Alahady 18/10/2015 : Toriteny

“NY FIJALIANA: AZO AMPIASAINA HO FANAVOTANA”

Ny fifampizarana ny tenin’Andriamanitra miainga amin’ireo vakiteny telo izay nohenointsika dia manambara amintsika ny amin’izay fiheveran’Andriamanitra. Ka izany fiheveran’Andriamanitra dia tsy mitovy amn’ny fiheverantsika olombelona, ny mety ho hadisoantsika dia mieritreritra an’Andriamanitra ho toa antsika na hihevitra toa antsika. Na dia tonga olombelona toa antsika ary izany Andriamanitra izany dia mijanona amin’ny maha Andriamanitra azy izy na dia olombelona toa antsika, itovizany amintsika ny zavatra rehetra afa tsy ny fahotana. Dia mijanona mandrakariva izy ho Andriamanitra.

Ny Vaovao Mahafaly androany dia milaza fa mety ho fakam-panahy ho antsika olombelona ny mahazo toerana ambony amin’izay atao, ny ho lasa voalohany. Raha ny tokony ho izy dia tokony ho vakiana ny tapany voalohany amn’io Vaovao Mahafaly io, ireo mpianatra roalahy izay mangataka amin’I Jesoa hoe: avelao ny anakiray mba ho eo ankavianao ary ny iray eo ankavananao, izy ireo dia mihevitra fa I Jesoa dia mpanjaka toy ny mpanjakan’izao tontolo izao; ka zava-dehibe sy ambony ny hoe tanan-kavanan’ny mpanjaka, mipetraka eo akaikiny. Izany dia zavatra mety mahazo antsika olombelona ka tsy mahagaga raha toa ka hifidy dia mihazakazaka ny olona rehetra mba ho kandidà amin’izany fifidianana izany. Satria te hitondra, te ho lehibe. Fa ny fiheveran’ Andriamanitra kosa amin’izay te hitondra na te ho lehibe dia mifanohitra amin’izany. Ny asany dia manompo ny olona rehetra, satria izay no fiainan’ Andriamanitra, izy ilay Andriamanitra dia nidina tany ambony tany ary nanompo ny olon-drehetra. Izany no fiainan’ Andriamanitra, izany no fanetre-tenan’ Andriamanitra, ary i Jesoa raha teraka tao an-tranon’omby dia mba ampianarana antsika ny atao hoe fanetre-tenan’ Andriamanitra. Izy dia nanaiky ny hijaly sy ho faty, ary izay ilay fanetre-tena, ka ho an’ny Kristianina dia io fanetre-tena io no voalohany indrindra, ary raha mires any atao hoe fitiavana izay voalohany indrindra amin’ny fiainan’ny Kristianina dia zavatra anankiray ihany ny fanetre-tena sy ny fitiavana. Izany no ilaina amintsika hiaina mandrakariva izany fanetre-tena izany na inona toerana misy antsika ato amin’ny fiangonana na inona toerana misy antsika any amin’ny sehatry ny asa. Any amin’ny sehatry ny fiaraha-monina ny Kristianina dia manompo eo amin’ny fiainany, ny fiteniny, ny fihetsiny amin’izany fantre-tenan’ Andriamanitra izany. Ka raha miteny izy dia teny manetry tena, tsy mivatravatra be, teny manorina fa tsy mandrava; tsy teny mandratra fa feno fandeferana.

Miainga avy amin’ny fifandraisan’ny mpivady izay tanin-ketsa manorina ny fianakaviana, ny fifandraisan’ny zanaka sy ny ray aman-dReny na ny fihetsika na ny fiteny na ny asa atao dia mila an’izany fahendrena izany. Ny mpianatra moa dia te ho lehibe, ao ny mieritreritra hoe raha ohatra moa ka tsy eo intsony ity mpampianatra antsika ity dia iza no ho lehibe amintsika na ilay ambaran’ny Vaovao Mahafaly hoe avelao izahay ho eo ankavianao sy ho eo ankavananao.

Izany no fanaon’izao tontolo izao, fa isika ahoana no fiainantsika izany fanetre-tena izany?

