Alahady fahaenina Paka – 25/05/2014 – Toriteny

ALAHADY FANKALAZANA NY FETIN’NY RENY

 Mamarana ny famakiana ny Evanjelin’i Md Joany toko faha-14 isika.

Ny niatombohan’io dia resaka nataon’i Jesoa tamin’ny mpianany : handeha aho hoy Jesoa, ary rehefa lasa aho hanamboatra toerana ho anareo, dia ho avy indray haka anareo hamonjy ilay toerana…, nalahelo ny mpianatra ka nankahery azy ireo Jesoa tamin’ny heriny.

Hoy Filipo: “Asehoy anay ny Ray dia ampy ho anay izany”. Dia nanazava I Jesoa: “Hatrizay ela izay ve nonitoerako teto aminareo dia mbola tsy fantatrareo ihany ve aho ry Filipo? Izay nahita ahy dia mahita ny Ray koa, ary amin’izay dia efa nahita ny Ray ianareo.”

Dia mbola mitohy ny fanazavan’I Jesoa. Milaza Izy fa handeha,  satria amin’ny alakamisy izao isika no mankalaza ny “Ascension”,  dia milaza I Jesoa fa “Tsy ho avelako ho kamboty ianareo”, ny Fanahy atao hoe “Mpanafaka alahelo”. Azo iantsoana Azy io koa ny hoe “Avocat” na hoe “Mpisolo vava”. Io nohalefan’I Jesoa rehefa miakatra any @ Ray Izy.

Io no hitari-dalana antsika @ marina rehetra. Io Fanahy Masina io no hanafaka alahelo ary io no entintsika milaza hoe “Ny Fanahy Masina no manohy ny asan’I Kristy”.

Misy fotoana ieritreretantsika hoe “Aiza ary Andriamanitra. Manoloana ny zava-misy ankehitriny, manoloana ny olana, ny korontana?” Ary aiza Kristy ankehitriny manoloana tsy fahamarinana isan-karazany, ny fanosihosena ny zon’olombelona, AIZA ANDRIAMANITRA??? Toa tsy eo Andriamanitra.

Fany Fanahy Masina izay nirahin’I Kristy no efa manohy  ny asany matoa isika  mbola mivavaka. Matoa mbola velona ny fiangonana dia satria miasa ny Fanahy Masina.

Io Fanahy Masina io no nidina t@ Apostôly t@ Pentekoty. Nalefan’I Jesoa tokoa ny Fanahy Masina. Ary rehefa nandray izany ny Apostôly dia nanjary nisava ny tahotra. Io Fanahy Masina io no naniraka ny Aposôtly hitory hatraiza hatraiza, ka nahatonga hatraty amintsika ny finoana.

Ny Fanahy Masina no, anjarantsika kosa ny manaiky ny hiasan’ny Fanahy Masina.

Efa voasoratr’ity Evanjely androany ity: “raha tia ahy ianareo  dia hitandrina ny didiko”. Alohann’y hialàny @izao tontolo izao dia nametrapetraka ahafatra I Jesoa, dia ilayhoe hitandremana ny didiny.

Inona moa ny didin’I Kristy?

Tokana ihany izany:  NY FITIAVANA.

Io teny tokana io no mamintina ny didy rehetra, diany Fitiavana izany.

Ny ahafantarana ny olona iray rehefa tena tia izy di any manatanteraka ny teny na hafatra napetraky ny olon-tiany. Na inon’kidona na inon-kihatra, dia manatanteraka io didy io.

Io teny io ihany koa no lazain’ny mpivady rehefa eo @ fankamasinana ny  mariazy: “Manome toky fa ho tia anao na an-kasoavana na an-karatsiana, na inon-kidona na inon-kihatra, ho tia anao sy hanaja anao mandritra ny andro rehetra iainako”

Ny olona tia dia manatanteraka izay soa sy  mahasoa ary mahafaly ny olon-tiany. Io no apetrak’I Jesoa io, ny mpifankatia dia mahalala tsara an’izay: na zavatra sarotra noangatahan’ny olon-tiany dia tanterahany foana.

Ary androany koa isika dia mankalaza ny fetin’ny Reny, mikasika izay fitiavana izay.

