Alahady – 31/08/2014 – Toriteny

« Fahasambarana no tambin’ny fijaliana »

Io no manentana ny Tenin’A/tra rehetra androany. Fa tsy hoe ny fijaliana rehetra akory, misy manko ny karazana fijaliana eo @ fiainana, mety ho ny vokatry ny hadalana izay ataontsika no mahatonga antsika hijaly. Ohatra hoe mandre sy mahita isika @ fahitalavitra, na koa mamaky any @ gazety any fa misy olona voatifitry ny mpitandro ny filaminana ka maty, misy ny zavatra maro tahaka izany, misy ny tratran’ny fitsaram-bahoaka dia mijaly ilay olona rehefa avy eo, dia hoe hanantena hasambarana ve? Fa tsy izay ilay fijaliana ambaran’I Jesoa eto fa ny fijaliana eo am-panarahana azy, eo am-panatanterahana ny didiny, eo am-piainana ny vaovao mahafaly ka itondrana fijaliana, izay no ahazoana ny hasambarana. Fa tsy ny fijaliana rehetra izay vokatry ny hadalantsika tsy akory dia ahazoana ny fahasamabarana avokoa. Ka manambara an’izany voalohany eto ny vakiteny voalohanyn Jeremia. Retsika teo ny fitarainany: “Notahianao aho Tompo ka voayahu, nosamborinao fa mahary ianao”, izay ny tenin’I Jeremia. Babo noho ny fitiavana an’A/tra.

Fa inona no nahazo an’i Jeremia mpaminany ? Jeremia dia avy @ hoe Jeremiade, fitomaniana, fitarainana, dia nitaraina. Satria isaky ny miteny izy dia saika milaza loza hatrany, manomana ny vahoaka israely. Milaza ny tsy maintsy hialàn’ny vahoaka @ lalan-dratsy, satria ireo vahoaka jody ireo lazaina fa mafy hatoka, manandrakandrana an’A/tra, mitsapatsapa an’A/tra, mafy loha, ary lasa voasarika tany @ fanompoan-tsampy. Ka rehefa miteny Jeremia dia milaza loza mandrakariva: “raha tsy mibebaka ianareo izao” ary ny vokatr’izay dia nohenjehin’ny olona izy, ary nampijalian’ny olona. Ary farany izy niteny hoe: “tsy hilaza na inona na inona intsony aho, tsy hiteny @ anarany intsony aho”. Kivy izy nony farany, faio filazany ny hafatr’A/tra io nohanitany loza teo @ fiainany. Ka raha izy no nihevitra an’izay, dia nisy zavatra toy ny afo ao anatiny ao, tsy mamela azy hangina fotsiny @izao. Tahaka ny omaly, nankalaza ny nanaovana martiry an’I Joany batista ny fiangonana. Fa naninona I Joany batista no novonoina? Satria sahiny ny niteny ny marina. Niteny t@ Heroda mpanjaka: “Tsy azonao atao ny maka nyvadin’I Filipo rahalahinao”. Tsy nahafaly ny mpanjaka izany satria mpanjaka izao no teneninao h omanalatra vadin’olona, ary ny vadin’ny rahalahiny no nalainy. Ka notenenin’I Joany batista fa tsyazony atao izany. Tezitra t@ izanyihany koa ilay ramatoa ka nogadraina I Joany batista. Ka na nogadraina aza izy, dia mbola mankany an-tranomaizina ny mpanjaka mangataka torohevitra aminy. Fa rehefa tonga ary ny andro iray lehibe, tsingerin-taona nahaterahany, dia nandihy ny zanaka vavin’I Erôdiada, zana-badiny, dia nahafaly azy: “Angataho izay rehetra tianao, eny fa na di any antsasaky ny fananako aza”. Inona no nangatahany? “Tiako raha omenao an-dovia izao dia izao ny lohan’I Joany batista”. Ary menatra ny mpanjaka ka lasa naniraka miaramila hanapaka ny lohan’I Joany batista ka nitondra ny lohany teo amin-drazazavavy ary nomen(drazazavavy ny reniny izany. Izany ny vokatry ny fijoroana @ marina. Hitondràna fijaliana, nefa kosa lalan’ny hasambarana. Io no voalazan’I Jeremia teo; rehefa niteny izy hoe “Tsy hiteny intsony aho” dia nisy afo mirehitra ato am-poko tsy namela azy hangina fa tsy maintsy miteny. Izay ilay hoe ny hasambarana no tambin’ny fijaliana. Ny fijaliana hiaretantsika @izao fiainana izao noho ny vaovao mahafaly dia tsy ho verivery maina foana, fa misy hasambarana ao. Araka ny tenin’I Jesoa: “sambatra ianareo raha enjehina ka ampangaina lainga noho ny amiko, matokia fa ho lehibe ny valisoanareo any an-danitra”.

