Alahady fahaefatra karemy – 06/03/2016 : Tenin’Andriamanitra

Vakiteny voalohany: Bokin’i Jôsoe (Jôs. 5, 9a. 10-12)

Nankalaza ny Paka ny vahoakan’Andriamanitra, rehefa tafiditra tao amin’ny tany nampanantenaina.

Tamin’izany andro izany dia hoy ny Tompo tamin’i Jôsoe: “Noesoriko ho afaka taminareo androany ny fahafaham-baraka tany Ejipta”. Dia natao hoe Galgalà mandraka androany izany toerana izany. Nitoby tao Galgalà ny zanak’i Israely, dia nanao ny Paka, tamin’ny andro fahefatra ambin’ny folon’ny volana, rehefa harivariva ny andro, teo an-tany lemak’i Jerikô. Ny ampitson’ny Paka ihany no efa nihinanany mofo tsy misy lalivay sy lango, tamin’ny vokatry ny tany. Ary ny ampitson’ny Paka, rehefa nihinana tamin’ny vokatry ny tany izy, dia nitsahatra ny mana; ary tsy nahazo mana intsony ny zanak’i Israely, ka dia ny vokatry ny tany Kanaana no nohaniny tamin’izany taona izany.

Vakiteny faha-2: Taratasy faharoan’i Md Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (2 Kôr. 5, 17-21)

Andriamanitra nampihavana antsika aminy, tamin’ny alalan’i Kristy.

Ry kristianina havana: na iza na iza ao amin’i Kristy, dia zava-boaary vaovao izy, ka lasa ny zavatra taloha; fa indro tonga vaovao ny zavatra rehetra. Ary tsy iza no niavian’izany zavatra rehetra izany, fa Andriamanitra, izay nampihavana antsika aminy indray tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy, sady nanome anay ny fandraharaham-pihavanana; satria Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao aminy indray, tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy, ka tsy nitana ny fahotan’ny olona, sy nametraka ny teny fampihavanana taminay. Koa sady solon’i Kristy àry izahay no irak’Andriamanitra koa, ka tahaka an’Andriamanitra no mananatra, sy toy ny Tenan’i Kristy no mihanta aminareo hoe: “Mihavàna re amin’Andriamanitra ianareo!” Fa he ity Izy: Ilay tsy nahalala ota, dia nataony ota ho antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy isika!

Evanjely Masina nosoratan’i Md Lioka (Lk 15, 1-3. 11-32)

Io rahalahinao io, dia maty ka velona indray.

Tamin’izany andro izany dia nanatona an’i Jesoa ny Poblikanina sy ny mpanota ka nimonjomonjo ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna nanao hoe: “Ilay ity mandray ny mpanota sy miara-mihinana aminy”. Dia nanao ity fanoharana ity tamin’izy ireo i Jesoa nanao hoe: Nisy lehilahy anankiray nanan-janaka mirahalahy, ka hoy ilay zandriny tamin-drainy: “Dada ô, omeo ahy ny anjara fananana tokony ho ahy”. Dia nozarainy tamin’izy roa lahy ny fananany. Nony afaka andro vitsivitsy, dia nangonin’ilay zandriny ny fananany rehetra ka lasa nankany an-tany lavitra izy, nandany ny fananany tamin’ny fitondran-tena ratsy. Rehefa laniny avokoa ny fananany rehetra, dia nisy mosary lehibe tamin’izany tany izany ka nahantra izy. Dia lasa ny anao nikarama tamin’ny tompon-tany anankiray tany, ka nirahiny hiandry kisoa tany an-tsaha. Naniry hivoky tamin’ny hodiboan-javatra nohanin’ny kisoa izy, fa tsy nisy nanome azy. Izay vao nody ny sainy ka hoy izy: “Firifiry akory moa ny mpikaraman’i dada no manan-kanina be, nefa izaho kosa ity maty noana aty! Hitsangana aho ho any amin’ny raiko ka hanao aminy hoe: Dada ô! efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho, ka tsy mendrika hantsoina hoe zanakao intsony; fa mba ataovy tahaka ny anankiray amin’ny mpikaramanao re aho”. Dia niainga izy ka lasa nankany amin-drainy. Mbola lavitra kosa izy, dia nahatazana azy rainy, ka onena nidodododo nitsena azy, ary namihina ny vozony sy nanoroka azy. Dia hoy ity zanany taminy: “Dada ô! efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho, ka tsy mendrika hantsoina hoe zanakao intsony”. Fa hoy rainy tamin’ny mpanompony: “Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; asio peratra ny rantsan-tanany, kiraroy ny tongony, ary ento ny zanak’omby matavy, ka vonoy; dia aoka hihinana sy hifaly isika, fa ity zanako ity dia maty ka velona indray, ary very ka hita indray”. Dia nifaly izy rehetra. Sendra tany an-tsaha kosa ny zanany lahy matoa tamin’izay. Nony nody izy sy mby teo akaikin’ny trano, dia nandre zava-maneno sy dihy, ka niantso ankizy lahy anankiray sy nanontany azy izay anton’izany. Dia hoy ilay mpanompo taminy: “Tonga ny rahalahinao, ka namono zanak’omby matavy irainao, satria tafaverina soa aman-tsara izy”. Dia tezitra izy, ka tsy nety niditra, ary nivoaka rainy hampandroso azy. Fa hoy ny navaliny an-drainy: “Indro efa ela no nanompoako anao, ary tsy mbola nandika ny didinao iray akory aho, nefa tsy mbola mba nomenao zanak’osy iray akory hifaliako amin’ny sakaizako; fa nony tonga kosa io zanakao io, izay avy nandany ny fanananao tamin’ny vehivavy janga, dia namonoanao zanak’omby matavy izy”. Fa hoy irainy taminy: “Ianao, anaka, dia eto amiko mandrakariva, ka anao avokoa izay rehetra ananako; fa mety kosa ny manao fihinanam-be sy fifaliana, satria io rahalahinao io, dia maty ka velona indray, ary very ka hita indray”.

Resaka Facebook