Alahady fahaefatra karemy – 06/03/2016 : Toriteny

« Faly ny Ray nandray ilay zaza mpandany nahalala nody »

Foto-kevitra
Foto-kevitra

Evanjely efa fandretsika matetika ary efa haintsika tsianjery ny tantaran’ilay zaza mpandany. Fa mialoha ny hiresahantsika azy ity dia tsy azo adino ilay fanombohana teo: nanantona hiaino an’I Jesoany Pôblikana sy ny mpanota. Fa rehefa nahita an’izay ny mpitondra fivavahana tamin’izany andro izany, ny farisianina sy ny mpanora-dalàna, dia tezitra.

Fa maninona Jesoa no mandray ny mpanota? Ary tsy vitanizany ihany fa mbola miara-mihinana amin’izy ireo. Nahoana Jesoa no manao an’ity fihetsika ity.

Dia io fomba fitsaran’ny farisianina io no nahatonga an’I Jesoa hanao fanoharana telo (3) indray mitambatra:

  1. Mikasika ilay ondry very (zato ka very ny iray)
  2. Mikasika ilay voahangy sarobidy folo (10) ka very ny iray
  3. Zaza mpandany.

Ireo fanoharana telo ireo dia samy maneho zavatra iray very ary rehefa hita dia hanaovana fifaliana, fety, hanasana olona. Na ilay ondry zato ka very ny iray, avy eo lasa izy nisahirana nitady azy ka rehefa hita dia nataony an-tsoroka dia niantso izy mba hifaly. Tahaka izany koa ilay vehivavy nanana voahangy sarobidy 10 ka very ny iray: nisahirana izy, namafa ny trano, nanadio nitady, avy eo rehefa hitany dia niantso ny namany izy hiara-mifaly fa hita indray ilay voahangy iray very. Ary ny fahatelo kosa dia ilay zaza mpandany: zanaka nitoetra teo anatrehan’ny rainy no lasa handeha: “omeo ahy ny anjara fananana tokony ho ahy”. Fa rehefa avy noteren’ny fiainana tany dia niverina. Rehefa niverina izy dia hitantsika teo ny hafalian’ilay ray: manao fety.

Fa ny tsy maintsy apetratsika an-tsaina ny anton’ity tantara ity dia noho ny fialon’ny mpitondra fivavahana tamin’izany andro izany rehefa nahita an’I Jesoa nandray ny mpanota sy niverina teo aminy.

Raha iverenantsika ny Tenin’Andriamanitra; rah any vakiteny voalohany sy vakiteny faharoa dia mampiseho fa tsy mivadika amin’ny fampanantenany Andriamanitra. Tao amin’ny bokin’I Josoe tamin’ny vakiteny voalohany teo, rehefa tafiditra ny tany nampanantenaina ny vahoaka; 40 taona tany an’efitra, rehefa niampita ny onin’I Jordany ka tafiditra tao amin’ny tany nampanantenaina dia nanao ny fankalazana ny Paka I Josoe niaraka tamin’ny vahoaka. Tapitra hatreo ny fisian’ny màna satria rehefa nihinana ny vokatry ny tany tao amin’ny tany nampanantenaina ny vahoaka dia foana hatreo ny màna izay nohanin’ireo tany an’efitra. Izany hoe Andriamanitra mitàna mandrakariva ny fampanantenàny. Matoky Andriamanitra amin’ny fampanantenàna satria io tany io efa nomen’Andriamanitra, nampanantenainy tamin’ny andron’I Abrahama: “ity tany izay onenanao ity dia homena anao sy ny taranakao ho lovanao”. Fa nandritra ny 800 taona eo ho eo dia very tany ny zanak’Israely, tsy tafaverina. Fa mitàna ny teny fampanantenàna Andriamanitra.

Dia voalaza koa izany ao amin’I Md Paoly ao amin’ny vakiteny faharoa teo.

Tao amin’ny Evanjely doa mbola maneho an’izay: Andriamanitra mitàna mandrakariva ny maha-izy Azy. Hitantsika ny tantara.

Iverenantsika ny fanoharana mikasika ny zaza mpandany. Ao ny toetran’ny ray manoloana ilay faralahy. Hitantsika koa ny toetrany manoloana ilay lahimatoa. Fa ni itovizana dia samy tian’ilay ray ireo zanany roalahy ireo, tsy misy niangarana. Ao amin’ny fizarana voalohany ny toetr’ilay zaza mpandany: “dada ô, omeo ahy ny anjara fananana tokony ho ahy” è maneho fitsipahana ny ray izany. Mbola velona ny ray dia efa miady lova izy.

