Alahady – 29/06/2014 – Toriteny

Dia mankalaza fety lehibe ny fiangonana maneran-tany androany: FETIN’I MD PIERA SY MD PAOLY.

Izy ireo moa dia niara-novonoina ny 29 Jona taona 69, tany Rôma. Ny fomba namonoana azy, dia samy nokapohina mafy, nampijaliana izy roalahy ireo. Fa ny tena namonoana azy, ny an’I Md Piera, noho izy jody, dia natao toy ny fanamelohana ny Jiolahy: nofantsihana tamin’ny hazofijaliana.

Fa noho i Piera efa namadika ny Tompo, dia tsy nety izy fa  natsongolika ny hazofijaliany: ny lohany no natao ambany.

Ny an’I Md Paoly kosa indray, jody izy fa mizaka ny zom-pirenena romana. Noho ny fahaizany dia natao tahaka ny fampijaliana ny romana izy: notapahan-doha. Fa araka ny tantara dia niejera in-telo ny lohan’I Md Paoly rehefa notapahana.; ka teo amin’ny toerana izay niejeran’ny lohany in-telo dia nisy rano niboiboika nivoaka.

Izay ny niafaran’ny tantaran’I Md Piera sy Paoly, ary izay ihany koa no antony ankalazan’ny Eglizy azy miaraka androany, 29 Jona.

Dia raha arahantsika ny tantara, ahoana no nahatonga azy roalahy ireto ho maty martiry toy izao. Andinihantsika tsirairay avy ihany, manao ahoana isika? Inona no mbola miandry antsika? Vonona ve isika amin’ireo izay mety ho endri-panenjehana miandry antsika ary efa iainantsika sahady aza ankehitriny?

Md Piera dia isan’ny mpianatra voalohany nantsoin’I Jesoa. Rehefa andeha izy teny amoron’ny farihin’I Tiberiady, nahita an’I Piera, Jakôba, André, Joany nanarato. Nantsoiny izy ireo: “avia hanaraka ahy fa hataoko mpanarato olona ianareo”. Nandao ny harato niaraka tamin’izay ireo dia nanaraka an’I Jesoa tamin’izay nalehany rehetra.

Kelikely Jesoa niantso ny mpianatra. Rehefa avy eo dia feno 12 ny mpiantry Jesoa.

Dia mba manontany anareo aho, I Md Paoly ve anisan’ny Apostôly 12 lahy sa tsia?

TSIA, tsy isany izy. Nefa I Md Paoly dia milaza fa apostôlin’I Jesoa Kristy ihany koa. Fa I Md Paoly dia tsy san’ny aporstôle 12 lahy. Nanarka an’I Jesoa sy nantsoiny.

Dia hitantsika hoe manao ahoana sy manao ahoana ny toetran’I Md Piera. Izy dia nanana izay hafanam-po izay. Rehefa niteny jesoa indray andro : “Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’Olona”, dia hoy Md Piera : “Sanatria raha hihatra aminao izany”. Indray mandeha ihany koa Jesoa rehefa avy nampitombo mofo dia nanaraka azy ny vahoaka, fa rehefa notenen’I JEsoa hoe “Izaho no  mofo velona nidina avy an-danitra”, dia niala daholo ireo. Ka ny apostôly sisa no teo. Dia nyteny tamin’izy ireo Jesoa hoe “Ianareo koa ve mba handeha?”. Dia  I Md Piera no niteny hoe: “Hankany amin’iza ary izahay Tompoko?” Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka anao”.

Indray mandeha koa Jesoa rehefa avy nampirava ny vahoaka dia nampandeha mialoha ny Apostôly niampita ny lakana. Nandritra ny alina dia nisy tafio-drivotra ka nanonja mafy ny ranomasina. Dia tamin’izay fotoana izay Jesoa no nandeha teny ambony rano. Dia nihorakoraka ny apostôly niantsoantso  hoe “matotoa, matotoa”.

Dia tamin’izay Jesoa niteny: “Matokia, izaho ihany ity fa aza matahotra”. Md Joany niteny tamin’izay ho e “Ny Tompo io”. Dia hoy Md Piera: “Raha ianao ary Tompoko, dia asaivo mandeha makeny aminao eny ambony rano aho”. “Avia”, hoy Jesoa, dia iny Piera nandeha teny ambony rano. Fa reheha nahery ny rivotra, tonga teny akaikin’I Jesoa izy, nisalasala dia nilentika. Tamin’izay Jesoa niteny tamin’ny Piera: “Ry Simona, nahoana no kely finoana ianao?” Satria niantsoantso I Simona hoe “Tompo ô, vonjeo aho fa maty”. Be dia be ny tantara rah any teo amin’ny fiainan’I Md Piera, ahitantsika fa izy no manana izay hafananm-po izay.

