Alahady – 20/07/2014 – Toriteny

Ny foto-kevitra omen’ny fiangonana antsika androany dia ny hoe « Mahandry Andriamanitra ary mpamindra fo ».

Tamin’ny herin’ny androany no efa nihaino isika ny fampianaran’i Kristy mialoha an’ity Evanjely retsika teo ity, fampianarana momba ny fanjakan’Andriamanitra, fanoharan’i Kristy momba ny fanjakan’Andriamanitra, ny resaka  voa afafy, mpamafy, sompitra …

Ny fanoharana moa @ maha-fanoharana azy dia natao hampitàna zavatra hafa. Ohatra ny fahoharana momba ny « éponge », ka misy ny olona manontany hoe inona moa izany atao hoe « éponge » izany ? ny fanoharana dia entina hiampitàna : miainga @ zavtra fantatra miampita @ zavatra tsy fantatra,  ka ampahalalàna an’io zavatra tsy fantatra io.

Dia manao fanoharana ary Kristy momba ny fanjakan’Andriamanitra. Raha ny kinasa sy ny anton-dian’I Kristy teto amin’ity tany ity di any famonjena ny olombelona. Izay no anton-diany tety, avy  any an-danitra any, ho famonjena antsika. Ary raha nanomboka ny fitoriana ny vaovao mahafaly ary izy di any hoe “Mibebaha ianareo fa efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra”.

Ny tanjom-piainantsika zanak’olombelona izay kasain’Andriamanitra ho antsika olombelona tsy ankanavaka dia izay hoe ho voavonjy izay, ho any @ fanjakan’Andriamanitra nolazain’I Kristy izay. Ary ny lalana mankany @izay di any mibebaka, io ilay lazain’I Kristy hoe mibebaha ianareo fa efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra, mibebaha ianareo hidiranareo any @ fanjakan’ny lanitra. Raha misy olona iray nandalo tety ambonin’ny tany tety ka tsy tonga any an-danitra dia zary lasa  very maina foana ny fiainany tety. Tsy misy dikany ny fiainantsika raha sanatria isika indray andro any tsy tonga any an-danitra. Inona n dikann’y fiainanao raha to aka nandalo tety kanefa tsy ho tonga any an-danitra? Tsy misy, tsy misy. Sa ianareo mahita hevitra hafa?*

Fa izay tanjona anie dia tokony ho tratrarina e. ka eto I Kristy vaovao mahafaly miteny amintsika hoe ho any an-danitra any ny tanjom-piainantsika. Raha manao zavatra iray isika dia mitady izay hevitra rehetra hahatratrarana iny tanjona iny. Raha misy olona iray te ho tafita dia mianatra mafy izy, ary ho tafita ny hiafaràny. Mila ezaka anefa hahatratrarana an’izany.

Misy ilay tsinjaery kely nataontsika t@ mbola kely,

“raha mafy asaina ny tanim-bary, kanefa ny mpiasa k ate ho tody. Mikiry ka farany tody ihany….”

Ka tahaka izay ilay izy, mikiry ianao hanatrarana ny tanjona

Ary ny fiainana mandrakizay dia tanjona goavana tokony hampetratsika ambonin’ny zavatra rehetra mihitsy aza. Ary ny fiainana dia fikirizana. Ho an’izay misaina, Papa Joany Paoly faharoa dia nilaza: misy fanontaniana lalina ao am-pontsika ao, hoe avy aiza aho? Ary ho aiza aho? Ary eo anelanelan’ny andro ahaterahako h@ andro ahafatesako, inona no tokony ho ataoko?

Misy an’izay fanontaniana izay ao amintsika, na tiantsika na tsy tiantsika. Ary na olona te hahalala na tsia dia mametraka an’io fanontaniana io avokoa.

Dia izao no valin-teny nomen’ny Papa Ray Masina hanampiany ny andian’ondriny: “na tiantsika na tsy tiantsika, ary raha olona tena tsotra isika no mamaly, dia izao no tokony ho valiny:  Avy @Andriamanitra aho, ary ho any @Andriamanitra isika indray andro any rehefa maty. Dia mbola hoy hatrany ny Papa Ray Masina, somary mifanohitra @izay anefa, valin’ilay fanontaniana fahatelo hoe inona no ho ataonao eo anelanelan’ny andro ahaterahana sy ahafatesana; ny asa ataontsika di any mivavaka sy mibebaka, miaina ny fiainana maha-kristianina.

