Alahady – 23/11/2014 – Toriteny

Herinandro faha-34 anio, dia mifarana anio ny taonan’ny Eglizy. Amin’ny herin’ny anio isika dia miditra amin’ny atao hoe taom-baovaon’ny fiangonana. Manomboka amin’io ny alahady voalohany amin’ny fiavian’ny Tompo.

Mamarana ny taonan’ny fiangonana ary isika, 34 herinandro mandavan-taona. Mety ho gaga ihany angamba isika satria dia misy herinandro 52 ao anatin’ny taona, koa nahoana ny an’ny Fiangonana no 34 monja?

Dia eo no mila maetrahana ny fanontaniana. Fa indraindray isika isaky ny alahady toa tsy taitra akory raha miteny ny mpanentana hoe herinandro faha-32 mandavan-taona. Tys mahataitra antsika akory hoe inona moa izany? Fa androany isika vao gaga fa mifarana ny taonan’ny fiangonana, herinandro faha-34; dia nankaiza izany ny ambiny satria 52 ny herinandro ao anatin’ny taona? Ohatra ny sampona ny fanisana ny andron’ny fiangonana hoy isika.

Izay no anazavana anazy alohan’ny hidirantsika amin’ny tenin’Andriamanitra satria ao amin’ny taona litorjika dia ilaina ny ahafantarana an’io sao dia anontanian’ny olona isika hoe ny anareo katôlika 34 ny herinandro nefa ny anay 52.  Manomboka amin’ny herin’ny anio dia efa tsy isaina, esorina ny “Avent” izay misy alahady 4 eo. Aorian’izay ny fankalazana ny fetin’ny Noely, dia efa mialaizay, misy herinandro 4 eo. Aorian’izay koa, ny Karemy izay 40 andro, izany hoe herinandro maromaro koa tsy isaina. Ary aorian’ny Paka dia misy herinandro 7 be izao mitohy ny fankalazana ny fitsnaganan’I Jesoa ho velona. Ireo izany dia miala avokoa. Ary izany no mahatonga hoe 34 ny herinandro mandavan-taona. Ilaina ny mba ahafantarantsika an’izay satria ho anareo mpianatra katesizy na ho antsika kristianina tsotra, maro no tsy mahafantatra an’izany akory. Fa tapitra eo amin’ny herinandro faha-34, izay androany, tapitra ny taonan’ny fiangonana.

Dia miditra taona vaovao isika amin’ny herin’ny anio. Raha eo amin’ny fiainan’izao tontolo izao, rehefa 31 Desambra dia manao fety ny olona handraisana ny taona vaovao. Ka dia izay, sabotsy amin’ny herin’ny anio, dia mety hisy Réveillon masina iandrasantsika ny taona vaovao ny alahady.  Izay ny mikasika an’iny, tsy lalovantsika fotsiny iny fa misy zavatra tokony ho fantatra.

Mamarana ny taonan’ny fiangonana isika; dia amaranana izany dia mametraka an’I Kristy ho Mpanjaka, mpajakan’izao tontolo izao. Izay no fety farany mamarana ny taona. Io hoe Jesoa Mpanjaka io no mamarana ny taonan’ny fiangonana dia ilazana fa ny dingana rehetra nataontsika nanomboka ny taombaovaon’ny fiangonana, ny ady nataontsika teo amin’ny ara-panahy, ny famolahan-tena nataontsika, nandalo ny Avent isika, nandalo ny karemy isika, namakivaky ny taonan’ny fiangonana isika, niezaka isika, nandini-tena, niezaka nanavaka ny tsara sy ny ratsy. Ny ezaka nataontsika rehetra io dia mba habekentsika eo amin’ny fiainantsika fa Mpanjakantsika I Kristy. Izay no ametrahana ny hoe Kristy Mpanjaka no mamarana ny taonan’ny fiangonana.  Eo isika no mandini-tena hoe “Ho ahy, Mpanjaka marina ve Kristy?” sa isika no maka ny toeran’I Kristy. Dia hoejrentsika, mba ahatongavana amin’izao fetin’I Kristy Mpanjaka izao, iverenantsika ny fanomanan’ny Eglizy an’io. Nandritra ny herinandro maro dia efa nanomana antsika ny Eglizy amin’ny alalan’ireo foto-kevitra sy Vakiteny hankalazana ity andro lehibe androany maha-mpanjaka an’I Kristy.

