Alahady fahafito Paka – 01/06/2014 – Toriteny

« Ny fiainana mandrakizay dia ny mahalala an’Andriamanitra ».

Io nofoto-kevitra iompanantsika amin’izao andro alahady iomanatsika @ hidinan’ny Fanahy Masina izao. Ny Evanjely retsika teo dia mitantara ny vavaka tapany voalohany nataon’I  Jesoa .

Ity vavaka ity dia mialohan’ny ahafatesany, satria aorian’ity vavaka ity dia miatrika ny fijaliana sy ny fahafatesana I Jesoa Kristy. Eo amin’io Evanjely io Jesoa milaza tamin’ny mpianany tamin’ny sakafo farany fa

“ handeha aho hanamboatra toerana ho anareo”.

Tonga ny fotoana, niady aina I Jesoa ary nivavaka. Mizara telo ny vavaka nataon’I Jesoa, ka ny vavaka voalohany no novakiana tamintsika teo. Raha ny ventin’ny vavaka nataon’I Jesoa, di any hoe FAMPAHAFANTARANA NY FIAINANA MANDRAKIZAY.

Inona no tena fiainana mandrakizay?

=> Ny mahalala an’Andriamanitra Ray, sy Jesoa Kristy izay nirahiny. Izay ny fiainana mandrakizay.

Ho an’ireo razantsika tany aloha tany, izay tsy nahalala an’Andriamanitra akory, asa moa izay tao an-tsainy satria tsy mbola nisy nahatakatra an’eritreritra an’izany hoe fiainana mandrakizay izany. Fa ny fantatra sy noheverina kosa dia hoe misy fitohizany aorinan’izao fiainana izao. Ary izay no nahatonga an’ireo Ray aman-dRenintsika tany aloha, na dia tsy nahalala an’Andriamanitra aza, nampanjaka ny fahamarinana.

Satria nahoana?

=> Misy fanantenana fa misy tohiny ny fiainana eto ambonin’ity tany ity.

=> Izay no nahatonga ny olona nanao ny marina; izany no nahatonga ny olona miady amin’ny lainga sy ny fitapitaka isan-karazany; izay no nahatonga ny olona tsy mba nangalatra  –  satria misy fanantenana ny amin’ny fitohizan’ny fiainana.

Fa rehefa tonga ny vaovao mahafaly, tonga teto amin’izao tontolo izao, tonga teo amintsika ny vaovao mahafaly, dia niha-nazava. Nazava hoe inona ilay fiainana ao aoriana? Inona ilay fiainana ao an-koatra izay nandrasan’ireo razantsika taloha na dia tsy nahalala an’Andriamanitra aza izy ireo?

Fantany fa hoe mitohy ny fiainana fa hoe somambisamby ihany.

Izay ilay hirantsika hoe: Ny razantsika Hendry sy lalim-pandinihana, Nahatsapa sy niaiky fa mamy itony aina…

Dia misy koa ao ny filazana fa misy ny fiainana ao aoriana, fa somambisamby ihany: tsy dia nazava taminy hoe  inona izay fiainana any aoriana izay. Fa rehefa tonga ny vaovao mahafaly dia io no nanazava fa ny fiainana mandrakizay anie, ilay andrasantsika sy iomanantsika ka mahatonga antsika hanao sy hiaina ny fahamarinana, dia noho ny fiainana mandrakizay izay tsy inona fa ANDRIAMANITRA.

Ary io no nahatonga an’I Kristy, alohan’ny nialàny t@izao tontolo izao, nivavaka ho an’ireo mpianany izy, nitodika tamin’ireo mpianany ny vavaka nataony fa mivantana amintsika mianakavy ihany koa: ny mba hananantsika ny fiainana mandrakizay.

Ary NY FIAINANA MANDRAKIZAY DIA NY MAHALALA AN’ANDRIAMANITRA RAY, sy Jesoa Kristy izay nirahin’ny Ray.

Raha jerena ilay vavaka nataon’I Jesoa: “Omeo voninahitra ny zanakao”.

Tsy fanaon’ny olombelona izany vavaka izany. Raha isika no manao izany vavaka izany hoe “Andriamanitra ô, omeo voninahitra aho » – tsy fananon’ny olombelona izany, fa eto kosa dia Andriamanitra no mivavaka.

