Alahady 25/10/2015 : Toriteny

« MPANELANELANA SY MPANASITRANA MAHAY MIANTRA I JESOA KRISTY”

Jesoa miakatra any Jerosalema, any Jerikao izay tanàna lalovana raha ho any, ary inty fahagaganana fanasitranana nataon’i Jesoa an’IBartiméinty no fahagagana farany nataon’I Jesoa mialoha ny nijaliany sy ny nahafatesany. Ka tsara ihany raha fantatsika ny fizotran’ny tantara.

Tamin’ny heriny isika dia nandre an’I Jesoa eny an-dalana miaraka amin’ireo mpianany: niady hevitra ny mpianatra eny an-dalana ka nanontany an’I Jesoa ny farany ho eo an-kaviany iray ary eo an-kavanana ny iray. Raha araka ny jeografia dia I Jerikao no toerana farany iva indrindra eto amin’izao tontolo izao ka rehefa miala ao dia tsy maintsy miaka-piakarana. Io no vohitra farany lalovana raha ho any Jerosalema. Ary fantatsika koa mikasika an’I Jerikao rehefa hiditra ny tany nampanantenaina ny vahoakan’Israely dia tsy maintsy nandalo ny onin’I Jordana dia miditra ny tanànan’I Jerikao izay tanànan’i manda, efa natolotr’Andriamanitra ny vahoakany ny tanànan’I Jerikao ka rehefa niodina im-pito io tanàna io ny vahoakaka nirodana ny manda tamin’ny fiodinana fahafito farany. Ny teny hoe Jerikao dia avy amin’ny teny Hebrio izay midika ho tanànan’ny volana, satria ny olona tao dia nanompo ary nivavaka tamin’ny volana.

Ny fahagagana nataon’I Jesoa dia fanafahana olona iray tao anatin’ny haizana na olona jamba, dia misy ifandraisany ny anaran’ny tany sy ny lalana izay nataon’I Jesoa. Ny Jerikao dia midika ho miharava toy ny volana, ary tahaka izay koa ny fiainan’ny olona tao,ny dikan’ny hoe Bartimé moa dia hoe zanak’ITimé. Ny dikan’ny hoe Timé indray dia sazy, ka mifandray amin’izay ny nahazo an’ity jambai ty satria ny toe-tsaina tamin’izany dia hoe jamba izy noho ny ota izay natao ary io no noezahan’I Jesoa nahitsy tsikelikely fa tsy sazy akory ny toy izany fa mba ihariharian’ny asan’Andriamanitra. I Jerosalema indray dia midika hoe “ville de la paix” navohitry ny fiadanana, ka miala avy any amin’ny sazy ho any amin’ny fiadanana; eny an-dalana ho any Jerosalema iny Jesoa no misy lehilahy iray mangataka, tsy maintsy niankina tamin’olona ny jamba tamin’izany kai zy dia nipetraka na natsotra tanana tamin’izay olona nandalo rehetra. Ny olona jamba dia tena sahirana satria tsy mba afaka mahita ny hakanton’ny zava-boahary. Nipetraka izy ary izany fihetsika izany araka ny baiboly dia midika fahavononana hihaino,rehefa nihaino tao anaty tabataba ny fandalovan’I Jesoa dia I Bartimé irery no nahavita niantso an’I Jesoa hoe ry zanak’I Davida o!! mamindrà fo amiko. Famindram-po no nangatahany satria sazy no dikan’ny anarany, nampanginin’ny olona izy fa mbola niantsoantso ihany hoe ry zanak’I Davida o!!! mamindrà fo amiko.

Eo amin’ny fiainantsika dia mety misy vato misakana tsy ahafahantsika mamantatra sy manantona an’I Jesoa; ny misakanaa ntsika voalohany dia ny toetrantsika. Io no fahalementsika tsy ahafahantsika mijoro ho Kristianina marina ary ny tsirairay no miezaka mahafantatra hoe aiza ny fahalemeko,aiza sy inona ny toe-tsaina tsy mety ao amiko ao, ao ny fitiavan-tena , ny avonavona, ny lainga. Vatomisakana antsika faharoa tsy hanantona an’I Jesoa ny manodidina antsika, nampanginin’ny olona I Bartimé; niantsoantso izy fanampanginin’ny olona. Ao nyao an-tokatrano, ny havana, ny fiaraha-monina izay mahatonga antsika tsy hivavaka, fa I Bartimé dia tsy voasakan’izany rehetra izany fa izy ilay jamba tsy nahita an’I Jesoa akory no nahalala bebe kokoa hoe I Jesoa dia zanak’I Davida. Avy eo I Jesoa niteny tamin’ny mpianany sy nampiantso azy,nanome andraikitra ireo mpianany izy tamin’izany hiantso an’I Bartimé; dia ny mpianatra niteny tamin’I Bartimé hoe matokia fa antsoina ianao.

Amin’ny vavaka ataontsika dia mety misy tsy tanteraka nandritra ny taona maro ka mety mahakivy antsika indraindray kai zay no tokony ataontsika Kristianina, mampahery sy manome fitokisana n yolona jamba ao anatin’ny haizina. Vao naheno ny antso I Bartimé dia nitsangana ka nariany ny lambany, ny fitafiana ho an’ny Jody no maneho ny fahefany ny azy kosa nariany. Teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana taloha rehefa atao batemy ny olona iray dia ariany ny lambany ary mitafy akanjo vaovao. Izany hoe nariany izay nianteherany rehetra noho I Jesoa Kristy dia niezaka nanatona an’I Jesoa izy. Nisy fahasahiana tao ary mila an’izay ny fiainantsika, miala amin’izay zavatra nifikirana teo aloha ary sahy mizotra any amin’ny zavatra tsy fantatra akory fa mazava fa eo I Kristy. Efa fantatr’I Jesoa fa jamba izy fa nanontaniany ihany hoe inona no tianao ataoko aminao dia namely I Bartimé hoe aokamba hahiratra aho, diovin’I Jesoa ny finoan’ity jamba ity. Niteny I Jesoa hoe: mandehana fa ny finoanao no nahavonjy anao. Ny finoana no mahavonjy, araka ny teny hoe raha manana finoana kely isika dia afaka mahafindra tendrombohitra.

Endritsika Kristianina I Bartimé, jamba isika ary te hanaraka an’I Jesoa. Maro ny zavatra manelingelina antsika ka manakana antsika tsy hanantona an’Andriamanitra, eo ny kilema, eo ny adim-piainana, ao ny fiaraha-monina. Fa tsy manaiky ho resin’i reny isika, manao tahaka an’I Bartimé manantona an’I Jesoa izay olona tsy fantany sy tsy hitany akory nefa nanariany ny lambany, ny zavatra nianteherany ka nanao vy very ny ainy nanarakaan’I Jesoa. Neken’I Jesoa izany ny zavatra nangatahiny, mila finoana izany sy mila fahatokisana ka izay no angatahantsika amin’Andriamanitra mba hananany fahatokisana isika ary mba hitombo ihany koa ny finoantsika.

Resaka Facebook