Raha iverenantsika kely ny Evanjely tamin’ny herin’ny androany. Ilay lehilahy iray handeha an-tany lavitra ka nametraka talenta tamin’ireo mpanompony.Ny iray nomeny talenta dimy. Ny iray nomeny roa, ary ny iray tsy nomeny afa-tsy anankiray. Inona no andrasana?

Ny nandrasan’ity tompony ity di any mba hampitombo ity talenta ity izy 3 ireo. Ary tao ny niezaka, ny roa voalohany dia niezaka nampitombo. Fa ny anakiray farany kosa, nasitriny tany ambanin’ny tany io talentany io, ary nihevitra izy fa ilay tompony dia olona lozabe.  Ka ny natoany ihany no nitsarana azy: ario any ivelany any io mpanompo ratsy, any no misy fitomaniana sy fikotroha-nify. Alao ny azy ary omeo an’ilay manana 10.

Eo amin’ny fiainantsika andavanandro koa, misy talenta apetrak’Andriamanitra amintsika, hampitomboana. Ilay talenta, arak any nazavaina tamin’ny heriny, tsy hoe fahaizana mihira na manao zavatra, fa ny talenta dia mitovy vidy amin’ny volamena 30 Kilao: karaman’ny olona iray mandritra ny 6.000 andro. Izay ny talenta iray. Ka na dia talenta iray aza no nomena an’ilay mpanompo farany, dia harem-be io.Ka tokony ho hainy ny mampitombo azy. Izay no andrasan’Andriamanitra amintsika.Dia izay no hitsaran’Andriamanitra antsika. Ahoana no hampitomboantsika ny fanomezam-pahasoavana? Ahoana no hampitomboantsika ny finoana tao amintsika tao?izay no andrasana sy hitsaran’Andriamanitra antsika, arakany Evanjely rentsika teo.

Talohan’izay, niresaka an’ireo virjiny 10. Ny 5 hendry ary ny 5 adala. Dia nazavantsika koa tamin’izay hoe ahoana no maha-adala sy maha-hendry ireo virjiny ireo. Ny dimy voalohany niomana ka nivatsy solika. Fa ny dimy faharoa tsy niomana fa di any androany ihany no fantany. Tsy nieritreritra izy hoe misy farany anie nyzavatra rehetra. Tsy niomana hoe ho ela sa ho haingana ny ahatongavan’ny mpampakatra. Dia hitantsika fa ny nataon’ny tsirairay ihany no nitsarana azy. Ireo virjiny dimy, ny hadalàny dia izy ireo tsy niomana, dia izay no nahatonga azy voahidytany ivelany. Ilay tamin’ny herin’ny androany, ireo roa voalohany nomena talenta nahay nampitombo dia nomena araka izay nataony. Fa ny nataon’ilay farany izay nanitrika ny talentany dia nesorina tamin’ny hatramin’ny teo aminy aza, ary izy voahidy tany ivelany.

Dia miditra amin’ny Evanjely androany isika, izay mamarana ny taonan’ny fiangonana, maneho an’I Kristy Mpanjaka. Efa ho avy ny Mpanjaka, mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana. Dia oaharan’I Jesoa aminny ondry sy osy. Navahan’ily mpanjaka ny ondry sy ny osy. Ny ondry moa nataony teo an-kavanana, ny osy kosa nataony teo an-kavia. Nefa ireo dia faka niaraka tao foana. Araka ny filazann’y mpiompy, dia afaka miara-monina tsara ny ondry sy ny osy. Ny ondry indray ary hoy ny olona no masiaka kokoa noho ny osy. Ny ondry indray no manoto: rehefa mitorina izay izy, ary somary mikiky tany ny tongony aoriana, dia ialao fa hanoto izy izay. Fa miray vala ny ondry sy osy. Fa rehefa tonga amin’izy ny tompony dia manavaka izy. Ato an-kavanana ny ondry ary ato an-kavia ny osy. Inona ny anton’io fanavahana io? Ny antony: ny eo an-kavanana: avia ianareo ry ilay nosohavin’ny Raiko handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nahariana izao tontolo izao. Gaga angamba ny eo an-kavia fa nahoana ireo no mitokana any ary maninona izahay no mitoka aty nefa izahay naira-nonina hatrizay? Dia mitodika amin’ny ao an-kavia indray izy: mialà amiko ianareo ry voahozona mba ho any amin’ny afo mandrakizay izay voaomana ho an’ny devoly sy ny anjely. Io ny fanavahana. Eo no miseho ny maha-Mpanjaka an’I Kristy, hanavaka ny tsara amin’ny ratsy.