Fa ahoana kosa ny toetr’ilay ray? Tsy naka sarotra izy fa nomeny. Rehefa nanangona izy dia lasa amin’izay nandeha. Dia tantarain’I Jesoa ao amin’ny fanoharana ny fomba nandaniany ny anjara lovany: namidiny dia lasa izy niliba, nihinana, nisotro, nandany ny volany tamin’ny fitondran-tena ratsy. Mampatsiaro ny toriteny nataona mopera iray izay : “tsy mba nampitombo ilay anjarany fa nandàny”. Ny vola sy ny harena dia manam-pahalaniana. Raha fetsy izy izy rehefa azo ny anjara lova dia mba nampitombo ny vola. Fa ny nataony dia tsy mba nieritreritra mihitsy ny ao aoriana. Lany ny eo am-pelatanana vao tonga saina, efa zatra nihinana, zatra nitafy fotsiny amin’izao, izay vao tonga saina hoe inona no hohanina.

Rehefa teren’ny hanohanana dia tsy maintsy mitady zavatra ahafahana mihinana. Dia lasa nandeha nikarama. Rehefa nikarama dia mpiandry kisoa no asa nomen’ny olona azy. Olona nanana ny toeram-boninahitra lasa nikarama miandry kisoa. Nefa ny kisoa any Israely dia biby maloto. Ary tsy vitan’ny niandry kisoa, fa rehefa noana ka nahita ny kisoa mihinana eo amin’ny tavy dia naniry te hihinana ny hanin-kisoa koa. Efa loza anie izany e! fa ilay zazalahy ity, na naniry hihinana ny hanin-kisoa aza dia tsy nomen’ny olona izany. è latsaka ambany noho ny biby ilay faralahy. Io no nahatonga saina azy : “firifiry akory ny mpikaraman’I dada manan-kanimb-be, nefa izaho kosa ity na ny hanin-kisoa aza tsy avelan’ny olona hohaniko, hitsangana aho!”. Teo vao tonga saina: “hitsangana aho handeha hody any amin’ny raiko, hilaza aminy hoe dada ô, efa nanota teo anatrehan’ny lanitra sy teo anatrehanao aho ka tsy mendrika ny antsoina hoe zanakao intsony, fa mba ataovy tahaka ny iray amin’ireo mpanomponao re aho”. Izy ihany dia efa nahatsapa an’izay zavatra tsy nety nataony izay.

Misy zava-mitranga eo amin’ny fiainantsika, teren’ny fiainana isika vao mahalala mitodika mankany amin’Andriamanitra. Rehefa mety ny fiainantsika indraindray dia toa mandeha ho azy, tsy tsaroantsika ny halehibe sy halalin’ny fitiavan’Andriamanitra. Fa ity, rentsika teo, teren’ny fiainana sy ny hanohanana izy dia lasa nandeha nidodododo nitodika any amin’Andriamanitra. Ary eo no araraotin’ny Sekta: rehefa ao anatin’ny fahasahiranana isika, anatin’ny olana dia avy izy ireo mandrebireby antsika. Raha te hahita asa ianao, te hahazo an’izao sy izao da mivavaha aty. Rehefa teren’ny fiainana vao mahalala mandeha mitady hoe aiza Ianao Andriamanitra.

Fa manao ahoana indray ny toetry ny Ray? Rehefa niverina ilay zanaka! Mbola lavitra dia efa tazany ny zanany. Efa niova ny endriny: ny volo mety ho efa lava, ny fitafiana, na izy aza efa mety ho tsy manao kapa intsony, efa lasa nahia; fa mbola lavitra izy dia efa fantatry ny rainy. Hay ity ray ity raha vao lasa teo aminy ity zanany dia efa niandry izy, nanantena sy nihevitra fa tsy maintsy hiverina eo aminy ity zanany ity. Izy indray no nihazakazaka nidodododo nitsena azy. Ny fihetsika nataony: namihina azy, nanoroka azy. Tsy nisy fotoana akory ilay zanany hitenenana, hifona; fa noho izy niverina dia avy hatrany dia namihina sy nanoroka azy ny rainy. Izay izy vao niteny: “dada ô, efa nanota teo anatrehan’ny lanitra sy teo anatrehanao aho ka tsy mendrika ny antsoina hoe zanakao intsony” notahan-drainy teo ilay teniny satri ny tohiny dia hoe “fa mba ataovy tahaka ny iray amin’ireo mpanomponao re aho”.

