Alahady fahaefatra ny paka – 11/05/2014 – Toriteny

FETIN’NY MPIANDRY ONDRY TSARA  –  ANDRON’NY FIANTSOAN’ANDRIMANITRA

Rehefa andro toy izao dia misy sokajin’olona tsongaina manokana, na manolo-tena manao fijoroana vavolombelona. Ao ohatra ireo izay manoka-tena ho an’Andriamanitra, ao ireo mijanona ho toka-tena tsy manam-bady, ary ao ireo miroso amin’ny fanambadiana kristianina.

Raha misy terem-panahy anio hanao izany fijoroana vavolombelona izany, dia raisina an-tanan-droa mba hitantara sy hizara ireo dingana nodiaviny teo amin’ny tantaram-piainany.

Fa ilaintsika izay zavatra izay, satria antson’Andriamanitra avokoa, na ny fanambadiana aza.

Eto ary Jesoa dia miteny amin’ny Evanjely.  Miresaka amin’ireo farisianina Izy. Indraindray io adinontsika, fa io filazana mialoha io hoe “tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’ny farisianina”,tamin’ny vahoaka’,ary tamin’ny mpianatra” – dia nanambara fa miova ny fitenin’I Jesoa arakaraky ny olona izay iantefan’ny fampianarana.

Ka fanoharana no ataon’I Jesoa ,miantefa amin’ireo farisianina.

Fa iza moa ny farisianina?

Ny farisianina  dia ireo mpitondra fivavahana tamin’izany andro izany. Ireo no mahay tsara ny momba ny lalàna, ary fatra-pitandrina ny lalàna. Fa indray andro Jesoa niteny tamin’izy ireo nanao hoe: “Loza ho anareo ry farisianina fa mpitari-dalana jamba ianareo: terenareo ny olona hitondra enta-mavesatra, fa na ny ankihikelinareo aza tsy mitondra an’izany akory”.

Ny farisianina dia kilasian’I Jesoa ho toy ny mpiatsaravelatsihy,toy ny mpitari-dalana jamba: miteny fotsiny izy fa tsy manao. Ny misehoseho ho hitan’ olona, izay no mahafinaritra azy.

Izy ireo no nitory tamin’izany andro izany, izy koa no nampianatra ny lalàna, nanaraka ambokony ny lalàna.

Dia miteny amin’ireo farisianina ireo Jesoa.Ny fampianarana nataony dia mikasika ny mpiandry ondry.

Jesoa miteny karazana zavatra anankiroa eto,Eo ny mpiandry, ary eo ny jiolahy. Misy karazan’olona roa ireo.

Mba ahazoantsika azy tsaratsara kokoa dia fintinana aminareo fohifohy hoe manao ahoana ny fiainana tamin’ny andron’I Jesoa satria ny jody dia efa hatramin’ny razambe taloha, taminy Abrahama, dia mpiandry ondry no asany. Ary efa zatra any io raharaha  miandry ondry io ny jody.

Rehefa hariva ny andro, izy ireo moa efa manana vala, arakaraka ny habetsaky ny ondry ny halebeny, ary mitambatambarta izany vala izany. Mety misy mpiandry ondry folo ao na roapolo. Mety misy ny manana ondry zato isa sns….Dia manao vala tokana izy ireo, ka alefa ao anatin’izany ny ondry rehetra. Fa misy olona anankiray kosa miandry eo ambaravarana, »mpiandry vavahady ».  Ny anton’io dia ny mba ahafahan’ireo mpiandry ondry mifandimby, satria ny mpiandry vavahady dia tsy matory fa miandry eo. Ka arakaraky ny isan’ny mpiandry ondry ny isan’ny anjara  fiverenana amin’ny fiandrasana ny  vala.

Rehefa maraina ny andro dia tonga ary miditra ny mpiandry ondry. Miditra amin’io vavahady io izy ary miantso  ny ondry aminy anarany avy ka mitondra azy mivoaka. Ary rehefa avy eo izy dia mialoha lalana, ka ny ondriny dia manaraka azy avy ao aoriana.

