Alahady – 21/09/2014 – Toriteny

FITSIDIHANA PASTORALY  NATAON’NY MPIANDRY ONDRY &FANOMEZANA NY SAKRAMENTAN’NY FANKAHEREZANA

“NY FIHEVITRO TSY FIHEVITRAREO”

Toritenin’I Md Matio izay mpamory hetra fa nantsoin’I Jesoa ho mpianany. Dia mifanojo amin’izay ny fampianarana entin’I Jesoa amin’ny Evanjely sy ny Tenin’Andriamanitra aroso amintsika.

Fa mialohan’ny hifampizarana ny Tenin’Andriamanitra dia tiako ny mampatsiahy ny dinidinika nifanaovana niaraka tamin’ireo filan-kevitra sy izy 67 mianadahy handray ny sakramentan’ny Fankaherezana. Ny tatitra mikasika ny fiainan’ny fiangonana mandritra ny taona  manontolo ka nandinihantsika, miainga amin’ny sori-dalan’ny fiangonana eto amin’ny diosezy. Raha mijery ny statistika dia manodidina ny 2580 isa ny kristianina vita Batemy voasoratra eto amin’ny fiangonana. Ny tonga mankamasina ny Alahady amin’izay dia eo amin’ny 1200 eo ho eona 1100. Izany hoe ny antsasak’olona dia tsy tonga ato an-tranon’Andriamanitra. Ka izay no nanatitranterana hatramin’ny omaly mikasika ny fankamasinana ny  Alahady. Didin’Andriamanitra io, tsy afaka ny hanamarina ny conscience isika, fa mazava ny didy: “Mankamasina ny andro alahady”; tsy azo ovana izany. Ny fiangonana nomen’I Kristy fahefana: “Izay hovahànareo dia ho voavaha, ary izay hofehezinareo dia ho voafehy”. Tsy namaha ny fiangonana fa mbola nanamafy aza; fa teo kosa no nanazava hoe “raha tsy misy antony lehibe”. Ny antony lehibe ambaran’ny fampianaran’ny fiangonana dia telo ihany:

  • Tsy fahasalamana,
  • Ny fahafatesana
  • Ny fahaterahana.

Ny ankoatr’ireo dia tsy afaka manamarina conscience isika fa rehefa tsy mivavaka dia fahotana izay. Eo ny hoe noho ny asa amùan-draharaha, manatona ny famindram-pon’Andriamanitra amin’ny alalan’ny sakramentan’ny Fampihavanana.

Dia manamafy an’izay,ary izay ny Visite Pastorale voalohany nataontsika teto fa ny mijery an’iny dia anjaran’ny filan-kevitra izay efa nahazo iraka hatry ny omaly : Andeha hitady sy hamerina ny andian’ondrin’Andriamanitra ato an-tranony.

Eo ihany koa ny litorzia izay nanamafisantsika fa ny litorzia dia fivavahan’izy Kristy, fa ampitondrainy ny fiangonana, vavaka ifampiresahantsika amin’Andriamanitra, fa tsys hoe izay tiantsika atao akory, fa hajaina tahaka ny anak’andria-maso izay fandamianan’ny fiangonana azy.  Ka io no vavaka izay ifampieresahana, dia tahaka ilay vavaka teo hoe: “aoka isika hivavaka” hoy ny Pretra ary mamaly  isika mianakavy. Ao koa ny hira izay efa nantitraterina miaraka amin’ireo tompon’andraikitra tamin’ny omaly  fa tsy izay hira rehetra akory dia azontsika hiraina ato am-piangonana fa misy  hira neken’ny fivondronamben’ny Eveka, dia ny Vavaka sy Hira no hany azo atao manontolo izay voasoratra ao.Fa ny ankoatra izay: ny Hasina, ny Dera sy izay fihirana fampiasantsika any dia aoka mba hojerena; ary izany no liana fanomanana mandrakariva ny litorzia.

