Alahady fahadimy amin’ny Karemy – 22/03/2015 – Tenin’Andriamanitra

Vakiteny voalohany: Bokin’i Jeremia Mpaminany (31, 31-34)

« Hanao fanekena vaovao Aho ary tsy ho tsarovako intsony ny fahotany. »

Indro avy ny andro, – teny marin’ny Tompo, hanaovako fanekena vaovao amin’ny taranak’i Israely sy ny taranak’i Jodà: Ka tsy fanekena toy ny nataoko tamin’ny razany, tamin’ny andro nitantanako azy, nitondrako azy nivoaka avy any amin’ny tany Ejipta, fanekena nivadihan’izy ireo, na dia vadiny aza Aho. Fa izao no fanekena hataoko amin’ny taranak’i Israely rahefa afaka izany andro izany, – teny marin’ny Tompo: –Hataoko ao anatiny ny lalàko, dia sady hosoratako ao am-pony; ka ho Andriamanitr’izy ireo Aho ary izy ireo ho oloko. Tsy hisy olona hampianatra ny namany intsony, na olona hampianatra ny rahalahiny, hanao hoe: “Mahalalà ny Tompo”. Fa hahalala Ahy avokoa izy rehetra na ny kely na ny lehibe, – teny marin’ny Tompo. – Satria havelako ny haratsian’izy ireo, ary tsy ho tsarovako intsony ny fahotany.

Vakiteny faha-2: Taratasin’i Md Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina Hebrio (Heb 5, 7-9)

Nianatra ny fanekena i Kristy ka tonga fototry ny famonjena mandrakizay.

I Kristy, tamin’ny andron’ny nofony, nony nanolotra fivavahana sy fifonana nombam-pitarainana mafy sy ranomaso be tamin’ilay nahavonjy Azy tamin’ny fahafatesana, sady nohenoiny noho ny fahatahorany an’Andriamanitra, dia nianatra ny fanekena tamin’ny fahoriana niaretany, na dia Zanaka aza; ary ankehitriny; efa tonga amin’izay fanaperana Izy ka tonga fototry ny famonjena mandrakizay ho an’izay manaiky Azy.

Evanjely Masina nosoratan’i Md Joany (Jo 12, 20-33)

Raha maty ny voam-bary nafafy tamin’ny tany, dia mahavokatra be.

Tamin’izany andro izany, nisy jentily sasany, anisan’izay niakatra hivavaka tamin’ny andro fety, nanatona an’i Filipo, izay avy tany Betsaîdan’i Galilea, ka nihanta taminy nanao hoe: “Tompoko, mba tahahita an’i Jesoa izahay”. Dia lasa i Filipo nilaza tamin’i Andre, ka dia i Andre sy i Filipo no niara-nilaza tamin’i Jesoa. Ary namaly azy i Jesoa ka nanao hoe: “Tonga ny fotoana hanomezam-boninahitra ny Zanak’Olona. Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy maty ny voam-bary nafafy tamin’ny tany, dia mitoetra foana izy; fa raha maty kosa izy, dia mahavokatra be. Izay tia ny ainy no hahavery azy, fa izay mankahala ny ainy amin’izao fiainana izao no hitahiry azy ho amin’ny fiainana mandrakizay. Raha misy manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako no hitoeran’ny mpanompoko koa. Raha misy manompo Ahy, dia homen’ny Raiko voninahitra izy. Ankehitriny, mitebiteby ny fanahiko, ka inona re no holazaiko? Raiko ô, vonjeo Aho ho afaka amin’ity ora ity. Nefa izao indrindra no nahatongavako, ho amin’izao ora izao. Raiko ô, omeo voninahitra ny Anaranao”, Tamin’izay dia nisy feo avy any an-danitra nanao hoe: “Efa nomeko voninahitra Izy, ary mbola homeko voninahitra indray”. Nony nahare izany ny vahoaka izay teo, dia nanao hoe: “Kotro-baratra izany”; fa hoy kosa ny sasany hoe: “Anjely niteny taminy izay”. Dia hoy i Jesoa hoe: “Tsy ho Ahy izany feo izany, fa ho anareo. Ankehitriny, dia tonga ny fitsarana an’izao tontolo izao; ankehitriny ny mpanapaka an’izao tontolo izao no horoahina. Ary Izaho, rahefa tafasandratra hiala amin’ny tany dia hitarika ny olona rehetra hanatona Ahy”. Ny nolazainy tamin’izany dia ny karazam-pahafatesana tokony hahafatesany.

Resaka Facebook