Alahady fahatelo Karemy – 23/03/2014 – Toriteny

Tenin’Andriamanitra

Ny rano : entina hilazàna an’Andriamanitra sy ny Fanahy Masina

Betsaka ny resaka momba ny rano henontsika ao amin’ny Soratra Masina, fa santionany ihany ireto.

  • Md Joany miresaka ny rano novàna ho divay nandritra ny mariazy tany Kanàna
  • Md Joany miresaka ny rano manasitrana ireo marary izay mitsoboka ao farihin’ny Betesda.
  • Jesoa niteny tamin’I Nikôdema indray andro: “Tsy maintsy hateraka amin’ny rano sy ny Fanahy indray ny olona”.
  • Md Joany mitantara ilay rano nivoaka tamin’ny lanivoan’I Jesoa tamin’izy niala aina teo ambony hazofijaliana ka notrobaran’ny miaramila lefona: rano sy rà nivoaka tao.

Tao amin’ny vakiteny voalohany no ahitantsika ny tantaran’ny zanak’Israely tany an’efitra (tany maina tsy misy rano). Nimenomenona tamin’I Moïzy izy ireo “Nahoana izahay no entinao aty amin’ny tany efitra mba ho faty? Mangetaheta izahay, na ny zanakay na ny bibinay!”

=> Nokapohin’I Moizy tamin’ny tehina ny vatolampy tao (Massà sy Meribà) mba hamoaka rano, ka niboiboika avy ao ny rano.

Ny Evanjely kosa dia mitantara an’ilay vehivavy Samaritanina miresaka amin’I Jesoa.

Avy lavitra I Jesoa niaraka tamin’ny mpianany, reraka sy noana ary mangetaheta. Tamin’ny ora faha-enina (mitatao vovonana), tonga teo amin’ny fatsakàna Izy sy ny mpianany – ka naniraka azy ireo handeha hitady sakafo any an-tanàna, fa Izy kosa nipetraka niakina tamin’ilay fatsakana (mangetaheta Izy). Amin’ny 12 ora atoandro, indro misy vehivavy iray samaritanina tonga mitondra siny handeha hatsaka.

Tsara ho fantatsika ity: KOLO-TSAINA JODY:

  1. Ny fotoana fatsakana any an-dohasaha dia mazàna eo amin’ny 4 ora hariva eo. Ny vehivavy no mandeha matsaka.

Ny lehilahy kosa raha te hitady vady dia any am-patsakana izy no manao izany, manodidina ny amin’ny 4 ora hariva – satria amin’io ora io ny vehivavy no mandeha matsaka.

  1. Tsy mahazo mifampiresaka eny imasom-bahoaka ny lehilahy sy ny vehivavy, fady izany.

Ity vehivavy samaritanina kosa, @ 12ora atoandro no mandeha matsaka è midika izany fa olona manana olana eo amin’ny fiaraha-monina izy, matoa tsy amin’ny ora mahazatra ny olona mandeha matsaka rano.

Tsara ho fantatra: TANTARAN’NY JODY SY NY SAMARITANINA:

Samy taranak’I Jakoba na ny Jody na ny Samaritanina, saingy noho ny antony ara-tantara dia nifandrafy efa ho 800 taona mialoha an’izao tantara resahana eto izao. Ary ny Jody aza moa dia mandrora amin’ny tany reha mifanena amin’ny Samaritanina.

Ny zavatra nitranga anefa dia izao: I Jesoa jody, ilay vehivavy kosa samaritanina. Avy hatrany dia namaky resaka I Jesoa: “Mba omeo kely aho hosotroiko”. Taitra tamin’izany ilay vehivavy ka namely hoe: “Nahoana ianao jody no mangataka rano hosotroina amiko, nefa izaho vehivavy samaritanina?”. Zava-pady telo ao anaty fiaraha-monina no nodikain’I Jesoa eto:

  1. Fifampiresahan’ny lehilahy sy vehivavy.
  2. Ara-pirazanana; tsy mahazo mifanerasera ny Jody sy ny samaritanina è Nazeran’I Jesoa ilay rindrina nampisaraka ny jody sy ny samaritanina. (“Nahoana ianao jody no mangataka rano hosotroina amiko, nefa izaho vehivavy samaritanina?”)
  3. Ara-pivavahana; heverin’ny Jody ho mpanompo sampy ny Samaritanina, ka tsy azo ifandraisana.