Dia eo ihany koa indrindra indrindra ny fanomanana ny Tenin’Andriamanitra sy ny Ranombavaka, teo nahafinaritra satria sady mafy no ren’ny olona ny vakiteny. Tsy mamaky teny isika fa mitory ny tenin’Andriamanitra koa aoka mba ho azon’ny olona ny tenin’Andriamanitra izay tononinao. Tsy teninao io, ka izay no tsy maintsy anomanana azy, fa indraindray rehefa tsy manomana dia miteniteny foana.  Tamin’ny fiangonana iray tamin’ny vanim-potoan’ny Paka dia nisy tanora namaky ny Tenin’Andriamanitra mikasika an’I Md Paoly nanenjika ny Fiangonana, dia nifanena tamin’I Kristy. Ny voasoratra anay Baiboly dia “Saoly”, fa ny famakiny azy kosa dia hoe “Ry Saholy, ry Saholy”. Ka iza ilay Saholy hoy ny olona. Ka omanina e. na ny ranombavaky ny mpino, omanina. Izay no ataoko hoe tokony hanampy ny olona hivavaka fa tsy sanatria hanaovana fampisehoana na fihetsiketsehana ato am-piangonana. Dia eon y fihetsika, misy ny hoe mitsangana, misy ny hoe miaraha mitsangana, ary midera an’Andriamanitra amin’ny voninahitra miara-pimetraka, na amin’ny fankamasinana miara-mandohalika. Ka izay fiombonana izay no firindràn’ny litorzia. Fa tsy hoe manao izay tiana hatao ato. Indraindray manko misy an’ilay hoe izahay ao amin’ny vondrom-bavaka tahaka izao ka toy izao ny fomba fivavakay. Any amin’ny condrom-bavaka misy anareo any ianareo no manao an’izay fa tsy ato am-piangonana akory. Satria manko misy an’izany hoe, fony mbola tany amin’ny distrika dia nankany Nosivolakely ny fikambanana, kanolazaina tamin’izany hoe ny tena mariky ny fibebahana dia mandohalika, ka handray Kômonio aza dia mandohalika. Dia nisy rangahy iray hatrery aoriana ery izy no mandohalika satria handray Kômonio. Mitsangana ianao fa rehefa tsy hitsangana ianao dia mipetraha, hoy aho. Ka rehefa ianareo samy ianareo dia tsara ary ataovy izany, fa ato amin’ny fiangonana ilay fiombonana apetraka dia tsy maintsy banjinina.

Dia eon y fanamiana moa izay hitantsika fa ireo rehetra ety amin’ny faritry ny Otely dia manao ny “Aube”. Na fikambanana masina na vaomieran’asa ka manentana dia aoka hanao ny fanamiana amin’ny fisoronana.

Izay ny momba ny litorzia; ny amin’ny sakramenta moa dia efa nampatsiahivina fa ny finoana no mialoha ny sakramenta. Aza ampifamadihana na oviana na oviana ireo. Indraindray mantsy isika miteny hoe ataovy aloha ny sakramenta dia ho hitanay eo avy eo. Tsy izany ny fandaharan’Andriamanitra. Ny mino aloha izay vao atao batemy, izay vao voavonjy. Fa tsy hoe izay vita batemy; nampatsiahivina moa ny nofinofin’I Katesista hatramin’ny omaly. Tsy hoe vita batemy akory, na kômono volohany, na fankaherezana, na mariazy, na pretra manao voady farany, tsy izany no antoky ny hoe ho tonga any an-danitra, fa nivelomanao ve ny finoana? Izay no anontanian’I kristy antsika amin’ny andro farany. Ka io finoana io no antitranterina, ary ho an’ny Confirmation manoakana dia  izay no lazaina hoe ity sakramenta raisinareo ity dia sakramentan’ny fitiavam-bavaka sy fandraisana andraikitra. Ka rehefa tsy hanao an’izay dia mijanona. Efa nifanarahana efa hatramin’ny omaly io. Dia tahaka izay ny sakramenta izay raisintsika, na amin’ny mariazy na amin’ny fanamasinana ho pretra na maha-Eveka. Misy teny ifanomezana amin’Andriamanitra, tanterakao izay dia izay no mahalavorary ny Sakramenta.

