Alahady faha-dimy Paka – 03/05/2015 – Toriteny

“Izaho no foto-boaloboka ary ianareo no sampany”

Foto-boaloboka
“Izaho no foto-boaloboka ary ianareo no sampany”

        Alahady faha-dimy Paka : tamin’ny herinandro isika naheno mikasika ny mpiandry ondry tsara: “Izaho no mpiandry ondry tsara” hoy I Jesoa. Androany dia hafa indray ny endrika isehoan’ny fanoharana ataon’I Jesoa. Hoy Izy hoe: “Izaho no tena foto-boaloboka”.

        Mampatsiahy ny zava-nitranga tao amin’ny Eksaody izany; I Moizy rehefa tany an’efitra niandry ny ondrin’I Jetrao rafozany dia nahita ilay lobolobo nirehitra nefa tsy levona. Tao anatin’io no nisy feo nilaza hoe: “Izaho no Ilay Misy”. Andriamanitra irery no afaka miteny izany: “Izaho no Ilay Misy”, “Izaho no tena foto-boaloboka”. Isika moa tsy dia mahay loatra hoe ahoana no atao rehefa mamboly voaloboka, mety ho sarotra ho antsika ny mahazo izany ho sary an-tsaina. Hoy I Jesoa hoe: “Izaho no foto-boaloboka, ny Raiko no mpamboly… Ny sampana rehetra tsy mamoa eo Amiko dia ho esorina”.

        Rehefa mamboly voaloboka dia misy ny atao hoe “gourmand”, izy io dia hita avy hatrany fa ho raviny fotsiny ka esorina satria mihinana ny tsiron-kazo izay tokony ho an’ny ratsana mpamoa. Ity anefa no mahagaga: “Izay mamoa dia rantsanana mba hampamoa azy bebe kokoa”. Na mijanona amin’ireo teny fanombohana ireo fotsiny ihany ary isika dia hita fa efa misy zavatra tokony ho dinihina tsara ao. Isika rehetra no sampana. Ny sampana tsy mamoa dia ireo olona tsy mpino, ireo olona tsy mahalala an’Andriamanitra sy tsy mahalala an’I Kristy; ireny ilay avy hatrany dia esorina satria efa tsy misy fiombonana amin’ny fototra intsony. Isika mpino Kristianina kosa no ilay sampana mamoa, miray amin’i Kristy sy miray amin’ny ran’I Kristy ka isika no ilay mila rantsanana mba hamoa bebe kokoa. Isika miray amin’I Kristy dia misy vokatra andrasana amintsika. Any amin’ny faritanin’I Palestinina, ny fototra voaloboka iray dia ahazoana salohiny dimampolo sy telonjato (350) ka hatramin’ny fitopolo sy telonjato (370); ny aty amintsika, asa raha misy roapolo (20) na dimy amby folo (15).

        Hain-dry zareo tsara izany ny fikarakarana izany voaloboka maniry izany. Rehefa tonga ny ririnina dia izany no fotoana andrantsanana ny voaloboka ka rehefa rantsanana izy dia toa mampalahelo izany ny endriny satria toa lasa maina kely sy mitomany izy rehefa misy mitete ilay tsiron-kazo. Ka raha olona tsy mahay momba ny voaloboka dia hanome tsiny hoe: “ Fa maninona no dia ampijaliana toy izao ity voaloboka?”. Dia izao no ho valin-tenin’ny mpandrantsana: “Aleo ho jerentsika ny vokatra rehefa ho tonga ny taom-pahavokarana”. Amin’izay fotoana izay isika izay vao hahalala hoe inona ny antony andrantsanana azy toy izany.

        Toy izany ny fiainantsika Kristianina. Amin’ity Evanjely rentsika teo ity dia misy teny roa miverina matetika: ny teny hoe “mitoetra” dia miverina im-balo (8) ary ny hoe “mamoa” miverina inenina (6). Matoa Andriamanitra mamboly dia manantena hioty vokatra tsara Izy. Isika izany dia tsy maintsy miray amin’ny fototra izany hoe amin’ny Jesoa Kristy; tsy ho tsara anefa ny vokatra raha tsy rantsanana isika. Ka inona ary ny hevitry ny hoe rantsanana?

