôreba; hikapoka ny vatolampy ianao, dia hivoaka rano ary hisotro ny vahoaka ». Nataon’i Môizy teo anatrehan’ny loholon’i Israely izany, ary nomeny anarana hoe: Masah sy Meribah io fitoerana io, fa nila akisa ny zanak’i Israely, sy naka fanahy ny Tompo nanao hoe: « Eto afovoantsika ve ny Tompo sa tsia? »

Vakiteny faha-2: Taratasin’i Md Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma ( Rôm 5, 1-2. 5-8 )

 » Efa voarotsaka ao am-pontsika tamin’ny Fanahy Masina nomena antsika ny fitiavana « 

Ry kristianina havana, efa nohamarinina noho ny finoana isika, ka mihavana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika, izay ahazoantsika manatona amim-pinoana izao fahasoavana itoerantsika tsara izao, sy mifaly amim-panantenana ny voninahitr’Andriamanitra. Ary ny fanantenana tsy mba manodoka, satria efa voarotsaka ao am-pontsika tamin’ny Fanahy Masina nomena antsika ny fitiavan’Andriamanitra. Fa fony mbola tsy nanan-kery isika, dia maty tamin’ny fotoana voatendry i Kristy mba hamonjy ny ratsy fanahy. Saika tsy misy manaiky ho faty hamonjy ny olo-marina; ary angamba hisy ihany sahy maty hamonjy ny manao soa. Fa izao kosa no nanehoan’Andriamanitra ny fitiavany antsika: fony mbola mpanota isika no maty hamonjy antsika i Kristy.

Evanjelin’i Jesoa Kristy nosoratan’i Md Joany (Jo 4, 5- 42) 

 » Ny rano izay omeko dia ho tonga loharano miboiboika hatrany amin’ny fiainana mandrakizay « 