I Jesoa kosa namaly : ”Raha fantatrao manko ny fanomezan’Andriamanitra sy izay milaza aminao hoe; mba omeo kely aho hosotroiko, dia ianao indray aza no ho nangataka taminy, ka homeny rano velona”.

Gaga avy hatrany ilay ramatoa satria I Jesoa sady tsy manana fanovozana ary ny fatsakana lalina, ka amin’ny fomba ahoana no ahafahany maka rano ao amin’ny fatsakana: “Ianao angaha lehibe noho I Jakoba RAZANTSIKA?” (samy taranak’I Jakoba na ny samaritanina na ny jody)

Tohizan’I Jesoa ny resaka: “izay rehetra misotro amin’ity rano ity dia mbola hangetaheta, fa izay rehetra misotro amin’ny rano izay omeko azy kosa dia tsy hangetaheta mandrakizay”.

Ny ao amin’ny Soratra Masina, izay rehetra miteny hoe RANO, dia manambara an’Andriamanitra.

Eto izany I Jesoa dia mampiditra tsikelikely an’ilay vehivavy any amin’ny misterin’Andriamanitra. Gaga ilay ramatoa ka nilaza hoe : “Omeo amin’izany rano izany re aho, Tompoko, mba ysy hangetaheta intsony, dia tsy hankaty hatsaka koa”.

=> Navadik’I Jesoa tanteraka izany ny resaka eto, izay mampiditra amin’ny fototry ny olan’ity ramatoa ity satria efa voalaza etsy ambony fa manana olana ity olona ity matoa matsaka amin’ny mitatao vovonana fa tsy amin’ny hariva miaraka amin’ny daholobe).

“Mandehana miantsoa ny vadinao”. Inona moa no ifandraisan’ny resaka matsaka amin’ny resaka vadin-dramatoa any antrano? Ilay vehivavy kosa nilaza fa tsy manambady. Dia I Jesoa namaly hoe “Marina ny filazanao hoe; tsy manambady ianao, ary tsy vadinao ilay itoeranao ankehitriny, fa efa nanambady indimy ianao, ary tsy vadinao ilay itoeranao ankehitriny” . Talanjona fotsiny ilay ramatoa ary taitra, satria nolazain’I Jesoa taminy ny fiainany izay tsy misy mahalala. Tonga saina izy ka nilaza hoe : “Hitako amin’izao fa mpaminany Ianao”.

Hitantsika arak’izany fa nisy sakana goavana teo amin’ilay ramatoa Samaritanina raha vao nahita an’I Jesoa izy, rindrina izay najoron’ny fiaraha-monina, fa tsikelikely nnandroso hatrany ny fahalalan’ity vehivavy an’I Jesoa, ka nino izy fa mpaminany I Jesoa, ary vao maika lalina kokoa aza satria nino izy fa I Jesoa no “Mesia”.

Rehefa izay, dia lasa ilay ramatoa niverina tany an-trano (satria tonga ny mpianatra nirahin’I Jesoa avy niantsena – taitra izy ireo nahita an’I Jesoa niresaka tamian’ny vehivavy izay samaritanina).

Ilay ramatoa kosa, hatsàka no anton-diany, nefa toa adinony izany, fa lasa izy nandeha  nakany an-tanàna nilaza tamin’ny mpiara-monina “Andeha ianareo hizaha izao lehilahy izao, fa nolazainy tamiko avokoa ny nataoko rehetra; ka izao angaha no Kristy”. Nandre izany ny tao an-tananan’I Samaria dia nirodorodo nitady an’I Jesoa, ary nangataka Azy hitoetra teo amin’izy ireo, trangan-javatra tsy fahita hatr’izay izany neken’I Jesoa ity fangatahana ity, ka nitoetra roa andro teo amin’izy ireo izy, ka nahavaky vava ny olona hoe; “Tsy noho ny filazanao intsony (ilay ramatoa io) no inoanay fa ny tenanay no nandre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy ny olona”.