Dia ireny moa no manosika antsika hiditra ao antin’ny fikambanana masina sy vaomieran’asa izay nampatsiahivina koa hatry ny omaly hoe tsy ny fahamaroana no mahamaika fa ny fahamasinan’izay efa ao. Ka aza matahotra ny ho masina, ary midira amin’ny fikambanana ahafahanao manamasina ny fiainanao. Fa ny tsy azontsika ialàna dia ireo vovonana: ny olo-drhibe ho an’ny ray aman-dreny, ny tafika ho an’ny tanora, ary ny vovonan’ny ankizy ho an’ny ankizy rehetra manerana ny fiangonana.

Dia ny mikasika ny fitantanana ny ara-pivelomana dia ataoka fa efa voarain’ireo filan-kevitra ny hafatrafatra momba izay fitantanana ny fananam-piangonana izay fa tsy antsika ny fiangonana fa an’Andriamanitra. Ka ny fananam-piangonana dia tsy fananako manokana fa an’Andriamanitra. Fa araka izay nandaminana azy no hampiasana azy fa tsy hoe izao mahafinaritra anay anaovanay an’io, tsy izany no  fitantanana ny fananam-piangonana.

Izay raha fintinina amin’ny teny fohy ny dinidinika nifanaovana tamin’ny filan-kevitra sy ireto handray ny fankaherezana miaraka amin’ny mpiantoka azy.

Fa ny fampianarana entin’ny fiangonana amintsika ary ami’ity alahady faha-25 mandavantaona ity di any hoe : “ny fihevitro tsy fihevitrareo”, hoy ny Tompo.

Ny fihevitr’Andriamanitra, tahaka ny haavon’ny lanitra amin’ny tany izy, tahaka ny fanalaviran’ny any atsimo sy ny avaratra, tahaka izay ny fanalaviran’ny hevitro sy ny hevitrareo. Dia izay no entin’ny tenin’Andriamanitra, izay Izaia mpaminany moa: ny vahoaka izay nivadika tamin’Andriamanitra dia efa tsy nanam-panantenana intsony ny hisian’ny fanavotana. Vahoaka mafy hatoka, ka izay no noeritreretin’izy ireo hoe tsy raharahian’Andriamanitra intsony isika. Tsy  izany anefa Andriamanitra. Mila mametraka antso amin’ny alalan’ny mpaminanay Andriamanitra miteny hoe “raha miverina amin’ny fo manontolo ianareo dia hamindra fo aminareo aho”. Ka izay manindry fo tsy te handray ny indra fon’Andriamanitra dia very. Fa raha mboal ao amintsika ny fanirinana hoy Izaia mpaminany hiverina amin’Andriamanitra dia tsy hanary antsika izy.