Eo no maha-mpanjaka an’I Kristy, ary io no iomanantsika. Any amin’ny faran’ny Evanjely teo hoe: ireto an-kaviany ireto di any osy ho any amin’ny fijaliana mandrakizay. Fa ny hafa kosa haha kosa hoy izy dia ho any amin’ny fiainana mandrakizay. Misy farany ny zavatra rehetra. Misy ny fiandohana, ary misy ny fiafarana.

Mifarana ny taonan’ny fiangonana, misy farany ny zavatra rehetra. Ny nataon’ny tsirairay avy no hitsarana antsika. Eo anatrehan’Andriamanitra dia tsy misy adivarotra. Tahaka ny ohatra nataon’I Jesoa. Rehefa ho avy izy, dia misy ny milaza hoe izahay anie mba nivavaka, nanao an’izao ihany. Dia hoy ny mpanjaka: Tsy fantatro akory ianareo. Ny dikan’izay, rehefa eo anatrehan’Andriamanitra dia tsy misy ny adivarotra. Tsy misy mpisolovava intsony rehefa eo anatrehany fa I Kristy no mpiaro antsika. Fa ny nataon’ny tsirairay avy dia voasoratra ao anatin’ny bokin’ny fiainana. Ny asa soa nataontsika dia voasoratra ao anatin’ny bokin’ny fiainana. Ary ny ratsy nataontsika dia voasoratra ihany koa hatramin’ny zavatra noeritreretintsika, na tsy tanteraka aza fa fikasana ratsy tao anaty, efa voasoratra avokoa. Tsy afaka ny hiady varotra eo anatrehan’Andriamanitra isika rehefa tongany fotoana hitsarana antsika: ato an-kavia, ato an-kavanana.

Raha jerena ary ny fomba hitsarana dia teo amin’ny fiainana ny atao hoe fitiavana.Zavatra tsotra anie ilay hitsaran’Andriamanitra antsika eh: io fitiavana io. Ireto ilay niezaka naneho fitiavana tsy nahalala akory izy hoe hisy valiny anie io aoriana. Avia ianareo ry ilay nosohavin’ny Raiko handova ny fanjakana voaomana ho anareo. Noana aho nomenareo hanina, nangetaheta aho nomenareo hosotroina.Tsy nitafy notafianareo.Narary aho nositraninareo.Tany an-tranomaizina aho notsidihinareo.Zavatra tsotra anie izany eh.Ahoana moa no tsy ahavitantsika izany? Zavatra tsotra: manome hanina ny noana, mizara izay misy. Tsy afaka ny hoe manam-be vao hizara. Araka ny hitantsika hoe “Izay manome sy mizarazara ny kely ananany ho an’ny hafa. Tsy hoe ny be ananany, fa kosa hoe ny kely ananany. Tsy voatery hanam-be vao ho afaka mizara. Fa matetika ary ny manam-be no te hanam-be hatrany sy tsy te hizara. Manome rany olona mangetaheta. Marina fa manahirana ny rano eto amintsika. Araka ny tenin’I Jesoa: “Izay manome rano na dia eraky ny kaopy monja aza an’ireny madinika ireny, dia amiko no anaovany izany”. Tsy sarotra anefa: mamangy ny marary….

Zavatra tsotra dia efa ahazoantsika valisoa avy amin’Andriamanitra. Fa mifanohitra amin’izay kosa, ny tsy fanaovantsika izany nefa azontsika natao, dia ahazoantsika fanamelohana sy fahaverezana mandrakizay. Izay zavatra tsy sarotra akory. Isika mivavaka isan’andro, miezaka miaina ny vavaka ataontsika andavan’andro. Fa tsy manao kristianina alahady ka mangalatra akoho alahady hariva.Ny vavaka sy ny asa dia miaraka.