@izao fianantsika izao dia betsaka ny fanenjehana, betsaka ny fijaliana mihatra amintsika noho izay maha-kristianina izay, na ny @ tenantsika ihany aza. Misy zavatra tiantsika atao nefa haintsika fa tsy mety, tsy mifanaraka @ sitra-pon’A/tra, manafintohana  ny hafa, tsy araka an’A/tra dia mijaly isika ao anatintsika ao. Misy tombon-tsoa ho very satria ahazonatsika tombony raha to aka ataontsika izay zavatra izay. Kanefa isika mahatsapa fa tsy araka an’A/tra ka miezaka isika mampandefitra.

Dia tao @ Evanjeky retsika teo ihany koa, raha mahatsiaro isika ny Evanjely t@ heriny. Rehefa nanontany Jesoa: “Ataon’ny olona ho iza moa ny zanak’Olona?” – ny sasany manao hoe Elia, Jeremia, ny iray @ mpaminany – fa aminareo, ataonareo ho iza aho? I Piera no niteny: “Ianao no Kristy, zanak’A/tra velona” – rehefa izay dia nitodika t@ Piera I Jesoa. “Ianao no Piera, vato, ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy aharesy azy”. Ary talohan’izay dia niteny taminy koa I Jesoa nanao hoe: “Sambatra ianao ry Simôna zanaky Joany fa tsy ny nofo aman-drà no nilaza izany taminao fa ny raiko izay any an-danitra”.

Nolazain’I Jesoa I Piera, t@ herinandro, rehefa niaiky azy ho Kristy, fa sambatra, ary nanakinan’I Jesoa andraikitra goavana: “Omeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra, ny vavahadin’ny afobe tsy aharesy azy”.

Dia androany, rehefa avy milaza an’izay t@ Piera I Jesoa ary nanome andraikitra azy dia indro hitantsika, Jesoa miteny @ Piera ihany hoe: “Mialà amiko ianao ry Satana, manafintohina ahy ianao”. Vetivety foana, fotoana fohy monja taorian’ny nitenenanyhoe sambatra ianao.

Fa inona nonataon’I Piera?

Voateny mafy I Piera satria raha I Jesoa niteny hoe “Tsy maintsy hiakatra ny Jerosalema isika ary ho ampijalian’ny olona, ny mpanora-dalàna sy ny lohandohan’ny mpisorona” – raha nilaza ny hijaliany sy ny hafatesany I Jesoa, dia I Piera tsy nanaiky. “Sanatria Tompoko raha hihatra aminao izany”. Ilay fihetsika nataon’I Piera nakeo @ Jesoa nilaza taminy ary nilahatra taminy. Io filaharana @ Jesoa io dia tsy fanao. Ny mpampianatra dia eo aloha mandrakariva ary ny mpianatra tsy maintsy ao aoriana, fa inona no nataon’I Piera, nilahatra mitovy @ Jesoa izy. Fihetsika roa izay tsy azo atao, tsy ankasitrahan’I Jesoa no nataon’I Piera:

  • Nilahatra t@ Jesoa
  • Nandà ny hijalian’I Jesoa sy ny ahafatesany.

Tsy nankasitrahany izany ka voateny mafy I Simôna Piera: “Mialà amiko ianao ry Satana, manafintohina ahy ianao”. Satria izay nonataon’I satana, mitaona ny olona ho @ avonavona, hitovy @A/tra tahaka ny tany @ saha Edena: “tonga mitovy @A/tra ianareo raha mihinana @io voankazo io”. Izay no nataon’I satana voalohany: mitaona ny olona ho @ avonavona. Fa ny nataon’I satana faharoa dia izao: misakana mba tsy ahatongavan’I Jesoa @izay fijaliana izay. Ary hitantsika tsara I Jesoa rehefa niady aina tao @ tanimbolin’Oliva: tratran’ny fakam-panahy izy: “Ray ô, raha azo esorina amiko ity kapoaka mangidy ity dia aoka ho esorina”. Fa tsy nijanona teo Jesoa: “kanefa aoka tsy ny sitrapoko no ho tanteraka fa ny sitraponao”.