Tamin’izany andro izany, i Jesoa tonga tany amin’ny tanànan’i Samaria anankiray atao hoe Sikara, akaikin’ny saha nomen’i Jakôba an’i Jôsefa zanany; teo no nisy ny fantsakan’i Jakôba. Ary sasatry ny dia nalehany i Jesoa ka nipetraka tsotra izao teo amoron’ny fantsakana, tokony ho tamin’ny ora fahenina.
Dia inty nisy vehivavy Samaritanina anankiray tonga teo hantsaka rano, ka hoy i Jesoa taminy: « Mba omeo kely Aho hosotroiko », fa lasa nankany an-tanàna hividy hanina ny mpianany. Dia hoy ilay vehivavy Samaritanina taminy: « Nahoana ianao Jody ka no mangataka rano hosotroina amiko, nefa aho vehivavy Samaritanina? » (Fa tsy mifankahay moa ny Jody sy ny Samaritanina). Namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: « Raha fantatrao manko ny fanomezan’Andriamanitra sy izay milaza aminao hoe: Mba omeo kely aho hosotroiko, dia ianao indray aza no ho nangataka taminy, ka homeny rano velona ». Hoy ravehivavy taminy: « Ianao, Tompoko, tsy manan-kanovozana, ary ny fantsakana lalina; ka aiza ange no hahazoanao izany rano velona izany? Ianao angaha lehibe noho i Jakôba razantsika, izay nahazoanay ity fantsakana ity sy nisotro teto na ny tenany, na ny zanany mbamin’ny bibiny? » Dia hoy i Jesoa namaly azy: « Izay rehetra misotro amin’ity rano ity mbola hangetaheta ihany; fa izay hisotro amin’ny rano homeko azy no tsy hangetaheta mandrakizay, satria ny rano homeko azy, dia ho tonga loharano miboiboika ao anatiny hatrany amin’ny fiainana mandrakizay ». Ka hoy ravehivavy taminy: « Omeo amin’izany rano izany re aho, Tompoko, mba tsy hangetaheta intsony, dia tsy hankaty hantsaka koa.
Fa hoy i Jesoa taminy: « Mandehana miantsoa ny vadinao, ka mankanesa atý ». « Tsy manam-bady aho », hoy ravehivavy. Dia hoy i Jesoa taminy: « Marina ny filazanao hoe: tsy manam-bady aho; fa efa nanam-bady in-dimy ianao, ary tsy vadinao ilay itoeranao ankehitriny, ka marina ny voalazanao ». Dia hoy ravehivavy taminy: « Tompoko, hitako fa Mpaminany Ianao. Ny razanay nivavaka teo amin’io tendrombohitra io, ary ianareo kosa milaza fa any Jerosalema no tsy maintsy ivavahana ». Ary hoy i Jesoa taminy: « Ravehivavy, minoa ahy, fa tonga ny andro, ka tsy amin’io tendrombohitra io na any Jerosalema aza no hivavahanareo amin’ny Ray. Ianareo mivavaka amin’izay tsy fantatrareo, fa izahay no mivavaka amin’izay fantatray, satria avy amin’ny Jody ny famonjena. Fa ho avy ny andro, ary efa tonga sahady aza, izay hivavahan’ny mpivavaka marina amin’ny Ray amin’ny fanahy sy fahamarinana, fa ny mpivavaka aminy toy izany no tadiavin’ny Ray. Andriamanitra dia fanahy, ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy fahamarinana ». Dia namaly ravehivavy ka nanao taminy hoe: « Fantatro fa avy ny Mesia (izay atao hoe Kristy); fa rehefa tonga Izy, dia hanambara amintsika ny zavatra rehetra ». Hoy i Jesoa taminy: « Izaho izay miresaka aminao izao no izy ».
Tamin’izay dia tonga ny mpianany ka gaga, satria vehivavy no niresahany; nefa tsy nisy nanao hoe: « Inona no tadiavinao? » na: « Ahoana no iresahanao aminy? » Ravehivavy kosa tamin’izay dia nandao ny sininy ka lasa nankany an-tanàna nilaza tamin’ny olona hoe: « Andeha ianareo hizaha izao Lehilahy izao, fa nolazainy tamiko avokoa ny nataoko rehetra; ka izao angaha no Kristy? » Dia nivoaka avy tao an-tanàna ny olona hanatona an’i Jesoa. Mbola tsy tonga ny olona dia nanasa azy ny mpianany nanao hoe: « Hano, Raby ô ». Fa hoy Izy taminy: « Izaho manan-kanin-kohanina izay tsy fantatrareo ». Dia nifampilaza ny mpianany hoe: « Nisy olona nanati-javatra hohaniny angaha? » Fa hoy i Jesoa tamin’izy ireo: « Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’izay naniraka Ahy, sy ny manatanteraka ny asany. Moa tsy lazainareo fa mbola efa-bolana ny taom-pijinjana? Kanefa lazaiko aminareo: Atopazy ny masonareo, ka tazano ny eny an-tsaha, fa efa manopy mena sahady ny vary ka efa ho fijinja. Izay mijinja dia mandray karama, ary mamory vokatra ho an’ny fiainana mandrakizay, mba hiara-mifaly ny mpamafy sy ny mpijinja. Fa amin’ity marina ilay ohabolana hoe: Hafa no mamafy, hafa no mijinja. Nirahiko hijinja amin’izay tsy nasainareo ianareo, fa olon-kafa no niasa, ka ianareo no nanohy ny asany ».
Maro ny Samaritanina tamin’izany tanàna izany no nino Azy, noho ny tenin-dravehivavy nanao hoe: « Nolazainy tamiko avokoa ny nataoko rehetra ». Fa nony tonga teo aminy ny Samaritanina, dia nangataka Azy hitoetra tao aminy, ary nitoetra tao indroa andro Izy. Ka vao mainka maro aza no nino Azy noho ny teny nataony, sy nanao tamin-dravehivavy hoe: « Tsy noho ny filazanao intsony no inoanay fa ny tenanay izao no nandre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy ny olona »

 Toriteny

Resaka Facebook