Tsaroanareo angamba ny fanoharana nataoko tany itaosy tamin’ny heriny. Mikasika ilay olona iray nitondra lakana, ny lakana dia misy fivoy k any iray eo an-kavia ary ny iray kosa eo an-kavanana. Mba hampandroso ny lakana dia miaraka voizina ireo fivoy roa ireo. Rehefa hivily miankavia ny lakana dia ajanona ny fivoy eo an-kavia fa ny havanana no voizina, ka mihodina miankavia ny lakana. Ka ny an’ity mpitondra lakana ity dia misy soratra ny fivoy. Ny eo an-kavia dia nasiany soratra hoe “VAVAKA”, ary ny fivoy an-kavanana nasiany hoe “ASA”.Dia nisy rangahy mpanankarena iray handeha hiampita ilay rano.Nitaingina ity laka ity izy. Nandroso ny voy ary nandroso ny lakana. Ary farany dia nanontany ny mpivoy izy hoe “Ary fa maninona no asiana hoe vavaka sy asa ireto fivoy ireto?”. Dia hoy ilay mpivoy lakana: “izay no mampandro antsika: ny vavaka sy ny asa mitambatra”. Dia hoy ilay mpanankarena: “izaho dia tsy miraraha an’izany vavaka izany fa ny ahy dia ny asa ihany, io no mapitombo ny harenako”. Hay ve hoy ilay mpitondra lakana, dia najanony ny vavaka fa ilay ilany “asa” ihany no novoiziny. Dia nandeha ny lakana niodina, ary niodina teo ihany ka tsy nandroso intsony. Dia gaga ilay mpanankarena, ary maninona isika no tsy mandroso mihitsy? Ka najanontsika ilay vavaka fa ilay asa ihany no novoizintsika, ka izao mihodinkodina eto izao ihany isika. Tsy mandroso.

Dia mifanohitra amin’izay, tahaka ny Evanjely androany: raha ny asa no ajanontsika, fa ny vavaka ihany no ataontsika dia mihodinkodina eo fotsiny ihany koa isika. Tsy afaka mandroso. Fa ny vavaka sy ny asa no mampandroso antsika; izany hoe eon y asa fitiavana, ary io asa fitiavana ataontsika io dia tsy lavorary raha tsy mihevitra an’Andriamanitra isika. Ny asa fitiavana ataontsika dia tsy lavorary raha heverintsika fa ny saintsika manokana. Inona moa no ataonn’ny vazaha?Ny azy anie ny ankabetsahan’ny ataony dia manampy ny tany an-dalam-pandrosoana fotsiny ihany eh. Fa tsy misy vavaka fa dia hoe mampalahelo ny olona fa mahantra sns… dia tsy misy vavaka fa asa fotsiny ihany. Ho an’ny mpanao oôlitika ihany koa, matoa izy manao asa iray dia antsoina daholo ny mpanao gazety sy ny mpiasan’ny fahitalavitra, rehefa manao asa soa. Fa misy tanjona ao ambadika.Mitodika amin’ny tenailay asa soa fa tsy mijery hoe ireto olona ireto. Jesoa miteny hoe “Raha manao asa soa ianareo, olona izay tsy afka hamerina aminareo, ireo no anaovy soa”.Fa ny antsika indraindray, takalom-patsa vidim-pihinanana. Raha manome zavatra olona ianao dia misy zavatra andrasana foana. Efa sarotra amin’izao fotoana izao ny hoe manao zavatra maimaim-poana. Fa manao zavatra ny olona fa misy tambiny ao am-badika. Tsy ho tonga amin’izay isika raha tsy hoe miezaka: ny hanaovako soa amin’ity olona ity dia satria endrik’Andriamanitra izy”. Araka ny tenin’I Jesoa: “Izay ataonareo amin’ireny madinika ireny dia amiko no anaovanareo azy”. Noho izany dia miandry ilay valisoa isika rahatrizay hoe : avia ianareo ry nosohavin’ny Raiko handova ny fanjakana izay efa voavoatra ho anareo hatrizay nahariana an’izao tontolo izao. Raha izay no hanaovantsika ny asa soa, ny asa fiantrana na amin’ny fiangonana na amin’ny manodidina antsika na amin’ny firenentsika, hoe mijery an’Andriamanitra isika fa tsy mijery ny tenantsika, tsy ny tombon-tsoantsika; amin’izay fotoana izay isika no mahazo ny valisoa. Aza mihevitra isika hoe efa manome zavatra ny mahantra, na manome an’izao aho dia ho tanteraka ny tenin’I Jesoa hoe ho efa tsara izay, TSIA. Araka ny tenin’I Md Paoly hoe “na ho zaraiko amin’ny mahantra aza ny fananako rehetra, ha hatolotro hodorana aza ny tenako, rahtsy manam-pitiavana aho dia ho zava-poana izany”. Raha tsy ao ny fitiavana dia zava-poana izany.