Fa ny tenin’ilay ray dia hoe: “alao haingana ny akanjo ampiakanjoy azy, asio peratra ny ratsn-tanany è averina amin’ny voninahitra mahazanaka azy izy; kiraroy ny tongony, alaivo ny zanak’omby matavy fa ity zanako ity dia maty ka velona indray, very ka hita indray.

Nanao fety izy noho ny fiverenan’ity zanaka. Ilay zanaka tsy nieritreritra intsony hoe handray azy ny rainy; hifona. Fa ilay ray dia namelatra ny tanany nandray azy rehefa niverina izy, ary nanao fety lehibe.

Ka ny dikan’izay: tsy ilay zanaka no mpandany fa ilay Ray. Ilay Ray no mpandany ny fananany, ny fitiavany, ny indrafony amin’ny zanaka.

Io no toetr’Andriamanitra amintsika mpanota.

Isika indraindray milaza:

  • Ataoko ahoana ny hiverina amin’Andriamanitra?
  • Izao no fahotana nataoko, izao no toetrako, miverimberina foana ity fahotàko ity, izaho latsaka amin’ity fahotana ity mandrakariva; Andriamanitra ve mbola hamela ahy?
  • Ahoana no hiandrandrako ny faimndrampon’Andriamanitra?
  • Misy zavatra efa nikônfeseko fa ohatra ny tsy milamina mihitsy ny saiko fa ho voavela ve ny fahotako?

Fa io ny toetran’Andriamanitra io: mamindra fo tsy misy fetra.

Ny anankiray, ilay lahimatoa; ahoana ny toetra nasehon’ilay ray taminy? Tany an-tsaha izy tamin’io fa rehefa niverina hody dia naheno feo: fety. Dia nampiantso ny mpanompo izy fa misy inona? Dia : indro nody ao an-trano ny zandrianao! Tezitra izy. Tsy nety niditra.

Ny nahatezitra azy dia ilay zandriny efa naka ny anjara lovany, nandany izany ka rehefa avy eo niverina dia mbola hanaovana fety ihany. Ahoana koa izay?

Dia nivoaka ny rainy nampandroso azy: “ianao anaka eto amiko mandrakariva, anao avokoa izay rehetra ahy; fa mety kosa ny manao fety fa io zandrinao io dia maty ka velona indray, very ka hita indray”. Nalahelo izy satria niverina ilay mpandany ny fananana.

Tsy tsapany akory izay halehiben’ny fitiavan’ny ray azy, ka nahateny izy hoe: “indro efa firy taona no nanompoako anao (tsy tsapany akory hoe zanaka izy fa mihevitra ny tenany ho mpanompo), tsy mba nomenao na dia zanak’osy iray akory hifaliako amin’ny sakaizako, fa rehefa tonga kosa io zanakao io izay avy nandany ny fananany tamin’ny fitoendran-tena ratsy sy ny vehivavy janga dia namonoanao omby matavy!?!”

Malahelo satria nandray ny zanaka izay nandany ny fananana ity rainy.

Izay ny toetran’Andriamanitra: lehibe ny famindram-pony, mandray ny mpanota ary ireo izay mihevitra ny tsy ho mpanota dia eo anatrehany mandrakariva, toy izany koa ireo mihevitra manakatra hoe hatraiza ny fitiavan’Andriamanitra. Isika matoa tahaka an’io dia mitovy amin’ilay lahimatoa isika: omen’Andriamanitra antsika isan’andro ny fahasoavany tsy tambo isaina. Fa indraindray hadinontsika fa avy amin’Andriamanitra anie izao. Aoka ho tsaroantsika ny tenin’ilay ray: “Ianao anaka dia teto amiko mandrakariva ka anao avokoa izay rehetra ahy”. Io fahasoavana omen’Andriamanitra mandrakariva antsika tsy tapaka; mety kosa ny manao fety hoy ilay rainy fa ity zandrinao ity dia maty ka velona indray ary very ka hita indray. Izany hoe fety mandrakariva rehefa miverina amin’Andriamanitra ny mpanota.

Ka amin’izao fotan’ny Karemy izao, indrindra amin’izao vanim-potoan’ny famindrampon’Andriamanitra izao, dia ity tantara iray tsy maintsy dinihantsika mandrakariva mba tsy ho kivy isika ka hilaza hoe “izao izay mpanota, izao no halehiben’ny fahotako, nahoana Andriamanitra no tsy hamela ahy?”

Mamela mandrakariva Andriamanitra.

Dia hoy isika hoe izay ilay tantaran’ilay zaza mpandany. Fa ilay Ray no tena mpandany ny indrafony.

