Alahady 16/08/2015 : Toriteny

« Tena fihinana ny Nofoko, ary tena fisotro ny Rako. »

Tamin’ny Sabotsy 15 Août tolakandro dia maro ny mpanala fanadinana izay nijery ny toerana hanalàny fanadinana, anisan’izany ny tao amin’ny Collège Saint Michel Amparibe. Nitsangana teo am-bavahady Mopera tamin’izay dia nanontany hoe: “Handeha ho aiza ianareo ireto? Inona ny zavatra tena mahamaika anareo?” dia namaly ireto ankizy: “Hijery salle izahay”. Dia nanontany indray Mopera: “Fa inona no ho ataonareo any?” ary namaly izy ireo hoe: “Hanala bac!”, hoy ary Mopera tamin’izy ireo: “Ny bac dia efa any am-paosinareo tsirairay avy any.” Nihomehy ireto ankizy ary nisy anankiray nanokatra ny paosiny ka namaly hoe: “Toa tsy misy ato ka!”. Ary izao indray no navalin’I Mopera azy: “Any ilay izy fa paosy hafa no nosokafanao.” Ny tiana hambara dia hoe: mila fantatra ny paosy nasiana ny zavatra iray. Izany no antony hanaovana fanadinana. Ilay izy efa ao amintsika fa mila fantarina hoe aiza no nasiana azy mba hamoahana azy ka hinoan’ny olona fa ananantsika tokoa ilay izy. Nitohy ihany moa ny resak’I Mopera sy ny ankizy ka nanontany Mopera hoe: “Tanjonareo ve ny bac?” ka namaly ny anankiray hoe: “Koa raha tsy izany ve ny tanjoko dia hisahirana tahaka izao aho?” Ka izao no nambaran’I Mopera taminy: “Tsy tanjona ny bac fa lalana na ambaratonga hahafahana miatrika ny fianarana amin’ny ambaratonga ambony.” Ary izay no manahirana matetika, isika tsy mahalala hoe inona ny “fomba” ary inona ny “tanjona” eo amin’ny fiainantsika.

Tahak’izay koa: isika ve velona mba hihinana sa mihinana mba ho velona? Ny ankamaroany angamba mety hoe velona mba hihinan-kanina, asa aloha! Raha tsy izany ve isika hisahirana, hanao izao fomba rehetra izao mba hihinanan-kanina. Fa maninona moa no miharatsy izao fiaraha-monina misy antsika izao? Fa maninona no mihamaro ny mpangalatra manao hala-botry? Ny antony dia satria aleo tsy maty androany fa maty rahampitso.

