Alahady – 19/10/2014 – Toriteny

Mialoha ny hanazavantsika ny Evanjely dia mila azontsika tsara ny atony nitenenan’i Jesoa azy. Iverenantsika azavaina ireo rehetra antokon’olona voalaza etsy amin’ny Evanjely.

Voalohany tao dia ny farisianina. Ny farisianina dia olona mifanohitra amin’I Jesoa ireo, ary Jesoa rehefa miteny ny farisianina dia lazainy fa mpiatsara ivelatsihy ireo: miseho ho tsara ety ivelany, nefa ny ao anatiny dia zavatra hafa. Miseho ho mpivavaka ety ivelany nefa ny fiainany tsy araka izay. Ny farisianina koa dia olona fatra-pitandrina ny lalàna, ary mitsikera sy manara-maso ny olona izay tsy manaraka ny lalàna.

Dia misy koa ireo voalaza hoe herôdianina. Mazava fa nalaina avy amin’ny teny hoe Herôda izany; ny ao an-tsaina voalohany dia hoe mpanjaka izay.ka ny herodianina dia ireo olona mpankato, mpanaraka ary mahazo tombon-tsoa amin’ny mpanjaka. Ka Herôda tamin’izany andro izany dia tsy manam-pahefana firy fa karazana marika na tandindona fotsiny ihany, famantarana fotsiny ihany fa tsy manam-pahefana na kely ary; ary ireo moa no tena voalaza eto.

Ny firenena jody tamin’ity andro niainan’I Jesoa ity dia teo ambany fanjanahan-tany rômanina, k any amperora tamin’izany andro izany dia antsoina hoe “César”. Ny César dia tahaka ny hoe Ranavalona (teto amintsika); samy manana ny anarany izy ireo. Ny fiantsoana ny amperora rehetra dia natao hoe César, fa ny tena anarany dia I Tiber. Izay rah any ara-tantara. Tiber no César nanjaka tamin’io andro io. Ka tsar any ahaizantsika io antokon’olona io.

Ny farisianina, ny herodianina. Ireto farany dia mpanohana ny fanjakana rômanina satria matahotra ny ho very seza dia manohana ny fanjakana rômanina. Fa ny tena mpanohitra dia ilay antokon’olona antsoina hoe “Zelotte” – mpanohitra ireo. Raha tamin’ny fanjanahan-tany teto amintsika, dia ireo angamba no MDRM, na koa Menalamba. Fa manao ady anaty ankata ireo ary mamono miaramila rômanina izay tratrany any ambadimbadika any. Ary mitaona ny olona tsy hando a hetra. Ao ny fitiavan-tanindrazana izay ananan’ireto Zelotte ireto, ka mitraotra sy mampiasa eritreritra ka mitaona ny olona tsy handoa hetra.

Fa ny herodianina sy ny farisianina tsy misakana ny olona amin’izay. Izay ity tantara ity.

Ka eto anatrehan’izay, ny farisianina naniraka olona haniraka ny herodianina ho any amin’I Jesoa, haka fanahy azy.

Dia jereo ny teny nentin’ireto olona ireto haka fanahy azy: misy zavatra efatra lazainy mikasika an’I Jesoa, fanasohasoany azy izany:

  1. Ry mpampianatra: jereo fa dokafana mihitsy Jesoa mba hanitsaka, ary fomba fametrahana fanontaniana tamin’ny “Rabain” tamin’izany andro izany ny hoe “Ry Mpampianatra ô”
  2. Fantatray fa marina ianao: dokafana tsara mihitsy ilay olona mba ho latsaka anatin’ny fandrika.
  3. Mampianatra ny lalàn’Andriamanitra arakany marina
  4. Tsy mampaninona anao ny olona ary tsy mizaha tavan’olona ianao.

Vao maheno izany dia mety ho avy hatrany dia mangotsoka ny any anaty any hoe hay ve fantatr’ireto olona ireto hoe izany tokoa  aho, ary voapetraka tsara mihitsy ilay jono na fandrika io eto.

“Mba lazao anay: mety ve ny mandoa hetra ho an’I César sa tsia?” sarotra ny fandidiana, satria nahoana?

Ny valin’io fanontaniana io dia roa ihany: na ENY na TSIA.

Jesoa raha miteny hoe ENY dia midika fa mankatoa ny fanjakana rômanina izy. Raha manaiky izy fa mety ny mandoa hetra ho an’I César dia ho voa Jesoa satria ny vahoaka rehetra dia manantena azy ho ilay Mesia hanafka ny firenena eo ambany fanjanahan’ny rômanina. Ary ny vahoaka rehetra dia nanaraka an’I Jesoa daholo, ka raha niteny izy hoe aloavy sy mety ny mandoa hetra ho an’I César dia ho voa noho ny teniny izy, ka hiala aminy daholo ireo vahoaka marobe mpanaraka azy ireo.