Dia miteny amintsika I Kristy hoe natao ho vonjena isika. Ary fanoharana ataony ny hoe ny hiafaran’ny vary dia tokony ho any an-tsopitra, ary isika olombelona, araka izay voalazantsika teo izay, dia tokony ho any an-danitra. Ny lalana mankany dia izao fiainantsika izao: mivavaka dia mibebaka. Mandray ny tenin’Andriamanitra satria ny teniny no mandio antsika, manampy antsika ho any @izany fanjakan’Andriamanitra izany. Ka ho tody soa aman-tsara any anie isika. Ho tojo an’ilay voalazan’I Kristy t@ fanoharana teo hoe toy ny voanahi-dratsy ka halefa any @ memy ho dorana hatao amboara, sanatria amintsika anie izany; fa etsy an-danin’izay, rehefa mahazo ny tenin’Andriamanitra isika dia hirahina ihany koa hitory sy hanambara izany vaovao mahafaly izany. Fa ny olana dia izao, mitombina foana ilay voalazan’I Kristy hoe misy hatrany ny voanahi-dratsy, misy foana koa anefa ny voa tsara. Miara-maniry ny vary sy ny  tsiparifary, ny voa tsara sy ny ahi-dratsy eny an-dalam-piainantsika eny. Mitory ny vaovao mahafaly ianao, ilay voa tsara hotoriana sy hokarakaraina, fa misy foana ny voanahi-dratsy.

Misy ny atao hoe Abé Pierre, mikarakara ny sahirana, mitondra famonjena @ mpiara-belona aminy. Fa etsy an-daniny misy koa ny mpamono olona. Ao Père Pedro miezaka mamonjy olona araka izay tratry ny ainy; ao koa I Soeur Elsie. Kanefa dia misy koa ny mpamono olona. Ireo ilay hoe misy ny voanahi-dratsy, fa misy koa ny voa tsara.

Eo @ fiaraha-monina misy antsika, na isika ihany koa aza, na ao an-tokatrano aza, dia misy ny voa tsara sy ny voanahi-dratsy.

Misy olona tena hitanao fa tena mivavaka, misy ny olona tena hitanao hoe tena mivavaka ity zanako ity; ity dada na mamanay ity. Na koa ny mifanohitra @izany hoe tena tsy mivavaka mihitsy mamanay…

Tanimboly isan-karazany izany ka misy ny voa tsara sy ny voa ratsy avokoa. Fa na @ fontsika koa aza dia  misy voa tsara sy voa ratsy. Fa ni tenin’Andriamanitra no mandio antsika. Io no lazain’I Md Paoly ao @ vakiteny faharoa niarahantsika niaino teo hoe: “ny Fanahy Masina no mangataka ho antsika @ fitarainana tsy hay lazaina. Manampy antsika hiova sy hibebaka, hiavao araka ny fanirian’Andriamanitra sy isika tsirairay avy. Fa diovin’ny tenin’      Andriamanitra isika, itarainan’ny Fanahy Masina isika. Izay no tsy tokony ahakivy antsika na oviana na oviana, araka ny voalaza teo hoe misy voa tsara sy misy voa ratsy ihany ao amintsika tsirairay avy.

Raha ny voa ratsy no kolokolointsika dia tsy afaka ny ho any an-tsopitra na oviana na oviana isika. Satria tsy hisy olona hiteny mihitsy hoe andeha ho alefako any an-tsopitra na any am-bilany ity voanahi-dratsy ity. Dia isika koa tsy ho tonga any an-danitra mihitsy raha mitoetra ho voanahi-dratsy mandrakariva, raha mitoetra ho ahitra fotsiny hatrany.

Ka izay no tokony hangatahantsika @ Fanahy Masin’Andriamanitra, hitarainantsika arak any voalazan’I Md Paoly teo, isika anie tsy lavorary e, fa hamarinin’Andriamanitra isika, ataony tonga lavorary. Izay no tokony tsy ahakivy antsika fa mivavaka hatrany na dia tsy lavorary aza. Izay no tokony hampivavaka antsika hatrany hatrany.

Misy ny olona no mitsara antsika hoe “ireny hono no mba mpivavaka…nefa izao sy izao…”

Marina anie ny zavatra lazainy e, satria tsy lavorary isika. Tsy misy lavorary isika, na ianareo mihaino ahy, na izaho miteny aminareo.

Fa isika tsy lavorary io, isika na dia tebahan’ny olona tahaka izany aza, dia hamarinin’Andriamanitra. Izay no tokony tsy ho adinontsika mihitsy.hamarininy isika @ alalan’izao fihainoana ny teniny izao, @ alalan’ny fivavahantsika, ny Fanahy Masina no mitaraina @ fomba tsy hay lazaina hanamarinana antsika; handavorariana antsika, hanadiovana toetra ùba ho tafita  any an-danitra any isika indray andro any. Izay anie no mahatonga antsika hivavaka e, na dia tsy lavorary aza.

Ary hoy Kristy: “Inona ny soa azon’ny olona iray raha mahazo an’izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny?” ho tody soa aman-tsara any an-danitra anie isika, fa mitory hatrany isika @ maha-fanasina antsika. Hitory ny vaovao mahafaly @ mpiara-monina amintsika: ao an-tokantrano, any ampiasana, araka izay azontsika atao. Fa tsy hitsaratsara be fahatany, na dia olona tena akaiky anao aza no hitantsika fa voanahi-dratsy. Fa inona no azonao  atao? Inona no azonao anampiana azy, fa ny fitiavana  ihany no vahaolana. Aza mitady lalana na hevitra diso hampibebahana olona, fa io fitiavana io ihany, tsy misy afa-tsy  ny fitiavana no ahafahana manova an’ity tany ity. Ny fitiavana ihany no ahafahanao mampibebaka ny olona akaiky anao.