        Izay mitandrina ny didin’I Kristy dia mitoetra ao Aminy araka ny voalaza tao amin’ny Vakiteny faharoa. Amin’ny alalan’ny fitandremantsika ny didiny no fomba hanehoantsika izany fiombonantsika amin’I Kristy izany. Rehefa nanontaniana I Jesoa indray andro hoe inona no voalohany indrindra amin’ny didy rehetra dia namaly Izy hoe: “Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra, amin’ny sainao rehetra ary amin’ny herinao rehetra, ary ny faharoa izay mitovy aminy ihany dia ny hoe tiavo ny namanao tahaka ny tenanao”. Tokony hitovy izany ny fitiavana ny namana sy ny fitiavana an’I Kristy. Ka eo ary no misy ny hoe: “rantsanana”. Izay rehetra manohintohina ny fitiavantsika an’Andriamanitra sy ny fitiavantsika ny olombelona dia tokony ho rantsanana.

        Omaly nisy lamesa natao hitokanana trano vaovao, ka tao anatin’ izany trano izany dia nasian’ny tompony hoe: “An’Iaveh ny tany sy izay rehetra eo aminy” Salamo 24, 1 ary izany teny izany koa no natao lohatenin’ny fotoam-pivavahana. Raha mba ny mpino rehetra no mahatsapa izany hoe tsy azy io fa an’Andriamanitra dia tsy hisy intsony ny mpangalatra sy ny tia tena satria ny olona dia natao ho mpikarakara sy ho mpikolokolo fotsiny ihany.

        Rehefa tonga ny fankalazana ny taon-jobily araka ny Soratra Masina dia mizara tany ho an’izay tsy manana izay manana tany be dia be, fa ny antsika kosa ny hanao fety sy hanao fihinanambe no mahamaika antsika. Ankehitriny moa dia lasan’ny vahiny ny tany satria izany no ataon’ny mpitondra antsika, ny vahiny koa moa sahy mividy lafo ka dia zara aza hahazo vola. Tsy maintsy rantsanana izany fiainana sy fihetsika manohintohina ny fitiavana ny namana izany. Satrintsika hanana zavatra be dia be fa rehefa mba asaina mizara ho an’ny hafa isika dia sahirana. Manohintohina ny fitiavantsika namana ny fitiavan-tena, ny fialonana, ny lolom-po sy ny valifaty, ny fitiavana resaka olona, ny fosafosa… Mahafinaritra ny resaka olona, manaratsy olona mba hilazàna fa isika no tsara kanefa tsy maintsy rantsanana izany toetra izany na dia marary aza. Misy tombontsoa tokony ho azontsika koa ohatra, mety hoe miasa alahady na mivarotra na koa miasa amin’ny “zone” ka avo roa heny ny karama raha miasa alahady dia hoy isika hoe: “Aleoko aloha miasa ka!”. Izany no tokony ho kantsanana satria manohintohina ny fitiavana an’Andriamanitra, marary izany kanefa tokony hialàna. Efa ho avy koa izao ny famadihana ka raha sendra latsaka andro alahady izany dia hoy isika hoe: “Aleoko aloha tsy mivavaka fa indray mandeha isaky ny fito taona anie vao mba mamadika e!” fa rehefa tonga saina isika hoe adidy eo anatrehan’Andriamanitra ny mandeha mivavaka dia ho aleontsika manaiky izany na dia marary aza. Noho ny fitiavana an’Andriamanitra dia tokony hanaiky ho rantsanana isika. Mety misy fety ny andro sabotsy, podium atsy sy ary, mampiari-tory mandra-maraina andro ka tsy tafarina ny alahady dia tsy mandeha mivavaka. Tokony ho rantsanana izany.