Dia io ilay ambaran’I Md Paoly hoe izay ilay fiainana maha-kristianina: tsy ianao intsony no tompon’ny tenanao fa efa natolotrao an’Andriamanitra, arak any hirantsika hoe “atolotro anao Andriamanitra, atolotro anao ny fiainako rehetra, ny tenako rehetra”. Fa tena izay tokoka ve? Hoy Kristy ary mampianatra amin’ny apostoly momba ny tsiambaratelon’ny fanjakan’Andriamanitra noifampizaràny. Mihaino ny mpianatra, inona ity tsiambaratelon’ny fanjakan’ny lanitra ity? Io dia tahaka ny lehilahy iray tompon-trano te haniraka mpiasa ho any amin’ny tanim-boalobony. Ka rehefa tong any fotoana, tong any mpiasa dia eo koa izy tompon’ny asa atao dia manao ny “Contrat de travail”. Atao ny  fifanarahana arak’asa, misy voasoratra io, ary mety ho am-bava tahaka ny nambaran’I Jesoa. Efa nifampiresaka teo, dia ohatrinona ary ny karama? Denie iray avy. Manaiky ve ianareo? Eny manaiky izahay. Dia mandehàna ary. Izay no teny nifanarahana. Ary raha nanaraka tsara isika dia izay novolazan’I Kristy, tsy nisy zavatra nampiana na nalàna. Fa rehefa avy eo ity tompon-trano, tamin’ny 7 ora maraina no nifanaraka tamin’ireo mpiasa, dia lasa nankany an-tsaha ireo. Fa amin’ny sivy dia ireo koa mbola misy olona mivezivezy hoe tsy miasa fa malalaka, dia avy izy nilaza hoe “Ndàna koa ianareo mankany amin’ny tanim-boaloboka fa omeko anareo izay antonona”.  Dia nivoaka izy tamin’ny 11 ora, nivoaka izy tamin’ny 1 folak’andro dia nanao torak’izany koa. Ary tamin’ny 3 hariva aza dia mbola misy olona maromaro nidonananm-poana dia noteneniny: “fa maninona eto ianareo? Fa maninona no tsy miasa?” tsy mba misy olona manakarama anay. “mandehàna koa mankany amin’ny tanim-boaloboko”. Amin’ny 4 ora ny firavana. Rehefa tong any firavan’ny mpiasa handray karama dia izao no nolazain’ilay tompon-trano:”aseseo avy amin’ily niditra tamin’ny 3 ora”. Ohatrinona no omena azy? Oemo denie iray avy. Fa rehefa tonga ily niditra tmain’ny 7 ora maraina izay nieritreritra ny hoe hahazo betsaka kanjo denie iray ihany koa.

Teo ireto niditra tamin’ny 7 ora maraina no nanomboka nametraka ny fitsarana: tsy rariny. Ny olona niditra tamin’ny 3 ora ve dia ampitovianao amin’ny olona niditra tamin’ny 7 ora? Manao ny tsy rariny ianao, izany ve no mba atao hoe fahamendrehana, fa angaha izahay raha madinika dia atao toy izao, ka mandeha daholo amin’izay izao voambolana rehetra izao. Fa tsotra, tsy mifamaly ny tompon’ny tanim-boaloboka fa nilaza mazava hoe :”Inona no nifanarahantsika?” ivereno ny “Contrat de travail”. Fa tiako ihany koa ny mampitovy anareo amin’ireo niditra tamin’ny 3 ora. Dia eo amin’izay isika no mamely hoe Andriamanitra ve notsy marina?

Ho an’Andriamanitra dia tsy miova izy, omaly, anio ary ho mandrakizay. Ary izay rehetra noteneniny dia tanterahiny an-tsakany sy an-davany. Hatrany am-piandohana no nahariana an’ity izao tontolo izao ity: misia ny mazava dia nisy izany. Aoka ny tany hamokatra zava-manan’aina, zava-maniry, dia nisy izany. Andeha isika hanao olona mitovy endrika amintsika dia nataon’Andriamanitra mitovy endrika aminy isika olombelona. Izay nolazainy dia tanterahiny.

Dia avy eo aty amin’ny tantaram-pamonjena. Tia loatra an’izao tontolo izao Andriamanitra ka nomeny ny zanany lahitokana. Efa mazava ny fandaharan’asan’I kristy: tsy maintsy ho fat yeo amin’ny hazofijaliana mba hamonjena ny be sy ny maro, dia iny. Tsy hoe nolaziny fotsiny fa izay nolazainy dia tanterahiny. Izay ilay Andriamanitra, izay ny toetrany. Dia io ilay tompon-trano nanao fifanarahana tamin’ny mpiasa. Fa toetra iray ihany koa mampiavka an’Andriamanitra dia ny  hoe: tsy avahana. Tsy manavaka izy hoe ity tahaka izao n airy tahaka izao, faraha tiany hitovy eo anatrehany ny zanany rehetra. Tsy misy tombo sy hala. Ka izay no nilazan’I Jesoa kristy: “tiako omeko araka izay sitrapoko” fa tsy anjaranareo ny mandidy ahy. Mazava ny programa izay nahatongavako, raha nandatsaka ny ràko teo amin’ny hazofijaliana aho, tsy ho an’izay mivavaka ihany fa mbola nohamafisiny aza: “Izaho no tonga dia tsy ho an’ny marina fa tonga hiantso ny mpanota hibebaka”.

