Alahady fahadimy Karemy – 06/04/2014 – Toriteny

Tenin’Andriamanitra 

«  I Kristy no fiainana sy fanaganana ho velona »

Ny fananganana an’I Lazara tamin’ny maty, no fahagagana farany nataon’I Jesoa mialoha ny nijaliany sy nahafatesany, fahagagana izay sarotra hinoana ihany satria olona efa maty 4 andro any am-pasana no natsangana ho velona.

Tany Betania no niseho ny tantara, tanàna tokony ho 15 stady (3Km) miala an’I Jerosalema. Tao no misy an’I Marta sy Maria ary Lazara sakaizan’I Jesoa; ary Jesoa rehefa vizana sy sasatra amin’izay asa nataony dia mandeha makany Betania, ary ao amin’izy ireo no miala sasatra. Toy ny olon-drehetra ihany, dia mba nanana namana ihany koa I Jesoa.

Betania (teny hebrio “Beith-aneiah”) = Tranon’ny mahantra

Nampandrenesina I Jesoa fa marary I Lazara ilay sakaizany, saingy toa tsy nahataitra Azy akory izany, araka ny valin-teniny “aretina tsy ho fahafatesana, fa ho voninahitr’Andriamanitra, sy hahazoa’ny Zanak’Andriamanitra voninahitra”, ary mbola nijanona roa andro I Jesoa vao nitaona ny mpianany ho any Jodea, niteny tamin’izy ireo fa “Matory I Lazara” izany hoe maty I Lazara.

Inona no anton’io fihetsika Jesoa niandry 2 andro io izay vao niainga?

=> Raha ny fitiavan’I Jesoa an’I Lazara dia tsy tokony ho niandry fotoana izy raha vao nahare fa marary ity sakaizany. Eto anefa dia nandrasany ho faty mihitsy Lazara, izay izy vao niainga.Misy dikany izany. Ny heviny dia I Jesoa nanaiky ary nanaraka mandrakariva ny sitrapon’Andriamanitra, ary koa tiany ny hampitombo ny finoan’ireo mpianany amin’ny fananganany an’I Lazara, izany no nilazany hoe: “Maty I Lazara, ary noho ianareo dia faly Aho satria tsy tao, mba hinoanareo; koa andeha isika hankany aminy”. Izany no nahatonga an’I Marta sy Maria hiteny: “Raha taty Iano Tompoko dia tsy maty ny anadahiko”. Fantatr’izy ireo tsara anefa ny fahefana ananan’I Jesoa. Tian’I Jesoa aseho azy ireo sy ireo Jody nanatri-maso teo fa => tsy tompon’ny teny farany ny fahfatesana. Ary ny fahafatesan’I Lazara sy ny fananganan’I Jesoa azy ho velona dia tandindona sahady ny hahafatesan’I Jesoa sy ny hitsanganany ho velona ihany koa.

Rehefa tonga tao Betania ary Jesoa dia I Marta no nitsena azy, ary niteny hoe :”Raha taty Ianao tompoko dia tsy maty ny anadahiko. Ary na dia izao aza, dia fantatro fa na inona na inona hangatahanao amin’Andriamanitra, dia homen’Andriamanitra Anao”. Dia hoy Jesoa namaly: “Hitsangana ny anadahinao”. Dia mbola sarotra amin’I Marta ny hino an’izany ka hoy izy: “Fantatro fa hitsangana izy amin’ny farandro fitsanganan’ny maty”. Fa rehefa nihaino ny fanazavan’I Jesoa ny mikasika ny maha fananganana sy fiainana Azy I Marta, dia nihaiky fa I Jesoa Kristy no “Zanak’Andriamanitra velona, ilay hoe ho tonga amin’izao tontolo izao”. Raha izay ny finoan’I Marta, mba nanao ahoana ny finoan’I Maria? Raha vao nandre I Maria rahavavin’I Marta fa hoe ao I Jesoa, dia avy hatrany dia nitsangana haingana Izy, niankohoka tamin’ny tongotr’I Jesoa, ary namerina toy ny nataon’I Marta: “Raha taty Iano Tompoko dia tsy maty ny anadahiko”.