        Ny olona tsy manaiky rantsanana dia tsy mba antenaina hitondra vokatra ka rehefa tsy mamokatra dia tapahana ary doràna ny farany satria tsy misy ilàna azy fa efa niala tamin’I Kristy. Tahaka ny reny mampinono ny zanany, na manaikitra aza ny zaza dia ampinonoana ihany. Andao anie andramana tsy omena nono ny zanatsika dia ho hitantsika izay hiafaràny. Tahaka izay koa ilay foto-boaloboka, raha tsy miray amin’ny fototra isika dia tsy afaka hamokatra. Ary io no antso nataon’I Jesoa voalohany tamin’ny Apostoly ao amin’I Md Marka 3: “Niantso izay tiany hankeo Aminy izy hitoetra eo Aminy amin’iny andro iny”. Izay fitoerana ao amin’I Jesoa izay no toetra maha Kristianina antsika. Tsy avy hatrany dia hanao an’izao sy izao, hanao “mission”, hanao asa soa… Raha tsy ao ilay fiombonana amin’I Kristy dia zava-poana ihany izany. Izay mitoetra ao Amiko sy itoerako no mamoa be hoy I Jesoa tao amin’ny Evanjely. Izay no andrasan’Andriamanitra amintsika, izay vokatra ara-panahy izay, vokatry ny fanehoantsika fitiavana an’Andriamanitra sy fitiavana ny namana. Izay ilay hoe mitoetra ao amin’i Kristy.

        Tsy mora izany. Ny fiainana kristianina tsy zavatra mora sy mahafinaritra foana. Tadidintsika tsara ny hafatry ny Eveka tamin’ny herinandro lasa teo hoe aoka mba tsy ho Kristianin’ny fety fotsiny na fikambanana masina ho an’ny fety sy fihetsiketsehana ivelany fotsiny. Aoka mba tsy ho izany no anehoantsika ny maha Kristianina antsika fa kosa mba hiaina ny finoana.

        Dia ao ianareo ao amin’ny sekoly, ny mpampianatra sy ny mpanabe, ianareo moa ilay hoe: “Mitaiza zaza tsy nateraka, mahabe vata-korona”, ka raha jerena ny oron’ireo mpampianatra ireo mbola kelikely ihany ka azo lazaina fa tsy dia mizaka zavatra mafy isika izany. Any amin’ny sekoly hafa dia manao ny adidy fotsiny ny mpampianatra satria ny vola ihany sisa no antony ampianarana fa mafy loatra ny zakaina amin’ny mpianatra. Toy izany koa isika mpianatra, rehefa fety dia atao tsara ny fety fa rehefa vita izany dia ny fianarana indray no atao tsara. Tsy moramora ny fiatrehana izany fianarana izany, tsy ho indray azo ny mahasoa sy ny mahafinaritra. Fa araka ny fahendrena Malagasy dia “ny mahasoa aloha vao ny mahafinaritra”. Ka mba ahazoana ilay mahasoa dia tsy maintsy misy zavatra mafy niaretana aloha fa ny olona zatra niaritra ny mafy sy zatra norantsanana ihany matetika no ahazoana vokatra tsara. Misy ihany ny tsy miaritra zavatra mafy nefa sady mahazo vokatra tsara fa noho ny vintana ihany izany fa ny fiainantsika tsy hankinina amin’ny vintana. Misy zavatra tsy maintsy hiaretana aloha noho ny fitiavana ny namana sy noho ny fitiavana an’Andriamanitra. Tsy maintsy hiadiana ny fahalemena rehetra mba hitondra vokatra isika.

        Izany rehetra izany dia ilàna herim-po ary ilàna vavaka ka hoy I Jesoa hoe raha miombona Aminy isika dia ho tanterahiny avokoa izay rehetra angatahintsika Aminy. Aoka ho tanteraka izany amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. Amen.

Resaka Facebook