Ary izay no nahatongavan’I kristy ary nanafintohana ny olona izany, ny farisianina no voalohany indrindra izay niteny hoe izahay notena voafidin’Andriamanitra, izahay no nanankinan’Andriamanitra ny famonjena, dia manilika an’izay tsy mitovy finoana sy firehana aminy. Io no nahitsin’I Kristy: “Tsy tahaka izany fomba fijerinareo izany nyfomba fijerin’Andriamanitra”. Fa tian’Andriamanitra ny olombelona rehetra, ary mitovy eo anatrehany ny zanany rehetra. Io toetran’Andriamanitra io no manahirana ny olona. Ary izay no nahatonga azy ireo niteny hoe andao hovonoina fa manahirana antsika ity rangahy ity.

Tsy miova Andriamanitra. Aza mieritreritra isika hoe izy efa niteny tamiko ohatra izao, fa rehefa miteny izy hoe izaho manao batemy anao amin’ny anaran’ny ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, dia vita batemy ianao izay. Rehefa  milaza izy hoe Samia mandray sy mihinana amin’ity ianareo fa vatako ity atolotro ho anareo, Andriamanitra iny raisintsika iny, fa tsy misy hoe iry mpanota be ka tsy Andriamanitra ny azy no raisiny fa hafa, na hoe ity olomasina be satria mandohalika andro aman’alina eo amin’ny sakramenta masina dia io zany tena Andriamanitr ano raisiny, fa tena mitovy ny Andriamanitra raisina. Araka ny teniny: “tsy mba manavakavana Andriamanitra rehefa tia”.

Izay ilay toetran”Andriamanitra, fa etsy an-kilany ny toetrantsika olombelona. Efa hatrany am-piandohana dia efa nanomboka tsy nahatana ny teny nomena ny olona. Nifanaraka anie Adama sy Eva sy Andriamanitra eh: omeko anareo ny ao amin’ny saha manontolo. Fa rehefa el any ela, inona no nataontsika olombelona? Ilay tena nandraràan’Andriamanitra antsika, izay indray no tena nataontsika. Dia ireo zanak’israely navotan’Andriamanitra, impiry no nivadika? Anamboary andriamanitra izahay fa tsy mila izay Andriamanitry Moïzy any. Dia somary resy lahatra koa moa ry Aarôna dia nanamboatra andriamanitra volamena hatao andriamanitra.

Dia izany no tantaran’ny zanak’olombelona ary amin’izao isika miteny izao, tsy hoe tamin’izany ihany, fa inona no teny nambarantsika? Firy ny teny fampanantenana? Inona amin’ireny no mba tanteraka? Miantsoantso anie ny olona eh! Fa misy andraikitra napetraka tamintsika. Nampanantena ianao ary noraisin’ny olona an-tsoratra ary misy mahatahiry ny zavatra nolazainao ka tsy menatra akory ianao mandà azy androany. Ka izay ve isika hiatrika an’Andriamanitra amin’ny andro farany? Voatananao ve ny teny nomenao sa tsia?

Izay no mbola antitranterina amin’ity sakramenta ity an…

Dia eo ianao milaza fa hanome toky, ary izay no ampatsiahivina aminareo 67 mianadahy an, mianiana eo anatrehan’Andriamanitra: izaho dia mandà an’I satàna, ny asany reetra, ny fanangoleny rehetra, ary hifikitra amin’I Jesoa Kristy Tompo sy Andriamanitra. Teny nambarnanreo izany. Fa rehefa miteny aminareo hoe iza ary no mba nahatàna ny fanekena momba ny fankamasinana ny alahady nomena tamin’ny fanavaozana? Valo (08) anie no nitsngana omaly e.