Dia ento am-bavaka ny karazana voanahi-dratsy, na ireo ao am-pontsika ao aza, ny manodidina antsika. Afaka miteny ianao hoe ity kilemako ity dia ndeha hongotako.

Fa kristy miteny amintsika hoe misy lalana ahatongavana @izany: ny fitiavana.

Mahandry Andriamanitra ary mamindra fo. Mivavaka ho azy, maneho fitiavana azy satria ny fitiavana no hany manova an’izao tontolo izao.

Eny @ fiarha-monina misy antsika any, tandremo koa sao dia tsy misy an’izay fitiavana izay isika. Izay tsy manana an’izay fitiavana izay dia ts mankany an-danitra velively. Ary rehefa tena tia izay isika, dia misy ako mankany amintsika izay fitiavana izay.

Izay hitondranao an’ilay fitiavana no hamaliana fitia anao.

Dia misy ankizy iray, mikasik an’izay resaka ako izay, nandeha teny an-tendrombohitra izy. Azontsika Alaina sary an-tsaina. Nakeny an-tendrombohitra izy dia izao no zavatra nataony: “adala ialahy”,dia nisy ako namaly azy nanao hoe “adala ialahy”, miantefa ao ampoton-tsofiny. Fantaro fa izay ataontsika ihany no miverina amintsika eo @ fiainana. Izany hoe raha mitondra fitia @ mpiara-belona isika, dia ako fitiavana miverina amintsika koa avy eo. Raha te hanova ny mpiara-belona ianao di any fitiavana ihany no entina ampiasaina @izany mba hahazoanao koa ilay atao hoe akom-pitiavana miantefa aminao.

Rehefa niteny ilay tovolahy kely hoe “adala ialahy” dia nahare feo avy eo hoe “adala ialahy”. Dia nalahelo be izy, ka nitomany niteny t@ reniny : neny ah, adala hono aho” dia hoy ny reniny: “fa inona no noteneninao?”. Izao no nolazaiko: “adala ialahy”. Ka tsy mahagaga raha miteny an’izany ianao, ka toy  izany koa no valiny azonao; fa ndeha miverena eny an-tendrombohitra dia mitenena indray hoe : “Hendry be ianao”.

Dia lasa izy nakeny an-tendrombohitra ka niteny hoe “Hendry be ianao”. Dia niverina avy any ilay ako niteny hoe “Hendry be ianao”. Dia faly be izy ka nakeny @ reniny ka niteny hoe “neny a, Hendry be hono aho”. Dia namely ny reniny hoe “eny ,Hendry ianao satria fahendrena no nalefanao tany”.

Dia fidio ary izay teny  halefantsika @ mpiara-belona amintsika. Fidio izay fihetsika alefantsika @ mpiara-belona amintsika. Fidio koa izay fomba fampitana ny vaovao mahafaly hampibebahana azy sy hitondrana azy mankany am-paradisa indray andro any.

Raha hisafidy isika dia io fitiavana io no tsara indrindra hanatanterahana izany.

Dia ho tafita soa aman-tsara any an-danitra anie isika tsirairay avy, tsy hisi ho diso lalana, tsy hisy ho kivy na oviana na oviana.

Fa ity koa no aza hadinoana mihitsy: tsy mahazo kivy isika, na iza na iza, na dia tsy lavorary aza.

Misy olomasina iray efa nilaza hoe; “Ny kivy dia efa naman’ny mankany @ lalan’ny fahaverezana” fa isika na dia tsy lavorary aza dia mivavaha mandrakariva, aza kivy na oviana na oviana fa mahandry Andriamanitra ary mamindra fo. Mandeha tsikelikely ny fiainana maha-kristianina antsika na dia tsy azontsika vetivety aza, na dia  tsy mazava tsara ao ab-tsaintsika aza. Ho tahaka an’ilay jamba nositranin’I Kristy, nanatona Azy ka nasiany fotaka ny masona, dia nataony hoe ndana misasa aloha, mankanesa any ivelan’ny Tanana dia sasao ny masonao. Dia mbola nanontaniana hoe; ohatra ny inona ny fahitanao ny olona, dia hoy izy, mitovy @ hazo, ka nihatsara hatrany anefa io fahitany io ka niteny izy ny farany hoe tena mahita tsara amin’izay aho.

Misy dingana maro tsimaintsy lalovana, mila faharetana sy fahatokisana, mila manaraka  ny dingana natoron’I Kristy. Manavao antsika I Kristy, mandavorary antsika, manadio antsika na dia tsy  lavorary aza fa manao ezaka tsikelikely ho tafita soa aman-tsara any an-danitra any isika. Ho tratra ny tanjon’I Kristy hoe angony ataovy any an-tsopitra ny vary, ireto kristianina eto Anjomakely ireto.

Resaka Facebook