Dia  amin’ny Evanjely androany, retsika fa nanontany ny mpianany Jesoa: “Ataon’ny olona ho iza ny Zanak’Olona?”. Tsy nisy niteny izy ireo, fa I Piera no niteny: “Ianao no Kristy, Zanak’Adriamanitra velona”. Dia tamin’izay Jesoa niteny, retsiak tamin’ny Evanjely teo, : “Sambatra ianao ry Simona zanak’I Joany, fa tsy ny nofo aman-drà no nilaza taminao, fa ny Raiko izay any an-danitra”.

Ary noho izay finoan’I Piera izay no nanomezan’I Jesoa fahefana azy manokana, ka nilazàny hoe: “Ianao no Piera vatolampy, ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Eglizy, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy. Omeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra: izay ho fehezinao ety an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra, ary izay ho vahanao ety an-tany dia ho voavaha koa any an-danitra”. Fanomezana fahefana lehibe an’I Md Piera io.

Vatolampy. Ianao no Piera. tamin’ny voalohany, tsy nisy an’izany Piera izany ny anarany taloha, fa Simona, io no tena anarany io. Fa nanomboka teto, rehefa niaiky I Piera hoe “Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona”, dia nanova ny anarany Jesoa. Nilaza taminy hoe: “Sambatra ianao ry Simona zanak’I Joany, fa tsy ny nofo aman-drà no nilaza taminao, fa ny Raiko izay any an-danitra  –  Izaho milaza aminao fa Ianao no Piera vatolampy”.

Inona ny dikan’ny vatolampy?

Ny vatolampy dia tandindon’ny zavatra mafy orina, tsy mihontsona. Izany hoe tandindon’Andriamanitra io: Andriamanitra tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. Talohan’io dia tsy mbola nisy olona nomena ny anarana hoe Piera izany.

Mety misy amintsika no manana anarana hoe Piera, fa rehefa agasiana izany anarany izany dia manome he vatolampy. Tsy hisy hiantso olona mihitsy hoe vatolampy angamba.

Fa tamin’izany andro izany, dia I Simôna no nantsoina voalohany hoe Piera – vatolampy.

Dia niteny I Jesoa fa “ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Eglizy”.

Inona no atao hoe Eglizy?

Ny Eglizy dia tsy fiangonana tahaka izao akory. Fomba fiteny matetika manko ny hoe ndeha isika ho any am-piangonana, na any amin’ny Eglizy – ilay tranobe hitantsika. Fa ny Eglizy dia ilay atao  hoe vahoakan’Andriamanitra = fiombonan’ny vahoakan’Andriamanitra rehetra, na dia tsy misy trano aza. Izay no atao hoe Eglizy. Fa namboarina ny trano ho tandindon’ny tempoly tany Jerosalema, ivavahan’ny vahoaka, fa ny Eglizy dia ireo vahoakan’Andriamanitra rehetra, manaiky an’I Kristyho filoha tokana.

“Ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy”. Io isika izao manana vavahady tsara, hidirana si ivoahana; ny vavahady dia ilazana ny hery ananan’ny tanàna iray, tsy ho voakasiky ny fahavalao. Maneho herin’ny tanàna iray tsy ho tafiditry ny fahavalo. Taty amintsika dia tsy mbola vavahady tahaka izao taloha, fa mba hiarovana amin’ny jiolahy dia hadivory no natao, dia misy lalana kely ahafahana miditra  sy mivoaka ny tanàna. Dia ny varavarana miditra ny tanàna dia vato  boribory akodia. Izay, ary mbola hitantsika amin’ireny tanàna haolo ireny ny vato akodiadia. Ka tsy misy olona ho tafiditra ao mihitsy raha tsy ny olona avy ao an-tanàna n omamoha azy.  Ary izay no maha-Tsiafahy an’I Tsiafahy hitantsika io. Natao  ty ho tafiditra tao mihitsy ny vazaha.

