Alahady faharoa karemy – 21/02/2016 : Toriteny

“I JESOA NIOVA TAREHY, TARATRY NY HASOANTSIKA RAHATRIZAY”

Foto-kevitra
Foto-kevitra

Alahady faharoa amin’ny Karemy dia miresaka momba ny fiovan-tarehy. Ao anatin’ny fotoan’ny litorjia, isan-taona isika dia mamaky ity fiovan-tarehy ity. Fa ankoatra ny alahady faharoan’ny Karemy dia ny faha-06 Aogositra, io koa no ankalazana ny fiovan’I Jesoa tarehy.

Fa inona moa no antony hametrahana ity Evanjely ity amin’izao fiantombohan’ny Karemy izao?

Ny antony dia mba hankahery ny mpianatra. Hankahery azy ireo amin’izay hanjo an’I Jesoa afaka fotoana fohy. Valo andro talohan’ity, tsy novakiana teo moa, nametraka fanontaniana I Jesoa tamin’ireo mpianany: “Ataon’ny olona ho izay moa ny Zanak’Olona?”

Ny sasany manao hoe Elia, ny sasany manao hoe Joany Batista, ny sasany manao ho ny iray amin’ireo mpaminany taloha no nitsangan-ko velona. Taorian’izay Jesoa dia niteny tamin’ireo mpianany ireo: “Fa ianareo kosa manao ahy ho iza?”

Dia I Piera no namaly: “Ianao no Mesia, Zanak’Andriamanitra velona.”

Dia notohizan’I Jesoa: “Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’Olona – hovonoina, hofantsihana fa hitsangan-ko velona afaka hateloana”. Izay ny tenin’I Jesoa.

Dia valo andro taorian’izay no nentin’I Jesoa niakatra teny an-tendrombohitra izy telo lahy: : Piera, Joany ary Jakôba. Nentin’I Jesoa tany an-tendrombohitra, voalazan’I md Lioka, nandritra an’I Jesoa nivavaka dia niova toetra ny tarehiny. Md Lioka dia manamafy an’io. Nandritra an’I Jesoa nivavaka dia niova toetra ny tarehiny.

Dia voalazan’ny Foto-kevitra teo hoe: “I JESOA NIOVA TAREHY, TARATRY NY HASOANTSIKA RAHATRIZAY”.

Ka iverenantsika kely izy teo hoe ny antony hametrahan’ny fiangonana ny fiovan’I Jesoa tarehy amin’ny alahady faharoan’ny Karemy dia mba ahafahantsika mibanjina sahady hoe manao ahoana isika, hanao ahoana koa ny toetrantsika rahatrizay?

Jesoa niova tarehy, ho an’ny mpianatra: mankahery azy ireo. Izay no antony: hankahery ny mpianatra tsy ho kivy satria ho avy ny fotoana, herinandro vitsivitsy aorian’io, hiakatra any Jerosalema I Jesoa hosamborin’ny olona, hovonoina ary tanteraka izay teny efa nolazain’I Jesoa mialoha. Ka mba tsy hahakivy an’ireo mpianatra ireo no nanehoan’I Jesoa izay fiovan-tarehy teo an-tendrombohitra izay.

Jesoa eto niova tarehy: tonga fotsy manjopiaka, mazava ny tarehiny. Fa afaka herinandro vitsivitsy io tarehin’I Jesoa niova nahataitra azy telo lahy ity, tarehy hafa no hitany: tarehy feno rà, feno rehoka, feno hatsembohana. Izay no ho hita afaka herinandro vitsivitsy. Fa eto aloha dia io no zavatra nitranga: niova tarehy Jesoa teo anatrehan’ny mpianany nandritra ny fotoana nivavahany.

Dia io ilay hoe nandritra izy nivavaka io tiako homarihina amintsika mianakavy: ny vavaka ataontsika dia manova ny fiainantsika.

Rehefa manontany isika hoe maninona no mivavaka: dia samy manana ny antony hivavahany. Indraindray isika miteny fa mba efa ela izay nivavahana izay fa tsy mety mivaly ny vavaka atao ka mahatonga ny olona hiteny hoe inona intsony moa no hivavahana! Fa ny vavaka ataontsika olombelona dia tsy very maina na oviana na oviana. Mety tsy ho araka ny angatahantsika amin’Andriamanitra ny valin’ny vavaka azontsika. Ny antony dia satria Andriamanitra tsy adala: mahalala izay mahasoa antsika izy, tsy izay mahafinaritra antsika fa izay mahasoa antsika. Tsy izay tiantsika fa izay mahasoa antsika no ataony. Ka aoka isika tsy ho diso fihevitra hoe tsy misy Andriamanitra, tsy mamaly vavaka Andriamanitra. Fa Andriamanitra dia mamaly vavaka mandrakariva.

