Alahady – 27/07/2014 – Toriteny

Mety ny mahafoy izay tsara mba hahazoana ny tsaratsara kokoa.

Izay no foto-kevitra anentanan’ny fiangonana antsika androany.

Milaza izany idridnra ny Evanjely sy ny Vakeiteny telo izay naroson’ny fiangonana tamintsika teo. Tao @ Evanjely, niteny momba ny fanoharana ny fanjakan’Andriamanitra Jesoa. Dia fanoharana telo no nilazan’I Jesoa izay fanjakan’Andriamanitra izay.

Voalohany, ny fanjakan’ny lanitra hoy Jesoa dia tahaka ny rakitra nafenina tany an-tsaha, izay hitan’ny olona ka nafeniny tao ihany aloha. Dia lasa tamin-karavoana izy nivarotra izay fananany rehetra ary  nividy io saha io. Misy fihetsika sy zava-mitranga tsy mahazatra antsika io.

Rakitra nafenina tany an-tsaha. Ny mahazatra antsika, raha manana tahiry isika dia mametraka azy any banky, any izy mety mitombo. Fa t@ andron’I Jesoa tsy mbola nisy an’izany banky izany. Tsy nisy ny banky, dia ny fanaon’ny olona izay manana vola sy tahiry dia mametraka azy anaty vatakely. Dia mandavaka izy dia alevian any ambanin’ny tany iny tahiry iny. Dia manao vatakely vaovao indray izy mandrapahafenony.  Izay ny fomba fanao fitehirizana vola t@ izany andro izany.

Eto koa ary, nafenina ny vola, natao anaty lavaka. Maty tampoka ny tompon’io vola io izay tsy misy mahalala afa-tsy izy irery ihany. Ny dikan’izay dia hoe tsy misy mahalala hoe aiza ny vola no mipetraka. Fa sendra nisy olona nokaramaina hiasa tany, hamboly. Ka rehefa miasa izy dia naheno zavatra mitsatoka @ angady. Teo dia nihady hatrany aloha niezaka ny nahalala izay ao anaty tany ao. Nojerena ka vata no tao, nosokafana ka vola no tao anatiny. Ny fihetsika nataon’ilay mpiasa, arak any fanoharana, dia nosaronany tao ilay vatakely dia lasa izy nandeha nody. Namidiny daholo an-kafaliana no nivarotany ny fananany rehetra, na ny tany na ny trano mba hividianany  an’ilay tany misy an’io rakitra io.

Lasa tamin-karavoana izy nivarotra ny fananany hividianany io tany misy rakitra sarobidy io.

Ny olona mety mieritreritra fa adala io rangahy io. Ny fananana ve hamidy  hividianana io tany kely tsy an’inona tsy an’inona io. Fa ny olona mihevitra azy ho adala, fa izy kosa mahalala ny ataony. Fantany ny lanjan’nio tany io, indrindra ilay  rakitra miafina ao ambany.

Manana zavatra tsara izy, fa namidiny izany satria noheveriny fa misy zavatra tsara lavitra noho ny fananany rehetra.

Dia mbola nampian’I jesoa fanoharana iray indray.

Ny fanjakan’ny lanitra hoy izy dia takaha ny mpandrato mitady voahangy sarobidy sy tsara. Voahangy, tsy anaran’olona io fa ny olona taty aoriana no naka izany natao ho anarana. Izany  voahangy izany dia karazana vato sarobidy. Mitady an’io no asany ary io no mahazatra azy. Fa rehefa mahita izy vato sarobidy izay tsy fantatry ny olona ny lanjany sy ny vidiny, dia lasa izy mivarotra ny fananany rehetra ihany koa ka mividy azy.

Ohatra hoe mpanangona an’ireny vatosarobidy ireny ny olona iray. Manana Emeraude sy Saphir, fa rehefa kelikely, misy olona mitondra Diamant izay lafovidy kokoa. Dia amidiny daholo ny vato ao aminy hividianany an’io Diamant io satria fantany ny lanjany.