Raha hiteny kosa izy hoe TSIA, aza mandoa hetra ho an’I César, dia efa eo ny herodianina, eo ny farisianina, ary avy hatrany ny fanjakana rômanina haniraka miaramila hisambotra an’I Jesoa satria mpioko izy.

Izay ilay velam-pandrika izay: na manao ENY na manao TSIA I Jesoa amin’ny valim-panontaniana dia voa mandrakariva.

Fantatry Jesoa ny haratsian’ny lohan’ireto olona ireto, ka izao no natoany: “omeo ahy ny farantsa fandoa amin’ny hetra”. Dia naverin’I Jesoa ny fanontaniana: “sarin’iza sy anaran’iza io?” satria tamin’izany andro izany, rehefa manao vola, tsy volan’ny fanjakana jody no andoavana hetra fa ny vola romanina no andoavana hetra. Ary ao anatin’iny vola romanina iny ny sarin’ny amperora sy ny anarany. Ary izay no mahatonga ny jody rehefa handeha any an-tempoly handoa ny hetran-tempoly dia tsy maintsy atakalo ny vola. Izay no mahatonga ny mpanakalo vola teo an-tokontanin’ny tempoly. Nazeran’I Jesoa io. Satria ny vola rômanina tsy azo ampidirina ao an-tempoly noho izy ireny vola maloto: misy ny anaran’ny amperora. Ny amperora tamin’izany fotoana izany dia nolazaina ho andriamanitra hivavahana. Ary izany no nahatonga ny bokin’ny apokalipsa nosoratana.Satria ny amperora dia nivavahana mihitsy ary izay tsy mivavaka aminy dia novonoina ho faty. Izay ny antony. Rehefa ao an-tempoly dia tsy maintsy atakalo ny vola satria tsy azo idiran’ny vola maloto ao. Dia io no nataon’I Jesoa, teo amin’ny vola fandoavana hetra io, dia sarin’I César no teo, miaraka amin’ny anarany. Dia hoy Jesoa: “Sarin’iza sy anaran’iza io?” dia namely ireo hoe “An’I César”. Dia izay no nahatonga azy niteny hoe “Aloavy ho an’I César izay an’I César, ary amin’Andriamanitra izay an’Andriamanitra”. Valim-panontaniana mazava ary tsy hitan’ireo olona naka fanahy azy izay hambara.

Tsy hitan’ireto olona mpanandrika ny lalana hizorana.

Hazavaintsika io rehefa avy io, hoe inona no tena hevitry ny hoe aloavy amin’I César izay an’I César ary amin’Andriamanitra izay an’Andriamanitra? Na I Jesoa aza anie nandoa hetra e! fa voalaza ao amin’ny Evanjely fa ny hetra ao amin’ny tempoly no naloan’I Jesoa. Hoe notakian’ny olona hetra I Jesoa: “Ianareo angaha tsy mba mandoa hetra ho an’ny tempoly?” Jesoa anefa tsy nanana vola ary tany amin’I Piera koa tsy nisy. Dia lasa nandefa najona I Piera, ka hoy Jesoa taminy: “ao anatin’ny trondro azonao voalohany, sokafy ny vavany fa misy vola ao, ka aloavy ny ahy sy ny anao”. Dia rehefa niakatra ny trondro dia nosokafana ny vavany ka nisy vola roa tao, dia iny no  naloa ho hetran’I Jesoa sy Md Piera tao  an-tempoly. Ka na I Jesoa aza dia nandoa ny hetran-tempoly.

Aloavy amin’I César izay an’I César ary amin’Andriamanitra izay an’Andriamanitra. Na iza isika na iza dia mandoa hetra daholo. Ny zavatra rehetra izay ataontsika dia andoavana hetra daholo. Ary notadiavina daholo ankehitriny ny fomba rehetra handoavana hetra hatrany amian’ny mankany amin’ny trano fivoahana aza anie ami’nizao dia andoavana hetra avokoa, ny saran-dalana, ny solika. Tsy fantatsika izany indrindray fa ny vidin-javatra no miakatra. Io no fidiram-bolan’ny firenena: ny hetra amin’ny zavatra rehetra.

