Alahady – 30/11/2014 – Toriteny

Araka ny nolazaintsika teny am-piandohàna dia manomboka androany ny taom-baovan’ny fiangonana. Dia ny manomboka azy dia ny « Avent ». Inona moa ity « avent » ity ? Io dia ny fiomanana amin’ny fiavian’ny Tompo. Dia hasiantsika resaka kely ny mikasika an’izay rehefa avy eo.

Fiomanana amin’ny fiavian’ny Tompo.Ka raisintsika aloha ny vakiteny.

Tao amin’ny vakiteny voalohany, bokin’Izaia mpaminany, ity tantara ity.Nisy fotoana teo amin’ny fiainan’ny vahoaka israely nanota izy ireo, nanalavitra an’Andriamanitra ary nanompo sampy.Ary nila vonjy tany amin’ny firenena tsy mpino, tsy mahalala an’Andriamanitra, rehefa noteren’ny fahavalo dia nila vonjytany amin’ny firenen-faka izay tsy mino, tsy mivavaka. Efa nanarina, efa nampiomanina ny vahoaka: raha tsy mibebaka ianareo dia haringan’Andriamanitra. Fa di any lalan-dratsy ihany no notohizan’ireo vahoaka ireo, vahoaka jody.

Dia tongany fotoana tamin’ny taona 385 alohan’I Jesoa Kristy, lasan-ko babo ireo vahoaka ireo. Lasa babo tany Babylôna. Efa nilazàn’ ny mpaminany ny mba hiverenany amin’Andriamanitra dia mbola ny lalan-dratsiny ihany no notohizany.Farany, lasan-ko babo tany amin’ny firenena tsy mino. Rehefa babo izay vao tonga saina. Izay vao nahatsapa ny hadisoany. Izay vao nitodika tany amin’Andriamanitra. Nandefasan’Andriamanitra mpamonjy izy ireo : “Cyrus” ka tamin’ny taona 537 talohan’I Jesoa Kristy, lasa niverina tany Jerosalema.  Rehefa tonga tao Jerosalema izy, izay vao nanao an’ity vavaka fitalahoana ity:“Nanota izahay, nanalavitra anao izahay. Aoka ianao hidina handrovitra ny lanitra ka hitoetra ety aminay”.Izay no antsoantson’ireto vahoaka ireto rehefa tafaverina an-tanindrazana izy.Nahita ny tanàna potika. Ny maha-teo an’I Jerosalema tsy teo intsony. Aoka hianao hidina handrovitra ny lanitra: miantso famonjena amin’Andriamanitra ny vahoaka ary miaiky ny hadisoany.

Dia hitantsika tamin’ny Evanjely vao rentsika teo.Eo am-piandrasana ny fiavian’ny Tompo ary, inona no atao? Averimberin’I Jesoa in’efatra ny hoe “miambena”.Isika izao ao anatin’ny fiomanana amin’ny fiavian’ny Tompo.Ny vahoaka talohan’ny nahatongavan’I Jesoa dia efa niandry ny fiaviany. Io no nahatonga azy niantso hoe “Tongava haingana, aoka ianao hidina”. Ary talohan’I Jesoa dia efa nisy ny olona niteny “Izaho no Mesia”. Ary izay no nahatonga an’I Joany Batistananiraka ny mpianany nankany amin’I Jesoa rehefa tonga I Jesoa: “Ianao ve no ilay avy sa mbola hafa no andrasantsika?” tsaroanareo tsar any valiny nomen’I Jesoa tamin’izay: “Mandehana lazao fa nahiratra ny jamba, nalady ny marenina, nitsambikimbina ohatra ny serfa ny mandringa”. Izay no nolazainy ary izay no nahafantaran’I Md Joany Batista hoe io izany ilay Mesia nandrasana. Efa miandry ny vahoaka, fa ny nahadiso hevitra ny vahoaka dia ny hoe izany Mesia izany dia heverina ho avy amin’ny fomba manetriketrika avy eny amin’ny rahon’ny lanitra. Tsy noheverina ho zaza tahaka ny zazakely rehetra. Tsy noheveriny ho toy izany ilay Mesia ho avy fa ho mpanjaka lehibe hanafaka azy amin’ny fijaliana satria nozanahan’ny romanina ny vahoaka israely tamin’ny andro nahaterahan’I Jesoa. Dia teo ho afaka amin’izany fanjanahan-tany izany izy dia noheverina fa izany Mesia ho avy izany dia olona mahay miady, manana fahefana lehibe.Nefa tsy izay ny fomba nisehoan’Andriamanitra.Ny vahoaka talohan’I Jesoa niandry ny niavian’ny Mesia. Fa rehefa tonga Jesoa, tsy nahalala azy ny olona. Ary izay no nahatonga an’I Jesoa nitomany rehefa niditra tao Jerosalema. “Raha mba nahalala an’izay andro namangiana anao manko ianao”, tsy niomana ary ny olona tsy niomana sy tsy mahalala ankory hoe izay ilay ho avy. Niandry ny nahatongavan’I Jesoa ny olona talohan’ny nahatongavany. Isika ihany koa isan-taona isan-taona isaky ny Avent dia miandry ny fiavian’ny Tompo. Fa I Jesoa efa tongateo amin’ny fiainantsika, efa namakivaky ny lalantsika olombelona I Jesoa ary ny andrasantsika amin’izao, tandindona ihany ny avent, di any fiveranan’ny Tompo. Miandry ny iverenany isika izay tsy fantatsika arak any nolazain’I Md Marka teo. Tsy fantatsika ny fotoana, tsy fantatsika ny ora. Fa ny angatahan’ny fiangonana amintsika dia izao hoe: “miambena”. Ary misy antony matoa ao anatin’ity Evanjely fohy ity, in-4 Jesoa no mamerina ny teny hoe “miambena”. Tamin’ity fotoana ity Jesoa, atomotra ny fotoana hamonoana azy. Dia niteny amin’ireo mpianatra ireo izy hoe “Miambena, tsy fantatrareo ny fotoana”. Na ho tonga amin’ny alina, na misasak’alina, na mameno akoho, na ho tonga maraina; fa ny anjarantsika di any hoe “miambena”. Araka ny tenin’I Frera Charles de Foucault hoe “ehefa mifoha ianao maraina, dia hevero fa rahariva no fotoana ahatongavan’ny Tompo”. Raha mihevitra an’izay daholo ny rehetra, tsy hisy olona sahy hanao ratsy.

