Alahady faharoa paka – 27/04/2014 – Toriteny

Tenin’Andriamanitra

Alahadin’ny Famindrampon’Andrimanitra

Ny alahady faharoa fankalazana ny Paka no ankalazana ny andron’ny “Divine Miséricorde” – “Famindrampon’Andriamanitra”. Ny Papa Joany Paoly faha-II no nanokana an’io alahady faharoa amin’ny Paka io ho andron’ny famindrampon’Andriamanitra, ary napetraky ny Eglizy ho androany ihany koa hanandratana Olomasina ny Papa Joanay  Paoly faha-II sy Jean XXIII.

Tsy miafina amin’Andriamanitra ny fahalementsika olombelona, toy ny niainan’ireo Mpianatr’I Jesoa talohan’ny nitsanganany ho velona, nanana ny fahalemeny ireo na dia niaraka tamin’I Jesoa isan’andro aza, tao ny  namadika azy, tao ny nivarotra an’I Jesoa, nadao Azy daholo ny mpianatra t@ fotoana sarotra. Na izany aza anefa no nataon’ny mpianatra, I Jesoa tafatsangan-ko velona namindra fo tammin’izy ireo, namerina ny fitokisany  tamin’izy ireo. Maneho  famindram-po izany fihetsika izany. Dia izany famindrampon’Andriamanitra izany indrindra no anantenantsika sy andrandraintsika amin’izao alahady izao. Mifandray amin’izany famindram-pon’Andriamanitra izany ny fanomezan’I esoa ny Fanahy Masina ho amin’ireo Mpianany rehefa tafatsangan-ko velona Izy, araka ny teniny amin’ny Evanjely androany “Raiso ny Fanahy Masina,  ny fahotàna izay havelanareo dia ho voavela, ary izay ho tànanareo dia ho voatana”.

Fanantenana lehibe ho antsika izany satria difitra sy lavo matetika ao anatin’ny fahotàna isika olombelona. Ho antsika, na inona na inona fahalementsika, eo @ maha-olombelona, na inona na inona fahotantsika, rehefa mitodika amin’Andriamanitra isika, mitodika ami’ny famindrampon’Andriamanitra, dia mamindra fo amintsika mandrakariva  Andriamanitra. Miantso antsika I Jesoa mba hilomano ao antin’ny ranomasimben’ny famindrampon’Andriamanitra.

Fa raha isika miaina ao anatin’ny fahotana, mandà ny famindrampon’Andriamanitra, mihevitra fa hoe tsy afaka ny hamela antsika intsony Andriamanitra satria efa be loatra ny fahotantsika, dia izany ilay antsoina hoe: manota amin’ny Fanahy Masina, ka tsy ho voavela mandrakizay.

Ankoatra ny fanomezana ny Fanahy Masina, ny Evanjely androany ihany koa dia miteny momba ny finoan’I Md Tomà. Isaky ny mamaky ity Evanjely ity isika, dia variana eo amin’I Tomà, tsy mahagaga izany satria misy toetra itoviantsika aminy dia ny fisalasalàna izany. Fa tsy azontsika dinganina ny teo aloha.

Rehefa maty Jesoa, sy taorinan’ny nitsanganany ho velona, ireo mpianatra ireo dia niverina t@ fiainany andavanandro : mandeha mamonjy ny asany taloha (manjono, makany an-tsaha sns…)

Fa rehefa andro voalohany @ herinandro, izany hoe andro Alahady dia  mivory amin’ny toerana iray ny mpianatra hiarahana mamaky ny mofo. Izay no nataon’ny mpianatra, ary voalaza t@ vakiteny voalohany teo izay. Mivory ny kristianina rehetra, mitondra izay vokatry ny taniny avy any. Tao ny sasany nivarotra ny taniny sy nitondra ny vola vidin’ny taniny teo @ apostoly hikarakaràna ny fiangonana. Izay no nataon’ny mpianatra tany ampiandohàna.

Tsara ho marihina fa amin’ny fotoana mahatafavory ny mpianatra @ andro voalohan’ny herinandro na alahady izany no fotoana isehoan’I Jesoa amin’ireo izy ireo, fa tsy andro sabotsy na sabata;  koa raha olona mbola milaza ny tenany ho kristianina, nefa tsy mankamasina ny andro alahady fa ny andro sabata, dia mbola tavela any amin’ny testamenta taloha izy.

Ny  tenin’I Jesoa voalohany tamin’ireo mpianany rehefa nitsanagan-ko veloana Izy dia ny hoe: “Ho aminareo anie ny fiadanana”.

=> Hafaliana sy Fiadanana, izay no vokatry ny Paka ho antsika.