Iverenantsika eto ilay hoe nandritra izy nivavaka dia niova tarehy Jesoa.

Nandritra an’I Jesoa niova tarehy dia nisy olona roalahy niseho taminy: I Môizy sy Elia.

I Môizy dia efa 40 andro sy 40 alina tany an-tendrombohitra, nihaona sy niresaka tamin’Andriamanitra: naka ny Lalàna. Fa rehefa niverina avy any an-tendrombohitra I Môizy, niverina tamin’ny fihaonany tamin’Andriamanitra, inona ny zava-niseho? è niova ny tarehiny: tonga fotsy mamirapiratra ny tarehin’I Môizy ka natahotra daholo ny vahoaka tety ambany; vokatry ny fihaonan’I Môizy tamin’Andriamanitra.

Fa etsy an-danin’izay, I Elia: nandeha lalana 40 andro sy 40 alina ihany koa izy handeha ho any an-tendrombohitr’Andriamanitra sy hihaona Aminy.

Izay ireto olona roa teo ankavia sy ankavanan’I Jesoa: Môizy sy Elia, samy olon’ny tendrombohitra ireo, samy olona nihaona tamin’Andriamanitra ireo. Vokatry ny fihaonan’I Elia tamin’Andriamanitra no nahafahany nitondra ny famonjena ny vahoaka Israely.

Tahaka izay koa I Môizy rehefa avy nihaona tamin’Andriamanitra ka niova toetra ny tarehiny dia nametraka ny lalàna ho an’ny vahoaka.

Avy any I Môizy, ilay sampy zanak’omby volamena nataon’ny vahoaka tety ambany, nopotehiny, nodorany. Hitantsika io rehefa ary amin’ny fanekem-pihavanana rehefa avy eo, ilay tao amin’ny Vakiteny voalohany (fanekem-pihavanana nataon’Andriamanitra tamin’I Abrahama). Ka raha fintinina ny Evanjely teo, dia voalohany: izy telo lahy ireto dia entin’I Jesoa mitokana foana izy ireo rehefa misy zavatra lehibe hitranga eo amin’ny fiainany: Piera, Joany sy Jakôba. Fidian’I Jesoa manokana ireo. Mbola ho avy koa ireo, ho vavolombelona rehefa kelikely hahita an’I Jesoa rehefa nentiny nitokana tany amin’ny tanimbolin’Ôliva.

Izy ireo izay nahita ny tarehin’I Jesoa niova endrika, ireo koa no hahita ny tarehin’I Jesoa rehefa nivavaka izy, niady aina sy tsembo-drà.

Dia hoy isika hoe io Jesoa nivavaka tonga tsembo-drà, Jesoa nivavaka niova toetra ny tarehiny.

Isika koa rehefa mivavaka dia miova ny tarehintsika: rehefa mihaona amin’Andriamanitra isika dia miova toetra ny tarehintsika.

Mety milaza isika rehefa mivoaka ny fiangonana fa ny tarehy teo ihany no tarehintsika; fa raha mihaona amin’Andriamanitra isika dia miova tarehy. Isika tsirairay avy dia endrik’Andriamanitra. Ilay fiainantsika dia miova rehefa avy mihaona amin’Andriamanitra. Io ilay tarehintsika io.

Misy ilay fitenintsika hoe “ny tarehy ratsy no tsy azo ovàna fa ny toetra ratsy azo ovàna” – fahendretsika Malagasy izay. Fa noho ny fandrosoana dia nivadika ilay izy : “Sarotra ny miala amin’ny mahazatra”; ka lasa ny tarehy ratsy azo avàna fa ny toetra ratsy tsy azo ovàna. Amin’izao moa, noho ny fahaizana sy ny fandrosoana ara-tsiansa dia efa hain’ny olona ny manova tarehy.

Fa ny hanova ny fanahy, ny toetra kosa dia sarotra; dia moramorantsika amin’ny hoe Sarotra ny miala amin’ny mahazatra. dia milamina amin’izay ny saintsika.

Fa rehefa tena mivavaka isika, Andriamanitra tena afaka manova ny fiainantsika, manova ny toetrantsika ihany koa; fa misy ezaka avy amintsika: famolahan-tena ataontsika mandritra ny karemy.

Dia iverenantsika ny Evanjely teo. Rehefa niseho I Jesoa niova tarehy dia nisy feo avy any an-danitra: “Inty ny zanako malalako, henoy izy”.