=>  Ity fihetsik’I Maria eo an-tongotr’I Jesoa ity dia efa tsy vaovao amintsika intsony:

1)      Voalaza teo am-piandohan’ny Evanjely teo fa izy no ilay vehivavy nanosotra diloilo manitra ny Tompo, sy namaoka ny tongony amin’ny volon- Nisy farisianina anefa tamin’io toerana io  niteny tamin’ny namany hoe “raha mpaminany izy dia ho fantany fa olona ratsy fiaina io vehivavy io”. I Maria anefa ilay vehivavy.

2)      Indray andro, I Maria ihany, rehefa tonga namangy azy I Jesoa, I Marta sahirana  @ fikarakarana ny sakafo tany an-dakozia, fa I Maria kosa nipetraka teo an-tongotr’I Jesoa nihaino Azy. T@ izay fotoana I Marta niteny t@ Jesoa: “Tsy mampaninona anao ve ny hamelàn’ny rahavaviko ahy hanompo irery, mba iraho kely re Maria hanampy ahy”. Dia hoy  Jesoa tamin’izay: “Marta, maro tadiavina sy be tebiteby ianao, fa I Maria nifidy ny anjara tsara indrindra”.

3)      Eto amin’ity Evanjely ity kosa ny filazana izany fanintelony: I Maria raha vao nahita an’I Jesoa dia  avy hatrany dia niankohoka teo @ tongony. Fihetsika tsy mahazatra io fa kosa anefa fihetsika maneho fanetre-tena, Fihetsika maneho fahavononana hiaino, io no tena zava-dehibe indrindra (mihaino).

Tahaka io fihetsika io koa no nataon’I Jesoa t@ Alakamisy Masina, niondrika Izy nanas any tongontr’ireo mpianany.  => Fihetsika maneho fanetre-tena, fahavononana hanompo.

Isika ihany koa, raha misy zavatra manahirana antsika, mandehana mipetraka eo an-tongotr’I Jesoa.

Nanao ahoana ny nananganana an’I Lazara tamin’ny maty?

Rehefa tonga teo amin’ny fasana dia nasain’I Jesoa noesorina ny vato manarona ny fasana. Fa I Marta kosa namely: “Efa maimbo izy tompoko, fa efa hefarana izay.”

Novahàna ny fasana dia nivavaka I Jesoa, nisaotra an’Andriamanitra, ary niantso t@ feo mahery hoe ”Mivoaha ry Lazara”. Nitsangana nanaraka an’izay I Lazara: ny tongony aman-tanany nisy fehim-paty, ary ny tavany nisarona lamba. Nahita izany ny olona rehetra teo,ka maro no nino Azy.

Tsy ilay fitsanganan’I Lazara ho velona loatra no tian’I Md Joany hasongadina, fa ilay DINGAM-PINOANA, teo amin’ireo olona manodidina.

Tao anatin’ny alahady in-telo misesy izay dia io dingam-pinoana no nasongadin’ny Fiangonana.