Kisarisary ihany izany fa tarafin’ny Tenin’Andriamanitra androany: tsy natao ho velona isika mba hihinana fa ilaintsika kosa ny sakafo mba hahafahantsika mivelona sy manohy ny asa sy ny adidy izay nankinin’Andriamanitra tamintsika tsirairay avy. Izany no nahatonga an’I Jesoa niteny teto hoe: “Izaho no tena sakafo”. Fa maninona moa isika, isan’andro toa mitàna sotro nefa tsy mitelina, mitelina ny vava fa tsy mitsako, mitsako ny nify fa tsy mety voky, avy eo ao amin’ny vavonintsika ao afaka adin’ny enina na adin’ny roa amibinifolo dia noana indray? Ny dikan’izany dia zavatra nandalo ihany iny. Ny vatantsika mila izany sakafo izany ary manova izany mba ho zary hery sy tanjaka mba hahafahantsika miasa. Ny Eokaristia anefa tsy mitovy amin’izay. Araka ny nambaran’I Jesoa dia raha tsy mihinana ny Eokaristia isika dia tsy hahazo ny fiainana mandrakizay. Fa inona tokoa moa ny Eokaristia? Sakramenta ny Eokaristia fa tsy Sakramentaly. Ny Sakramenta dia famantarana hita maso, ren’ny sofina, azon’ny lela andramana, azon’ny orona embohana, azo tsapain-tànana ka mampahazo fahasoavana. Ny ohatra amin’ny Sakramentaly kosa dia ny Lakroa. Sakramenta ny Eokaristia fa Sakramenta tonga lafatra miohatra amin’ny Sakramenta rehetra. Tonga lafatra satria ho antsika Katolika I Jesoa dia eo mandritra ny fotoam-pivavahana ary ao amin’ny Tabernakla. Izany koa no maha samihafa antsika amin’ny Fiangonana rahavavy. Noho izany dia Sakramenta lavorary ny Eokaristia. Izy ihany koa dia azo lazaina ho toko telo mahamasa-nahandro na koa nofon-kena mitàm-pihavanana. Noho izy toko telo dia zavatra telo no tiana havohitra amin’izany: voalohany, ny Eokaristia dia sakafo, ny faharoa dia mitaky finoana izy ary ny fahatelo dia izy mitaky famelan-keloka. Tsy mijanona ho sakafo fotsiny fa izany no mahadiso antsika matetika. Ny mahasamihafa ny Eokarsitia sy ny sakafo hohanintsika amin’ny andavan’andro dia ny vatantsika manova ny sakafo ho zary hery mba hahafahantsika miasa eo amin’ny fiainana andavan’andro fa ny Eokaristia kosa dia sakafo izay manova ny vatantsika mba ho tonga vatan’I Jesoa Kristy. Mitaky finoana ny Eokaristia satria rehefa miresaka Eokaristia isika dia mila mino fa hoe eo I Jesoa mandritra ny fotoan’ny lamesa nefa mbola ao ihany aorian’ny lamesa sy mandritra ny fotoana hafa rehetra. Ny fahatelo kosa dia ny fifamelan-keloka na hoe fampihavanana na hoe fihavanana. Fa maninona moa no mikorontana ny fiaraha-monina misy antsika amin’izao fotoana izao? Ny antony dia satria tsy miaina an’izany zavatra angatahin’I Jesoa amintsika isan’andro izany isika. Matetika mantsy dia araka ilay fomba fiteny hoe: “Mivavaka rehefa Alahady fa mangala-pihinana rehefa Alatsinainy” …mba tsy hitenenana hoe mangalatra akoho. Izany hoe tsy misy fitohizany ny teo amin’ny latabatra nanaovantsika ny Sorona Masina sy ny fiainantsika amin’ny andro Alatsinainy. Ny antony dia isika tsy mahay mamela heloka. Ary izany no isan’ny olana lehibe eo amin’ny fiainantsika andavan’andro ao amin’ny fianakaviana. Izany no mampiady ny mpianakavy. Raha tsapantsika angamba, mandritra ny fankalazana ny Sorona Masina, manomboka amin’ny hira fifonana dia mangataka famelàna amin’Andriamanitra isika alohan’ny handraisantsika ny Eokaristia. Ilaina izay fahaizana mifamela izay: Andriamanitra mamela antsika noho izany isika tsirairay koa dia tokony mahay mifamela heloka. Fanamby io, fanamby lehibe eo amin’ny fiainantsika andavan’andro. Koa dia angataka ny fahasoavan’Andriamanitra ary isika mba hanana ny finoana fa I Jesoa ihany no tena sakafo ary mba ho I Jesoa sy ny fiainana mandrakizay izay nolazain’ny Evanjely ao amin’ny Joany 6, 58 no ho tanjona eo amin’ny fiainantsika.

Joany 6, 58: “Velona ny Ray izay naniraka Ahy, Izaho koa dia velona ao amin’ny Ray; toy izany koa no hahavelona amiko izay mihinana Ahy.”

Ny Eokaristia mampihavana antsika amin’Andriamanitra sy mampihavana antsika amintsika samy olombelona ary mampihavana antsika amin’ny zava-boahary. Raha manana an’izany toe-tsaina sy toe-po amam-panahy izany isika amin’ny alalan’ny Eokaristia izay raisintsika dia ho zary fiaraha-monina hahitana soritra sahady ny fiainana mandrakizay izay anjakan’ny fifankatiavana. Ka ny Alatsinainy dia ho fitohizan’ny zavatra izay nankalazaintsika ny Alahady. Ka andeha ary isika angataka ny fahasoavan’Izy Tompo mba hahafahantsika manohy ny fandraisantsika an’I Jesoa ary mba tsy ho tapaka izany eo amin’ny fiainantsika andavan’andro.

Resaka Facebook