Fa amin’ny androntsika ankehitriny, mbola mipetra ny tantaran’ity zaza mpandany ity. Efa hitanareo tany amin’ny fahitalavitra tany angamba izy ity; izaho moa tsy nahita fa resaky ny olona no nahenoako ny tantara dia amboariko araka izay fahaizako azy eo handinihantsika hoe mbola iainantsika ankehitriny na tanora na olon-dehibe aza, izany hoe toetry ny zaza lmpandany izany. Toy izao izany:

Nisy raim-pianakaviana iray maty vady ka izy irery no nitaiza ny zanany vavy. Ka rehefa miha-mitombo miha-lehibe, miha-tanora dia ao ilay fitiavana hantahanta sns. Mandeha mianatra any amin’ny sekoly tsy miankina dia mahita ny ankizy manana fitaovam-pianarana tsara. Dia rehefa tonga any antrano dia milaza amin’ny rainy “dada mba ividiano an’ilay kitapo tahaka izao aho”. Ny asan’ny rainy anefa amin’io dia mitondra ireny Bajaj ireny. Io no iveloman’izy mianaka. Mandeha ny fotoana dia mangataka hividianana zavatra maro ity zanaka mahita ny haitraitran’ny tanora, ka mba te hitovy amin’ny hafa. Ny rainy anefa sahirana. Nony farany dia nahita an’itony telephone tactile avo lenta itony, ny namany manana ka mba nangataka ny hividianana izy. Dia ilay rainy milaza hoe “tena tsy manambola isika”. Dia nitomany nidongy be ny zanany vavy. Nalahelo ny rainy ka tamin’ny fotoana nandehanany nianatra dia namidiny avokoa ny zavatra tao an-trano mba hividianana ity finday avo lenta, hatramin’ny fandrahoana hanina sns rehetra. Tsy nisy afa-tsy latabatra, seza, fandriana tao an-trano. Dia lasa ilay rainy nividy an’ilay finday ho an’ny zanany.

Niverina avy nianatra ilay zanany dia nahita ny trano banga be ka nanontany nankaiza ny entany? Ny fahitalavitra? Izaho ve dia tsy hijery fahitalavitra rahariva? Dia novalian’ny ilay rainy hoe namidy mba ahafahana mividy finday avo lenta ho anao anaka.

Tezitra ilay zanaka vavy. Fa noraisiny ihany ilay izy. Izay ilay zaza mpandany. Fa nony avy eo, nalahelo loatra ity rangahy satria tsy mba nisy fisaorana akory rehefa nomena azy izay notadiaviny, nefa ny ahafaly azy no nataony, tsy nisy fankasitrahana. Lasa niverina nandeha nikarama izy nitondra ilay Bajaj. Nefa noho ny alahelony teny an-dalana ka nitomany dia nanao lozam-pifamoivoizana izy. Maty tamin’izany ilay rangahy.

Fa mba hanao ahoana kosa ilay zanany vavy avy eo?

Fa endriky ny zaza mpandany io. Amin’ny androntsika ankehitriny, mbola misy izany. Firifiry akory ny tanora; ary mbola hodinihinareo ankizy izany anio.

Mandinika tsara isika ny zavatra angatahantsika amin’ny ray aman-dreny; ny fiainana efa mihasarotra ankehitriny nefa mbola maro be ny zavatra dongiantsika amin’ny ray aman-dreny.

Fa tadidio sao dia manao endrik’ilay zaza mpandany isika! Mety misy koa ny hoe tsy eon y ray fa ny renim-pianakaviana no mitaiza. Aiza no ahitan’ny renim-pianakaviana hivelomana? Fa mbola misy zanaka manao tahaka an’io ihany koa: zaza mpandany.

Endriky ny famindram-pon’Andriamanitra ilay raim-pianakaviana tamin’ny tantara noresahako taminareo teo: maneho ny endriky ny fitiavan’Andriamanitra antsika mpanota. Rehefa miverina anefa isika, Andriamanitra vonona mandrakariva handray;

Amin’izao taonan’ny faminadram-pon’Andriamanitra izao, aoka isika tsy hisalasala: n’inon’inona halehiben’ny fahotantsika, n’inon’inona fihevrantsika fa tsy mendrika intsony izany famindram-pon’Andriamanitra izany, miverena amin’Andriamanitra fa fotany izao. Andriamanitra mamindra fo na inona na inona fahotantsika.

Dia aoka ho tanteraka izany amin’ny anaran’ny Ray, sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, Amen.

Resaka Facebook