Efa nolazaiko taminareo ihany ilay tantara kely indray mandeha, efa antitra ilay ramatoa. Dia kirina eo amin’ny fiainana, ny taona mavesatra, ny fahoriana koa mamely, ny zafikely sy ny zanaka rehetra tsy hita eb eny ihany. Mahatsiaro tena ho irery. Ka isaky ny mivavaka izy ao an-trano rehefa amin’ny hariva dia izao no averiny: alao amin’izay aho Jesoa, alao amin’izay aho, ento aho”. Mankany am-piangonana izy dia izay no ataony: “Jesoa ô, alaivo amin’izay aho, efa be izay, ampy ahy izay, alaivo aho”. Kay tamin’izay ilay nivavaka tao am-piangonana dia nisy niteny tao, ilay zafikeliny kay noniafina tao ary nanova feo: “androany hariva ihany ianao dia halaiko”. Nikoropaka amin’izay: “aoka aloha ka, tsy mbola handeha indray aho”. Natahotra indray rehefa nahare an’ilay feo.Kay izany ilay izy rhefa tern’ny fahoriana dia miantso an’Andriamanitra, fa rehefa tonfa tokoa  ny tokoa, ahoana ny fahavononana.

Dia heverintsika ho tahaka izany tokoa moa isika. Raha fantatsika moa ny ora sy ny fotoana ahafatesantsika, inona no ho ataontsika? Misy horonan-tsary izay, “Retour vers le future”: efa fantatra hoe amin’izao no ahafatesana, ary hitany mandala eo imasony eo daholo ny zavatra hitranga rehetra, ny fomba ahafatesany. Dia nataony avokoa izay fomba hialàna amin’iny amin’ny fomba rehetra. Fa n’inon’inona zavatra nataony, fantany ny fomba ahafatesany, nialàny izany, fa tratra ihany izy.

Tahaka izay koa ny AVENT. Eo am-piandrasana ny hiavian’ny Tompo isika, tsy fantatsika na ny ora na ny fotoana. Raha nanontany an’I Jesoa ny mpianatra: “rahoviana?”.Amin’ny Evanjely iray Jesoa dia mamaly fa “Na ny Zanak’Olona aza dia tsy mahalala”.Fa raha isika ireo aza moa no mahalala hoe amin’izay ny andro ahafatesako, angamba maty alohan’ny fotoanan tokony ahafatesana isika. Fa ahoana tokoa re izany?Ary iny fotoana iny no ihaonantsika amin’Andriamanitra iny.Iny ilay fotoana hiavian’ny Tompo hitsenana antsika tsirairay avy, ka ho mendrika ve isika amin’izay fotoana izay, handray an’ilay mpamonjy? Dia mampandinika io, io fieritreretana ny fotoana ahafatesantsika io. Tsy maintsy iomanana io. Raha sanatria moa isika ao anatinn’ny fahotana mahafaty, ao anatin’ny fotoana isarahantsika amin’Andriamanitra ny fotoana ahafatesantsika, hanao ahoana isika? Hoy aho hoe raha fantatsika ny fotoana ahafatesantsika dia hitady mopera hatraiza hatraiza isika, hikônfesy aloha, “confesse générale” mihitsy ho hatao, hoe ny fahotako rehetra hatramin’izay mihitsy môpera, tsy tadidiko intsony fa ifonako daholo. Nefa rehefa mikônfesy dia tsy maintsy tenenina hoe inona ny fahotana natao. Fa indraindray ny olona rehefa mikônfesy hoe hanao confesse générale môpera dia izay, fa tsy miteny akory hoe inona ilay fahotana natao, fa hoe ny fahotako rehetra fotsiny. Ao anatin’ny sakramentan’ny fampihavanana, tsy maintsy misy filazana ny fahotana fa tsy ny pretra no andrasana handinika hoe inona avy moa ny fahotana vitan’ity olona ity. Fa tsy maintsy misy filazana ny fahotana ka soa ihany isan-taona fa misy ny AVENT. Rheefa miteny hoe avent manko di any ankizy daholo no eritreretintsika.Ny ankizy rehetra, hanao fety, hanao kilalao, inona ny akanjon’ny ankizy, inona ny kiraro ho vidiana ho azy, aiza no ahita dadabe noely amin’ity taona ity sns…izay no eritreretina, ny ankizy efa manofinofy ary tsy andriny ny ahatongavan’ny noely: ao ambany “Cheminée” misy zavatra hapetrak’I dadabe noely. Izany no eritreretina sy andrasan’ny ankizy, fa tsy mieritreritra hoe inona marina, ary iza no tena andrasana?

