Alahady faha-fito Paka – 17/05/2015 – Toriteny

     “ Fitiavana sy Fahamarinana no tena endrik’i Kristy”

        Vao avy nankalaza ny Niakaran’i Jesoa tany an-danitra isika ny Alakamisy teo. Tamin’io no nametrahana ny hafatra tamintsika fa rehefa niakatra tany an-danitra i Jesoa, ireo mpianatra izay teo dia variana niandrandra ny lanitra. Raha mbola variana nijery ny lanitra izy ireo, dia indro nisy roa lahy ,tonga nidina teo amin’izy ireo, nanafatra azy ireo hoe: “Ry olona avy any Galilea, nahoana no mijanona fotsiny eto ianareo mibanjina ny lanitra? Iny Jesoa nakarina teto aminareo iny dia mbola ho avy indray.” Izany hoe: amin’ny fiainana maha-kristianina dia tsy ampy ny miandrandra ny lanitra fotsiny. Tsy ampy ny hoe: “efa mivavaka aho”, fa adino fa mbola eto amin’izao tontolo izao isika. Nirahina isika tsy hijanona amin’ny toerana anankiray, fa ilaina ny mivoaka. Izay ilay fiainana kristianina: misy fiaingana mandrakariva, ary misy fivoarana amin’ny tena mandeha ho any amin’ny hafa, hitory ny Vaovao Mahafaly. Rehefa niakatra any an-danitra i Jesoa dia izao no hafany hoe: “Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely amin’ny voaary tontolo.”

        Ny Evanjely androany  dia  manomana antsika indray amin’ny fidinan’ny Fanahy Masina. Rehefa hiala tamin’izao tontolo izao i Jesoa Kristy, dia nivavaka ho an’ny mpianany mba ho masina izy ireo;  ity vavaka ity no nataony alohan’ny nijaliany: “Mba ho iray ihany izy rehetra.” Fantany, ary efa azony an-tsaina dieny mialoha ny zavatra mety hitranga eo anivon’ireo mpianatra ireo. Ary hitany sahady izay mety ho fisaratsarahana eo amin’ny fiainan’ny Fiangonana. Isika Malagasy moa dia malaza ho olon’ny fihavanana. Ankehitriny isika dia miezaka mitady izany hoe “fampihavanana” izany, nefa potehin’ny hevi-dratsy, ny fisaratsarahana ara-pôlitika. Ankehitriny dia toa lasa manao fiaraha-monim-boalavo ny Malagasy: samy mikepoka izay azony,  fa tsy mifampitsinjo. Na ao anaty fianakaviana iray aza dia misy ny samy maka ho azy, samy manao izay hahavelona ny tenany… Raha mikarama ny raim-pianakaviana, dia lazao eo anatrehan’Andriamanitra, amim-pahamarinana: Tena ny karamanao iray manontolo ve no lazainao amin’ny fianakavianao? Izany no fitantanana madio sy mangarahara. Ny renim-pianakaviana, ankinina aminy ny fitantanana: mankamin’izay tena tokony ho izy daholo ve ny fandaniana rehetra? Ary rehefa manao tatitra ianao rehefa avy miantsena, mazava tsara ve? Marina ve ny konsiansinao amin’izany? Tahaka izay koa ny ankizy: tsy mahita vola alaina izy, fa izay hitan’ny masony no alainy (mangala-pihinana). Izay no zava-misy hita eo amin’ny fiainantsika, loza mananontanona ny fiainam-pianakaviana. Ka hevero fa ny ao an-tokantrano ao: raha raim-pianakaviana manana ny fitantanany manokana izay ataony, ny renim-pianakaviana sy ny ankizy koa samy manao ny ataony, aiza ilay firaisana, fiombonan’ny mpianakavy? Ka rehefa hivavaka izy ireo ny hariva, mba hanao ahoana eo anatrehan’Andriamanitra? Ho antsika, manomboka ao an-tokantrano ny fiainana an’izay fiombonana sy firaisana tanteraka  izay. Modely amin’izay firaisana izay ny Trinite Masina: tahaka ny maha-iray ny Trinite Masina no irîn’i Jesoa mba iraisan’ireo mpianany koa. Hery izay fiombonana sy firaisan-kina izay; ka raha ny mpianakavy no miray hina tanteraka, miray loha ny mpivady, na inona na inona ezaka ataon’ny olona hampisaraka ny tokantrano dia tsy ho tanteraka izany. Fa ny asan’ny demony dia izay fisaratsarahana izay. Ny tena angatahin’i Jesoa dia io firaisana io, ary manomboka ao amin’ny ankohonantsika izany fiombonana izany. Raha tena  jerena manomboka amin’ny tenantsika tsirairay avy: hafa ny hitarihan’ny fo, ary hafa ny hitarihan’ny saina ka sahirana isika mampifanaraka an’ireo indraindray. Hoy i Md Paoly: “Tsy mitsara izay tiako atao ny hitako, fa ny ratsy izay tsy tiako atao, dia misy ady ao amiko ao.”

                Tahaka izay ihany koa ny any amin’ny APV (Ankohonam-Piangonana Velona), any ihany koa no fiantombohan’ny fiombonana. Tany amin’ireny APV ireny no niantombohan’ ny Fiangonana. Fotoam-bavaka, fifankaherezan’ny mpiara-mivavaka no atao any amin’ny APV any. Ary rehefa mivavaka any amin’ny APV dia ny zava-mitranga ao no entina am-bavaka (fahasoavana, asa,fahasahiranana, aretina, …) fa tsy variana mijery ny lavitra. Tokony hamonjy APV foana, araka izany, ny tsirairay. Tsy voatery hisy pretra izany, fa i Jesoa aza niteny hoe: “Na aiza na aiza hiangonan’ny olona roa na telo amin’ny anarako, dia eo afovoan’izy ireo aho.”  Tsy tokony ho resaka ara-bola no resahina amin’ny fotoanan’ny APV satria mety handrava ny fiombonana ny vola, fa vondrom-bavaka ny APV. Fiatsaram-belatsihy fotsiny ny fahamasinana raha tsy isika mihitsy no miezaka  mamerina izany fiombonana izany, ka tokony ho tafiditra any amin’ny fiainana mihitsy izay fiombonana araka ny irin’i Kristy izay. Ny olona manavakavaka , miavonavona any amin’ny APV dia manala ny tenany tsy ho isan’ny Fiangonana satria tsy vonona ny hamindra fo, ary izany no atao hoe manota amin’ny Fanahy Masina. Raha olona manao an’izany dia tsy tokony handray komonio akory satria fanamelohana ho antsika ny fandraisana komonio nefa isika mbola misara-bazana; manameloka ny tenantsika isika amin’izay. Ka ilaintsika ny mandinika lalina an’io fiombonana irin’i Jesoa io mba tsy ho fiombonana ao antin’ny saina sy eny an-tampon’ny rahona fotsiny fa fiombonana hita maso, azo tsapain-tanana.

        Raha tena tiantsika ary ny handresy ny ratsy, handresy ny demony, dia mila miezaka  isika hiaina ny tena fiombonana tanteraka.

Alahady faha-fito Paka – 17/05/2015 – Toriteny
Ekar Mb Anne Anjomakely
Ny Père Curé RANDRIANJATOVO Jacques Léonce

Resaka Facebook