Alahady 21/06/2015 : Toriteny

Andriamanitra no vonjitsika sy arotsika

    Andriamanitra no vonjintsika sy arontsika, izay no foto-kevitra anentanan’ny Fiangonana antsia androany ary mamintina ireo tenin’Andriamanitra telo nohenointsika teo. Ny zava-nisy dia I Jesoa avy nampianatra ny vahoaka ary teo koa ireo Apôstôly nihaino ny zavatra nataony. Rehefa hariva ny andro arak any voalazan’I Md Marka teo dia niondrana an-tsambokely i Jesoa niaraka tamin’ny mpianany hiampita ny rano. Ny farihin’I Tiberiada no iampitan-dry zareo, ny mampalaza ity farihy ity dia misy ilay fanjonoana mahagaga, ary koa misy tafio-drivotra sy onja mahery tampoka tonga amin’io farihy io. Ireo mpianatra dia efa mahalala ny lazan’ity farihy ity, amin’ny andro alina ry zareo no miampita ary nisy sambokely maromaro koa niaraka taminy; dia nipoitra tokoa ary ilay toetra mampiavaka ity farihy ity, nisy tafio-drivotra tampoka ary nanonja mafy rano ka tonga hatrany anaty sambokely.

    Azontsika Alaina sary an-tsaina hoe isika mandeha sambo ary monja mahery ny rano dia mety hanao ahoana ny fihetseham-po antsika. Jesoa miaraka aminy nefa mahagaga fa ny sambo efa mitsingilahila, ny rano efa tafiditra nefa mbola misy olona mahita tory ihany. Mapametra-panontaniana izany zavatra izany, ny mpianatra tsy mitombona intsony fa natahotra hoe ho rendrika ny sambo raha izao no mitohy. Dia nofohazina I Jesoa ary hoy izy ireo: “Ry mpampianatra o! tsy mampaninona anao ve raha ho faty izahay?” Izany hoe I Jesoa tsy tafiditra ao anatiny. Niarina I Jesoa ka niteny mafy ny rivotra << mangina, mitonia>>, niaraka tamin’izay dia lasa tony dia tony ny ranomasina.

    Ao amin’ny Soratra Masina dia ahitantsika tantara iray mitovy amin’izay, eny ambonin’ny sambo misamboaravoara dia misy misy olona iray mipetraka tsara: I Jonasa dia nirahin’Andriamanitra ho any Niniva hampibebaka ny olona tao, fa tsy nanaiky an’ Andriamanitra I Jonas aka lasa nadeha sambo hafa izy ary nivily lalan-kafa. Kanjo rehefa teny afovoan’ny ranomasina dia nanonja be ary nisy tafio-drivotra, ary ireo tantsambo nahalala fa nisy olona tsy tokony handeha tamin’ilay sambo no mahatonga io rivo-mahery io. Dia natao ny loka ka I Jonasa no tratra, izy amin’izany mody tsy miteny fa mipetraka tsara ao anaty sambo. Dia tratra I Jonasa ka niteny hoe” atsipazo any anaty ranomasina aho” dia nalaina izy ary natsipy tanaty ranomasina ary avy hatrany dia natelin’ny trozona nandritra ny telo andro sy telo alina. Vao natsipy I Jonasa dia lasa tony dia tony ny ranomasina.

    Dia misy hifandraisany amin’ny Evanjely androany izany. Raha araka ny toe-tsain’ny baiboly dia ny ranomasina sy ny  tafio-drivotra dia tandindon’ny herin’ny ratsy. I Jesoa nampitony ny ranomasina ary raha tsaroantsika ny tantara iray raha nandroaka demony izy dia izay koa ny teniny: mangina, mivoaha amin’io lehilahy io, mitovy ny teny nataony. Jerentsika koa ao amin’ny Evanjely, ny sambokely dia tandidon’ny Eglizy, I Jesoa raha nampianatra ny vahoaka ka saiky voaporitry ny olona teo dia niakatra tao an-tsambokelin’I Piera, tao izy no afaka nampianatra ny vahoaka. Izany hoe I Jesoa niditra ao am-piangonana ary ao izy no mampianatra ny tenin’Andriamanitra. Ny sambokely izany no tandindon’ny Fiangonana, I Jesoa ao an-tsambokely miaraka amin’ny mpianatra eny afovoan’ny ranomasina ary tsofin’ny tafio-drivotra sy ny onja dia io ilay endriky ny Eglizy mamakivaky ny fiainana, mamakivaky ny fitsapana isan-karazany amin’izao fiainana izao. Indraindray mety ho voaihany ny saintsika, izahay efa mandeha mivavaka foana, ao aloha sy aorian’ny sakafo, mivavaka tsy tapaka rehefa alahady, fa maninona ny fiainanay no misamboaravoara toy izao? Sao dia tsy misy ary Andriamanitra? Sao dia tsy misy ary izany Jesoa izany?