Hitan’I Jesoa ilay fijaliana hiaretany afaka fotoana fohy. Tao aminy ny toetra maha-olombelona: “Ray ô, raha azo esorina amiko ity kapoaka mangidy ity dia aoka ho esorina” –  “kanefa aoka tsy ny sitrapoko no ho tanteraka fa ny sitraponao”. Ary io ilay tenin’I Jesoa hoe : “Raha misy te hanaraka ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliana isan’andro ka hanaraka ahy”. Jesoa nampianatra antsika izay hoe mandà ny tena izay.

Isika manana ny hevitsika, manana ny fandaharam-potoanatsika, aoka handà ny tenany. Ny atao hoe kristianina anie dia olona manaraka an’I Kristy @ zavatra rehetra, tsy @ mahafinaritra sy mahafaly ihanyfa indrindra indrindra koa @ zavatra manahirana indrindra. Mandà tena.

“Raha misy te hanaraka ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliana isan’andro ka hanaraka ahy”. Io no lalana hanarahantsika an’I Jesoa, manana ny sitra-potsika isika, manana ny heverintsika atao isika fa manao tahaka an’I Jesoa hoe: “kanefa aoka tsy ny sitrapoko no ho tanteraka fa ny sitraponao”.

Amin’ny zavatra ataontsika rehetra, arak any hevitr’A/tra ve ity ataoko ity? Tahaka ny voalazan’I Jeremia mpaminany t@ vakiteny vo&lohany teo: “Misy afo mandoro ao anatiko ao” – misy hery ihany koa ao amintsika ka io no ahafantarantsika hoe araka an’A/tra, arak any hevitr’A/tra ve ny zavatra atao. Manahirana mandrakariva io manaraka ny hevitr’A/tra io satria manohintohina ny fiainantsika @ maha-olombelona antsika. Tsy mora mandrakariva ni mihaino sy manaraka ny bitsk’A/tra isan’andro. Indrindra moa ho antsika katolika izay tena miezaka miaina izay maha-kristianina izay. Isan’ny mampiavaka ny katolika, na dia jiolahy aza ny katolika. Raha ataontsika misy andian-jiolahy manafika trano iray ka fantatry ny olona ao an-trano izy ireo, misy ny katolika ao, sekta, protestanta, raha toa ka fantatry ny olona ao an-trano dia avy hatrany dia vonoina ireo. Fa ny ahafantarana hoe katolika ilay jiolahy, raha miteny namany hoe andao vonoina ireto olona ireto, dia misy miteny ao hoe tsy azontsika atao izany, dia katolika izay olona izay. Satria isika mbola manana izay feon’ny fieritreretana izay.

Eny an-dalana eny, misy zandary sy polisy misakan-dalana. Misy péage matetika ho an’ny kamio, na taksiborosy; dia misy efa zatra omena vola hatrany, fa raha tsy manome ianao dia ilàn’ireo vaniny. Ka ny ahafantarana hoe katolika ilay misakan-dalana dia izao: raha mitaraina ianao dia mba alefany ihany. Hitantsika izay satria tsikaritra eo @ fiainana an-davan’andro: manana izay feon’ny fieritreretana ao anatintsika izay. Ka hoy aho teo hoe, niteny Jesoa androany: “Raha misy te hanaraka ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliana isan’andro ka hanaraka ahy”.

Tsy mora ity manara-dia an’I Kristy ity satria manohintohina ny tombon-tsoa eo @ maha-olombelona antsika. Io no lazain’I Jesoa: “Inona moa no soa ho azon’ny olona iray raha mahazo izao tontolo izao izy nefa very ny fanahiny?” heverintsika ho fananana hasambarana ny fahazoana izao rehetra izao, ny tsy fisian’ny fijaliana eo @ fiainana, manana izay rehetra tiantsika ho azo.

Ny fahasambarana anefa dia ny fanahintsika voavonjy. Ary io no lazain’I Jesoa teo hoe: “Inona moa no soa ho azon’ny olona iray raha mahazo izao tontolo izao izy nefa very ny fanahiny?”.

