Alahady 31/01/2016 : Tenin’Andriamanitra

Vakiteny voalohany: Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 1, 4-6. 17-19)

Tendreko ho mpaminany ho an’ny firenena ianao.

Tamin’ny andron’i Jôsiasa, dia tonga tamiko ny tenin’ny Tompo nanao hoe: “Efa fantatro talohan’ny namoronana anao tao am-bohòka ianao, ary raha tsy mbola naloaky ny kibon-dreninao ianao dia efa nohamariniko; notendreko ho mpaminany ho an’ny firenena. Misikîna ianao, mitsangàna ary lazao aminy izay rehetra handidiako anao. Aza mangovitra eo anatrehany, fandrao ataoko mangovitra eo anatrehany ianao. Indro Aho anio manao anao ho tanàna mimanda, andry vy ary manda varahina, eo anatrehan’ny tany rehetra, eo anatrehan’ny mpanjakan’i Jodà, sy ny mpifehy eo aminy, eo anatrehan’ny mpisorony, eo anatrehan’ny vahoakany. Hiady aminao izy ireo, nefa tsy hahefa na inona na inona aminao, satria momba anao Aho, hamonjy anao Aho!”

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 12, 31—13, 13)

Mitoetra ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana, fa ny fitiavana no lehibe indrindra.

Ry kristianina havana, ny fanomezana ambony indrindra no irio mafy, dia izao lalana tsara indrindra atoroko anareo izao. Na dia miteny amin’ny fitenin’ny olona sy ny Anjely aza aho, nefa tsy manana ny fitiavana, dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana fotsiny aho. Na dia nahazo fanomezana haminany aza aho, ka mahalala ny zava-miafina rehetra, sy manana ny fahalalana rehetra, ary manana ny finoana rehetra, hatramin’ny mahafindra tendrombohitra aza, raha tsy manana ny fitiavana, dia tsinontsinona aho. Na dia zaraiko ho an’ny mahantra aza ny fananako rehetra, ka atolotro hodorana mbamin’ny tenako, raha tsy manana ny fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany rehetra izany.
Ny fitiavana dia sady mahari-po no malemy fanahy; ny fitiavana dia tsy mialona, tsy manaonao foana, tsy mieboebo; tsy manao ny tsy mendrika, tsy mitady ny ho azy, tsy mora tezitra, tsy manao an-dolompo; tsy mifaly noho ny tsy marina ataon’ny olona fa mifaly noho ny fahamarinany; manala tsiny ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, mandefitra ny zavatra rehetra. Ny fitiavana dia tsy hanam-pahataperana. Fa raha ny faminaniana kosa, dia hisy farany, ny fitenenana fiteny tsy fantatra dia hitsahatra, ary ny fahalalana dia hiato. Satria tapany ny fahalalantsika, tapany koa ny faminaniantsika; ka rehefa tonga ny feno dia foana ny tapany. Fony mbola zaza aho, dia niteny toy ny zaza, nihevitra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza; fa nony lehilahy aho dia nialako ny fanahin-jaza. Ankehitriny mizaha ao amin’ny fitaratra isika, ka tsy mahita mazava; fa rahatrizay, hifanatrika; ankehitriny, tapany no fantatro; fa rahatrizay, hahalala tsara toy ny nahafantarana ahy aho. Ary ankehitriny, ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe indrindra amin’ireo.

Evanjelin’i Jesoa Kristy nosoratan’i Md Lioka (Lk 4, 21-30)

Tahaka an’i Elia sy i Elisea, dia tsy nirahina ho an’ny Jody fotsiny i Jesoa.

Tamin’izany andro izany, nony vita ny vakinteny nataon’i Jesoa tao amin’ny bokin’i Izaia Mpaminany, dia nifantoka tany aminy avokoa ny mason’ny olona rehetra tao amin’ny sinagôga, ka dia rafitra niteny taminy indray i Jesoa nanao hoe: “Androany no efa tanteraka eo amin’ny sofinareo izany Soratra izany”. Ary nankalaza Azy izy rehetra, sady talanjona noho ny tenim-pahasoavana naloaky ny vavany, ka hoy izy ireo: “Tsy ny zanak’i Jôsefa va ity?” Ary hoy kosa i Jesoa taminy: “Marina raha tsy ataonareo amiko ilay ohabolana hoe: ‘Dokotera, sitrano aloha ny tenanao’. Ny zava-mahagaga renay nataonao tany Kafarnaôma mba ataovy eto amin’ny tany nahabe Anao koa”. Dia notohiziny hoe: “Lazaiko marina aminareo fa tsy misy mpaminany hajaina amin’ny tany nahabe azy. Ary lazaiko marina aminareo koa, fa maro ny mpitondratena tamin’i Israely tamin’ny andron’i Elia, raha nihantona telo taona sy enim-bolana ny orana ka voan’ny mosary mafy ny tany rehetra, nefa tamin’izy ireo tsy nisy nanirahana an’i Elia na dia anankiray aza, fa tamin’ilay vehivavy mpitondratena tany Sarepta any amin’ny tany Sidôna ihany; ary be koa no boka tao amin’i Israely tamin’ny andron’i Elisea mpaminany, nefa tsy nisy sitrana na iray aza, fa i Naamàna Sirianina ihany”. Dia tezitra mafy izay rehetra tao amin’ny sinagôga raha nandre izany, ka tafatsangana nandroaka Azy hiala ao an-tanàna, sady nitondra Azy tany an-tampon’ny tendrombohitra iorenan’ny tanànany mba hazerany any an-tevana; fa namaky teo afovoan’izy ireo Izy dia lasa.

Resaka Facebook