Dia na dia izay fotsiny aza no jerentsika. Tsy mijery ny fanoharana fahatelo hafa isika.

Hitantsika hoe hay vitantsika olombelona ny manao “Sacrifice” mba ahafahantsika mitady zavatra tsaratsara kokoa. Dia hoy aho aninkeo maraina hoe ny olona mpanao “bizina” dia faly be raha mahare an’ity Evanjely androany ity satria izay mihitsy ny fanao. Ary izay daholo no ataontsika: te hampitombo nizay eo am-pelatanana, dia mahita fomba hanaovana izany. Haintsika olombelona tsara io, hoe inona no atao ahatsaratsara kokoa ny fiainana manaraka.

Ka eto, raha eo @ fiainana maha-olombelona, eo @ fitadiavana, vitantsika ny manao an’izany.

Fa mba manao ahoana kosa n yeo @ fiainam-panahy? Ho vitantsika ve?

Dia ampifandraisintsika @ vakiteny voalohany teo; ahitantsika fa niseho t @ Salômôna  mpanjaka tao anatin’ny nofy Andriamanitra. Dia niteny taminy hoe: “Angataho izay tianao fa homeko anao”.

Ary tena izay Andriamanitra: izay teneniny fa  homeny dia tena homeny tokoa.

Dia aviliko aminareo ny fanontaniana: raha apetrak’Andriamanitra amintsika ny fanontaniana, ary tena azo antoka fa homen’Andriamanitra antsika izao dia izao izay zavatra  angatahantsika, dia samy mamaly any an-tsaina tsirairay any isika: inona no angatahanareo fa homen’Andriamanitra anareo izao  dia izao? Dia mamaly an’eritreritra isika.

Fa ny an’I Salômôna dia tsy zavatra toy izany no angatahany.

Rehefa niteny Andriamanitra “Angataho izay tianao fa homeko anao”; inona no nagatahan’I Salômôna?

Vavaka no nataony.

Ry Tompo Andriamanitra, efa nampanjaka ny mpanomponao handimby an’I Davida raiko ianao,” efa zava-dehibe izay ho an’I Salômôna satria izy efa mpanjaka nandimby an’I Davida. Tsy nitady zavatra ankoatra izay intsony izy.

Izaho anefa mbola tovolahy tanora kely ka tsy mahay mitondra tena”. Miaiky ny fahalemeny Salômôna.

Koa saina mahiratra no omeo ny mpanomponao hitsarako ny vahoakanao hanavahako ny soa sy ny ratsy” izay no nangatahany. Saina mahiratra ahafahana manavaka ny soa @ ratsy.

Dia eto isika mandinika. Inona no nagatahantsika t@ Andriamanitra rah niteny izy hoe

“ Angataho izay tianao fa homeko anao”.

Fa ny an’I Salômona dia FAHENDRENA no nagatahany. Ary porofon’ny fahendren’I Salômôna io indray andro. Nisy vehivavy roa teraka tao @ fitoeram-piterahana iray. Rehefa avy eo natory ilay iray ka voatsindriny tao ilay zanany ka maty. Fa ny iray kosa natory. Raha nahita fa maty ny zanany ilay ramatoa  iray, ary hitany koa fa natory ilay vehivavy iray  hafa, dia nobatainy ilay zanany maty ka napetrany teo @ilay ramatoa sondrian-tory, ka ny zanak’io farany izay velona no nalainy ka napetrany teo aminy.

Rehefa taitra izy ireo, dia  gaga ilay ramatoa fa toa tsy zanany no eo akaikiny sady efa maty. Niady @izay ireo renim-pianakaviana roa. Dia farany nentina tany @ Salômôna mpanjaka.

Dia nifampiampanga izy. Ny zanako no velona fa ny zanak’ity ramatoa ity no maty. Dia izay koa no lazain’ilay ramatoa iray.