Ny Reny, arak any teny voalaza ao a@ bokin’ny Fahendrena, ny reny dia mahafoy ny ainy ho an’ny zanany.Fa vao mainka mihoatra lavitra noho izay Andriamanitra.

Hoy ny bokinn’y Fhendrena ihany: “ hanadino ny taizany va ny vehivavy? Na hanadino aza ny reny, Izy Andriamanitra tsy mba hanadino anao”

Fa  ny reny tsymba hanadino ny taizany na oviana na oviana  –  ny zanaka no manadino ny Ray aman-dreny.

Rehefa mbola  kely ny ankizy, 5 na 6 taona, rehefa tong any fetin’ny reny dia manolotra fanomezana azy. Fa rehefa kelikely, rehefa miha-mitombo taona ny zaza, manomboka eo @ 13 taona eo, dia manomboka mamaly @ fomba maro samihafa. Mitombo ny taona arymanomboka leo izy.

Rehefa manomboka manontany ny renim-pianakaviana hoe taiza ianao? Maninona no izao vao mody?Eo ny ankizy dia manomboka mandainga: mbola nanao an’izao sy izao izahay tany am-pianarana.

Dia miteny ny akizy manao hoe “mankaleo be mamanay”. Dia tantarainy @ namany any hoe tsy  mampite-hody intsony. Dia arakaraky ny hitomboan’ny taona dia mandeha manambady amin’izay. Eo vao tonga saina mahatsiaro  fa “marina ihany ny tenin’I neny”.

Rehefa kelikely mandroso ihany ny taona, rehefa  afaka 10  na 15 taona dia mahatsiaro ny reniny any anaty tokantrano any.  Manomboka tonga saina ka miteny hoe “Handeha hamangy an’I neny any an-tranony”. Dia lasa mandeha mankany aminy.

Rehefa tonga eo @ 60 taona eo I neny: ‘n’inon’inona ilaina  dia hataoko daholo daholo mba tsy ahafaty an’ity reniko ity”. Any vao tong saina fa sarobidy ny reny, fa io reny io dia  be fitiavana.

Ny zanaka raha mbola kely dia tsy  mahatsapa akory hoe fa maninona I neny no  tsy mitsahatra miteny.

Fa matoa ny reny miteny dia satria ao ny fitiavana.  Sambatra isika raha mbola manana reny afaka miteny. Fa raha reny ka tsy miteny manoloana ny hadalana ataon’nyzanany dia efa tsy reny intsony izay. Raha to any reny ka mapihanta ny zanany, na inona na inona ditra ataon’ny  zanany dia takonany ao fona io, dia mandavaka lavaka handetehana ny zanany izy izay, raha ny reny no tsy miteny manoloana ny tsy zavatra tsy mety ataon-janany.

Ankehitriny dia misy ny milaza sy mihevitra hoe ny ankizy dia tsy azo kapohina intsony. Fa inona nahahendry antsika olon-dehibe ireo?

Marina  fa  ny kapoka akory tsy voatery hoe ahahendry, fa ny fitenintsika Malagasy kosa milaza hoe ‘ny zanaka tiana tsy itsitsiana rotsan-kazo”. Zanaka tsy tiana matoa tsy tenenina.Mampiditra ny zanaka anaty hady  rahatoaka tsy miteny. Ary izay no tadiavintsika zanaka: fahafoizantenan’ireo reny ireo.

Tantara kely iray:

Tamina fiangona iray dia misy lamesa roa.Dia  ny renin-mpianakviana t@ zanany ‘ianao anaka  tsy mivavaka izao maraina izao fa @ atoandro ianao vao mandeha mamonjy lamesa”.  Tezitra t@izany ilay ankizy. Dia lasa izy ary nataony daholo ny rahraha rehetra tao an-trano.

Nony tong any ray aman-dreniny dia nila za hoe “mimàna amin’izay ianao raha handeha hivavaka”. Eny, hoy ilay ankizy, fa loan’ny handehanako hivavak dia indro ito misy Faktiora dia haloanao daholo ireto aloha:

  • Karamako  nanadio trano, ny efitra tsirairay
  • Karamako nanasa lovia
  • Karamako namafa ny latabatra rehetra feno vovoka
  • Karamako namafa tokontany, sns rehetra.