Tsy dia mahazatra antsika io satria tsy mba toy izany ny fomba fanaontsika. Ny antsika manko tsy hoe miandry ondry fa miandry omby, izay no nahazatra antsika.

Rehefa mamoaka omby ao am-bala dia vohàna ny vala ary roahana ny omby. Dia ny mpiandry kosa manaraka avy ao aoriana, mitoraka na mikapoka mba handrosoany.

Ny ondry kosa anefa dia tsy mba tahaka an’izay. Izy ireo dia mahalala ny feon’ny mpiandry azy. Ary ny mpiandry dia mahalala ny ondriny tsirairay avy. Mandeha izy mivoaka ny vavahady dia ireo ondriny ireo manaraka azy, tsy manaraka olon-kafa mihitsy ny ondry, fa izay fantany feo ihany no arahany.

Ka ny mpiandry ondry dia mahafantatra rehefa miditra sy mivoaka ny vavahady. Ary raha nihaino tsara isika dia misy mampiavaka azy ny mpiandry ondry sy ny jiolahy.

Inona no mampiavaka azy ireo?

=> Tsy inona tsy akory fa ny fomba fidirana ao am-bala. Ny mpiandry ondry dia miditra amin’ny vavahady ka ny mpiandry vavahady dia mahalala azy.  Fa ny jiolahy kosa dia mihoatra ny vala izy.

=> Tahaka antsika ihany io, raha manana trano mifefy tamboho isika, ny tompon-trano  dia manana ny fanalahidy ka miditra amin’ny vavahady. Fa ny jiolahy kosa tsy mba manana ka mihanika tamboho.

Dia inona no tian’i Jesoa ambara eto satria tsy azon’ireo farisianina ireo izany?

=> Farany dia nanazava I Jesoa : “Izaho no vavahady ny ondry, mpangalatra sy jiolahy izay tonga teo alohako satria tsy nihaino azy ny ondry. Ny jiolahy no tonga dia mba hamono sy handringana, fa izaho kosa no tonga dia ny mba hananan’ny ondry ny fiainana ary ny mba hananany azy be dia be”.

Dia inona no ifandraisan’izany amin’ny fiainantsika?

I jesoa no mpiandry ondry tsara. Mahalala ny ondriny >Izy no miantso azy ireo amin’ny anarany avy.

Fantar’i jesoa isika tsirairay avy ireo. Fantany ny anarantsika  rehetra. Tsy misy miafina aminy ny fiaiantsika tsirairay avy. Jesoa mahalala ny hery sy ny  fahalemantsika tsirairay avy. Haintsika tsara ny Salamo: “Miakara aminy toerana ambony dia ambony … trotroy izay kely sy mbola minono…ireo reniondry roahiny mora” .Izany hoe fantany ny mikasika antsika, antsoiny amin’ny anarantsika isan’andro isika. Ka arakaraka ny halementsika, ny tanja-tsika, no hitondrany antsika tsirairay avy.

=> Izay osa sy malemy trotroiny.

Izay hitany fa mihamatanjaka kosa, tsy mila atao an’izay intsony fa  manaraka mora eny.

Dia aoka tsy hitomany randrana tsy manahaka ny tena. Indrindray isika mety ho gaga hoe fa maninona no tahaka izao no hitondran’Andriamanitra ny fianako? Fa maninona ranona no tahaka an’izao?Zavatra mety hisy sy hitranga izany.

Eo ny  mpiandry ondry izay napetraky ny fiangonana, ianareo mahita tsara, fa tsy mitovy avokoa ny fomba handraisana ny ankizy, na ny tanora, na ny olon-dehibe.

=> Mba hanao ahoana re isika raha toa ka tahaka ny fitondrana ny ankizy no itondrana antsika rehetra? Maro amintsika no handositra.

=> Raha hatao tahaka ny fitondrana ny antitra ny fitondrana antsika?

=> Raha atao mitovy amin’ny fitondrana ny tanora rehetra ny fifandraisantsika, dia mba hanao ahoana koa re isika?

Ka izay no fomba fitondran’I jesoa antsika tsirairay avy.

  • Izay mbola kely sy mbola minono dia trotroiny
  • Ireo izay matanjaka manaraka moramora.