Ny fitiavna di any mihevitra fa Jesoa no anaovana ityasa soa ity, Izy no hitako amin’ity olona ity. Tahaka ny tantaran’I Md Martin de Tour. Efa mba nahita an’io moa dia izy anaovana fetibe rehefa tong any fetin’I Md Martin, tonga hatramin’ny Maire sns tamin’izay fotoana izay. Dia misy sarina soavaly dia eo ambonin’io soavaly io Md Martin. Dia inona ny nataony? Nisy mahantra iray dia nizara ny akanjony tamin’ilay mahantra.Manam-boninahitra Md Martin, dia nahita mahantra iray mpangataka nangatsiaka teny an-dalana.Nesoriny ny akanjony dia nampitafiany ilay mahantra. Rehefa alina ny andro dia nahita fahitana izy fa hay ilay mahantra nangatsiaka teny an-dalana dia I Jesoa io, fa tsy fantany. Ilay olona nomeny ny akanjony. Ary io no isany nampiova ny fiainany ka nahatonga azy ho olo-masina.

Tahaka izay koa ny tantaran’I Md François d’Assise. Eny an-dalana izy nahita boka ferena sy masiso.Nidina ny soavaly izy ary namihina ilay boka. Fa ny alina, tsy fantany fa hay Jesoa ity nofihininy ity.

Raha izay ny fijerintsika, izay no anaovantsika asa soa dia tonga amin’ny tenin’I Jesoa hoe “Avia iaanreo ry nosoavin’ny Raiko”; fa rahatsy noho I Kristy no anaovantsika asa soa fa mitady tambiny isika. Any amin’ny fiangonana sasany dia fanaon’ny olona raha misy asa soa ataony dia marary ny fony raha tsy tenenina am-piangonana. Misy koa isika fotoana teto rehefa manao andron’ny fianakaviana dia tononina mihitsy isaky ny fianakaviana ny tolotra. Tsy te ho lats-danja amin’iny ny ianakiray dia ampianay ny azy. Tsara ny fifaninana masina, fa ny tenin’I Jesoa hoe izay ataon’ny tananareo havia dia aoka tsy ho fantatry ny tananareo havanana. Amin’izay fotoana izay isika no mahazo ny valisoa. Tahaka ny fanaovana rakitra ihany io. Raha ohatra ka sahafa be no ataontsika eo ka I môpera no mitaty rakitra eo, dia hafa ny rakitra ataontsika eo. Fa raha ataontsika hoe rakitra tatazana io kai reo mpiservy no mitaty izany dia hafa koa.

Iza no ao an-tsaintsika? Ho an’iza no anaovantsika azy? Henatra ve sa tena noho ny fitiavantsika no anovantsika io zavatra io?Ny asa ataontsika amin’ny fiangonana anie ka asan’Andriamanitra io, asa hita vatana io.

Avia ianareo ry nosoavin’ny Raiko  –  mialà amiko ianareo ry voaozona.

Zava-doza an…ho avy ny fitsaran’Andriamanitra antsika ary tsy misy adivarotra eo anatrehan’Andriamanitra. Fa ny tsirairay avy dia handray  ny vokatry ny asany. Araka ny tenin’I Md Joany ao amin’ny Apokalipsa: “Ny asany hanaraka azy”. Ny asantsika tsirairay avy dia hanaraka antsika. Tsy maintsy mihevitra ny fiafarana isika. Tsy misy olona ho afaka ny fitsaran’Andriamanitrana iza na iza. Tsy misy ho afa-maina amin’ny fitsaran’Andriamanitra.

Dia izay no angatahantsika amin’Andriamanitra ary mba ho vonona isika, ho vonona hiatrika izay fitsaran’Andriamanitra izay amin’ny alalan’ny fiainana ny tena fitiavana marina. Rehefa tena miaina ny fitiavana isika dia azo lazaina hoe mapanjaka an’I Kristy satria ny fanjakan’I Kristy dia fanjakan’ny fiadanana, fanjakan’ny fitiavana.  Ka ny fanjakan’I Kristy dia tsy misy fankahalàna, tsy misy an’izany tsy fitiavana izany fa ny manam-pitiavana ihany no tafiditra ao anatin’ity fitiavana ity.

Resaka Facebook