  • Tahaka ny hafalian’ireo mpianatra, nahita an’I Jesoa tafatsangan-ko velona.
  • Fiadanana satria Jesoa tafatsangan-ko velona nirary fiadanana.
  • Amin’ny lamesa, misy izay firariana fiadanana izay ataon’ny Pretra: “ Ho amintsika mandrakariva anie ny fiadanan’ny Tompo” – izany dia manohy ny nataon’I Jesoa Kristy  t@ nitsangan-ko velona amin’ireo mpianatra: nirary fiadanana.

Andro voalohany @ herinandro: fotoana nisehoan’I Jesoa. Io koa no mahatafavory antsika mianakavy aty am-piangonana.

Efa miahamangatsiaka ny andro, efa miha malaindaina miala amin’ny fandriana hany ka maro no tara, kanefa fantaro, fa mitovy amin’I Tômà izay olona tara lava; tara amin’ny fotoan-dehibe (fisehoan’I Jesoa), ny olona tara lava dia tsy mety mino. Hoy I Tomà: “raha tsy hitako ao amin’ny tanany ny loaky ny fantsika, ka atsofoko eo amin’ny loaky ny fantsika ny rantsan-tanako, ary atehiko amin’ny tratrany ny tanako dia tsy hino aho”. Ankoatra ny maha tara lava azy, dia manana io toetra tsy mino maty raha tsy avy nandevina izy. Rehefa niteny ireo mpianany I Jesoa fa handeha hamboatra toerana ho azy ireo sy haka azy ireo indray avy eo, dia I Tomà nanao hoe: “tsy fantatray izay alehanao Tompoko, ka ahoana no ahafantaranay ny làlana?” (Jo 14,5). Voaporofo eto amin’ity Evanely ity ary fa hay I Jesoa tafatsangan-ko velona ity dia miaraka amin’izy ireo isan’andro.  Teo I Jesoa t@ Tômà niteny ny tsy finoany t@ mpianatra namany.

Ary ho antsika, mba tsapantsika ve fa miaraka amintsika any @ fiainantsika any i Jesoa tafatsangan-ko velona? Mihira isika hoe “miara-dalana amintsika isanandro ny Tompo, anatin’ny hafaliana, anatin’ny manahirana, indro Izy eo anivontsika” ,  tena inoantsika marina ve izany? Sao dia mijanona ho hira fotsiny izany? Tena mino ve isika fa miara-dalana amintsika isanandro tokoa I Jesoa tafatsangan-ko velona? Mahita ny ataontsika rehetra any izy, miady @ fahotana isika , miady @ fakam-panahy isika. Jesoa tafatsangan-ko velona no miaraka amintsika any.

Indraindray rehefa faly isika na metimety ny fiainana dia hadino Andriamanitra, fa rehefa misy zavatra mampijaly sy manahirana antsika dia mahatsiaro miantso Azy “Aiza ianao Andriamanitra?” , indraindray aza zary manome tsiny an’Andriamanitra manao hoe: “raha misy Andriamanitra, maninona aho no avelany hijaly tahaka izao?”

 Ny finoana an’Andriamanitra dia mampisalasala antsika. Kanefa raha misy olona miteny hoe tsy azo atao ny manondro fasana fa maha-boka, dia manaraka an’izay isika: minomino foana. Toy izany koa rehefa tenin’ny olona hoe: “tsy fomban-tany ny miasa talata”, dia matahotra isika ny mandika izany, ; far aha Andriamanitra mandidy antsika hoe: “mankamasina ny andro alahady, aza miasa fa manompoa an’Andriamanitra”, firy no mandika izany ary tsy mahatsiaro akory ny maha fahotana lehibe izany.

Raha finoana mikasika an’Andriamanitra, tsy mampaninona antsika, faraha fombafomba sy finoanoam-paona dia ahatahorantsika???

 Fa maninona kay raha mba ny didin’Andriamanitra no ahatahorantsika?

Mbola betsaka isika no manahaka an’I Tôma, saingy aoka ho fantatra fa ny an’I Tôma dia tsy nijanona teo amin’ny fisalasalàna. Fa rehafa nahita an’I Jesoa tafatsangan-ko velona izy dia nanana finoana lehibe ka Izy irery no nahavita niteny hoe: “Tompoko sy Andriamanitro”. Mihoatra noho ny an’I Tomà ny fahasoavana azontsika, satria mankalaza an’I Jesoa tafatsangan-ko velona, ary mandray Azy mihintsy aza, noho izany tokony hihoatra noho ny an’I Tomà ny finoantsika.

=>  Ekena fa misy fahalainana kely ao anatintsika eo amin’ny resaka finoana fa aoka tsy hijanoana eo isika fa hiroso, I Kristy efa tafatsangan-ko velona eo amin’ny fiainantsika isanandro, na anatin’ny hafaliana, na anatin’ny manahirana.

Ny Père Curé RANDRIANJATOVO Jacques Léonce.

Resaka Facebook