LESONA:

Amin’izao no vanim-potoanan’ny Karemy iomanantsika amin’ny Paka izao, dia miresaka momba ny rano isika satria  ho avy ny Batemy ny alin’ny Paka. Koa manomana ny saintsika ho amin’izany ny vakiteny ny alahady faha-telo amin’ny karemy.

Ny RANO hoy isika dia entina hilazàna an’ANDRIAMANITRA. Amin’ny alin’ny Paka dia fizarana fahatelo amin’ny litorjia ny fankalazana an’I Kristy Rano Velona, amin’izany dia entina avy any aoriana ho eny amin’ny otely masina ny rano, hohamasinina ary entina hanaovana batemy ireo mpiomana amion’izany. Mialoha io fotoanan’ny batemy io anefa dia misy dingana telo tsy maintsy natao. Misy antony ara-tsoratra masina izany, ka santionany amin’izany ny dingam-pinoana nolalovan’ilay vehivavy samaritanina, izay efa nohazavaina teo aloha, niainga amin’ny fanilihana an’I Jesoa ka tonga hatrany amin’ny fiaikena Azy ho “Mesia”. Rehefa tonga teo amin’ny finoana an’I Jesoa ravehivavy dia nanjary lasa misionera nitory an’I Jesoa tao an-tanàna, nitory vaovao mahafaly.

Ny ankabetsahantsika ireto dia samy efa nandray ny Sakramentan’ny Batemy. (ity ramatoa ity dia efa nahazo ilay ranovelona avy amin’I Jesoa, ilay ranovelona kosa dia ilay finoana fa I Jesoa dia Andriamanitra. Andriamanitra (RANO) mamelona sy manome aina.

Koa rahefa nandray an’Andriamanitra isika, tamin’ny alalan’ny Sakramentan’ny Batemy noraisintsika, dia tokony hanao toy ilay vehivavy samaritanina nandeha nitory tany an-tanàna. Io no mahatonga antsika misisika mihazakazaka mandeha mivavaka rehefa alahady, noho io ranovelona ao anatintsika io, izay manosika hitady an’Andriamanitra. Io ranovelona io dia mitarika antsika handeha hitory an’I Jesoa – maniraka antsika handeha hiasa.

Mamarana ny Sorana Masina ny fanirahana ataon’ny Pretra; “hitantanana ny diantsika anie I Kristy”, iraka ho tanterahin’ny vita batemy rehetra hijoro ho vavolombelona sy hitory an’I Kristy amin’ny olona rehetra.

Toa an’ilay vehivavy samaritanina izay nahatarika olona marobe hanantona an’I Jesoa, samia ISIKA MANONTANY TENA HOE: OLONA FIRY NO EFA VOATARIKAO HIDITRA na HIVERINA INDRAY ATY AM-PIANGONANA?

=> Nataotsika inona ilay fahasoavana noraisintsika tamin’ny Batemy? Haintsika ve ny mitrandraka ny herin’ilay Andriamanitra ao amintsika?

Misy olona akaiky antsika tsy voatarika mihitsy handeha hivavaka sy hanantona an’Andriamanitra. Nahoana ary?

Mandritra izao Karemy izao dia io no ezaka tsy maintsy ataontsika tsirairay avy: mitarika olona hibebaka sy hanatona an’I Jesoa. Ezaka hitarika ny olona hino sy hivavaka.

Samy manana olana sy fahalemena isika rehetra izao, kanefa tsy betsaka noho ny an’ilay vehivavy samaritanina manana vady enina ny olana sedraeintsika. Ity vehivavy Samaritanina ity, rehefa nandray ilay ranovelona (BATEMY) dia nahavita nijoro ho vavolombelona ka nitarika vahoaka hanantona an’I Jesoa, fa IANAO, ISIKA kosa mba ahoana?

Sarotra anefa ny mitarika ny olona raha toa tsy manana toetra mendrika isika.

Ny Père Curé RANDRIANJATOVO Jacques Léonce

Resaka Facebook

Laisser un commentaire