Alahady fahatelo paka – 04/05/2014 – Tenin’Andriamanitra

Vakiteny voalohany: Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 2, 14.22- 28)

Tsy azo atao ny hihazonan’ny fatoran’ny fahafatesana an’i Jesoa

Nony tonga ny andro Pantekôty, dia nitsangana niaraka tamin’ny iraika ambin’ny folo lahy i Piera ka nanao antso avo niteny hoe: “ Ry Jody sy ianareo rehetra izay mitoetra eto Jerosalema, fantaro tsara izao ary mampandria sofina amin’ny teniko: I Jesoa avy any Nazareta, Lehilahy nankatoavin’Andriamanitra teo imasonareo tamin’ny asa lehibe sy ny fahagagana ary ny famantarana nampanaoviny Azy teo aminareo, araka ny fantatry ny tenanareo, dia natolotra araka ny lahatr’Andriamanitra tsy miovaova sy ny fahalalany mialoha, ka nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana sy novonoinareo tamin’ny tanan’ny ratsy fanahy; fa Andriamanitra kosa nanangana Azy ho velona sy nahafaka Azy tamin’ny fatoran’ny fahafatesana, satria tsy azo atao ny hihazonan’izany Azy, araka ny voalazan’i Davida ny aminy hoe: “Nijery ny Tompo teo anatrehako lalandava aho, satria eo an-kavanako Izy mba tsy hihozongozona aho. Noho izany, ny foko miravoravo, ny lelako mirobiroby, ary ny foko hitombina amin’ny fanantenana, fa tsy ho foinao ao amin’ny fitoeran’ny maty ny aiko, ary tsy hatolotrao hafoy ho tratry ny lò ny Masinao. Nampahafantatra ahy ny lalan’aina Ianao, ary nameno hafaliana ahy amin’ny fampisehoana ny Tavanao amiko”.

Vakiteny faharoa: Taratsay voalohany nosoratan’i Md Piera Apôstôly (1 Pi 1, 17-21)

Navotana tamin’ny Rà sarobidin’i Kristy, Ilay zanak’ondry tsy manan-tsiny aman-kilema, ianareo.

Ry hava-malala, raha Ilay tsy mizaha tavan’olona, fa mitsara ny olona rehetra araka ny asany avy no antsoinareo hoe Ray, dia aoka hitondra tena amim-pahatahorana ianareo, mandritra ny andron’ny fivahinianareo ety, satria fantatrareo fa ny nanavotana anareo ho afaka tamin’ny fitondran-tena adala nentim-paharazana, dia tsy zavatra mety simba toy ny volamena na ny volafotsy, fa ny Rà sarobidin’i Kristy, Ilay Zanak’ondry tsy manan-tsiny aman-kilema, dia Ilay talohan’ny nahariana an’izao tontolo izao no efa voatendry, fa tamin’izao andro farany izao vao naseho, noho ny aminareo. Tamin’ny alalany no nahazoanareo finoana an’Andriamanitra, izay nanangana Azy ho velona, sy nanome voninahitra Azy, ka zary fanantenana an’Andriamanitra koa ny finoanareo.

Evanjely masina nosoratan’i Md Lioka (Lk 24, 13-35)

Teo am-pamakiana ny mofo no nahafantaran’izy ireo Azy

Tamin’ny andro voalohan’ny herinandro dia nisy mpianatra roa lahy nankany amin’ny vohitra anankiray atao hoe Emaosy, tokony ho enimpolo stady raha avy eo Jerosalema. Niresaka ny zava-niseho rehetra izy ireo. Ary raha mbola niresaka sy nifampilaza izay heviny teny izy, dia nanatona azy i Jesoa ka niara-dalana taminy: fa voasakana tsy hahafantatra Azy ny mason’izy ireo. Hoy Izy taminy: « Inona izato resahinareo etý an-dalana, no toa dia efa malahelo erý ianareo izany? » Dia namaly ny anankiray atao hoe Kleôfasy ka nanao taminy hoe: « Ianao irery angaha no vahiny ao Jerosalema tsy mahalala izay zava-niseho tao tato ho ato? » Fa hoy Izy tamin’ireo: « Zavatra inona moa izany? » Dia hoy ireo: « Ny amin’i Jesoa avy any Nazareta, izay Mpaminany mahery tamin’ny asany sy ny teniny teo anatrehan’Andriamanitra sy ny vahoaka rehetra, dia ny amin’ny nanoloran’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny lehibentsika azy ho faty, mbamin’ny namantsihana azy tamin’ny Hazofijaliana. Nanantena izahay fa hoe Izy no ilay hanavotra an’i Israely: kanjo indro fa androany izao no andro fahatelo hatramin’ny nisehoan’izany.

Nisy ihany tokoa vehivavy sasany namanay nahasanganehana anay fatratra, fa tany amin’ny fasana marainakoa izy ireo, ary niverina nilaza fa tsy nahita ny fatiny, nefa nahita anjely niseho taminy, nanambara fa velona Izy. Dia nankany amin’ny fasana ny sasany taminay ka nahita araka izay nolazain’ny vehivavy, nefa tsy nahita Azy. Ary hoy Izy tamin’izy ireo: « Ry adala, sy votsa saina amin’ny finoana izay rehetra voalazan’ny mpaminany! Moa tsy tokony ho niaritra izany va i Kristy mba hidirany amin’ny voninahiny? » Dia novoasany tamin’izy ireo ny tenin’i Môizy sy ny Mpaminany rehetra manambara Azy ao amin’ny Soratra Masina. Nony mby tao akaikin’ny vohitra halehan’izy roa lahy izy ireo, dia nanao hoatra ny mbola handeha lavidavitra ihany i Jesoa, fa notanan’izy ireo nataony hoe: « Mitoera re atý aminay, fa efa ho hariva izao, efa mandrorona ny andro ».

Dia niditra niara-nijanona tamin’izy ireo Izy. Ary rehefa niara-nihinana izy ireo, dia nandray ny mofo Izy ka notsofiny rano sy novakiany, dia natolony azy ireo. Izay vao nisokatra ny mason’izy ireo ka nahalala Azy, fa Izy kosa tonga tsy hitany intsony. Dia nifampilaza izy hoe: « Akory izany firehidrehitry ny fontsika tao anatintsika fony Izy niresaka tamintsika teny an-dalana sy nivaofy ny Soratra Masina tamintsika! » Niaraka tamin’izay, dia nitsangana izy ireo ka niverina tany Jerosalema, ary nahita ny iraika ambin’ny folo lahy sy ny namany tafavory sady nilaza hoe: « Efa nitsangana tokoa ny Tompo, ary efa niseho tamin’i Simôna Izy. Dia mba notantarain’izy ireo kosa ny zavatra niseho taminy teny an-dalana sy ny nahafantarany Azy tamin’ny famakiana ny mofo.

Resaka Facebook