Alahady faharoa amin’ny Karemy – 01/03/2015 – Tenin’Andriamanitra

Vakiteny voalohany: Boky Jenezy (Jen 22, 1-2. 9a. 10-13. 15-18)

Sorona nataon’i Abramahama, Patriarka.

Tamin’izany andro izany, Andriamanitra nizaha toetra an’i Abrahama ka nanao taminy hoe: “Ry Abrahama ô!” Ary hoy izy: “Inty aho”. Dia hoy Andriamanitra: “Ento ny zanakao, ilay lahitokanao, ilay tianao, dia i Isaaka, ka mankanesa any amin’ny tany Môrià, ary rahefa mby any, atero izy ho sorona dorana eo ambonin’ny anankiray amin’ny tendrombohitra hatoroko anao”. Nony tonga teo amin’ny fitoerana natoron’Andriamanitra azy izy, dia naorin’i Abrahama teo ny ôtely. Dia naninjitra ny tanany i Abrahama ka nandray ny antsy hamonoana ny zanany. Tamin’izay niantso tany an-danitra ny Anjelin’ny Tompo nanao hoe: “Ry Abrahama! ry Abrahama ô!” Ka hoy ny navaliny: “Inty aho”. Dia hoy ny Anjely: “Aza manainga ny tananao hamely ny zaza, ary aza maninomaninona azy akory, fa efa hitako izao fa matahotra an’Andriamanitra ianao, sady tsy nandà ianao fa nahafoy ny zanakao, ilay lahitokanao ho Ahy”. Ary nanopy maso i Abrahama ka nahita ondralahy anankiray teo ivohony, voasaringotry ny kirihitr’ala tamin’ny tandrony; dia lasa i Abrahama naka ilay ondralahy, ka io no nateriny ho sorona dorana ho solon’ny zanany. Ary ny Anjelin’ny Tompo niantso an’i Abrahama fanindroany tany an-danitra, ka nanao hoe: “Efa nianiana tamin’ny Tenako Aho, hoy ny Tompo, fa noho ianao nanao izany sy tsy nandà, fa nahafoy ny zanakao, ilay lahitokanao, ho Ahy dia hanisy soa anao Aho, hahamaro ny taranakao tahaka ny kintana eny an-danitra sy ny fasika eny amoron-dranomasina, ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ny fahavalony. Amin’ny taranakao no hanasoavana ny firenena ambonin’ny tany, satria nanaiky ny teniko ianao”.

Vakiteny faha-2: Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm 8, 31b-34)

Andriamanitra tsy nandala ny tena Zanany.

Ry kristianina havana, raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika ? Izy tsy nandala ny tena Zanany, fa nahafoy Azy ho antsika rehetra, ka ahoana no tsy hanomezany antsika ny zavatra rehetra koa miaraka aminy ? Iza no hiampanga izay voafidin’Andriamanitra ? Andriamanitra no manamarina azy ka zovy no hanameloka ? Moa i Kristy va, ilay efa maty fa nitsangan-ko velona sy mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra ary mifona ho antsika ?

Evanjely Masina nosoratan’i Md Marka (Mk 1, 1-9)

Ity no Zanako malalako indrindra.

Tamin’izany andro izany, nalain’i Jesoa i Piera sy i Jakôba ary i Joany ka nentiny nitokana tany an-tampon’ny tendrombohitra avo anankiray, dia niova tarehy teo anatrehany Izy. Tonga nanjelanjelatra sady fotsy hoatra ny oram-panala ny fitafiany, ka tsy misy mpamotsy lamba, mahafotsy toy izany ety an-tany. Ary niseho tamin’ izy ireo i Elia sy i Môizy, sady niresaka tamin’i Jesoa. Dia niteny i Piera ka nanao tamin’i Jesoa hoe: “Raby ô, mahafinaritra ny mitoetra aty; aoka hanao lay telo izahay, ny iray ho Anao, ny iray ho an’i Môizy, ary ny iray ho an’i Elia”. Fa tsy fantany izay nolazainy, satria raiki-tahotra loatra izy ireo. Tamin’izay dia nisy rahona nanarona Azy; ary nisy feo avy tao amin’io rahona io nanao hoe: “Ity no Zanako malalako indrindra, henoy Izy”. Niaraka tamin’izay dia nijerijery manodidina izy ireo, nefa tsy nahita olona intsony, fa i Jesoa irery sisa teo aminy. Nony nidina avy tany an-tendrombohitra izy ireo, dia norarany tsy hilazalaza amin’olona ny zavatra vao hitany, mandra-pitsangan’ny Zanak’olona ho velona. Dia notanany tao am-pony izany zavatra izany, sady nifampaka saina izy ny amin’izay hevitr’izany hoe: mitsangan-ko velona.

Resaka Facebook