“Omeko anao ny fanalahidy”. Io ilay atao hoe Lakile.. Rehefa mahita ny sarin’I Md Piera isika, dia matetika mitàna lakilé izy, eo aminy ny fanalahidy. Ny fanalahidy dia tandidon’ny fahefana. Izy no afaka manidy sy mamaha ny varavarana iray, azy ny fahefana.

Mamaha sy manidy, mamehy sy mamaha, io izany maneho  fitambaran-javatra. Izay ilay fahefana noemn’I Jesoa an’I Md Piera. Io no voalazan’ny Evanjely androany. Tsara dinihintsika io, ahafahantsika mahalala tsara hoe inona marina ity Eglizy ity. Ka ao anatin’izay, amin’ny maha Kristianina Katôlika antsika, isan’ny mampiavaka ny Katôlika, ny fiombonantsika amin’ny Papa Ray Masina. Ny fiombonana ao amin’ny Eglizy. Aty amin’ny fiangonana Katôlika, dia misy ny atao hoe rafitra an-tana-tohatra (hierarchies). Tena mipetraka io ato amin’ny fiangonana. Fa arak any tenin’I Jesoa: “Nysampana izay tsy miray amin’ny fototra dia  malaza ka maina. Tapahana ka atsipy any am-patana”. Ka noho izany, rha vao misy sampan iray mitady hisaraka amin’ny fiombonana amin’ny fiangonana dia efa tsy isan’ny Katôlika intsony izay. Atyamin’ny fiangonana Katôlika dia mipetraka tsara mihitsy, na tian’ny olona na tsy tiany hitoetra eo aminy ny Pretra iray, dia tsy misy afaka ny hiteny mihitsy hoe andao alàna io Mopera io, na hotazonina; tsy misy afaka ny hanao an’izay ny Katôlika. Ho ahy manokana, efa firy ny olona tonga teny Andohalo mangataka amin’ny MonSeigneur hoe maninona no esorina ny Pretranay. Dia ihomehezan’ny Kardinaly fotsiny tamin’izany andro izany. Fa efa misy rafitra tsy maintsy arahana, mipetraka eo.

Fa ny amin’ny fiangonana hafa, ny Kristianina afaka manongana ny Pasitera, na koa mitàna izany Pasitera izany, tsy misy rafitra tahaka ny antsika Katôlika ny azy.

Ka izay no maha-fiangonana Katôlika ny Katôlika: manaraka izay rafitra izay. Ka raha misy iray miala amin’ny rafitra, ka manao izay ataony manoka any, na Eveka, na Pretra, na Kristianina, dia manala ny tenany tsy ho isan’ny Fiagonana. Ary izay no nahatonga an’I Mgr Lefèvre, efa nisy ny Kaonsily Vatikana II, fa izy nitazona hatrany ny Vatikana I, dia nanomboka nanamasina Eveka, Pretra, dia lasa niataka tamin’ny fiangonana. Misy fampianaran’ny fiangonana iombonantsika tahaka ny Kônfesy, fahefana nomen’Andriamanitra manokana ny Apostôly, ary norainsin’ny Pretra rehetra ihany koa. Dia mbola misy ihany ny kristianina katôlika tsy mikônfesy amin’ny Pretra fa avy hatrany dia any amin’Andriamanitra. Efa tsy katôlika intsony izany. Izay ilay rafitra maha-Katôlika ny fiangonana Katôlika.

Rehefa niakatra any an-danitra I Jesoa, rehefa nidina ny Fanahy Masina, I Md Piera no namoha varavarana voalohany, ary sahy nitory ampahibe maso an’I Jesoa Kristy. Rehefa avy eo, dia nihitatra ny Fiangonana.

Dia retsika tamin’ny vakiteny voalohany teo ny tantaran’I Md Piera nogadraina tao an-tranomaizina. Rehefa tao izy, dia antoka-miaramila efatra, izany hoe 16 isa no niambina ary tao. Akoatra izay izy dia nihidy rojo vy. Fa rehefa nisasaka ny alina, ny vahoaka rehetra tany ivelany nivavaka, niombona tamin’i Md Piera, dia nisy anjeli’ny Tompo tonga tao an-tranomaizina: nivaha ho ay ny rojo vy , ny miaramila tsy nisy nahateny. Tafavoaka ny tranomaizina I Md Piera, ary teo izy vao  gaga fa tsy nofy ilay izy fa tena zava-nisy tokoa. Dia avy eo izy dia lasa avy hatrany nitory an’I Jesoa Kristy tany amin’ny Synagôga indray.