Dia ho y Salômona nony farany: “Angalao sabatra aho”; dia nomen’ny miaramila sabatra Salômona. Dia hoy izy “Omeo aty ilay zaza velona”. Dia naterina teo aminy ny zaza. Dia nalainy ny sabatra ka hoy izy: “Mba tsy hiady ianareo roa dia zaraiko roa ity zaza ity  dia manana ilany sy ilany avy ianareo”.

Dia hoy ilay ramatoa iray: “izay mihitsy ry mpanjaka, izay mihitsy no tena mety”.

Fa hoy kosa ilay iray: “Ry mpanjaka ô, omeo azy ny zaza mba ho velona”.

Dia hoy Salômôna hoe “Ity no tompon’ny zaza” satrai aleon’ilay reny mahita ny zanany velona toy izay hoe ho faty. Santionany iray @ fahendren’I Salômôna io: mahay manavaka ny tsara @ ratsy.

Ny tohin’ny vavak’I Salômôna dia izao: neken’Andriamanitra ny vavaka nataony.

Noho ianao nangataka izany zavatra izany, tsy nangataka harena ho anao, tsy nangataka ny ain’ny fahavalonao ho anao, fa ny saina mahiratra no nangatahanao, dia omeko anao h@izay tsy nagatahanao aza”. Izay no nataon’Andriamanitra.

Ka io koa no tokony hataontsika: rehefa mivavaka dia mba ilaina ihany koa ny mahay mangataka. Isika manko teren’ny zava-misy sy ny fiainana dia izay mamay no tsofina.  Fa ny an’I Salômôna zava-dehibe ambony no nangatahany, di any fahendrena ahaizana manavaka ny tsara @ ratsy.

Nahafaly sy nankasitrahan’Andriamanitra ny zavatra nangatahan’I Salômôna k any valiny nomen’Andriamanitra azy, dia sady nomeny azy ny fahendrena no nomeny azy koa h@izay rehetra tsy nangatahany aza.

Ary Jesoa miteny amintsika ao @ fampianarany indray andro.

“Katsaho aloha ny fanjakan’Andriamanitr sy ny fahamarinany dia homena anareo maimaim-poana ny sisa”. Jesoa no niteny an’io.

Maninona moa isika no sahirana sy vaky loha isan-karazany? Fa jereo io nolazain’Andriamnitra io.

Eo isika no mila mahay mandinika, inona no tsara? Inona  no tsaratsara kokoa?

Ny zavatra heverintska fa tsara hifikirantsika dia hadinontsika foana fa misy anie ny zavatra tsara lavitra noho io.

Ao @ Evanjely rentsika teo, ilay rangahy nahita ilay rakitra nafenina tany an-tsaha, lasa tamin-karavoana nivarotra ny fananany rehetra, ahazoana io zavatra sarobidy io. t@ Evanjely teo no ahitantsika fa rehefa rahatrizay, any @ faran’izao tontolo izao, hivoaka ny anjely hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka @’ny marina, hanipy azy any @ memy mirehitra, any no misy fitomaniana si fikotroha-nify. Ireo izay mahay mifidy ny tsara kokoa dia ho afaka @izay hoe fitomaniana sy fikotroha-nify izay. Fa ireo izay mifikitra @izay ananany ary io ihany dia ho very.

Tahaka ny  fitenintsika Malagasy hoe “Adala mihomehy tanan’ondry, na soloina hofany aza tsy tia”. Ny ankizy ankehitriny moa tsy mahay an’izany fitenena izany intsony, na ondry aza kay moa tsy hita  ety Anjomakely.

“Adala mihomehy tanan’ondry, na soloina hofany aza tsy tia” – ny tanan’ondry moa dia mahia kely, iny no omena azy ary fikirany mafy. Raha tenenina izy hoe ento aty atakalo hofak’ondry satria ao anatin’iny ny tsirony sy ny taviny rehetra, izay tsaratsara kokoa dia tsy mety fa ny azy dia ilay tanan’ondry mahia kely iny ihany. Izay no mahatonga ilay fitenenana. Omena ny zavatra tsaratsara kokoa fa tsy mety; ilay ratsy teo ihany no tazoniny.