Voalaza tao amin’ny vakiteny voalohany teo fa I Cyrius, mpajaka tsy mpino, tsy mahalala an’Andriamanitra nefa noheverina ho mesia satria izy no nanafaka ny vahoaka rehefa nobaboana ny vahoakan’Israely. Ary ny toe-tsaina taloha, ny fahefan’ny mpanjaka dia avy amin’Andriamanitra, ary izay no mahatonga ao anatin’ny lalàna manaiky ny mpanjaka, manaikyny mitondra ny vahoaka. Io ilay manaja ny hoe “Aloa ho an’ny César izay an’I César”. Mandoa hetra isika.

Fa ny anankiray tiako hakàna fotoana kely dia ny hoe: “Omeo an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra”.

Io no adidintsika isan’andro: misy adidintsika amin’ny fiangonana. Ity mety ho izao vao renareo, fa niresaka tamin’I Masera aho. Any Inde, ny olona vao miditra miasa ka mandray ny karama voalohany, fanaony izany: ny karama raisina voalohany dia omena ny fiangonana manontolo. Ary avy eo dia ambin’Andriamanitra amin’ny asa ary maharitra ami’nizany ny olona. Mikarama ny olona ary ny karama iray volana voalohany manontolo dia atolotra an’Andriamanitra. Izany no fanaon’ny olona izany. Ka isika asa raha firy no efa mba nahavita izay. Ny sasany efa ela no niasàna fa tsy mbola nahavita toy izany. Fa io, ny olona mahavita izay dia ambin’Andriamanitra amin’ny fiainany manontolo. Tahaka izany koa, fanaon’ny olona ny hoe atolotra ny fiangonana ny karama, na karama isan’andro io, na sarak’antsaha io, na asa birao, na varotra, dia atolotra an’Andriamanitra. Tsy anenenana io fa ahazoantsika fanambinana. Ny  mahatonga antsika ho sahirana dia ny tahotra ny mpampiasa. Ny katôlika rehefa lasa any amin’ny sekta dia mahavita mandoa ny ampahafolon-karena, tahaka ny olona iray izay, rehefa nivadika sekta ilay ramatoa, ka ny  ampahafolon’ny zavatra ao an-trano dia alefany any amin’ny pasitera daholo … na sakafo na inona na inona  ka lasa niady tamin’ny vadiny izy noho ny farany. Fa ny antsika, tsy dia lazaina loatra io fa izay vita dia atolotsika. Ao Ambatonilita ao isaky ny alahady dia misy fonosana rakitra 2.500.000 fmg, olona iray no manao azy io. Rehefa tsy mivavaka io olona io dia latsaka be ny rakitra. Izay ny ampahafolony, mahazo volabe izy mazava loatra fa zarainy 4 ny ampahafolony ary aloany any am-piangonana isan-kerinandro. Izy dia mahazo vola be ary ambin’Andriamanitra hatrny amin’izay ataony rehetra.

Ankoatra izay ihany koa, averintsika foana ity, rehefa manao rakitra isika, isaorna be dia be an’Andriamanitra fa tena ezaka be no efa vitantsika satria tao anatin’ny in-droa alahady izao dia efa tafakatra 4 hetsy mahery ny rakitra vitantsika. Tsy mbola nisy tahaka izany hatrizay ka enga anie ka hitohy satria lanja miakatra ny fiainana ka mba hitohy hatrany ny fahafoizantsika.

Rehefa manao rakitra io isika, asa raha mba tafiditra ao anatin’ny Budget-tsika isam-bola io. Jereo ho an’ireo mpandray vola isam-bolana: vitantsika ny mitsinjara zy hoe ity ny hofan-trano, ity ny saran-dalana, ity ny sakafo, ity ny kitay sy ny fahana… fa raha jerena dia tsy mba tafiditra ao mihitsy ny hoe ity ny rakitra, tsy tafiditra ao anaty vinavinam-pandaniana. Dia izay no mahatonga ny olona rehefa manao rakitra di any ambim-bava: atakalozy ity fa tsy misy madinika. Dia lasa hoe ny rakitra dia vola madinika, lasa izay ny famaritana azy. Dia tahaka izay koa, efa hita aloha fa mihatsara taorian’ny fitenenana teto indray mandeha, fa vola efa tsy misy mpandray intsony any amin’ny fitaterana satria sady efa rovitra no maloto, dia misy ny sahy milaza hoe any am-piangonana io mandeha. Misy mandray foana io rehefa any. Ny an’ny sasay indray dia ao anaty rakitra ao no ahitana vola ariary zato mizara roa satria tsy nisy nanakalo ilay lelavola ka rovitina roa: ny ilany rakitra voalohany ary ny ilany rakitra faharoa. Dia voatery mividy scotch ny mpanisa vola: matoa izay ito vola ito hita ato amin’ny rakitra voalohany, dia any ami’nny rakitra faharoa ny ilany fa tsy azo ariana io. Misy olona manao an’izany. Izany ve no atolontsika ho an’Andriamanitra? Misy ihany koa vola tena maloto no mba alefantsika ho an’Andriamanitra; nefa fantaro fa misy ireo ankizy ireo, misi amin’ireo tanora ireo rehefa mahita vola tsara sy madio, apetrany any anaty baiboly sy fihirana izany dia ataony rakitra rehefa alahady. Ezaka io. Mahafoy ho an’Andriamanitra, zavatra tsara no atolotsika ho azy.