Dia ao anatin’io vavaka io koa I Jesoa no miteny: “rehefa nomenao fahefana amin’ny rehetra aho”. Ny olona manana fahefana izany dia tsy refesi-mandidy, manana fahefana amin’ny nofo rehetra, nefa ny ampitson’io izy dia maty teo amin’ny Hazofijaliana. Ahoana moa izany? Olona manana fahefana @ nofo rehetra nefa dia maty avy eo.

Vavaka tsy fanaon’ny olombelona io fa Andriamanitra no mivavaka. Dia hotizantsika ilay hoe fiainana mandrakizay.

Ny fiainana mandrakizay dia ny mahalala an’Andriamanitra. Ahoana moa no ahalalantsika an’Andriamanitra?

Ny nahalalantsika an’Andriamanitra dia araka ny teny ao amin’ny Asan’ny Apostôly : “ataoko ahoana ny hino raha tsy  misy ny mitory? Ataoko ahoana ny ahalalàna raha tsy misy olona mampahafantatra ahy an’Andriamanitra?”

Hitantsika tamin’ny fitsenana ny Tenin’Andriamanitra teo. Ny zavatra hitantsika dia nisy lakana. Tamin’ny nahatongavan’ny vaovao mahafaly teto amintsika dia tsy mbola nisy fiaramanidina ahafahana mitondra ny vaova mahafaly, fa dia tamin’ny alalan’ny sambo no nahatongavan’ireo misiônera niditra tsimoramora teto amintsika. Nanomboka tany amoron-tsiraka ary nitsofoka tsikelikely taty ampovoan-tany. Izay no nahatongavan’ny vaovao mahafaly teto amintsika.Ary ankehitriny isika dia sambatra, faly satria manana izay vaovao mahafaly izay. Ary hitantsika t@ fitondrànany vaovao mahafaly teo ihany koa fa tena vazaha n onitondra ny Baiboly. Tsy natao kisendrasendra io fa mba hanehoana an’izay hoe nahatongavan’ny vaovao mahafaly teto amintsika izay (ny Malagasy tsy nahalala an’Andriamanitra araka ny tena toetra maha-izy Azy), fa ireo misiônera ireo, ireo vazaha ireo no tena nitondra ny hazavàna. Ireo no nitondra ny tenin’Andriamanitra teto amintsika.

Rehefa tonga teto amintsika ny Tenin’Andriamanitra dia somary sarotsarotra ihany ny nitoerany. Hany ka ireo misiônera dia nitady fomba maro isan-karazany ahafahana manaparitaka an’izay.Tao ny nanorina Sekoly, tao ny nanao asa sosialy. Misy hevitra nataon’ireo vazaha misiônera ireo nahafahany nampiditra tsikelikely ny vaovao mahafaly.

Moa va tsy toy izay koa izao ny ataon’ireo silamo ankehitriny? Handrava izay fahazavana izay efa nentin’ireo misiônera teto amintsika ireo.Mitady ary managana sekoly etsy sy eroa, manao asa sosialy satria fantany hoe ahoana no nahatafiditra ny vaovao mahafaly teto amintsika, sy nahatonga azy niely haingana.

Ankehitriny dia efa eto amintsika ny Tenin’Andriamanitra ary efa mandray ny finoana isika. Dia tahaka ny nataon’ireo ankizy hitantsika teo ireo: rehefa avy nandray ny vaovao mahafaly dia nitondra ny hazavana, nitondra ny jiro niala avy tety amin’ny ôtely nandeha nizara izay fahazavana izay. Tsy maintsy  mijoro manao thaka izay isika, fa raha tsy izany dia ho difotry ny haizina ilay hazavana ao amintsika ao . ka rehefa difotry ny haizina dia tsy ahalala an’Andriamanitra intsony ny olona.

Ary rehefa tsy  mahalala an’Andriamanitra intsony ny olona, dia inona ny vokany? => very ny finoana, ary very koa iay fiainana mandrakizay izay efa nikelezan’ireo misiônera aina fatratra, nitory tao anatin’ny fijaliana ireo olona ireo. Hitantsika Md Jacques Berthieu, noho izay finoana izay, noho ny Tenin’Andriamanitra, no namonoana azy. Ary niteny izy: “Aleoko maty toy izay manaiky anareo”. Fijoroana amin’izay nitoriana ny vaovao mahafaly izany. Dia izay koa no nasehontsika teto androany:

  • Nentin’ireo misiônera ny Tenin’Andriamanitra, dia namapahafantatra antsika hoe iza Andriamanitra? Ary iza Jesoa Kristy?
  • Rehefa izay, dia nentina niverina nitodi-doha nankany amin’ny fiaraha-monina any ny fahazavàna, mba hitahiry ilay hazavana sy finoana efa noraitsintsika.