  1. Vehivavy samaritanina tsy nino an’I Jesoa nefa rehefa amin’ny farany, nino fa Izy no Mesia.
  2. Ilay teraka jamba: “Iza moa no izy tompoko mba hinoako azy” “Izaho izay miteny aminao no izy”, dia niankohoka t@ tany ilay teraka jamba. Mino Izy fa I Jesoa no Mesia.
  3. Anio koa, dia izay dingam-pinoana izay no hitantsika eto:
  • Raha ny Envajely no jerena, ny mpianatra nandà t@ voalohany ny handehanan’I Jesoa ho any Jerosalema ka nilaza hoe “vao haingana teo no nitady hitora-bato Anao ny Jody, ka dia hankany indray ve Ianao?
  • Teo ihany koa ny finoan’I Marta sy Maria: “Raha taty Iano Tompoko dia tsy maty ny anadahiko”. Nefa reha nohazavain’I Jesoa ny mikasika ny fitsanganana sy fiainana dia nino I Marta fa I Jesoa no Kristy zanak’Andriamanitra velona.
  • Ireo Jody tonga hitsapa alahelo an’I Marta sy Maria nilaza hoe: “Tsy azony natao va re ny nisakana an-dralehilahy ity tsy ho faty, nefa ny mason’ilay teraka jamba nampahiratiny?”. Koa rehefa nahita ny fahagagana ny Jody dia maro no nino Azy. Ary izay no antony niandrasan’I Jesoa ny hahafatesan ‘I Lazara, mba ahatongavan’ny olona any amin’izay finoana izay, noho ity fahagagana lehibe ity.

Nahoana ary no miresaka ity dingam-pinoana ity isika?

Ny antony dia satria mila miroso hatrany amin’ny finoana isika. Hoy Md Paoly : “Raha tsy nitsangan-ko velona I Kristy dia foana ny finoanay, ary foana ihany koa ny finoanareo”  =>  ilazana amintsika izany fa ny fitsanganan’I Jesoa ho velona no fototry ny finoantsika.

Raha tsy nitsangana ho velona I Kristy, dia tsy ho nisy izany Noely izany, tsy nisy Pantekôty, tsy nisy fiakarana, tsy nisy ireo fety rehetra ao amin’ny fiangonana.

Ny fitsanganan’I Kristy ho velona no fototry ny finoantsika.  Izay no antony, alohan’ny hidirana @ herinandro masina, manatintrantitra ny fiangonana mikasika izay dingam-pinoana izay. Raha miteny hoe “dingana” dia midika izany fa misy fifindrana mandroso amin’ny lavidavitra kokoa. Amin’ity Evanjely ity dia misy teny 23 maneho izay hevitra hoe “dingana” izay, toy ny hoe “naniraka olona”, “andeha isika ho any Jerosalema”, “ny mandeha antoandro tsy mba tafintohina”, “ndeha hamoha azy Aho”, “andeha isika hankany aminy”, “nandeha nitsena Azy I Marta”… entina ilazana amintsika izany fa eo @ finoana dia misy dingana. Raha ny finoana ananantsika t@ Batemy ihany no mbola ananantsika hatramin’izao, dia mila mandinin-tena kely isika.

Mametraha fanontaniana @ finoantsika.

  • Inona no inoako?
  • Maninona aho no mino?
  • Maninona aho no mandeha mivavaka rehefa alahady?
  • Inona no manosika ahy handeha hivavaka alahady?
  • Misy fotoana ve tena mahavaivay be mihitsy ny finoanatsika.
  • Ary misy fotoana ve hahatsapantsika tena fa miha-mangozohozo ny finoantsika.

Raha tsy mametraka fanontaniana isika dia tsy ho afaka ny handroso eo amin’ny fiainan-pinoantsika. Hihatrika ny Paka isika, misy ireo izay handray ny Batemy, misy ireo ho raisina hiditra amin’ny finoana katolika, aoka isika hivavaka ho azy ireo, ary koa hivavaka mba hitombo hatrany ny finoantsika. Ka na amin’ny mora, na amin’ny sarotra, dia ho vonona isika hitana izay finoantsika izay.

Ary farany teny fohy mikasika ny fahafatesana, asehon’ity Evanjely ity fa:“Tsy tompon’ny teny farany ny fahafatesana” satria ny olona manam-pinoana, dia mahatoky ny tenin’I Jesoa manao hoe: “Izaho no fananganana sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza ho velona indray, ary izay rehetra velona ka mino Ahy, dia tsy ho faty mandrakizay”.

Ny Père Curé RANDRIANJATOVO Jacques Léonce

Resaka Facebook

Laisser un commentaire