    Ny fiarahan’I Jesoa amintsika dia tsy manafoana ny fijaliana fa manampy antsika hizaka ny fijaliana eo amin’ny fiainana, izay I Jesoa miaraka amintsika. Na miaraka amin’I Jesoa isika na tsy miaraka dia tsy maintsy misy ny fijaliana sy ny fitsapana eo amin’ny fiainana fa ny olona mahatsiaro fa miaraka aminy I Jesoa mahay mizaka izay fijaliana izay am-pinoana ary mitondra izay fijaliana izay ho karazana tohatra hiakarana mankany amin’Andriamanitra. Fa ny olona tsy mivavaka raha tojo ny fijaliana sy ny fitsapana eo amin’ny fiainana dia mamoy fo ary miafara amin’ny famonoan-tena sy famonoana ny fanahy no hiafarany. Izay no maha samihafa ny olona mivavaka sy tsy mivavaka sy ny miaraka sy tsy miaraka amin’I Jesoa. Misy an’ilay hira iny hoe hay teo foana I Kristy, toa izay koa ilay olona nandeha namakivaky tany efitra, maloka ny andro,maimaina dia mandeha tsara dia iny I Jesoa miaraka aminy, dian-tongotr’olona roa no hita mandeha. Fa rehafa kelikely teo nihamafy ny tafio-drivotra, nandoro ny hain’andro, ny fasika nanjemby ny tava, ditsoka, rehefa nihamafy ny fiainana sy ny lalana dia lasa dian-tongotr’olona iray sisa no hita mandeha, nahatsiaro fa nilaozan’I Jesoa izy ary ao anaty ady mafy indray I Jesoa no tsy miaraka aminy. Dia nimenomenona izy: aiza ianao Jesoa, fa nahoana rehefa mafy ny fiainako vao alefanao mandeha irery aho. Rehefa kelikeky afaka tamin’izay ilay tafio-drivotra ka nihamaloka sy nangatsiatsiaka ny andro dia iny fa lasa dian-tongotr’olona roa indray no mandeha, iny indray I Jesoa hitany miara-dalana aminy. Dia niteny tamin’I Jesoa izy hoe fa naninona aho no nilaozanao amin’ireny fotoan-tsarotra ireny? Dia I Jesoa namaly azy: fony ianao nandalo lalan-tsarotra sy namakivaky ny efitra dia nobabeko sy nataoko an-tsangory ianao fa dian-tongotro io olona mandeha anakiray io fa tsy anao. Izany hoe izaho no niaritra ny mafy fa tsy ianao fa rehefa afaka ny mafy dia izao isika miara-mandeha izao.

     Misy fotoana eo amin’ny fiainantsika tsy ahatsapantsika an’izay hoe aiza Andriamanitra, ary nahoana no avelany hisy ny fijaliana raha misy tokoa izy. Misy tsy mivavaka intsony ary milaza fa hoe mafy be ny lalàna ao amin’ny Katolika: dia diniho fa ny lalàna ato amin’ny Fiangonana Katolika dia tsy noforonina fa nalaina avy tao amin’ny Soratra Masina ary I Jesoa miteny fa hety sady sarotra ny lalana mankany amin’ny fiainana fa malalaka be kosa ny lalana mankany amin’ny fahaverezana. Ka izay misafidy ny malalaka dia misafidy ny lalan’ny fahaverezana, ary I Jesoa koa dia nilaza far aha misy tia ahy da aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka ahy. Ity fiainana maha-Kristianina ity dia tsy hoe “la vie en rose” fa safidy tsy maintsy hitondrantsika fijaliana, raha miaina ny fiainana maha-Kristianina marina ianao ka mbola tsy nahatsapa fijaliana teo amin’ny fiainanao dia mbola tsy izy izay. Tokony mbola handini-tena isika hoe tena niaina ny maha-Kristianina ahy tokoa ve izaho. Fa rehefa miroso isika dia tsy maintsy enjehina, raha nenjehina aho hoy I Jesoa dia tsy maintsy enjehina ihany koa ianareo ka n’ino’inona fitsapana mitranga eo amin’ny fiainana dia eo foana I Kristy. I Jesoa toa matory fa rehefa mino isika fa tena miaraka amintsika iKristy dia tsy avelan’I Jesoa ho rendrika izany isika ary tsy ho rendrika izany ny sambontsika. Niteny mafy ny ranomasina I Jesoa hoe: mangina, mitonia. Nanaiky azy ny ranomasina izany hoe efa resin’I Jesoa ny herin’ny ratsy. Avy eo izy nitodika tamin’ny mpianay ary niteny hoe nahoana no saro-tahotra ianareo. Ny olona ten amino fa miaraka aminy I Jesoa dia tsy mba manana tahotra izany, tsy hamela antsika ho faty izany I Jesoa ary ny fitsapana tsy maintsy misy eo amin’ny fiainana. Izay no ilaintsika, ny olona izay mino fa eo foana I Jesoa miaraka aminy na ahoana fitsapana na ahoana, eo izy na tsy mamaly ny vavaka ataontsika ary. Tsy matory izany Andriamanitra ary tsy mamela antsika ho irery izany, tsy mamela antsika hiady irery Andriamanitra rehefa mahatoky azy isika.

Resaka Facebook