Zava-nitranga ihany koa nataon’I Piera, rehefa nandeha nivavaka tany an-tempoly izy niaraka tamin’ny Md Joany indray andro, dia nisy mpangataka jamba teny an-dalana nangataka. Dia hoy Md Piera: “ Raha vola sy harena, tsy mba manana an’izany izahay, fa izay ananako no omeko anao: amin’ny Jesoa Kristy, mitsangàna”. Dia nitsangana ilay malemy sady jamba ary sitrana teo no ho eo ihany, nanarka azy roalahy tamin’izay nalehany rhetra. Dia hitantsika amin’izay, rah any tantaran’I Md Piera fotsiny, tsy ho voatanisa eto, satria izy no nametrahan’I Jesoa Kristy andraikitra voalohany amin’ny fitantanana ny Eglizy, ary io ilay hoe : “Ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy” – tsy haharesy ny Eglizy.

Ny afobe, ny demony, dia tsy mikely soroka fa mitady izay hamotehana ny Zglizy, ny fiangonana. Fa inona ny zavatra mitranga? Mboal ireto isika, mbola mijoro.

Raha mijery isika ankehitriny, inona no tsy efa ataon’izao tontolo izao hamotehana ny fiangonana, indrindra ny fiangonana katôlika, atao izay fomba rehetra: ampiasiana ny fahefana, ampiasaina ny vola, ampiasaina ny olona hamotika ny fiangonana katôlika; fa mbola mijoro isika, mafy orina eo ambony vatolampy. Mahatoky isika fa manana izay tenin’I Jesoa napetrany tamin’ny Md Piera izay. Mafy orina ambony vatolampy ny Eglizy.

Ary isika tsirairay avy, mino isika, manao tahaka an’I Md Piera. Na hihatra hatramin’ny famonoana ho faty aza, dia manana an’I Jesoa isika. Matoky isika.

Ny an’I Md Paoly, lava dia lava ihany koa ny tantarany.

Jody izy, taranak’I Benjamina, ary tena nahay tsar any Lalàna sy ny Soratra Masina. Tena vontom-pinoana sy niaro ny finoana jody marina. Fa rehefa andre an’izany hoe kristianina izany izy dia tezitra, ka naka taratsy tamin’ny governor hoe hovonoina  hofatorana avokoa ireo miteny ny tenany ho kristianina. Fa ny tsy nampoiziny, teny an-dalana ho any Damasy izy no nisehoan’I Jesoa. “Saoly, Saoly, nahoana no manenjika ahy ianao?”. Iza moa ianao tompoko?

Dia nitohy ny tantara, nentina tao an-tanàna izy, ary rehfa avy eo, dia izy no lasa Apôstôly lehibe nitory an’I Jesoa tamin’ny jentily rehetra. Izay ny tantarany.

Raha ny nahazo an’I Md Paoly dia mafy dia mafy: in-telo vaky sambo handeha history. Rendrika an-dalana ny sambo, fa izy velona foana. Enjehin’ny jody izy, dia asehony fa mizaka ny zom-pirenena jody izy. Enjehin’ny romanina, dia asehony koa fa milaza ny zom-pirenena romanina izy. Ary izy dia etna olona nanam-pahaizana.

Dia ny tantaran’I Md Paoly, efa notoraham-bato impiry, efa impiry saika maty, fa ny niafaràny dia notapahan-doha tany Rôma. Izay no nahafaty azy.

Izay ny fiainan’ny fiangonana.

Izay ihany koa no angatahantsika amin’izao fetin’ny Olomasina roa lehibe, izay niorenan’ny Eglizy rehetra, dia mba hanana sy ho mafy ny finoantsika, ho afaka misedra izay rehetra fitsapàna, eny fan a hatramin’ny famoizana ny aina aza.

Miezaka ihany koa isika haneho fiombonana amin’ny Eglizy amin’izay zavatra atao rehetra, tsy hisy ny handeha irery any ambadika any, na koa hihevitra hoe “izao no heveriko fa mety” –   fa kosa hitady hatrany izay hevitr’Andriamanitra, izay hevitry ny Eglizy. Fa tsy misy afaka hanao zavatra an-tsokosoko any ambadika any.

Izany zavatra izany dia ilaintsika hodinihana.

Resaka Facebook