Ny fahasambarana no tambin’ny fijaliana. Ka ireny fijaliana zakaintsika @ fiainana andavan’andro ireny, hitantsika ny tantaran’I Victoire Rasoamanarivo, tsy moramora ny nihatra taminy. Vadinao vita soratra sy mariazy izao no mamono mila ahafaty isan’andro. Vadinao izao no mampirafy ary mitondra ao antrano ny rafivaviny izay tsy azo atao na oviana na oviana, fa niaretan’I Victoire Rasoamanarivo izany. Na dia notsofin’ireo rafozany rano aza izy ny hisaraka @ Radriaka zanany, noho ny fijaliana niaretany hitany. Niaina izay fijaliana izay Victoire teo @ fiainan-tokantrano k any nataony dia izao: “Misaotra anareo ry dada sy neny @ fitiavanareo sy ny torohevitra, fa raha hitso-drano ahy ianareo dia tsofy rano aho haharitra h@ farany anatin’ny fiainan-tokatranoko, satria nekeko teo  anatrehan’A/tra io”. Satria t@ nanao mariazy dia niteny mazava tsara hoe: “ho tia sy hanaja anao mandritra ny andro rehetra iainako”. Nekeko teo anatrehan’A/tra ka sanatriaviko ny hisaraka @ vadiko”, io ny tenin’I Victoire. Izany no atao hoe fijaliana; ary maro amintsika anie ny miaina izany fijaliana izany any anaty tokantrano e! ary ankehitriny dia mihapotika tsikelikely ny zava-misy satria misy fijaliana ao. Na no an’ny ankizy, na ny tanora, dia misy fijaliana isan’andro ao, noho ny fanarahan-dia an’I Kristy. Izay nefa dia tsy maintsy lalana izorana: “Raha misy te hanaraka ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliana isan’andro ka hanaraka ahy”.

Tsy mitondra irery ny hazofijaliana isika isan’andro fa ny mavesatra indrindra no efa nentin’I Kristy. Efa nolazaiko teto aminareo indray mandeha ny tantara iray efa natao ho ohatra mikasika izay atao hoe fijaliana izay. Misy manko ny mihevitra sy miteny hoe tena mafy sy mavesatra be ny hazofijaliako. Maninona ny an-dranona no maivana ny hazofijaliany, fa maninona ny ahy no toa mavesatra?

Nisy olona iray nanana hazofijaliana, noheverina fa tena lehibe izany. Dia lasa izy nandeha nakany @ mpandrafitra manao ny hazofijaliana dia niteny hoe: lehibe loatra ity hazofijaliana ity fa mba ijero izay kelikely ao aho. Dia nasaina napetrany ny hzofijaliany ary nalefa nijery izay noheveriny hokelikely sy mety ary antonona azy izy. Dia lasa ilay rangahy nandeha mba nijery izay maivana ho azy. Noteteziny ny atelier iray manontolo, nitadiavany izany. Misy tao ny lehibe sy mavesatra, kely mafonja, antonona ihany fa mavesatra hatrany. Farany nahita kelikely izy: ity no kely indrindra sy maivana indrindra. Dia hoy ilay rangahy mpandrafitra taminy: “ilay anao teo ihany anie iny e”. Rehefa tsy mahita afa-tsy ny tena isika dia tsy misaina fa misy fijaliana mavesatra anie zakain’ny hafa.

Jerena ny hafa fa toa faly sy sambatra, dia iny ianao mihevitra fa ianao no tena mitondra ny hazofijaliana mavesatra indrindra. Fa A/tra tsy manome fijaliana mihoatra an’izay zakantsika sy mety amintsika. Dia anjarantsika ny manaiky ny anjara hazofijaliantsika, anjara fijaliantsika. Isika rehetra izao dia samy manana ny hazofijaliana lanjaintsika isan’andro; koa mba mandinika isika hoe @ity herinandro ity, inona no mba hazofijaliana entiko sy zakaiko isan’andro. Tsy ny hazofijaliana izay iambozonana akory satria tandindona fotsiny ihany iny, fa mandini-tena isika fa sao dia mbola lavitra an’I Jesoa isika. Ny kristianina, ny olona tsirairay avy dia manana anjara hazofijaliana eo @ fiainana, fa anjarantsika ny manaiky: “Ekeko Tompo ô ity hazofijaliana izay apetrakao eto amiko ity”.

Resaka Facebook