Ny fotoan’ny Karemy dia fotoana atokana bebe kokoa hihainoana ny tenin’Andriamanitra, izany hoe eo no ilàntsika ny fahanginana. Dia mbola miverina ihany isika amin’ilay vavaka: ny mivavaka anie ka miresaka amin’Andriamanitra; ary ny atao hoe miresaka dia miteny ny iray, ary ny iray kosa mihaino, ary mifandimby. Fa mitabataba indray ny olona raha toa Izy ka miteny foana, lasa miteny irery indray isika. Misy ny olona rehefa mivavaka dia tantarainy daholo ny manjo azy, avy eo faranany avy hatrany amin’ny famantarana ny hazofijaliana: tsy misy fotoana fahanginana mba napetraka hihainoana an’Andriamanitra. Ny dikan’izay dia tsy nivavaka isika. Ary misy ny olona miteny hoe handeha hivavaka, omaniny any an-trano ny vavaka ka rehefa vita izany dia lasa izy; fa ilaintsika mba ho tena vavaka lavorary: tsy voatery hiteny akory isika: miditra tao am-piangonana na miditra ny Chapelle isika, mipetraka ary mandohalika, miankohoka – avela hiteny ao anatin’ny fahanginana Andriamanitra. I Môizy tany an-tendrombohitra nihaino sy niresaka tamin’Andriamanitra. I Elia, tany an-tendrombohitra ihany koa dia tsy nisy zavatra noteneniny akory fa niankohoka izy, tao anatin’ny rivotra malefaka kely no nisehoan’Andriamanitra tamin’I Elia.

Inty ny Zanako malalako, henoy izy. Ampitombointsika ny fotoana hihainoana an’Andriamanitra mandritra izao fotoan’ny Karemy izao.

Dia voalaza teo amin’ny Foto-kevitra teo hoe: “I JESOA NIOVA TAREHY, TARATRY NY HASOANTSIKA RAHATRIZAY”. Rahatrizay isika miala amin’ity tany ity ka mihaona amin’Andriamanitra – tonga mitovy amin’ny tarehin’I Jesoa ny tarehintsika. Taratry ny fiovantsika io.

Ny vakiteny voalohany moa dia ny fanekem-pihavanana tamin’I Abrahama sy Andriamanitra. Raha nihaino tsara isika teo: naka ombivavy kely efa telo taona, osy vavy telo taona iray, ondry lahy telo taona iray.

Telo taona: inona ny dikany? Ho an’ny biby, rehefa feno taona vao azo atao hoe matotra na lehibe. Dia iny no sasahana roa (taratry ny fanekem-pihavanana) izay no nataon’I Abrahama. Fa misy dommoina sy voromailala, ireo tsy nozaraina. Ny fomba fanao tamin’izany andro izany dia mandeha eo afovoany eo izay manao fanekem-pihavanana. Amintsika Malagasy dia fato-drà no ilazantsika azy.

Fa tamin’ny andron’I Abrahama dia izay no natao: nozaraina roa ireo biby ireo. Rehefa hariva ny andro dia nisy setroka mena tahaka ny vain’afo namakivaky ireo biby voasaraka ireo. Iny no tandindon’Andriamanitra nanao fanekem-pihavanana tamin’I Abrahama. Ka izay mandika ny fanekem-pihavanana dia mendrika ny hozaraina roa, ho faty tahaka ireo biby ireo. Izay mivadika amin’ny fifanekena dia mendrika hovonoina.

Inona ny fanekem-mpihavanana: Andriamanitra nampanantena an’I Abrahama taranaka ho tahaka ny kintana eny an-danitra sy ny fasika eny amoron-dranomasina. Isika rehetra ireo dia vokatry ny fanekem-pihavanana tamin’I Abrahama. Navaozin’I Jesoa Kristy: ity no ràn’ny fanekem-pihavanana vaovao; ary io fiovan’I Jesoa tarehy io dia taratry ny hasoantsika rahatrizay.

Hivavaka ary isika mba hiezaka hampitombo ny vavaka, hanisy fotoana hihainoana ny tenin’Andriamanitra, hihainoana an’I Jesoa miresaka. Te hiresaka miantsika I Jesoa. Izany anefa no manimba ny fiaintsika: tsy manana fotoana hihainoana an’Andriamanitra intsony isika, hany ka manao izay lohantsika sy saintsika fotsiny. Tsy manam-potona intsony isika hivaavhana; hany ka sarotra ho antsika ny miala amin’ny mahazatra. Fa ny vavaka ataontsika dia manampy antsika hanova ny fiainantsika.

Dia aoka ho tanteraka izany, amin’ny anaran’ny Ray, ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. Amen.

Resaka Facebook