Ka aza milokaloka eo anatrehan’Andriamanitra raha tsy vita. Izay isika, ary fantatr’Andriamanitra izay fahalementsika olombelona izay, ka tsy Andriamanitra akory no te hampanalavitra ny fitiavany antsika fa isika olombelona no lasa mitsangana hitsara an’Andriamanita. Ka diniho ny teny izay nolazaintsika aloha, diniho. Araka izay nolazaiko teo, fan a ianareo mivady izay niaiky teo anantrehan’Andriamanitra tamin’ny fotoan’ny mariazy. Isaorana an’Andriamanitra moa fa misy fotoana ahatsiarovana ny jobilin’ny mariazy; dia efa hankalaza ny fety lehibe isika satria raha tsy diso aho dia 1925 na 1926 no nanorenana ity fiangonantsika ity, ka hisy fotoan-dehibe  izany ato ho ato, ka ahatsiarovanareo ireo nanao mariazy tamin’izany fotoana izany handeha hamerina ny teny nolazainy. Fa mampandinika anie ny hoe raha mandala ao amin’ny tribonaly ianao dia anisan’ny raharaha betsaka indrindra atrehana any diany fangataham-pisaraham-panambadiana eh! Fa angaha moa noterena isika niditra tao amin’ny tokantrano? Ataoko hoe “Ambarao eto anatrehan’Andriamanitra sy ny Fiangonana ny fifanekenareo”, rehefa avy nilaza ny pretra hoe Rakoto tsy noterena ve ianao hampakatra an-dravao ho vadinao? An-tsitra-po tokoa mopera. Ary ianao Ravao? An-tsitra-po tokoa mopera. Ambarao amin’izay ary izany hoe an-tsitra-po izany. Dia avy Rakoto: Izaho Rakoto dia mandray anao Ravao ho vadiko ary manome toky fa tsy hivadika aminao na an-kasoavana na an-karatsiana na inon-kidona na inon-kihatra”, miaraka amin’ny loha mihozongozona sy ny Tanana fikirina mafy, mandritra ny andro rehetra iainako. Kanefa ny sasany herinandro dia efa maka ilay taratasy fangatahana fandravana mariazy. Ary ao Andohalo aon efa mitovana izy ao, satria tsy mbola mitsangana ny tribonalin’ny mariazy. Rehefa tonga ao amiko moa dia averiko mandrakariva hoe “Fa inona moa ilay nolazainareo eh? Fa mitovy  ny sakramenta noraisinareo sy ny sakramenta maha-pretra noraisinay. Ka eo amin’izay no liana mandrakariva hoe sarotra ve izany ny mapifanojo an’ity sitra-potsika ity amin’ny sitrapon’Andriamanitra? Ka tena tsy ho tanteraka ve?

Azo atao ny manantanteraka ny mampifanojo ny sitra-pontsika olombelona amin’ny fihevitr’Andriamanitra. Tena izy izay. Ho an’I Md Paoly, izay no nolazainy: “Tompo ô, inona no tianao ho ataoko?”.

Raha manontany anAndriamanitra isan’andro tahaka an’I Md Paoly isika dia tsarovy fa tsy hifanalavitra akory ny fihevitr’Andriamanitra sy ny fihevitsika. Ary ho an’izay nantsoin’I Kristy hanaraka azy dia mazava ny sori-dalana.