Izay ny mpiandry ondry tsara.

Ary araka ny voalazan’I Jesoa teo, Izy no tonga dia ny mba hananany ondry ny fiainana ary hananany azy be dia be. Fantaro koa fa tahaka izay Andriamanitra rehefa manome.

Andriamanitra rehefa manome, tsy mba manome zavatra kely.

Mandray ohatra vitsivitsy isika ao amin’ny Evanjely:

  • Jesoa nanova ny rano ho divay tao Kanà. enin-jato litatra no nomeny an’ireo olona ireo ka nahatonga ny mpandahatra ny fanasana niteny hoe”ny tsara dia notazoninareo mandrak’ izao”.
  • Rehefa nanjono ny mpianatra dia hoy Jesoa: “Alatsaho eo ankavanan’ny sambo ny haratonareo”. Saika rendrika ny sambo satria feno trondro.
  • Ilay vehivavy samaritanina tonga haka rano, Betsaka ny azony tamin’i Jesoa ka hadinony hatraminy siny.
  • Jesoa rehefa nampitombo mofo dimy sy hazandrano roa ho any olona; dimy arivo lahy. Roa ambinifolo sobika ny ambin’ny tsy lany.

Santionany ihany izany. Fantaro fa mihoatra lavitra noho izay no omen’Andriamanitra antsika, mba hananantsika ny fiainana ary hananantsika azy be dia be.

Niteny Jesoa: “Izaho no vavahady, Izaho no varavarana.”

Adala ny olona raha manao trano ka tsy asiany varavarana na varavaran-kely. Na ny tranon’omby aza dia misy varavarana.

Fa misy ny varavarana natao hidirana sy ivoahana ny trano iray. Jesoa io varavarana io.

Jesoa no varavarana mampiditra antsika ao amin’ny fiainana. Ny farisianina dia tsy nitondra ny vahoaka hiditra amin’ny varavarana. Matahotra ny ho very tombontsoa ny farisianina ka nitondra ireo olona ireo ho @amin’ny lalan-kafa. I Jesoa anefa milaza hoe : “Izaho no varavarana”.

Ao aoriana kely,  Md Joany dia milaza hoe: “Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana” – ary  “Izaho no mofon’ny Fiainana”.

Fa eto kosa izy Jesoa dia miteny hoe “Izaho no varavarana”.

=> Raha tsy miditra amin’i Jesoa isika dia tsy afaka ny hiditra ao amin’ny fiainana. Ka io varavarana io dia efa nisokatra nandritra ny taonjato maro. Ary hisokarta mandrakizay io varavarana io. Anjarantsika ny misafidy ny hiditra sa tsy hiditra ny varavarana.

=> Indraindray mety hiteny isika hoe aleo hiandry farany, aloahany hialàna eto an-tany isika izay vao hiditra amin’io varavarana io. Tara loatra. Fa dieny izao isika dia efa misafidy ny hiditra  ny varavarana.

I jesoa ary no mpiandry ondry tsara.Izy no varavarana mampiditra sy mamoaka antsika.

Manome fahafahana antsika Andriamanitra – tsy manery antsika Izy fa misafidy isika fa ny varavarana dia misokatra isan’andro isan’andro ho antsika. Ary I Jesoa isan’andro dia miantso antsika amin’ny anarantsika tsirairay avy.Andian’ondrin’Andriamanira .

Fetin’ny mpiandry ondry tsara androany.Fetin’ny fiantsoan’Andriamanitra. Hitondrantsika am-bavaka ireo manoka-tena rehetra hanompo sy hanara-dia akaikikaiky kokoa an’I Jesoa amin’ny fanokanan-tena ho an’Andriamanitra.

Fa isan’ny antson’Andriamanitra avokoa na dia ny fiainana ao an-tokantrano aza. Ny mpiandry ondry dia mahafoy ny  ainy ho any ondriny. Izay ny mpiandry ondry tsara.

Tahaka izay koa, eo ianareo ray aman-dreny, mpiandry ondry tsara ihany koa ianareo. Nanankinan’Andriamanitra ireo zanaka ireo.

Resaka Facebook