Ny fiainana mandrakizay di any mahalala an’Andriamanitra.

Endrika iray anehoantiska hoe iza moa ity Andriamanitra ity.

Andriamanitra dia famindram-po. Na dia izay zavatra iray izay fotsiny aza dia heverina ho  zava-dehibe izay. Fantatsika hoe iza Andriamanitra. Lafiny iray ihany io.

Hanazavàntsika an’izay, sady amaranana ny fifampizarana, dia indro misy tantara kely vao heno tsy ela akory.

Misy olona tonga tany an-danitra. Dia I Md Piera miandry eo am-baravaran’ny lanitra. Dia tonga ity ranamana ary nadohalika teo amin’ny Md Piera mba hiditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra.

Fa hoy Md Piera: “Rah ate ho tafiditra ato an-danitra ato ianao dia misy naoty 100 (100 points) takiana aminao.

Eny ary hoy ranamana, ary nanomboka nitantara ny zava-bitany tety ambonin’ny tany izy:

  • Izaho mpianatra tamin’ny sekoly katôlika
  • Izaho vita batemy
  • Izaho mikônfesy isanandro.
  • Izaho mandray kômonio, mivavaka isan’alahady
  • Izaho koa dia vita mariazy ara-dalàna ary tao anatin’ny fiainam-pananbadiana no nialàko teny ambon’ny tany ka izao tonga eto an-danitra izao.

Dia hoy Md Piera: “3 points” izay!!! (mbola aiza ity 100 points?)  ary manomboka kivy ranamana.

Dia niangavy izy:

  • Izaho koa efa nampianatra katesizy
  • Izaho koa efa nitarika Chorale
  • Izaho koa manao asa soa: isan’kalahady aho dia miezaka manao soa @ olona

Dia hoy Md Piera: “5 points” !!! (mbola aiza ity 100 points).

Tsy hitan’ilay ranamana izay lazaina, ary mieritreritra izay zavatra tsymbola voalaza izy.

  • Izaho mandritra ny karemy dia mahavita onitra be dia be
  • Izaho rehefa misy asa atao dia mahafoy tena aho ary hadinoko h@ fiainan-tokatranoko indraindray

Dia hoy Md Piera: “7 points”  –  kivy ilay rangahy.

Tsy hitany intsony izay natao dia nitomany izy.“Tsy hitako intsony izay lazaina anao Md Piera fa MIANTEHITRA @ FAMINDRAM-PON’ANDRIAMANITRA AHO”.

Dia hoy Md Piera: “100 points”.  Io ilay teny nandrasany : « miantehitra amin’ny famindram-pon’Andriamanitra ».

Ary dia tafiditra any an-danitra ranamana.

Entina ilazàna amintsika izany hoe izay nataontsika rehetra, ny ezaka ataontsika isan’andro, miezaka isika amin’ny fiainana, miezaka isika mitànany finoana hatramin’ny farany, fa ahatonga antsika aiza izany rehetra izany???

Ny famindram-pon’Andriamanitra, io no tena manafaka antsika. Tsy afaka hiantehitra amin’ny herin’ny tenantsika samy irery isika.Ilaina sy tsy maintsy atao ireny asa soa rehetra ireny, mba hiainana amin’ny finoana, fa raha tsy miantehitra amin’ny famindram-pon’Andriamanitra isika dia tsy  ho tafiditra any amin’ny fiainana mandrakizay.

Ary ny fiainana mandrakizay, araka ny foto-kevitra androany, diany mahalala an’Andriamanitra, sy I Jesoa Kristy izay nirahiny.

Izay ilay fiainana mandrakizay.

  • Inona no imatimatesantsika ivavahana isan’andro?
  • Inona no imatimatesantsika hanaovana soa?
  • Hatry ny omaly isika niomana handray satria fotoan-dehibe ho antsika ity anio ity, hanampy ny olona hivavaka.
  • Inona no mahatonga antsika hanao izany rehetra izany??

=> Satria misy fanantenana ao amintsika ao – fanantenana ny fiainana mandrakizay.

Izany ary no angatahantsika amin’Andriamanitra, nyezaka ataontsika mianakavy dia hatambatsika amin’izay famindram-pon’Andriamanitra izay.

Resaka Facebook