Ary nolazaina aninkeo maraina koa hoe: “Tsy indray azo ny fandriana mafana sy ny valala manatody”. Tsy te hikotro-nify any @ afobe ianao, nefa koa ianao tsy mifidy ny zavatra tsara. Tsy indray azo io. Io moa mety tsy  haintsika loatra hoe inona ny fanazavana momba an’io fitenenana io. “Tsy indray azo ny fandriana mafana sy ny valala manatody”.

Izao manko ny zavatra misy: taloha dia efa nisy ny andiam-balala. Ka ny valala, araka ny fitenintsika Malagasy hatrany hoe “ny valala misy, ny mpilaza mahay”; rehefa mipetraka ny valala dia tena rakotra ny tanety. Rehefa @ alina tratry ny ranon’ando ny valala ka tsy afaka manidina. Fa raha vao  mipoaka ny masoandro dia maina ny ranon’ando, manidina avokoa ny valala ka tsy hisy ho azontsika intsony.

Taloha anefa, tsy dia nisy loatra ny olona nanana kidoro “éponge” fa sesika bozaka no atao anaty kidoro. Dia  ireny jiafotsy ireny no zairina ka eo ny mpianakavy no miladina. Ka raha te ahazo ny valala ianao dia tsy maintsy mifoha maraina, tsy misy gony anefa dia inona no atao? Vahana ilay fandriana iny, araraka ny sesika, dia iny kidoro tsy misy sesika iny intsony no ampidirana ny valala ka mahazo ianao. Ka raha mbola miteny ianao hoe aleo aloha mba  hivadika na hatory kely fa rehefa  kelikely, dia lasa ny valala. Dia manao asa very maina ianao avy eo. Izay no mahatonga an’ilay fitenenana hoe “Tsy indray azo ny fandriana mafana sy ny valala manatody”.

Dia tahaka izay koa ny ao @ fanjakan’Andriamanitra. Tsy ho tafita mihitsy raha mifikitra @ zavatra izay atao no sady te ho tonga @ fanjakan’ny lanitra koa avy eo. Fa mila misafidy isika.

Eo isika  no mila mahay manavaka hoe inona no tsara ary inona no tsaratsara kokoa? @ izao fotoana izao dia betsaka ny zavatra sandoka. Misy zavatra tsarabe vao mivoaka, dia mahita an’iny ny sinoa diamahavita tahaka an’iny izy fa ataony moramora kokoa ny vidiny. Dia sodoka isika hoe ity moramora kokoa nefa mitovy ihany, dia roboka mividy azy. Ampiasainao herinandro dia potika. Nefa ny iray vaovao tena izy no vidianao, lafo fa maharitra aman-taonany maro. Misy koa ny zavatra sandoka tahak’izay, na dia eo @ fiainam-panahy aza.

Dia izay no ambaran’ny Evanjely androany, hoe mety ny mahafoy izay tsara ahazoana ny tsara kokoa. Tahaka ireny olona marary voan’ny homamiadana ohatra, entina any @ dokotera ka hoy ity farany hoe tsy maintsy didiana io. Dia avy isika aveo manontany hoe ratsy fanahy ve ilay dokotera? Masiaka ve ilay dokotera fa mandidy an’io olona io? Fa io, na dia miteraka fijaliana kely aza ho an’ilay olona ho didiana, ny vokany kosa rehefa avy eo dia sitrana ilay olona. Izay ilay hoe mitady ny tsaratsara kokoa.

Ny fiainam-panahintsika koa dia tahaka an’izay. Misy ny zavatra tsy maintsy avelantsika, misy ny toetra na fomba hita fa tsy mety ka ajanontsika, ahafahantsika manao tahaka ny voalaza androany hoe MAHAZO NY TSARA KOKOA.

Resaka Facebook