Md Matio no porofo amin’ity andro anio ity. Rehefa mahay mandao izay ifikirantsika isika ka manaraka izay lalana nosoritan’Andriamanitra dia izay no mifanojo ny sitra-pontsika sy ny sitra-pon’Andriamanitra. Ary tsarovy mandrakariva ary manatintrantitra aho fa tsy hisy famonjena maimaim-poana izany fa tsy maintsy misy avy aminao fandraisana anjara ao. Io ny Evanjely androany: tsy hoe izay tonga tao dia nahazo karama daholo, fa izay  niasa tany amin’ny tanim-boaloboka. Sao dia manonofy atoandro. Tsy hanatanteraka ny sitra-pon’Andriamanitra dia hieritreritra fa ho avy dia hiakatra any aminy. Sao dia manonofy. Fa miasà ao amin’ny tanim-boalobok’Andriamanitra, izay no fepetra. Izay asa ao amin’ny tanim-boalobok’Andriamanitra izay no velomin’ny fitiavana.

Ny fitiavana an’Andriamanitra izao no nafarana tamintsika hoe “VAVAKA”. Io no ifaneraserantsika amin’Andriamanitra hoe “Fianakaviana mino sy mivelona amin’ny fitiavan’Andriamanitra no mandrafitra ny fiangonana fiombonana”. Fa izay heniky ny fitiava-namana mandritry ny andro alahady maromaro isika, momba ny fifampihavanana, momba ny fahaiza-mamela heloka sy mamindra fo nampianarin’I Jesoa antsika izany. Fa raha samy mamindra fo amin’izay nahavita fahadisoana taminy ianareo dia ahazo ny famindrampon’Andriamanitra ihany koa. Ka io ary ilay tanim-boaloboka iasàna: io no manao ny didim-pitiavana. Ka izay rehetra ataontsika dia tanteraho am-pitiavana ary tanteraho am-pinoana miaraka amin’ny fahasoavan’Andriamanitra.

Dia izay ary no lalana atoron’ny fiangonana ho antsika mianakavy amin’ity herinandro izay hodiavintsika manaraka ity indray. Dia  isaorantsika an’Andriamanitra mandrakariva satria andro lehibe amin’ny tantaran’ity fiangonantsika ity ny hoe fanatanterahana ny fanombohan’ny Visite Pastorale amin’ny taom-pikatrohana izao. Ka io manazava ny Tenin’Andriamanitra, ary mifanojo amin’izao fotoan-dehibe fampivondronana antsika izao: “mandehàna miasa any amin’ny tanim-boaloboky ny Tompo”.

Izy no mahalala, ary izay amin’izay rehetra nifanarahantsika taminy dia tsy miova izy. Andriamanitra rehefa manome dia tsy mba mamerina miteny izay nambarany, fa voa ny tenantsika olombelona raha hivadibadika eo. Eo moa no somary nanaitra ahy kely, di any fisian’ireo fiangonana maro manodidina ity fiangonantsika ity. Firifiry ny kristianina no lasa voasarika any? Fa hadino fa misy “Contrat” nifanaovana tamin’Andriamanitra anie ka raha sanantria mivadika amin’ny fifanekena ianao dia tsy Andriamanitra no manary anao fa ianao ihany no manary ny tenanao.

Ka dia angatahantsika ary izay fahasoavan’Andriamanitra izay mba hampatsiaro antsika arak any nambaran’I Jesoa hoe “Ho avy ny Fanahy Masina ary izy no hamapatsiaro anareo izay rehetra nolazaiko taminareo”; fa io Fanahy Masina io koa mapatsiaro antsika ny teny rehetra nolazaintsika teo anatrehan’Andriamanitra. Fa tsy  miandry antsika ho lavorary Andriamanitra, hoe efa masina sy tsy manan-tsiny sy tsy misy fahotana; tsy izany. Eo mandrakariva ny maha-olombelona antsika, fa ny fananantsika ny fanetre-tena hiasa ao amin’ny tanim-boaloboky Tompo, izay no ahafahantsika manana ny fiadanam-po ka ahatonga antsika ho mpandova ny fiainana mandrakizay.

Aoka ho tanteraka izany amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amen.

Resaka Facebook