Alahady 24/01/2016 : Toriteny

« Ny Tenin’Andriamanitra manampy antsika hifanotrona toy ny fanirin’ny akondro»

Foto-kevitra
Foto-kevitra

Manao ahoana moa ny fomba fanirin’ny akondro? Rehefa maniry ka mitombo ny akondro dia misy zanany maniry manodidina azy, ka tsy azo alàna ireo zanany ireo fa manjary tsy mamoa ilay reniny. Rehefa mamoa tsara kosa ilay reniny dia azo afindra amin’izay ilay zanany manodidina azy. Izay ilay hoe “mifanotrona”. Ka toy izany ihany koa ny Tenin’Andriamanitra, io no antony mahatafavory antsika mianakavy.

Voalaza tao amin’ny Evanjely fa niditra tao amin’ny Sinagôga i Jesoa, tahaka ny fanaony amin’ny andro Sabata: natolotra azy ny Tenin’Izaia Mpaminany. Voalaza tao amin’ny Bokin’i Nehemia ihany koa fa io no fomba fanao. Izany hoe: tsy ampy ny fankalazantsika ny Litorjia raha tsy mahatratra ny fAnkalazana ny Tenin’Andriamanitra isika. Koa diso izany ny fiheveran’ny olona sasany hoe “ny fanolorana sy ny fankamasinana ihany no tena vonjena amin’ny Lamesa fa tsy maninona na tsy mahatratra ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra aza.” Manana lanja lehibe ao amin’ny Litorjia anefa ny Tenin’Andriamanitra. Mizara roa mazava tsara ny Litorjia amin’ny Lamesa: ny fankalazana ny Tenin’Andriamanitra, ary ny fankalazana ny Eokaristia. Mitovy amin’io ihany koa ny fomba fanaon’ny Malagasy: alohan’ny hidirana amin’ny sakafo dia misy ny kabary isan-karazany (fiarahabana, fialan-tsiny, ventin-dresaka…) Izay ihany koa ny Litorjia amin’ny Lamesa: ny Tenin’Andriamanitra aloha vao miditra amin’ny Eokaristia, koa aoka ho tsaroantsika lalandava izany. Tahaka ny voalaza tao amin’ny Vakiteny voalohany: novakian’i Esdrasa ny Bokin’ny lalàna; izy no nanavao indray ny lalàna ary nanazava hoe ahoana ny hanatanterahana azy; ka liana ny vahoaka, ary nihaino azy nanomboka ny maraina mandra-pisasaky ny andro.

Ny Evanjelin’i Md Lioka moa no vakiana amintsika amin’izao taona D izao, ary nanomboka namaky ny toko voalohany, andininy voalohany isika androany. Iza moa i Md Lioka?Tsy isan’ny Apôstôly izy fa olona niara-niasa tamin’i Md Paoly. Ary nolazainy hoe: “Noho ny maro efa nanoratra, dia mba nanoratra koa aho.” Fa ny nosoratan’i Md Lioka dia nanangona lova-tsofina tamin’ny olona niara-niaina tamin’ny Apôstôly, nahita ny fiainan’i Jesoa hatramin’ny nahaterahany ka hatramin’ny niakarany tany an-danitra. Ireny no nangoniny dia nalaminy tsara ny fanoratana azy. Dokotera moa i Md Lioka, manana kolotsaina grika ary nahay nanoratra tsara.

I Jesoa tao amin’ny Sinagôga, namaky ny SoratraMasina satria tonga taona izy ary tongatao amin’ny tany nahabe azy izy, ary natolotra azy ny Baiboly ka ny Bokin’Izaia Mpaminany no novakiany. Rehefa namaky i Jesoa dia izao ny teny hitany tao: “Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo fa nanosotra ahy hitory teny soa amin’ny malahelo izy, naniraka ahy hankahery ny torotoro fo, hilaza fanafahana amin’ireo izay voafatotra…” Rehefa voavakiny io dia napetrany ny Soratra Masina dia lasa izy nipertaka. Ny olona rehetra nefa niandry satria ao aorian’ny famakiana ny Soratra Masina dia tsy maintsy misy fanazavana atao, ka tany amin’i Jesoa avokoa ny mason’izy rehetra. Nitsangana i Jesoa ka niteny hoe: “Androany no efa tanteraka eo amin’ny sofinareo izany Soratra Masina izany”, dia nipetraka izy. Io no toriteny fohy indrindra nataon’i Jesoa, nefa manazava zavatra lalina indrindra. Fa inona moa no tian’i Jesoa hotenenina amin’io? Io voalazan’Izaia Mpaminany (700 taona talohan’i Jesoa Kristy) io dia milaza sahady ny zavatra hataon’ny Mesia rehefa ho tonga izy: lahateny manambara mialoha hoe inona avy no hataon’i Jesoa.

Ary amin’izao vanim-potoana misy izao dia miaina ao anaty fahantrana, fahasahiranana, tsy fahandriampahalemana,tebiteby isan’andro isika, saingy ny Tenin’Andriamanitra dia natao hankahery antsika. Rehefa mandeha mivavaka isika dia any am-piangonana no ahazoantsika fankaherezana; fa raha mahatsiaro malahelo sy sahirana nefa mijanona any ivelan’ny Fiangonana dia tsy hahita fiononana isika. Ary ny fatotra nolazain’i Jesoa hoe hovahana dia ny fatotry ny fahotana.

Hiverenantsika kely ny lanjan’ity Tenin’Andriamanitra ity: io no sakafom-panahy ho antsika. Rehefa mamaky ny Tenin’Andriamanitra isika na manao ny toriteny dia tokony tsy hisy olona mitsangana na mandehandeha satria raha mitsangana no mihaino ny fanazavana ny Tenin’Andriamanitra dia ho sahirana ihany isika tsy dia hitombon-tsaina loatra. Ka ezaka tokony ataontsika ny manenjika ny Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra amin’ny Sorona Masina, banga ny fiainantsika raha tsy mahatratra an’io isika.

Tao amin’ny Vakiteny faharoa kosa no nanazavana fa samy hafa ny fanomezana. Ka tsy tokony “hitomany randrana tsy manahaka ny tena” fa izay fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra no tokony ampiasaina hiderana an’Andriamanitra (manaingo Fiangonana, mihira, mitendry …) Samihafa ny talenta nomen’Andriamanitra antsika tsirairay avy, fa ireo no mitambatra dia manome endrika tsara iray vaovao. Ary io no fintinin’ilay lohahevitra androany hoe: “Ny Tenin’Andriamanitra manampy antsika hifanotrona toy ny fanirin’ny akondro.”

Resaka Facebook