Noresahantsika tamin’ny herin-taona.Ny noely, tsingerin-taona nahaterahan’I Jesoa no ankalazaina. Fa iza no mahatsiaro hoe nahaterahan’I Jesoa?Ny ankizy no mahazo kilalao nefa I Jesoa no teraka. Eritrereto hoe tsingerin-taona anahaterahako tamin’ny Novambra, dia olon-kafa ary ambadika ary no mahazo fanomezana fa tsy izaho. Dia tahaka izay koa ny amin’ny Noely. Manomboka ny Avent dia tsy maintsy mitodika any sahady isika. Ny fankalazna ho atrehantsika: I Jesoa no teraka ka inona ny fanomezana ho entintsika sy omanintsika ho an’I Jesoa? Io no ho antsika tsirairay avy. Ary io ilay tenin’I Jesoa androany: MIAMBENA.

Tsy ho finaritra ny hibata ny kilalao, na ny fety ho avy fotsiny isika fa eo am-piandrasana, dia mila miambina. Mis raim-pianakaviana isika, misy renim-pianakaviana, misy dadabe sy bebe, misy tanora ary ao ny zanaka. Inona ny fiambenana tokona hataontsika tsirairay avy? Misy adidy sy andraikitra sahanin’ny tsirairay: inona ny zavatra tokony hataoko? Inona ny zavatra tokony hovàko amin’ny fiainako. Ho avy ny Evanjely: “aravony ny havaona mba hietry”, hoy ny tonon-kira teo. “totofy avokoa ny lohasaha, amboary ny lalan’ny Tompo”, izany ny hirantsika ary voalazan’Izaia mpaminany.  Izany ny fiambenana ataontsika: aravony ny havoana mba hietry, izany hoe ataovy mahitsy ny alaln’ny Tompo mba tsy ho sahirana izy amin’ny fotoana hamangiany antsika.

Ny fontsika, ny fanahintsika, ao no mila omanina handraisantsika ny ahatongavan’ny Tompo. Tsy hoe isaky ny Noely ihany I Jesoa vao tonga fa isan’andro izy dia tonga eo amin’ny fiainantsika. Fa mba ao anatin’ny taona kosa, dia mahatsapa isika an’izay fanomanana ny so sy fanahy izay amin’ny fiavian’ny Tompo.

Mieritreritra isika fa ny Noemly nofety lehibe indrindra, fa ny fety lehibe indrindra ao am-piangonana di any vanim-potoan’ny Paka; satria raha tsy nitsangan-ko velona I Jesoa dia tsy nisy nankalaza ny Noely izany anie eh!!! Tsy nisy ny noely raha tsy nitsangan-ko velona I Jesoa.

Ka hoy aho teo, averiko ny tenin’I Charle de Foucault hamaranako ny fampizarana, amin’ilay teny hoe miambena. Amin’izao vanim-potoana hiainantsika izao moa dia hitantsika fa tsy mandry andro, tsy mandry alina ny olona. Na mandry aza dia mandry tsy lavo loha amin’ny tsy fandriampahalemana. Ary io no nolazaintsika teo androany:zava-nitranga. Fantatrareo moa ny zava-nitranga tamin-dry  masera afak’omaly iny fa any an-tananantsika tsirairay avy any anie amin’ny alina misy mandondona amin’ny alina, tsy fantatra intsony. Ny zavatra any anaty kisoa sy ny tananantsika rehetra any misy mangalatra; ny alike ihany no tsy misy mangalatra. Na mandeha eny ary izy  ireo toa tsy misy maka raha tsy hoe tsara angaha, na koa maty voahitsaky ny fiara fotsiny. Fa amin’izao dia angalarina daholo izay azo angalarina rehetra.Mandry tsy lavo loha isika mianakavy.

Fa raha eo amin’ny fiainana maha-olombelona antsika, miezaka isika miambina, matahotra isika amin’ny fananantsika, matahotra isika amin’ny aintsika.

Fa mba tokony ahatahorantsika koa, tsy maintsy miambina isika mba tsy ho voaloto ny fanahintsika eo am-piandrasana ny fiavian’ny Tompo.

Resaka Facebook