Nahatra ateo @ 20.000 Ar teo ilay izy. Io ry neny ny karamako; hoy ilay zaza.

Gaga sy talanjona fotsiny ny reninyka  niteny hoe “Eny ary, aleo ary fa haloako ny karamanao, fa mba anjarako indray izao ny mangataka ny karamako aminao”, ireto avy:

  1. Karamako nitondra anao 9 volana tao an-kibo satria tsy mora mihitsy izany : nisotro ranotsy tiana, niankin-drindrina irery
  2. Karamako niteraka anao satria tsy moramora izany
  3. Karamako nitaiza anao
  4. Ny vola lany rehetra nitsaboana sy nanafiana ary namelomana anao h@izay ka h@izao, raha to aka atao hoe 3.00 Ar isan’andro. Raha atao ny kajikajy, ohtarinona?
  5. Ny vola lany t@ fampianarana anao

Ataony ny kaonty fa haloako ny 20.000 Ar ho anao  – fa aloavy kosa ny ahy ireo avy eo.

Dia tsy nahateny intsony ny zanany.

Irero ray aman-dreny ireo, indrindra fa ny reny izay mankalaza ny fetiny anio, tsy tsapantsika ny karazana matetika asa madinidinika ataon’ny renim-pianakaviana ao an-trano ao; fa ny ataontsika zana matetika dia tsy mahatsapa akory hoe inona no lanjan’ity reny ity.  Firy ny olona notsy manana reny intsony? Raha mbola velona ny reny, hajao izy.

Tantara kely iray hafa mikasika ny renim-pianakaviana ihany koa.

Tao amina tokantrano iray, avy nandany volabe nandoko trano izy miakavy.Ary mbola nisy ambiny ny loko. Andro manakaiky ny fetin’ny reny t@izay.  Roa lahy ny zanak’izy mivady. Dada sy neny nandeha niasa. Dia ilay faralahy 5 na 6 taona teo, lasa izy nandeha naka ilay loko ka nanoratsoratra t@ rindrina tao amin’ny efitra misy ny dada sy neniny izay tena efa vita loko tsara be. Nahita izany ilay zokiny, teo @ 15 taona teo h oeo, vao tonga ny ray aman-dreniny dia nilaza hoe : “ andao ianareo raha hijery fa feno soratra ny rindrina ao a@efi-tranonareo”. Notadiavina ilay zanany faralahy izay nanoratra an’izany.Tsy hit any nalehany, kanefa efa nitondra hazo hikapohana azy ny reniny satria trano vao nolokoina tsy ampi herinandro akory dia nosoratsoratany. Farany novohàna ny efi-trano, ilay zazalahy kely niafina tany ambany fandriana, ny tanany sy ny akanjony feno loko avokoa. Fa ny soratra teo amin’ny rindrina kosa dia hoe “MAMAN, JE T’AIME” .

Nahitaan’izay ilay reniny saika hikapoka an’ilay zanany dia nilatsaka ho azy ilay hazo, ary nitomany izy satria ilay zanany mahatsiaro, hoe tia azy ilay zanany. Na dia  fenosoratsoratra azy ilay ridrina, kanefa izay no mba hanehoan’ny zanany ny fitiavana ny reniny.

Misy  fomba maro, rehefa fetin’ny reny tahaka izao, ny manome fanomezana. Tsy voatery ho zavatra tena lehibe. Mety maro amintsika no manontany tena hoe inona ny “surprise” ataon’I Mopera, tsy mbola hay izay hitranga eo. Isika moa tsara vintana androany, ary isaorana ny fanilo izay manomana fanomezana amidy, azonareo vidiana homena ny reny, ho anareo izay tsy mbola afaka nanomana tany an-tranony, homena ny reny.

Fa dia hivavaka isika ho an’ny reny rehetra satria ny fitiavan’izy ireny, dia tsy mba voavidim-bola. Tsy mbola nisy ka hoe tsy ti any zanany. Fa isika zanaka tokony ahatsapa an’izay mandrakariva.

Resaka Facebook