Tsy ambinkambiny no atolontsika ho an’Andriamanitra. Ary io no nahavoa an’I Kaina. Ny an’I Abela di any tsara indrindra teo amin’ny asany sy ny fiompiany no natolony natao sorona ho an’Andriamanitra. Fa ny an’I Kaina, io ilay hoe vola madinika sy ambim-bava hoy isika, di any efa tsy ilaina no nataony sorona  ho an’Andriamanitra. Tsy nankasitrahan’Andriamanitra izany ary izay no nahatonga azy namono an’I Abela. Satria ny an’I Abela nankasitrahan’Andriamanitra, fa ny an’I Kaina dia tsy nankasitrahana. Dia tezitra izy avy eo.

Izay ny hevitra iray. Fa ny tena heviny dia ity hoe “aloavy amin’I César izay an’I César ary amin’Andriamanitra izay an’Andriamanitra”. Teo amin’ny vola fandoa amin’ny Hetra dia sarin’I César Tiber no tao, dia aloavy ho azy iny. Fa izay an’Andriamanitra kosa dia aoka ho an’Andriamanitra, izany hoe isika rehetra ireo, rehefa vita Batemy dia tonga zanak’Andriamanitra. Araka ny voalaza ao amin’ny Jenezy 1-26, rehefa nahary ny olombelona Andriamanitra dia hoy izy: “Ndeha isika hanao olombelona mitovy endrika amintsika”. Izany hoe, noho ny Batemy noraisintsika dia mitovy endrika amin’Andriamanitra isika. Izay endrik’Andriamanitra ao amintsika izay dia averintsika amin’Andriamanitra izay. Izay no takian’Andriamanitra amintsika. Io endrik’Andriamanitra ao amintsika io no takiany ho averintsika aminy. Hira fanaontsika ilay hoe “Ry tompoko, ilay endrikao re no tadiaviko” –  fa ny endrik’Andriamanitra dia amintsika tsirairay avy, atolontsika amin’Andriamanitra io. Tsy maintsy miezaka isika hanana ny endrik’Andriamanitra marina miseho eo anivon’ny fiainantsika. Ny maha-kristianina antsika, tsy kristianina anarany fotsiny fa kristianina tena marina amin’ny ataontsika rehetra, amin’ny fiteny, fihevitra, ny ataontsika rehetra, maneho izay endrik’Andriamanitra izay. Ary io no tsy maintsy averintsika amin’Andriamanitra io. Fa raha sty izay dia tsy vitantsika ny adidintsika amin’Andriamanitra.

Endrik’Andriamanitra ny olombelona, tsy maintsy averintsika amin’Andriamanitra araka izay maha-endrika antsika izay ny endriny ao amitsika.

Dia izay no ady mafy isan’andro ataontsika: tena ao marina ve? Tena endrik’Andriamanitra tokoa ve aho? Mahita ny  endrik’Andriamanitra eo amin’ny namako ve aho? Ary raha tena misy mahatsapa isika fa misy endrik’Andriamanitra ao amin’ny namantsika dia tsy hanao ratsy amin’ny namantsika isika, tsy hangalatra ny zavatry ny namantsika isika satria endrik’Andriamanitra io, tsy hanozona, tsy hifosa namana isika satria endrik’Andriamanitra io.

Dia izay  endrik’Andriamanitra hitantsika eo amin’ny namantsika izay dia tsy maintsy tadiavintsika io. Ary io endrika io dia tsy amintsy averintsika amin’Andriamanitra io fa raha tsy izany dia ho very isika satria ny endrik’Andriamanitra io no hidirantsika any an-danitra rahatrizay. Fa raha tsy mitondra ny endrik’Andriamanitra isika dia tsy ho tafiditra any an-danitra na oviana na oviana. Ka ny fiainantsika an-davanandro no anehoantsika izay endrik’Andriamanitra izay.

Resaka Facebook