Isika Kristianina dia tsy maintsy manao ezaka mandrakariva mba hiaina an’izany fanetre-tena izany satria izany no fomba hangalantsika tahaka an’I Kristy. Izay no ambaran’I Md Paoly tao amin’ny taratasy ho an’ny Kristianina Hebrio izay manambara indrindra ny finoantsika an’I Kristy, ny fakantsika tahaka azy ary indrindra ny fomba hanatonantsika an’I Kristy. Satria ny fiainana maha Kristianina dia lalana iray hakana tahaka an’I Kristy sy hanakaikezantsika anazy, hiombonana sy hanantonana an’I Kristy. Ny fiainam-pahamasinana dia tsy hoe nahavita an’izao asa izao izaho fa hoe hatraiza ny zavatra vitanao amin’ny fakana tahaka an’I Kristy na amin’ny teny na amin’ny atao na amin’ny fihetsika na amin’ny fomba fifandraisana amin’ny olona. Dia izay no handrefesana antsika hoe masina isika.

Izany fakan-tahaka an’I Kristy izany dia tsy maintsy mandala fijaliana isika, tsy maintsy lasa sorona ny fiainantsika, ary isika Ray aman-dReny sy isika izay manana andraikitra ato amin’ny fiangonana mitondra hazo fijaliana. Ny hazo fijaliana dia tsy hoe mahafaly mandrakariva fa fijaliana mandrakariva no entina amin’ireny andraikitra ireny. Ary izany fijaliana izany dia hiombonana amin’I Kristy, ka na mafy aza ny fanenjehana, ny fanavakavahana sy ny tsy fitiavana dia lalana iray hakantsika tahaka an’I Kristy ary eo no hitsarana ny olona iray hoe manetry tena izy ato anatin’ny fiangonana rehefa esorina aminy ny andraikitra iray na tapitra ny fotoana hitondrany ka tsy mampijaly azy izany. Satria misy ny sasany dia rehefa nesorina taminy ny andraikitra dia tsy hita intsony na lasa tsy mivavaka intsony. Taloha izy dia mpitarika mafana fo ka rehefa misy olana ka mijanona amin’ny maha mpitarika azy na mametra-pialàna dia tsy miditra am-piangonana intsony. Eo no ahitana ny fanetre-tenan’ny olona tsirairay, rehefa esorina aminy ny andraikitra dia tsy mampijaly azy izany, tsy manova ny fahazotoany hivavaka, tsy manova ny fandraisany adidy ao anatin’ny Fiangonana izany. Ka isika dia mila indrindra ny fanetre-tena indrindra manoloana ny fiainantsika, na ny fijaliana na ny fitsapana maro amin’ny fiainantsika ka mahatonga antsika mitaraina. Ka ny olona mitaraina dia tsy ampy an’izany fanetre-tena izany, na inona fitsapana misy eo amin’ny fiainantsika dia ilaina ny mangina mandrakariva satria I Jesoa rehefa nitondra ny hazo fijaliana dia tsy nitaraina izy na nampijaliana dia tsy nitaraina izy fa tao anatin’ny fahanginana.

Ka ny fahanginana anisan’ny fanetre-tena lehibe. Miady ny mpivady any an-trano any ka ny fahanginana ataon’ny iray dia fanetre-tena na misy inona na misy inona. Ny fahanginana moa dia anisan’ny fitaovam-piadiana anakiray lehibe. Isika dia mila miezaka mandrakariva amin’izay fiainantsika izay satria ny fanetre-tena dia anisan’ny lehibe tokoa amin’ny fiainana maha Kristianina ary maka tahaka an’I Kristy satria Izy dia tonga mba hanompo fa tsy hotompoina ary hanasa ny tongotry ny mpianany, isika rehetra dia mila mifanasa tongotra ka amin’ny alalan’ny fanompoana sy amin’ny alalan’ny ireny adidy sy andraikitra ataontsika ato am-piangonana ireny, amin’ny ara-pitaovana angamba dia manomboka amin’ny rakitra sy izay adidy madinika takiana amintsika dia amin’ireny isika no manao izany adidy fanompoana izany. Ka miantomboka izany any anatin’ny fiainam-pianakaviana any, ireny adidy tandrify ny tsirairay atao am-pitiavana ireny ilay manasa ny tongotry ny hafa endriky ny fanetre-tena, endriky ny fanompoana, endriky ny fakana tahaka an’I Kristy.

Resaka Facebook